Subscribe to RSS

Fetim-pirenena – Mora ny arendrina taratasy eny an-tsena

Tsy afaka misaraka amin’ny fetim-pirenena malagasy ny arendrina taratasy. Mbola vitsy izy ireny no tazana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao. Etsy Tsara-lalàna sy Analakely ihany no ahitana izany, raha efa manenika ny tsena kosa ireo arendrina na jiro vita sinoa.

Azo lazaina ho mora sady takatry ny rehetra ny arendrina taratasy raha mitaha amin’ireo vita sinoa, satria Ar 400 ka hatramin’ny Ar 3 000 dia efa mahazo iray. Ar 1 000 hatramin’ny Ar 10 000 kosa ireo kilalao sy jirojiro samihafa vita vahiny.

Maro amin’ireo mpiantsena no efa liana amin’ny fividianana itony arendrina taratasy itony.  »Efa fahazarana ny mampiasa arendrina amin’ ny asaramanitra toy izao. Manintona ny ankizy ihany koa anefa ny endrik’ireo vita sinoa ka vidina ihany koa », hoy ny renim-pianakaviana iray.

LR

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tao anatin’ny telo volana – Olona roa maty, 650 nararin’ ny fahapoizinana ara-tsakafo

Tao anatin’ny telo volana – Olona roa maty, 650 nararin’ ny fahapoizinana ara-tsakafo(0)

Aleo ihany mitandrina. Ho avy indray ny fotoanan’ ny fety, andro hikarakaran’ny olona maro sakafo miavaka amin’ny andavanandro. Fotoana matetika mahabetsaka ny fahapoizinana ara-tsakafo koa anefa izany. “Mitombo hatrany ny olona tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Efa nahatratra 650 izany tamin’ity taona ity ary nisy olona roa mihitsy maty vokatr’izany. Ny fotoanan’ ny fety no mahabetsaka ny

Fanabeazana – Miandrandra fanamboarana  ny EPP etsy Ivandry

Fanabeazana – Miandrandra fanamboarana ny EPP etsy Ivandry(0)

Mila mitady vola Ar 600 tapitrisa ny sekoly ambara- tonga voalohany, etsy Ivandry, mba hahafahana manangana manatsara sy manamafy ny sekoly. «Tamin’ny volana janoary 2010 no nirodanan’ity sekoly ity ka efa tonga nandalo teto ny teo anivon’ ny kaominina Antananarivo renivohitra, izay notarihin’ ny Filohan’ny delegasiona manokana mitantana ny renivohitra, Edgard Razafindravahy. Vao tsy ela akory dia nanome toky ihany koa ny teo anivon’ ny Rotary club Ivandry fa

Fetin’ny reny – Tratran’ny krizy koa  ny tsenam-boninkazo

Fetin’ny reny – Tratran’ny krizy koa ny tsenam-boninkazo(0)

Be mpitia saingy tsy takatry ny fahefa-mividy. Izany no azo hamehezana ny tsenan’ ny voninkazo amin’izao an-katoky ny fetin’ny reny izao. Mikaikaika na ireo mpanjifa na ireo mpivarotra amin’ny halafon’ny entana sy ny tsy fisian’ny tsena. “Tena tsy misy mihitsy ny tsena raha mitaha ny hatramin’izay. Betsaka ny mpitsidika saingy ilay fahefa-mividin’ny olona mihitsy no tsy ampy”, hoy Rakotoson Vololona, lehiben’ny fikambanan’ ny mpamboly voninkazo “Ceinture verte”, mikara-

CCI Ivato – Namoaka tanora manam-pahaizana 457 ny sekoly ambony ESSCA

CCI Ivato – Namoaka tanora manam-pahaizana 457 ny sekoly ambony ESSCA(0)

Hetsika tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Esca. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ireo tanora mpianatra nahavita fiofanana tao amin’ny Sekoly ambony Essca. Mpianatra 457, misalotra ny anarana «Orimbato», no nozaraina diplaoma ambony «Masters» sy «Licence», momba ny Fitantanana sy ny Varotra Iraisam-pirenena ary Marketing . Harilala Ramanantsoa, tanora mpandraharaha, manana

Tapatapany

Tapatapany(0)

Halatra dabam-pako vy Efa mahatratra folo mahery ny dabam-pako vy, fanangonam-pako eto amin’ny tanànan’ Antananarivo no nisy nangalatra, tao ho ao. Anisan’ny antony mampi- paritaka ny fako amin’ ny toerana sasany. Manao antso ny fiadidiana ny tanàna mba hanaraha-maso ireny dabam-pako ireny fa miteraka fatiantoka be ho an’ny renivohitra. 80 taona ny IHS Feno 80 taona ny Institut d’hygiène social, izay niova ho Etablissement universitaire de soins et de santé public, EUSSP eny Analakely. Nisy fitokanana tsangambato, nenti-nanamarihana izany, ny alakamisy teo. Misy varavarana

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite