
Voalaza ombieny ombieny fa mari-pamantarana ny fitiavana ny oroka eo amin’ny olon-droa mifankatia. Mety ho firaiketam-po, na firehetampo, na faniriana fotsiny ihany no fihetseham-po aterany. Ahoana ary inona tokoa no anton’ny fifanorohana? Mety ho famarana ny fahasalaman’ny fiainan’olon-droa ve izy ary inona marina no tena fihetseham-po aterany eo amin’ny olon-droa ? Toy izao ny valiny mahakasika izany, raha ny fandinihana nataon’ny mpikaroka any ivelany.
Voalaza àry fa tena famarana ny fiainan’olon-droa tokoa ny oroka. Io indrindra aza no fantatra fa famarana tsy mamitaka. Mila mieritreritra ny mpifankatia tsy mifanoroka intsony eo amin’ny fiarahany. Tsy dia hasarotina be kosa anefa io, na izany aza, saingy tokony hojerena fotsiny ihany. Miankina amin’ilay antony tsy ifanorohana intsony mantsy ny momba izany.
Ho an’ny hafa indray dia ny oroka no zavatra tena mampifamatotra indrindra ny mpifankatia. Famarana ny fihetseham-po ny oroka amin’izay fotoana izay. Azo heverina, raha ny fomba fahitan’ny mpikaroka azy, fa miaro ny fihetseham-pony ny olona iray mandà ny manoroka.
Tsy mila hazavaina intsony fa maneho ny fifankatiavan’ny olon-droa ny karazana fihetsika miseho imasom-bahoaka. Tsy voatery ho oroka izany, fa na ny fifampijeren’ny maso fotsiny ihany aza dia efa ampy hahitana taratra izany.
Samy manana ny fomba fiheverany ny oroka ataon’ny olon-droa imasom-bahoaka ny tsirairay. Ny mamy indrindra eo amin’ny fiainam-pitiavana dia ny fahaizana manafina ireny fihetsika kely ifampizaran’ny olon-droa ireny, ka zary mivadika ho tsiambaratelon’izy roa avy eo izany.
Monica Rasoloarison








0 Fanehoan-kevitra