
Tsy nihambahamba i Hanitrarivo Rasoanaivo na i Hanitra nilaza fa anisan’ny nanosika azy hanana ny taovolony, somary miavaka amin’izay fahita amin’ny andriambavilanitra, ny fitiavany miala amin’ny voalaza fa manaraka ny fitsipika. Azo atao hoe mihoa-pefy, tsy voafehy, tia mikomy… saingy nohazavain’i Hanitra ao anatin’ny foto-pisainany ny hoe «mety ary misy azo atao ihany koa ireo tsy manaraka fitsipika».
Zanak’olona mpitana ny nentin-drazana i Hanitra ary nambarany fa fikomiana no nisafidianany ny taovolony izay sola ny sisiny, nefa somary lava ny eo afovoany sy ny any aoriana. Araka ny fitantarany dia lava volo be izy taloha ary nanaraka ny hevitry ny ray aman-dreny, fa rehefa vehivavy dia tokony ho lava volo. «Vao afaka bakalorea aho anefa dia nokakasako ho sola tanteraka ny lohako. Entiko hanaporofoana izany fa mety ihany koa ary azo atao ny tsy manaraka fitsipika», hoy ihany izy.
Isaky ny roa andro
Voalazan’i Hanitra fa ao anatiny ary feon’ireo razambe fahagola tany no nanosika azy hametraka sy hitondra io taovolo io. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, dia mpikaroka ihany koa izy. Vokatra hitany ohatra ny hoe ny foko Makassar sy ny Panane avy any Indonezia, izay voalaza fa niandohan’ny Malagasy, dia efa nanana io taovolo io. «Mitovy tamin’ny fomba fiainan’izy ireo rahateo ny lalana nodiaviko», hoy ihany i Hanitra.
Foko mpandehandeha ary tsy mijanona raha tsy mahita Nosy ny Makassar. Nomarihiny manokana fa izy dia niainga teto Madagasikara, nandalo tany Angletera sy nosy Maorisy ary izao miverina eto Madagasikara izao.
Toy ny vehivavy rehetra, dia manana fotoana manokana hikarakarana ny volony i Hanitra. Isaky ny roa andro no tsy maintsy kakasana ireo volo amin’ny sisiny.
Ankoatra ny taovolo, dia manana ireo mampiavaka ihany eo amin’ny lafiny fitafy ity mpanakanto ity. Ankafiziny ny loko marevaka, toy ny mena sy ny volomboasary manopy mena. Olona tia mamorona izy ka maro amin’ireo fitafiana, firavaka ary kojakoja entiny no izy ihany no nanamboatra azy.
Nitsoaka nangingina…
Mbola tao anatin’ny fokomiana no nandehanan’i Hanitra voalohany tany andafin’ny riaka, ka nanokatra ny lalany teo amin’ny sehatry ny mozika sy nahatonga azy ho mpanakanto matihanina. «Raha ny fanirian’ny ray aman-dreny dia ny ho mpanamory fiaramanidina no tian’izy ireo hataoko», raha ny fahatsiarovany. Nifandraika tamin’izay rahateo ny fianarana nasainy natao. Kilasy fahavalo izy no afaka Bepc ary kilasy voalohany (serie C) no afaka ny fanadinana bakalorea ary nanohy ny fianarana teny anglisy teny amin’ny Oniversite. Nisy ny fandraran’ny ray aman-dreny tamin’ny fikasany hiasa any ivelany. «Amboletra no nataoko. Nokarakaraina mangingina ny pasipaoro sy ny namany fa tonga tany aho vao nanoratra ho azy ireo hoe tonga soa aman-tsara aty Londres ary salama tsara…», hoy ihany izy nitantara ny nandehanany tany ivelany tamin’ny 1989.
Ny Antsaly
Nandritra ny fety niarahany tamin’i Noro (rahavaviny) no nahitan’ny mpamokatra iray ny talentany teo amin’ny sehatry ny mozika. Efa nankafy mozika hatramin’ny fahazazany izy ary ireo manodidina azy, toy ny ray aman-dreny, ny havany dia niaina tao anatin’ny mozika. «Vitsy angamba no mahalala fa anisan’ireo raiamandrenibenay ny tarika Ny Antsaly ary anisan’ireo mpitarika sy nanoro lalana Randafison, izay hany sisa afaka nifampiresaka tamiko», hoy i Hanitra. Anisan’ireo zava-maneno ankafiziny ary iray amin’ireo karazan-java-maneno 17 ampiasainy rahateo ny valiha. Mialoha izany anefa dia efa nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fampahafantarana ireo vahiny ny mpanakanto malagasy izy raha tsy hilaza afa-tsy ry Jaojoby, Levelo, Gégé, Volambita…
Noho io lalana nisokatra io dia niantso an’i Sammy, izay nitrandraka ireo zava-maneno nentin-drazana i Hanitra, ka teraka teo ny tarika Sammy, niova ho Tarika sy tarika Bé, taty aoriana.
11 septambra 2001
Fa tranga iray nitondra fahamatorana kokoa ho an’i Hanitra na teo amin’ny maha olona na teo amin’ny sehatry ny mozika ny tranga tamin’ny 11 septambra 2001. Nanao fitetezam-paritra tany Etazonia izy nandritra io fotoana nisian’ny asa fampihorohoroana ka nampirodana ny trano nijoalajoala «World trade center» io. Tokony ho any California izy ny andron’ny 11 septambra 2001.
Nampiady hevitra teo amin’ireo mpikambana ny fanohizana na tsia io fitetezam-paritra io, noho ny fahavoazana goavana loatra nihatra tamin’i Etazonia. Nampifandona ary nampisintaka ny mpikambana sasany tao anatin’ny tarika mihitsy aza izany, satria na tsy nisy aza ny fiaramanidina dia nitohy tamin’ny fandehanana fiara ny dia nankany Texas.
Taorian’ireo seho ireo no nanapa-kevitra fa hody an-tanidrazana i Hanitra ary nanangana ny ivon-toerana ho an’ny zavakanto na ny «antshow» eny Ambohitsoa, izay toerana nahalehibe azy.
«Niaina tao anaty ala izahay tety ary izay fiainana izay no nahatonga anay ho tsy mihinan-kena na végétarien», hoy izy raha nahatsiaro ny fahazazany. Fiainana izay nanefy azy koa ho olona tia sy mpiaro ny tontolo iainana. Izy rahateo no tompo-marika tamin’ny fananganana ny sehatra iray ahitana ny mpanakanto sy ny tontolo iainana. «Fototra iray iaingan’ny aingam-panahy ny tontolo iainana», hoy izy raha niaro ny heviny.
Hatramin’izao dia mbola tsy mihinan-kena mihitsy na «végétarien» ity andriambavilanitry ny kanto ity, nefa mety hivadika ho «végétalienne» raha mbola mitohy ny famokarana ireo karazana sakafo mbola haniny. «Mihinana trondro, ronono sy vokatra avy amin’ny ronono, ny atody… aho amin’izao fa rehefa tsy misy intsony ny atody avy amin’ny akoho natoraly, ny ronono avy amin’ny omby tsotra… dia tsy hihinana intsony raha tsy ireo vokatra avy amin’ny zava-maniry», hoy ihany izy. Tsy mampaninona ny tsy mihinan-kena satria mba handramo izany ravimbomanga sy ny sôsety atono izany, sakafo tena ankafizin’i Hanitra.
I hanitra sy ny tarehimarika
12 taona i Hanitra no nanomboka nitendry valiha
22 taona no nivezivezeny tany ivelany ka nitetezany firenena maro
90%-n’ny fiainany dia rmozika avokoa
93 ny isan’ireo mpiara-miasa taminy nandritra ny fotoana niasany
1999 no fampisehoana voalohany natrehin’ny ray aman-dreniny, tetsy amin’ny CCAC Analakely
12 ny isan’ny rakikira efa vitany nanomboka ny 1989
Ny 1999 ka hatramin’ny 2001 dia 11 volana ao anatin’ny taona no lany amin’ny fitetezam-paritra ary ny 5 andro ao anatin’ny herinandro no miasa na eny an-tsehatra na any anaty trano fandraisam-peo
Faly Randriamiarantsoa










0 Fanehoan-kevitra