
Novoitra tamin'ny dinidinika omaly fa mihatsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny olom-boafidy sy ny mpanatanteraka
Nifarana omaly ny fivorian’ny filankevitra monisipaly, nandinihana ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), enti-miasa amin’ity taona 2013 ity. “Ar 27 400 000 000 ny tetibola notapahina izay hifototra amin’ny fanatsarana ny vola miditra amin’ity taona ity”, hoy Razafindravahy Edgard, Pds-n’Antananarivo. Notanisainy tamin’ izany ny hijerena fomba mahomby ahafahana mitantana ny tsena sy ny vakoka, ary ny fandinihana ny hetra tokony halaina amin’ireo orinasam-pifandraisana, izay mbola tsy voafaritra tao anatin’ny tetibolan’ny Cua mihitsy.
“Tsaratsara kokoa raha omena olon-tsotra ny fitantanana ny tsena. Andraikitr’io mpitantana io ny misahana ny fandaminana rehetra, hatramin’ny fanadiovana, izay mety mba hampihena ny fandanian’ ny Cua. Toy izay koa ny toeram-piantsonan’ny fiara. Hampitoviana ihany koa ny tsatoka rehetra manambara ny fahazoan-dalana hanorina mba hahamora ny fanaraha-maso akaiky”, hoy kosa Ranaivoarimanga Sahoby, filohan’ny filankevitra monisipaly.
Hiompana amina lafin-javatra telo io tetibola io, raha ny nambaran-dRasoanaivo Mamy, tale ara-bola eo anivon’ny Cua. “Ar 11 000 tapitrisa ho an’ny fampandehanan-draharaha ankapobeny, Ar 14 700 tapitrisa kosa momba ny mpiasa ary Ar 1 900 tapitrisa ho fanatsarana ny fotodrafitrasa. Samy maika avokoa ireo”, hoy izy.
Lilia Rajaonah









0 Fanehoan-kevitra