Subscribe to RSS

Fanadihadina manokana

CGM – ANALAKELY

Hampiaina ny «Hevero» ry Rôla Gamana

Rakikira vaovao novokarina tamin’ity taona ity. Hampiaina ireo mpankafy ny «Hevero» ry Rôla Gamana sy ny tariny, etsy amin’ny Cgm Analakel,y anio hariva amin’ny 7 ora. Amin’ny ankapobeny, dia tsy mivaona tamin’ny gadona nahafantarana azy hatramin’izay i Rôla Gamana amin’ity vokatra vaovao ity, dia ny nentin-drazana izay avoitrany amin’ny fitendrena gitara. Ankoatra ireo hira ao anatin’ny «Hevero», dia hiverenan’i Rôla Gamana mandritra ny fampisehoana ihany koa ireo hira tao anatin’ny rakikira voalohany, «Ravity», nivoaka tamin’ny taona 2006. Mpitendry avy ao amin’ny Zanaray percussion no hanampy an’i Rôla Gamana amin’ity fampisehoana hanehoany ihany koa ireo zava-maneno noforoniny ity.

SARIMIHETSIKA 

Haseho an’efitrano voalohany any Fianarantsoa ny «Rafozan-tsarotiny 7»

Vita ny famokarana. Hosantarina any Fianarantsoa ny alahady 22 jolay izao ny famoahana anaty efitrano ilay horonantsary «Rafozan-tsarotiny 7», novokarin’ny Meva production. Andrarezina roa eo amin’ny sehatry ny fampihomehezana no tafaraka ao anatin’ity tantara ity, dia i Pasitera tao amin’ny “Malok’ila” sy i Nirina, izay efa mpilalao fototra tamin’ireo andiany tamin’ny “Rafozan-tsarotiny” teo aloha rehetra. Mbola hisongadina hatrany ao anatin’ny tantara ny fifandraisana eo amn’ny rafozana sy ny vinanto. Hitety faritra maro hafa ihany koa ny «Rafozan-tsarotiny 7».
• 22 jolay – Grande Salle Fo Masin’i Jesoa Talatamaty Fianarantsoa (2 ora sy 4 ora)
• 22 jolay – Tranompokonolona Ambalavao (2 ora – 4 ora – 6 ora)
• 29 jolay – Cinéma Tropique Toliara (3 ora – 5 ora)
• 28 jolay – Salle d’oeuvre Catholique Mahabibo (6 ora – 8 ora)
• 29 jolay – Salle d’oeuvre Catholique Mahabibo (2 ora – 4 ora – 8 ora)
• 05 aogositra – Tranobe Andafiatsimo Ambatolampy (2 ora – 4 ora)

JAO’S PUB AMBOHIPO

Hampianoka ny Batrelaka amin’ny seho takariva i Lôla 

Taorian’ny seho ankalamanjana, dia hiavaka kely indray ny fiakarana an-tsehatra hataon’i Lôla anio alina, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo, miaraka amin’ny gadona batrelaka. Sambany no ho tazana etsy Ambohipo i Lôla. Ankoatra ny batrelaka, dia hanolotra fampisehoana amin’ny karazana gadona hafa ahafantarana azy ihany koa izy, toy ireo mozika milamindamina. Amin’ny seho takariva toy itony, tsy ferana ny hisian’ny tolotra tsy ampoizina entin’ny mpana­kanto.

Hanohy ny seho ao amin’ny Jao’s  Pub kosa ny sabotsy izao ny tarika Saramba.

CARLTON ANOSY

«Samy hafa fijery fa iray lalana», atolotr’ i Mamy Bastah sy Princio

Ho tafaraka ny samy andrarezin’ny vazo miteny. Hiaraka amin’ny «Samy hafa fijery fa iray lalana» i Mamy Bastah sy Princio. Fampisehoana atolotry ny Gig Anchor, etsy amin’ny Carlton Anosy anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Karazana gadona maro toy ny nahazatra azy sy ny gitarany hatramin’izao no entin’i Princio amin’ity seho ity, raha hampianoka ireo mpijery amin’ny tandonaka, gadona avy any amin’iny faritr’i Vakinan­karatra iny kosa i Mamy Bastah. Sambany no tarafa-dia izy roa lahy ireo ka tsy maintsy hisy ny fampiaraham-peo amin’ny hira vitsivitsy. Hanakoako etsy Anosy ny hafatra sy ny lesona ary anatra samihafa entin’ny tononkiran’izy mirahalahy.

IN SQUARE AMBATOBE

Hitondra ny «Funky spirit» indray i Bim sy Tommy

Fihaonana isaky ny zoma fahatelo amin’ny volana. Raikitra indray ny «Funky Spirit» hiarahana amin’i Bim sy Tommy eny amin’ny In Sqaure Amba­tobe. Fampise­hoana hotante­rahina anio alina manom­boka amin’ny 9 ora. Seho hitondran’i Bim ny talentany amin’ny fahai­zany mikapoka ireo ampongalava, ary Tommy kosa eo amin’ny fitendrena ny vata maroafitsoka. Hanampy izany dia haneho ny fahaizany mihira ihany koa izy mirahalahy ho an’ireo efa mpanatrika ny «Funky spirit». Toy ny mahazatra, mirona hatrany amin’ireo gadona funk, ny soul, r’n'b ary ny latino ny sanganasa hoentin’izy mirahalahy amin’ity takariva ity.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Ray aman-dReny namoy zanaka 2 tona – «Mbola ankamantatra aminay ny fomba nahafaty an’i Tahiana»

Ray aman-dReny namoy zanaka 2 tona – «Mbola ankamantatra aminay ny fomba nahafaty an’i Tahiana»(0)

Enim-bolana aty aoriana, mbola hita soritra eny amin’ny endriky ny ray aman-drenin-dRafearivo Nomenjanahary Tahiana, na i Tahiana, zazalahy kely 2 taona sy tapany nonina teny Andranomahitsy Ambohitrimanjaka, ny alahelo noho ny fandaozan’ity zanany tokany ity azy ireo tampoka. Mbola mipetraka ho ankamantatra ho azy ireo ny fomba nahafatesan’ity zaza ity. Maizina tamin’izy ireo ny andron’ny

Lahatry ny fiainana – Sambany no noesoriny ny peratra mariazy  teny an-tanany 

Lahatry ny fiainana – Sambany no noesoriny ny peratra mariazy  teny an-tanany (0)

SOMPATRA TOKOA NY FIAINANA. VOADONAN’NY MOTO KA MATY TSY TRA-DRANO TETSY AMBOAROY-AMBOHIJANAHARY I LIVA NA RAKOTONDRABE LIVANIRINA SYLVAIN, RAIM-PIANAKAVIANA 31 TAONA.S AMBANY TAMIN’NY ALATSINAINY HERINY LASA TEO, NOESORIN’I LIVA NY PERATRA MARIAZY TENY AN-TANANY, NANDRITRA IZAY ROA TAONA NIVADIAN’IZY IREO. TSY ILAY PERATRA IRERY ANEFA NO NIALA TENY AN-TANANY FA IZY MIHITSY NO NANDAO NY

