Mety amin’ny ankamaroan’ireo mponin’i Mahamasina ny fanesorana ireo mpivarotra hani-masaka sy zava-pisotro mahamamo eny an-toerana. Nanangana fikambanana mihitsy ireo mponina mba hanajary ny toerana ho lasa mahafinaritra. “Hanome tànana ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa, toy ny zaridaina, io fikambanan’ny mponina io”, hoy
ny kapiteny Razafimahefa Jocelyn, lefitry ny tale kabinetran’ny Cua.
Toa nisentom-pifaliana kely mihitsy ireo mponina manodidina, taorian’ny nanalana ireo mpivarotra ireo. “Mampanahy amin’ny ho avin’ny mpianatra ny fisian’ny toerana fimamoana toy ireny. Efa nahazo fampitandremana avy amin’ny Cisco mihitsy izahay noho ireo mpivarotra toaka manodidina anay ireo”, hoy ohatra Razafindrakoto Charlotte, talen’ny Lycée Moderne de la Capitale. “Tsy ny mpivarotra no tsy tian’ny mponina fa ny loto sy ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fivarotana”, hoy kosa Andrianary Verohanitra, mponina eny Mahamasina.
Mbola hodinihin’ny komity manokana kosa ny toerana homena ireo mpivarotra nalàna teny an-toerana.
LR









0 Fanehoan-kevitra