Subscribe to RSS

Fanohanana ireo mpiompy – Hampandraisina anjara ireo mpanafatra kojakoja

Ihanta Randriamandranto, minisitry ny Fiompiana

Ihanta Randriamandranto, minisitry ny Fiompiana

Velomina ny tahirim-bola ho amin’ny fiompiana hanohanana ireo mpiompy amin’ity taona ity. Ireo mpisehatra ao anatin’ ny tontolon’ny fiompiana toy ireo mpanafatra kojakoja ilaina amin’ny fiompiana (praovandy, akoho kely, fanafody ilaina amin’ny fiompiana…)  no isan’ny handrotsaka ny vola ampiasaina ao anatin’io tahirim-bola io.

Tsy hetra akory izy io raha ny nambaran’i Ihanta Randriamandranto, minisitry ny Fiompiana. « Ho an’ ireo mpanafatra kojakoja ilaina amin’ny fiompiana dia 2% amin’ny vidin’entana mbola tsy misy saram-pitaterana, hetra sy fiantohana (FOB) na 1% amin’ny vidin’entana efa miaraka amin’ny saran-dalana sy ny fiantohana (CAF) amin’ ny vidin’entana no ho alaina. Tsy mbola ho voakasiky ny fandoavana izany anefa aloha ireo mpiompy amin’ity taona 2013 ity », hoy izy.

HNA

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tsiro – Nahazo medaly volamena tamin’ ny «Rhum fair» ny Dzama

Tsiro – Nahazo medaly volamena tamin’ ny «Rhum fair» ny Dzama(0)

Mitombo isa indray ireo medaly azon’ireo zava-pisotro vokarin’ny orinasa Dzama. Taorian’ny fifaninanana notanterahina tany Paris, tamin’ny volana avrily teo, dia nahazo ny medaly volamena teo amin’ny sokajin’ireo toaka voavoatra ara-boajanahary ny «Cuvée Noire Prestige», izay nialoha ireo marika efa sangany eran-tany toy ny «Smith&Croos» avy any Jamaika sy ny «Bacardi» avy any Porto Rico. «Manome toky ireo mpanjifa ny kalitaon’ny zava-pisotro vokarin’ny orinasa malagasy io vokatra io», araka ny fanazavan-dRazafintsalama Cédric, Tale ara-barotr’ity orinasa ity. Io no medaly fahatelo azon’io zava-pisotro io taorian’izay efa-taona nidiran’ny orinasa Dzama, tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena samihafa. Nahatratra 218 ireo zava-pisotro misy alikaola nifaninana tamin’ity «Rhum Fair 2013» ity. «Marihina fa an-jambany no nanaovana ny fanandramana ka nanome io vokatra io», hoy ihany ny fanamarihany. Anisan’ny mandray anjara amin’ny Foara iraisam-pirenena eny Tanjombato ity orinasa manandratra ny vita malagasy ity. FR

Grande braderie de Madagascar – Nahasarika mpanjifa maro ny teknolojia avo lenta

Grande braderie de Madagascar – Nahasarika mpanjifa maro ny teknolojia avo lenta

Tsy tahaka ny mahazatra fa betsaka ireo mpitsidika, tamin’ny andro voalohany ho an’ny hetsika Grande Braderie de Madagascar, teny amin’ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina. Naompana amin’ny fetin’ ny reny ny lohahevitra, ka betsaka ireo efa nitily sahady ny fanomezana ho an’ireo renim-pianakaviana. Nitobaka ny entana ary maro karazana. Ireo orinasa afaka haba no nahitana entana mora indrindra. Nifandrombahana ihany koa anefa ny akanjo mafana sy ny paoketra, izay

Fifandraisan-davitra – Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo ny 4G-LTE

Fifandraisan-davitra – Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo ny 4G-LTE

Manaraka hatrany ny fivoarana misy eo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra. Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo, izay ao anatin’ny Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny FIM ny fitaovam-pifandraisana 4G-LTE. Ny FIM izay tanterahina manomboka anio ary haharitra hatramin’ny 26 mey, eny amin’ny toerana ho an’ny fampirantiana Forello Tanjombato. Ity kojakoja ity dia ahafahana mifandray amin’ny alalan’ny

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono  ihany koa ireo tantsaha

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono ihany koa ireo tantsaha

Ela ny ela ka ho isan’ireo hahazo tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy omen’ny CnaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana sosialy ihany koa ny tantsaha. Nanao sonia fifanarahana ny CnaPS sy ny Tranoben’ny Tantsaha, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa manomboka izao, dia ho afaka mirotsaka ho mpikambana amin’ity rafitra ity koa ny Tantsaha (mpamboly, mpiompy sy

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe  Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Iankinan’ny ho avin’ny firenena. Notanterahina omaly ary hitohy anio, etsy amin’ ny tokotany malalaky ny Tour Zital, Ankorondrano ny «zaikabe ho an’ny fandraharahana eo amin’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana», karakarain’ ny Fivondronan’ny Mpan- draharaha Malagasy na ny Fivmpama. « Ny fahatsapana ny tsy fisian’ny firindrana sy ny fitrandrahana, araka ny tokony ho izy, ny harena avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana misy eto amintsika

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite