Subscribe to RSS

Fiainana mpanakanto – Fikomiana no nisafidianan’i Hanitra ny taovolony

Ireo mpikambana eo anivon’ny tarika be

Mpanakanto nitondra avo ny kolontsaina malagasy, tamin’ny alalan’ny mozika, ary naneho ny vakoka nentin-drazana tamin’ny firenena maro. Ny taovolony anefa no tena nampiavaka sy nahavariana ny olona tamin’i Hanitrarivo Rasoanaivo na i Hanitra, izay mpihira sy mpitarika ny tarika Bé.

Tsy nihambahamba i Hanitrarivo Rasoanaivo na i Hanitra nilaza fa anisan’ny nanosika azy hanana ny taovolony, somary miavaka amin’izay fahita amin’ny andriambavilanitra, ny fitiavany miala amin’ny voalaza fa manaraka ny fitsipika. Azo atao hoe mihoa-pefy, tsy voafehy, tia mikomy… saingy nohazavain’i Hanitra ao anatin’ny foto-pisainany ny hoe «mety ary misy azo atao ihany koa ireo tsy manaraka fitsipika».

Zanak’olona mpitana ny nentin-drazana i Hanitra ary nambarany fa fikomiana no nisafidianany ny taovolony izay sola ny sisiny, nefa somary lava ny eo afovoany sy ny any aoriana. Araka ny fitantarany dia lava volo be izy taloha ary nanaraka ny hevitry ny ray aman-dreny, fa rehefa vehivavy dia tokony ho lava volo. «Vao afaka bakalorea aho anefa dia nokakasako ho sola tanteraka ny lohako. Entiko hanaporofoana izany fa mety ihany koa ary azo atao ny tsy manaraka fitsipika», hoy ihany izy.

Isaky ny roa andro

Voalazan’i Hanitra fa ao anatiny ary feon’ireo razambe fahagola tany no nanosika azy hametraka sy hitondra io taovolo io. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, dia mpikaroka ihany koa izy. Vokatra hitany ohatra ny hoe ny foko Makassar sy ny Panane avy any Indonezia, izay voalaza fa niandohan’ny Malagasy, dia efa nanana io taovolo io. «Mitovy tamin’ny fomba fiainan’izy ireo rahateo ny lalana nodiaviko», hoy ihany i Hanitra.

Foko mpandehandeha ary tsy mijanona raha tsy mahita Nosy ny Makassar. Nomarihiny manokana fa izy dia niainga teto Madagasikara, nandalo tany Angletera sy nosy Maorisy ary izao miverina eto Madagasikara izao.

Toy ny vehivavy rehetra, dia manana fotoana manokana hikarakarana ny volony i Hanitra. Isaky ny roa andro no tsy maintsy kakasana ireo volo amin’ny sisiny.

Ankoatra ny taovolo, dia manana ireo mampiavaka ihany eo amin’ny lafiny fitafy ity mpanakanto ity. Ankafiziny ny loko marevaka, toy ny mena sy ny volomboasary manopy mena. Olona tia mamorona izy ka maro amin’ireo fitafiana, firavaka ary kojakoja entiny no izy ihany no nanamboatra azy.

Nitsoaka nangingina

Mbola tao anatin’ny fokomiana no nandehanan’i Hanitra voalohany tany andafin’ny riaka, ka nanokatra ny lalany teo amin’ny sehatry ny mozika sy nahatonga azy ho mpanakanto matihanina. «Raha ny fanirian’ny ray aman-dreny dia ny ho mpanamory fiaramanidina no tian’izy ireo hataoko», raha ny fahatsiarovany. Nifandraika tamin’izay rahateo ny fianarana nasainy natao. Kilasy fahavalo izy no afaka Bepc ary kilasy voalohany (serie C) no afaka ny fanadinana bakalorea ary nanohy ny fianarana teny anglisy teny amin’ny Oniversite. Nisy ny fandraran’ny ray aman-dreny tamin’ny fikasany hiasa any ivelany. «Amboletra no nataoko. Nokarakaraina mangingina ny pasipaoro sy ny namany fa tonga tany aho vao nanoratra ho azy ireo hoe tonga soa aman-tsara aty Londres ary salama tsara…», hoy ihany izy nitantara ny nandehanany tany ivelany tamin’ny 1989.

Rasoanaivo Hanitrarivo

Rasoanaivo Hanitrarivo

Ny Antsaly

Nandritra ny fety niarahany tamin’i Noro (rahavaviny) no nahitan’ny mpamokatra iray ny talentany teo amin’ny sehatry ny mozika. Efa nankafy mozika hatramin’ny fahazazany izy ary ireo manodidina azy, toy ny ray aman-dreny, ny havany dia niaina tao anatin’ny mozika. «Vitsy angamba no mahalala fa anisan’ireo raiamandrenibenay ny tarika Ny Antsaly ary anisan’ireo mpitarika sy nanoro lalana Randafison, izay hany sisa afaka nifampiresaka tamiko», hoy i Hanitra. Anisan’ireo zava-maneno ankafiziny ary iray amin’ireo karazan-java-maneno 17 ampiasainy rahateo ny valiha. Mialoha izany anefa dia efa nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fampahafantarana ireo vahiny ny mpanakanto malagasy izy raha tsy hilaza afa-tsy ry Jaojoby, Levelo, Gégé, Volambita…

Noho io lalana nisokatra io dia niantso an’i Sammy, izay nitrandraka ireo zava-maneno nentin-drazana i Hanitra, ka teraka teo ny tarika Sammy, niova ho Tarika sy tarika Bé, taty aoriana.

11 septambra 2001

Fa tranga iray nitondra fahamatorana kokoa ho an’i Hanitra na teo amin’ny maha olona na teo amin’ny sehatry ny mozika ny tranga tamin’ny 11 septambra  2001. Nanao fitetezam-paritra tany Etazonia izy nandritra io fotoana nisian’ny asa fampihorohoroana ka nampirodana ny trano nijoalajoala «World trade center» io. Tokony ho any California izy ny andron’ny 11 septambra 2001.

Nampiady hevitra teo amin’ireo mpikambana ny fanohizana na tsia io fitetezam-paritra io, noho ny fahavoazana goavana loatra nihatra tamin’i Etazonia. Nampifandona ary nampisintaka ny mpikambana sasany tao anatin’ny tarika mihitsy aza izany, satria na tsy nisy aza ny fiaramanidina dia nitohy tamin’ny fandehanana fiara ny dia nankany Texas.

Tsy mihinan-kena

Taorian’ireo seho ireo no nanapa-kevitra fa hody an-tanidrazana i Hanitra ary nanangana ny ivon-toerana ho an’ny zavakanto na ny «antshow» eny Ambohitsoa, izay toerana nahalehibe azy.

«Niaina tao anaty ala izahay tety ary izay fiainana izay no nahatonga anay ho tsy mihinan-kena na végétarien», hoy izy raha nahatsiaro ny fahazazany. Fiainana izay nanefy azy koa ho olona tia sy mpiaro ny tontolo iainana. Izy rahateo no tompo-marika tamin’ny fananganana ny sehatra iray ahitana ny mpanakanto sy ny tontolo iainana. «Fototra iray iaingan’ny aingam-panahy ny tontolo iainana», hoy izy raha niaro ny heviny.

Hatramin’izao dia mbola tsy mihinan-kena mihitsy na «végétarien» ity andriambavilanitry ny kanto ity, nefa mety hivadika ho «végétalienne» raha mbola mitohy ny famokarana ireo karazana sakafo mbola haniny. «Mihinana trondro, ronono sy vokatra avy amin’ny ronono, ny atody… aho amin’izao fa rehefa tsy misy intsony ny atody avy amin’ny akoho natoraly, ny ronono avy amin’ny omby tsotra… dia tsy hihinana intsony raha tsy ireo vokatra avy amin’ny zava-maniry», hoy ihany izy. Tsy mampaninona ny tsy mihinan-kena satria mba handramo izany ravimbomanga sy ny sôsety atono izany, sakafo tena ankafizin’i Hanitra.

I hanitra sy ny tarehimarika

12 taona i Hanitra no nanomboka nitendry valiha

22 taona no nivezivezeny tany ivelany ka nitetezany firenena maro

90%-n’ny fiainany dia rmozika avokoa

93 ny isan’ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny fotoana niasany

1999 no fampisehoana voalohany natrehin’ny ray aman-dreniny, tetsy amin’ny CCAC Analakely

12 ny isan’ny rakikira efa vitany nanomboka ny 1989

Ny 1999 ka hatramin’ny 2001 dia 11 volana ao anatin’ny taona no lany amin’ny fitetezam-paritra ary ny 5 andro ao anatin’ny herinandro no miasa na eny an-tsehatra na any anaty trano fandraisam-peo

Faly Randriamiarantsoa

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy(0)

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA. Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany. Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka.

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona

Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona(0)

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

  NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro

CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite