Tantsaha 2,7 tapitrisa, ahitana ireo tanora niala tamin’ny fianarana sy ireo vehivavy loham-pianakaviana eo anivon’ny faritra 13 no hahazo tombony amin’ny vola avy amin’ny fandaharan’asa ho amin’ ny fanofanana araka asa sy ny fanatsarana ny famokarana avy amin’ny fambolena (Formaprod) nomen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida).
Vita tao Roma, ny zoma 03 aogositra lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina, sy i F.Nwanze Kanayo, filohan’ny Fida ho an’ny Formaprod. 54 tapitrisa dôlara ny vola nomen’ny Fida hanatanterahana izany. Hosahanina ao anatin’ny 10 taona ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena ho amin’ny fanofanana mahakasika ny fambolena eny anivon’ny tontolo ambanivohitra (Snfar), ny fanofanana araka asa ireo tanora tantsaha sy ny fampandehanana ny fanofanana manerana ireo faritra (Far) ary ny fanatsarana ny famokarana eo anivon’ireo faritra tena mpamokatra. Raha mitombo 2,5% isan-taona mantsy ny isan’ireo Malagasy dia zara raha miakatra 1,2% ny vokatry ny fambolena isan-taona.
HNA









0 Fanehoan-kevitra