Ny Filohan’ny tetezamita sy ny ankohonany lasa niala sasatra any Frantsa. Ireo minisitra ao amin’ny governemanta amin’ny ankapobeny koa nangataka ny mba haka aina kely aloha. Azo antoka fa tsy hisy hijanona eto an-drenivohitra aloha amin’izany fa farafaharatsiny hamonjy an’ireo tora-pasika malaza eto an-tanindrazana. Tsy ferana ireo izay hiampita ranomasina. Efa nahazo alalana rahateo. Ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra no voatery miato, mandritra ny tapa-bolana eo ho eo noho izay toe-javatra izay. Marina fa olombelona mba mila miala liana tokoa aloha e ! Fa hay tokoa moa izany ka azo hampiandrasina ihany ity raharaham-pirenena ity rehefa ifanarahana ny hoe samy miaraka miala sasatra? Ankilan’izay anefa ny androatokon’ny vahoaka efa mila hiala…aina.









0 Fanehoan-kevitra