
Ambalavelona
«Ambalavelona ihany ity lazaina ho vondrona satanika ity ary trangam-piarahamonina efa nisy tany amin’ny taona 1970 tany fa tsy zava-baovao. Ny anarany fotsiny no miova rehefa tonga an-tanàn-dehibe ary samy asan’ny demony avokoa ireo», hoy ny fanazavan’ny pretra iray, eny Antanimena, isan’ireo nitsabo sy nandray an-tanana ireo tanora marobe efa niharan’ity tranga ity tany amina toerana maro nanerana an’i Madagasikara.
« Miseho amin’ny endriny maro ny asan’ny demony, izay efa nisy hatramin’ny fotoana namoronana ny olombelona », hoy kosa ny pretra iray, eny Andohalo, manana traikefa 12 taona momba ny ady amin’ny fanahy ratsy.
Saika mitovy avokoa ny zava-miseho mahazo ireo ankizy : mikiakiaka rehefa mihetsika ny krizy, tsy tompon’ny tenany fa itoeran-javatra. « Ny tanora no tena lasibatra amin’ny fanafihan’ny asan’ny satana noho izy ireo tia manandrakandrana sy tia karokaroka, ka hararaotin’ny hafa amin’izany », hoy ihany ny fanazavana. Eo ihany koa ny fahantrana izay manosika ny marivo salosana ho roboka amin-javatra tsy voahevitra.
Mirongatra
Raha ny zavatra hita eny amin’ireny toby na ivon-toerana fanalana ny asan’ny maizina ireny dia saika nilaza avokoa ny tompon’andraikitra fa niha nitombo ny isan’ireo olona tratran’ny fanahy ratsy. « Misimisy ny tanora tratran’ity tranga ity fa ny any Antsirabe no tena maro an’isa », hoy ny pastora iray, tompon’andraikitra lehibe ao amin’ny fiangonana Loterana.
Nanamafy izany ihany koa ireo pretra roa samy mitsabo ireo tranga mahakasika izany. « Efa ela no nanao ny asa miady amin’ny demony aho, fa amin’izao vaninandro izao no hitako fa tena mirongatra be io tranga io », hoy ilay pretra eny Andohalo. « Misy ireo sitrana saingy tsy vitsy ihany koa ireo tsy mety sitrana. Andriamanitra ihany no manapa-kevitra fa dia azo lazaina ho mijaly ny olona tratran’io tranga io », hoy hatrany ny fanampim-panazavany.
Tranga efatra
Tanora efa maherin’ny 50 no tratran’ity tranga ity tany Tsiroanomandidy ny volana febroary teo. Efa maro ihany koa ireo tratra tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny. Tranga efatra no vao niseho ny sabotsy teo teto an-drenivohitra, ka tovolahy ny iray tamin’ireo tratrany raha tovovavy ny telo. Tranga hafa iray ihany koa no niseho teto an-drenivohitra ihany, tapa-bolana lasa izay, ka tovovavy no niharany.
Ilay tovovavy narary tamina sekolim-pinoana Katolika iray teto an-drenivohitra ny volana mey teo dia notantarain’ireo havany akaiky fa manjary manana fahefana ankehitriny, ka mahay mamantatra ny zava-miafina. Miantso vonjy momba ity tranga ity ihany koa amin’izao fotoana ny mponina any amin’ny fokontany iray any andrefan’i Mandoto Antsirabe. Voalaza fa mararin’ity aretina ity avokoa ny tanora rehetra ao amin’io fokontany io.
Sekta
Ny fiforonan’ny karazam-pivavahana eto amintsika no voatonona ho anisan’ireo antony miteraka ity tranga ity. « Misy ny sekta iray mamafy ny aretina mba hisarihany olona hiditra ho mpikambana ao aminy, saingy tsy sitrany avy eo ny aretina ka manjary miteraka olana eo amin’ny fiarahamonina. Ireo ankizy mitantara mandritra ny krizy miseho aminy no nahafantarana izany », hoy ny pretra za-draharaha amin’ny fitsaboana ireo ankizy voan’ny aretina.
Ny vavaka sy ny fibebahana ary ny fanamafisana ny fanabeazana no vahaolana naroson’ireo tompon’andraikitra naneho ny heviny ireo ho vahaolana mikasika izao tranga izao. « Tsy ho foana io raha tsy maty ny demony », hoy ny filazan’izy ireo. Hatramin’ireo pretra aza dia mahazo taratasy fampihorohoroana momba izany. Ny tompon’andraiki-panjakana indray dia nilaza ho tsy mbola nahita porofo mivaingana momba ny mampitombina ny vondrona satanika.
Monica Rasoloharison/ Haja R.









0 Fanehoan-kevitra