
Ravelomanantsoa Désiré, mpiompy akoho sy Rabehasimbola Coco, mpamboly vary isan’ireo nahazo loka “TJA 2013” tamin’ny BNI Madagascar
Ny 10%-n’ireo tany azo ambolena manerana ny Nosy ihany no misy voly. Ny 20%-n’ireo tany volena indray no mba misy titra. Raha ny fiakaran’ny fampindramam-bola eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana anefa dia tsapa fa te hivoatra ireo tantsaha.
Eo anivon’ny banky Bni dia niakatra 11,5% io taham-pampindramam-bola ho an’ny tantsaha io ny taona 2012. 24% io taha io ho an’ny Cecam. Ny Cecam izay ivon-toeram- pampindramam-bola madinika mifaoka ny 40%-n’ny fampindramam- bola eo amin’io sehatra io manerana ny Nosy.
Mbola olana goavana ihany koa ny tsy fifehezana ny teknikam-pambolena. « Tsy mihetsika ny haben’ ny tany volena. Io anefa no ifampizaran’ny taranaka mandova, ka mampihena ny velaran-tany volena. Mihena manaraka io ny vokatra. Mifangaro ao ny tsy fahampiam-piofanana, ny tsy fifehezana ny teknika, ny tsy fampiasana milina ho amin’ny fambolena…», hoy i Pascal Fall, tale jeneralin’ny Bni.
Afaka manao matihanina
Nanaporofo anefa Rahasimbola Coco, mpamboly vary avy ao Amparafaravola, fa maha- vita miditra amin’ny sehatra matihanina ireo tantsaha rehefa ampy ny eo an-tanany. « Findramam- bola no nahazoako tany 25 ha fanampiny hamboleko vary. Tany 40 ha no ampiasaiko izao. Mampihatra ireo karazana teknikam-pambolena aho hany ka mahatafavoaka vary 5 taonina isaky ny hekitara, raha zara raha nisy 3,5 taonina teo aloha », hoy izy. Isan’ireo tantsaha roa lahy nahazo ny amboaran’ny tantsaha tanora (Tja) nokarakarain’ ny Bni tamin’iny taona lasa iny izy.
Nilaza Ravatomanga Rolland, minisitry ny Fambolena, fa isan’ny laharam-pahamehana ny fandrisihana ireo tantsaha hampiasa milina amin’ity taona ity.
Hanitry Ny Aina









0 Fanehoan-kevitra