Subscribe to RSS

Fialam-boly sy fanabeazana – Tsy afa-misaraka ny fianarana sy ny vaky boky

SOMARY MANADINODINO NY VAKY BOKY NY ANKAMAROAN’NY ANKIZY SY TANORA MALAGASY ANKEHITRINY. TSY HO FIALAM-BOLY FOTSINY IHANY ANEFA, FA IO IHANY KOA NO FOTOTRA IRAY HAHAFAHANA MIVOATRA, INDRINDRA MANAMPY BETSAKA AMIN’NY FAHALALANA ANKAPOBENY SY MANAMPY NY FANAZAVANA IREO LESONA TOVOZINA ANY AN-TSEKOLY. TSY AFA-MISARAKA, ARAKA IZANY, NY VAKY BOKY SY NY FIANARANA

Tandra vadin-koditra amin’ny fianarana  ny vaky boky. Manana ny lanjany mandritra ny fanomanana fanadinana ihany koa  izy ary manampy ny mpianatra amin’ny fanazavana ny lesona azo tany am-pianarana. Ny famakiana lesona anefa dia vakiteny fa tsy vaky boky satria ny lesona dia mampiasa fitadidiana be fa tsy toy ny vaky boky, izay natao ho fanampiana ny zavatra efa hay sy fandalinana ary fialam-boly fotsiny ihany.

Mandritra ny vakiteny amin’ny famerenan-desona dia ilaina ny fananana karine kely entina mandray an-tsoratra izay mbola tsy azo tsara ka mila ampiana amin’ny alalan’ny fikarohana na vaky boky. Raha vaky boky fanaovana fanazarana (livre d’exercice) kosa indray dia tsy tokony hamaky fe hamaky fotsiny  fa ilaina ny fanaovana ireo fampiharana ao anatin’ilay boky. Raha misy fanitsiana kosa indray ao anatiny, dia tsy tokony hijery avy hatrany ny fanitsiana ilay mpamaky boky fa tokony hanandrana aloha hanamorana ny fijerena ireo zavatra mbola tokony hatevenina. Manana ny lanjany manokana amin’ny fahalalana ny voambolana tena fanoratra sy ny tena heviny marina ihany koa ny vaky boky satria izy dia fitahirizana ny teny tsy ho simba.

 Fomba fanaovana tatitra vaky boky

Manampy betsaka ny fitadidiana ny fanaovana tatitra vaky boky (fiche de lecture). Tsy ny boky rehetra akory no anaovana tatitra fa ireo boky mirakitra tantara foronina sy ny iray karazana aminy ihany. Ny tena mahazatra ary efa fanao dia ampanarahina ny onjan’ny tantara ilay tatitra, izany hoe manaraka ny fivoaran’ny tantara.

Maro ny zavatra tsara ho fantarina mialoha ny fanaovana tatitra vaky boky. Ilaina fantarina voalohany  ny momba ny mpanoratra sy ny fotoana nanoratana ilay asa soratra. Manaraka izany ireo mpandray anjara fototra sy ny toetrany sy ny mombamomba azy. Avy eo jerena ny fotoana nitrangan’ny tantara sy ny fivoaran’ny tantara. Amin’ny maha tatitra azy dia atao amin’ny teny tsotra ny famintinana ary tsy atao lava be, izany hoe tsy tokony hihoatra ny roa pejy. Tokony hatao iray toerana ireo takela-taratasy misy ny tatitra  mba hanamorana ny fijerena azy amin’ny fotoana ilana azy.

Mora ny boky tonta

Mora kokoa raha mihoatra ny any amin’ny trano fivarotam-boky ny eny amin’ny toerana fivarotana boky tonta. Tsy vitsy araka izany ireo olona mifamezivezy eny Ambohijatovo, mitady izay boky ilainy. Hita eny avokoa na ireo ray aman-dreny mampiana-janaka, na ny mpianatra, na olon-tsotra.

“Ny boky fanomanana fanadinana no tena ifanotofana ety amin’izao fotoana izao”, araka ny fanazavan’i Tantely, mpivarotra boky tonta eny Ambohijatovo. Raha ho an’ny ankizy hanala fanadinana na bakalorea na Bepc dia manodidina ny 10 000 Ar ka hatramin’ny 15 000 Ar eo ho eo ny vidin’ny boky fanazarana toy ny “Annales Brevet” sy ny “Annales Bacc”. Raha ho an’ny ankizy madinika any amin’ny ambaratonga ambany indray dia manodidina ny 5 000 Ar ka hatramin’ny 10 000 Ar eo ny vidin’ireo boky fampiasa any am-pianarana. “Mora kokoa ny boky eto aminay satria efa nampiasaina. Izany akory tsy midika hoe efa simba na tsy ampy takelaka ilay boky fa mbola voakojakoja tsara toy ny vaovao mihitsy”, hoy hatrany ny fanazavany.
 TAFATAFA TAMIN’I Lalaina RABEARISOA

(Tomponandraikitra ao aminny Tranomboky monisipaly)

*Inona no mampiavaka ny ankizy mamaky boky?

- Misy fahasamihafana ny mpianatra mamaky boky sy ny tsy mamaky boky. Na ny zavatra fantatra fotsiny ihany aza dia efa hitarafana izany fahasamihafana izany.

Inona no boky tena be mpitady aty amin’ny Tranomboky?

- Ny boky fianarana nosoratan’ireo mpampianatra avy eto Madagasikara no tena ifandrombahana eto aminay. Ny tsy fitovian’ny fandaharam-pianarana no tena antony tsy mandrisika ny ankizy hijery ireo boky nataona mpampianatra vahiny.Matetika dia maro ireo mpianatra no mamaky izay boky ilainy any amin’ny fandaharam-pianarana ataony. Misy betsaka ihany koa anefa ireo mitady boky natao ho fialam-boly.

*Misy sokajin-taona ve ny fidirana trano famakiam-boky?

-Tsy mifidy sokajin-taona satria misy hatramin’ny ankizy any amin’ny kilasy ambany ka hatrany amin’ireo efa mamita fianarana no tonga mamaky boky eto. koa ireo mpiasa na olon-tsotra te hiala voly na te hanita-pahalalana na ihany koa mitady tahirin-kevitra no tonga eto aminay. ho an’ny rehetra ny trano famakiam-boky na amin’ny andro fianarana na amin’ny andro fialan-tsasatra.

 “Mamaky sary sy mijery soratra

Willy Rahetilahy, talen’ny tranom-bokim-pirenena Anosy.

Willy Rahetilahy, talen’ny tranom-bokim-pirenena Anosy.

«Mandritra ny fialan-tsasatra dia tokony havela haka aina ny atidoha fa tsy tokony hofenoina zavatra be dia be. Raha te-hamaky boky anefa ny ankizy dia tokony boky tsy ilàna fampiasan-tsaina no vakiany fa boky feno sary ary mamaky sary sy mijery soratra», araka ny fanazavan’i Willy Rahetilahy, talen’ny Tranomboky nasionaly.

Miankina amin’ny fahaizany mamaky teny sy manoratra no tokony hisafidianany ny boky vakiana, ho an’ny ankizy manomana fanadinana. Ny mpampianatra mantsy rehefa mitsara fanadinana dia tiany ny mahita ankizy mahafehy tenim-pirenena iray. “Boky tsy lava be no tokony hojeren’ny ankizy manomana fanadinana satria efa akaiky ny fotoana ka tsy tokony handany andro hitadidy ny zavatra voasoratra tao anaty boky”, hoy hatrany ny fanazavany. Ny zavatra tokony hataony koa dia ny mijery fomba tsara hahafahana mitadidy ny fomba fanaovana ilay taranja (méthode) mba hanamora ny fitadidiana azy mandritra ny fanadinana.

 Torohevitra ho anny ray aman-dreny

Ahalalana zavatra maro ny vaky boky satria dia ao avokoa no ahitana ireo teoria rehetra. “Ao anaty boky no ahafantarana izao tontolo izao fa tsy ny fitetezana izao tontolo izao, ao anaty boky ihany koa no ahitana ny tantara, ny tranga niseho nandritra ny vanim-potoana iray tsy niainana dia ny boky no ahafantarana azy”, hoy ny fanazavan’i Daniel Rajoelison, mpampianatra eny amin’ny Oniveversiten’Antananarivo.

Araka ny maha soratra ny boky dia mitoetra izy fa tsy mandalo tahaka ny tantara am-bava. “Ao an-trano no tokony ho trano famakiam-boky voalohany hitaizana ny ankizy. Sakafon-tsaina ny boky ary manampy ny ankizy ho tia karokaroka eo amin’ny fiainany”, hoy hatrany ny fanazavany.

Tsy tokony hoterena be fotsiny ihany koa anefa ny ankizy hamaky boky fa tokony ampafantarina azy ny voka-tsoa azo avy aminy. Ilaina ihany koa ny fanohanana azy ara-kevitra, indrindra fa ny ara-tsakafo. Tsara sady tena tokony hoanin’ny ankizy hanala fanadinana ny fihinanana sakafo misy kasiôma sy prôteina, toy ny trondro sy ny sôkôla. Manampy betsaka amin’ny hery fiarovana ihany koa ireo sakafo ireo sady manampy ny atidoha. Etsy an-daniny izany dia tokony haka aina ny ankizy mialoha ny fanomanana fanadinana fa manjary reraka ny atidoha ary tsy hisy zavatra tafiditra mihitsy.

Haja Randrianantoandro

Hery Rakotondrazaka

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy(0)

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA. Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany. Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka.

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona

Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona(0)

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

  NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro

CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite