Nifanotofana. Nihazakazahan’ny ankizy tamin’ny sabosy teo ireo fampianarana faradoboka rehetra hanomanana ny fanadinana Bepc, izay hanomboka anio. Feno hipoka avokoa ny toerana rehetra nahitana izany, nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva.
Ny taranja Matematika sy ny Fizika ary ny Siansa no tena natao tamin’ireo famerenana ireo. Manodidina ny Ar 3 000 ka hatramin’ny Ar 5 000 isaky ny taranja , isaky ny mpianatra kosa no sarany. “Miala nenina kely amin’ny famerenana farany. Matetika mantsy amin’ny famerenana faradoboka toy izao no ahitana mitovitovy amin’ny endrika laza adina any amin’ny fanadinana”, hoy Rabaovola Harilanto, mpiadina iray.
Teny anivon’ny sekoly tsy miankina sy Epp avokoa no tena nahitana ny famerenana faradoboka.
Lilia Rajaonah










0 Fanehoan-kevitra