Subscribe to RSS

Fanorenana tsy ara-dalana – Trano nazera nahiana handoto ny farihin’i Mandroseza

Trano valo, niorina tsy ara-dalàna teny amin’ny manodidina ny farihin’i Mandroseza, no noravan’ny kaominina eto an-drenivohitra,
tamin’ny talata hariva teo. Nitaraina ny fiangonana Katolika, mifanila toerana aminy fa lasa misy manao maloto ka mitondra fofona maimbo ao am-piangonana.

Misy koa nanorina lava-piringa eny amoron’ ny farihin’i Mandroseza. ”Mahasarotiny anay ny fahadiovan’ny rano amin’ ny farihy fa io no mamatsy ny tanànan’Antananarivo. Trano valo no narodana androany noho izany”, hoy ny talen’ny kabinetra ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Niala ny fokontany. ”Tsy mahazo manome alalana amin’ny fanorenana izahay. Tsy fantatra izay  nahasahiany nanao trano biriky sady  naka ny lokon’ ny kaominina mihitsy. Tsy marina ny filazana fa izahay no nanome alalana azy”, hoy Ratsimba Grégoire, sefo fokontany.
Mitohy ny asa fanadiovana, indrindra ho an’ireo tsy manara-dalàna amin’ny sehatry ny fanorenana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Trano vitsivitsy no nanaovana izany tetsy Ankazomanga amin’ny Boulevard de l’Europe iny, omaly.

B.A

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly(0)

Tafakatra 80 mahery indray hatramin’ny omaly ireo tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo, tonga tetsy amin’ny hopitaly Hjra. Mbola ireo marary, nandritra ny fanatrehana lanonana nandritra ny mariazy miara-mizotra teny Itaosy hatrany ireo tonga nanatona hopitaly ireo. “Rehefa nojerena tany Itaosy ireo fianakaviana nanatrika lanonana dia mbola nahitana olona telo tena marary mafy ka voatery nampidirina eny amin’ny hopitaly Itaosy. Arahi-maso akaiky mihitsy ny fahasalaman’izy ireo”, hoy Dr  Rajemiarimoelisoa Felana, avy amin’ny sampan-draharaha manara-maso ny

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro  ny famatsiana oksizena

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro ny famatsiana oksizena(0)

Olana mbola tsy mety voavaha. Ny vahoaka madinika hatrany no iharan’ny tsy rariny. Mbola tsy milamina hatramin’ izao ny famatsiana oksizena eny anivon’ny hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra. Voalaza fa ny mbola tsy nandoavan’ ny minisiteran’ny Fahasalamana ny volan’ ny mpamatsy oksizena hatrany no mahatonga izany. « Voatery amboarina ny fandefasana oksizena eto amin’ny hopitaly. Atsahatra izany manomboka amin’ny 1 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina », hoy ny mpitsabo iray etsy

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra(0)

Notontosaina tetsy amin’ny sekoly Esca Antanimena, omaly ny andron’ny sekoly katolika eto Antananarivo. Samy nandefa ny solontenany teny avokoa ireo sekoly katolika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. «Ny anio ny ho avy fa tsy ny ampitso», io no teny filamatr’ireo sekoly rehetra nentina nanamarihana ity andron’ny sekoly katolika ity. «Efa fanao isan-taona ny hetsika sahala

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho  ny fiovaovan’ ny toetr’andro

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro(0)

Malaza amin’ny fananana karazan-java-boary maro i Madagasikara. Mihena anefa ny habetsahan’ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Io rano io no fototra iorenan’ireo karazan-java-boary. Anisan’ireo tena mila rano betsaka indrindra ny fambolem-bary. Tsy mitsaha- mikaroka izay fomba entina hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary anefa ireo manam-pahaizana malagasy. «Mitarika ny faharitan’ ny rano ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny firenena tsirairay dia tokony hijery

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy  sy ny vavy ihany no misy eto

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy sy ny vavy ihany no misy eto(0)

Samy manana ny heviny ireo vahoaka malagasy manoloana ny faneken’ny tany Frantsa ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy. Ny lalàna eto amintsika anefa rehefa notomorina dia hita fa tsy mankasitraka izany. “ Ny lalàna momba ny fanambadiana eo amin’ ny samy hafa taovam-pananahana ihany no manan-kery eto amintsika. Nosokajian’ny Fitsarana ho anisan’ny mifanohitra amin’ny natiora ny fiarahana na firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy Ralambondrainy Rakotobe Nelly, filoham-boninahitra voalohany ao amin’ny Fitsarana Tampony. “Tsy mifanaraka amin’ny maha Malagasy mihitsy izany fomba izany. Ny zanaka no harena ho an’ny Malagasy, nefa

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite