
« Tapaka tamin’ny fivorian’ny mpitsabo mpanampy manerana ny Nosy, fa aleo manao fametraham-pialana faobe toy izay terena hiasa. Hiroso amin’izany izahay raha vao misy fanapahana karama », hoy Rakotondrazafy Aimé, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy. « Tsy mbola tokony hihatra ny « réqusition » satria izahay manana 15 andro ahafahana mangataka fanafoanana ny didy araka ny lalàna misy », hoy kosa Rakotonandrasana Valérien, avy amin’ny mpitsabo mpanampy ihany.
Ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana anefa toa nanamafy ny fampiharana io fanapahan-kevitra fanerena hiasa io avy hatrany. « Mbola iny tenin’ny minisitra tamin’ny 09 jolay iny ihany aloha hatreto no manan-kery », hoy iry tompon’andraikitra iry. Milaza ny amin’ny tokony handraisana fepetra ho an’ireo manao fitokonana lavareny no votoatin’izany tenin’ny minisitry ny Fahasalamana izany.
Ireo sendika kosa manizingizina fa tsy misy fanohintohinana ny marary mihitsy ny fitakian’izy ireo ary fitakiana tena sendikaly. « Matoa izahay mbola manatanteraka ny fiandrasan-draharaha dia mbola manaja ny asanay », hoy hatrany Rakotonandrasana Valérein.
Lilia Rajaonah









0 Fanehoan-kevitra