Hazan-dranomasina – Mety hamono ny fihinanana geba sy lamatra ary antsantsa

Hazan-dranomasina – Mety hamono ny fihinanana geba sy lamatra ary antsantsa

Olona iray indray no maty avy nihinana voalavorano tany Sainte Marie, ny alatsinainy 10 jona lasa teo. Olona 316 no narary nihinana geba na “sardines” tany Toliara tamin’ny avrily 2011, ka olona 16 no maty. Trangana fahapoizinana ara-tsakafo, azo avy amin’ny fihinanana hazan-dranomasina, no nitarika ny fanaovana izao famakafakana izao. Ny jono, izay asa iray nihazakazahan’ny olona an’arivony maro very asa tao anatin’ity krizy lalovan’ny firenena ity, indrindra ny jono an-dranomasina. Ahoana no tena fipetrak’izy ity eto amintsika ? Efa hatramin’ny taona 1960 Lomotra poizina. Nanomboka tany amin’ny taona 1960 no nahitana fa misy fotoana, mety mamono ny olona mihinana azy ireo karazan-trondro sasany, amin’ny hazan-dranomasina, araka ny fandinihina nataon’ny mpikaroka. “Misy karazana lomotra (algue) maniry any anaty ranomasina, hanin’ny trondro. Mamony izy io rehefa miakatra manodidina ny 30° ny hafanana. Hanin’ny trondro io lomotra io. Velona, tsy maninona ny trondro, saingy tsy zakan’ny olombelona kosa izy io fa poizina mety hahafaty azy, indrindra raha tsy nodiovina tsara ilay trondro”, hoy Razafindrajery Tantely, talen’ny Jono sy ny harena an-dranomasina. Ranomasina manopy mena Mora fantatra ary efa fantatry ny ankamaroan’ny mpanjono ny fisian’io fanirian’ny vonin’ny lomotra io, raha vao mijery fotsiny ny lokon’ny ranomasina. Manopy mena ny lokon’ny ranomasina amin’izany. “Misy didim-panjakana avoakan’ny sampan-draharaham-paritry ny Jono mametra ny fotoana azo anjonoana. Miovaova arakaraka ny faritra io didy io. Tsy maintsy tsinjovina koa ny maha fidiram-bolan’ny tokantrano an-tapitrisany ny jono eto amin’ny firenena. Fantatry ny mpanjono io vanim-potoana tsy tokony hanjonoana ny  karazan-trondro sasany toy ny geba na lamatra io. Amin’ny faritra sasany, dia natao hiarovana ny trondro tsy ho lany taranaka, mba hahazoany manatody no anton’ny famerana ny fotoana tsy azo anjonoana”, hoy ihany ny talen’ny Jono. Na trondro maina aza Ho an’ny mponina any amorontsiraka, indrindra fa ny manodidina an’i Toliara,dia sakafo fihinana intelo isan’andro ny trondro noho ny fahamoràny. Anisan’ny tena ankafiziny ny geba, izay “sardine” na “sardinelle” no anarany. Trondro madinika, matsiro sy mora endasina ka be mpitia izy io. “Tokony hitandrina ny mpanjifa amin’ny fotoana voarara ny fanjonoana ireo karazan-trondro toy ny geba sy lamatra, ny oramena sy soka-dranomasina na antsantsa koa amin’ny faritra sasany. Na dia trondro maina aza izy ireny, mbola mety hahafaty. Tsy matin’ny nahandro na ny fametrahana azy anaty vata fampanga­tsiahana ny herin’ny poizina ao amin’ilay trondro”, hoy ny Dr Razafindramonjy Jean, talen’ ny Sampan-draharaha manara-maso ny kalitaon’ny sakafo na Acsqda. Mitety ireo tanànan’ny mpanjono mihitsy ny teknisianina avy ao amin’ny Acsqda, manentana sy manoro ny maha zava-doza ny fanjonoana ireo karazan-trondro mety mihinana lomotra misy poizina ireo. Araka ny fanazavana ihany, dia mora fantatra ny trondro nihinana poizina fa mivoaka faroratra ny vavany. “Tokony hanao andrana ny mpanjono mialoha ny hivarotany ny hazany: omena ny alika na ny saka ny atin’ilay trondro. Mandavan-taona,dia tsy tokony hohanina mihitsy ny loha sy taova amin’ny antsantsa”, hoy ny Dr Razafidramonjy Jean. Fiovan’ny toetr’andro Mitombo be ny lomotra azon’ny trondro hohanina any ambany ranomasina any rehefa miakatra ny hafanana. Midina any ambany any mihinana azy ny trondro. Rehefa mangatsiaka kosa,dia mitady hafanana ny trondro ka miakatra amin’ny faritra ambony. Efa tsy mamony intsony koa ireo lomotra, izay poizina. “Anisan’ny nateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tranga niseho ny volana avrily 2011 tany Toliara ka namono olona 16. Tara hatrany amin’ny volana avrily ny fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina ka nitera-doza ny fihinanana geba. Anisan’ny mety mitondra poizina koa ny karazan-trondro antsoina hoe Tsombaiake na “poisson globe” any Toliara  na bontana any Manakara, ny akiho amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy manontolo. Mety mitera-doza koa ny “moules” sy ny soka-dranomasina, izay biby arovana rahateo eto amintsika ka tsy tokony hohanina”, hoy ny Dr Rajemiarimoelisoa Miraho Felaniaina, tompon’  andraikitra momba ny aretina avy amin’ny sakafo ao amin’ny Acsqda. Anisan’ny poizina hohanin’ny trondro koa ireo diky ataon’ny olona sasany eny amoron-dranomasina. Izay no maha zava-dehibe ny fananganana lavapiringa ho fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona. Mila fahadiovana Zava-dehibe eo amin’ny fitaterana ireny hazan-dranomasina ireny any amin’ny tsena ny fiarovana azy amin’ny loto. Zava-dehibe koa ny fitanana azy anaty toerana mangatsiaka. Otrikaretina tsy hita maso no mety mitera-doza eo amin’ny fahasalaman’ny olona mihinana azy. “Tsy tokony ho varimbariana ny manam-pahefana amin’ireny faritra mpamokatra hazan-dranomasina sy trondro an-dranomamy ireny. Tokony hofadiana ny mihinana ny lohan-trondro sy ny taova rehetra ao anatiny. Ary tsy tokony hamidy mihi­tsy raha toa efa manomboka lo”, hoy ihany ny dokotera ao amin’ny Acsqda. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Fiainana mpanakanto – Tsy hita ela i Tovo J’Hay, fa mbola niteraka aloha!

Fiainana mpanakanto – Tsy hita ela i Tovo J’Hay, fa mbola niteraka aloha!

TSY NAMOAKA HIRA VAOVAO ARY TSY TAZANA FIRY TAMIN’NY FAMPISEHOANA I TOVO J’HAY, NANOMBOKA NY TAONA 2009. FOTOANA IZAY NANOKANANY NY ANKAMAROAN’NY FOTOANANY HO AN’NY FIANAKAVIANY. TAO ANATIN’IZANY NO NAHATERAHAN’I KEYO, ZANANY FAHATELO IZAY VAO EFA-BOLANA ANKEHITRINY. AORIAN’NY FIVERENANY AVY ANY ANDAFY, DIA HIVERINA KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA IZY ARY HANOLOTRA HIRA SY RAKIKIRA

Fanadihadina manokana

Fanadihadina manokana

LAPAN’NY FANATANJAHATENA – MAHAMASINA «Seho tokana» hiarahana amin’i Dayvide sy ny antoko mpihirany Hanome fahafaham-po ireo mpankafy mialoha ny hiatrehany indray ny fianarany. Hanolotra seho tokana, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina i Dayvide sy ny tariny, ny alahady 16 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hetsika izay mifanandrify indrindra amin’ny fetin’ny Ray ka hanasany ny fianakaviana rehetra amin’ny fiarahana midera an’Andriama­nitra. «Ho fitsinjovana ny fianakaviana mihi­tsy ny nanaovana ny vidim-pidirana ho Ar 2 000 mba hahafahan’ny mpianakavy miaraka amin’ny seho», araka ny fanazavan’i Dayvide. Ity no seho an-tsehatra voalohany sady tokana entiny eto Antananarivo ka hiarahany amin’ireo mpitendry sy mpandihy ary antoko mpihira izay natsangany sy notsongaina avy amin’ny fikambanan’ny mpankafy. Hoentin’i Dayvide ao anatin’ny fampisehoana ireo nampitondrainy ny lohahevitra hoe: «Fiderana ahazoantsika tso-drano tena lafatra». Jay-audio no hiantsoroka ny fanamafisam-peo sy ny hazavana. Efa hita eny anoloan’ny Tahala Rarihasina Analakely, Tia Com Analakely, Jumbo Score ary Tonny Pizza Ampefiloha. PIMENT CAFE – BEHORIRIKA Haneho ireo mozika gasigasy ny tarika Zandry Gasy Tarika niorina tamin’ny fiandohan’ny taona 2011. Haneho ireo karazana mozika gasigasy miaraka amin’ny gitara ny tarika Zandry Gasy, anio alina manomboka amin’ny 9 ora, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fanandratana, fikarohana ary fiangaliana ny hira malagasy, indrindra ny ba gasy tendrena an-gitara no tena tanjon’ny tarika. Tafiditra ao anatin’izany ny famelomana ireo hira taloha sy ireo efa vakoka. Ao anatin’izany ireo hiran’ny taona 70 sy 80. Santionany amin’izany ny «Ny fifaliana ry lahy», «Iasitera»… Ao anatin’izany koa ny hiran’ny tarika Riambetso, Levelo, Rastefa, Maurice Razafy, Tselonina, Rambao… Hanampy ireo ny hira izao vokatry ny famoronanan’ny tarika Zandry gasy, izay ahitana an’i Mbola (feo sy gitara), Hoby (gitara), Fitahiana (feo) ary Ony (feo). AFT ANDAVAMAMBA Pop rock hiarahana amin’ny tarika Anay Toarian’ny namoahana ny rakikira voalohany, ny volana desambra, dia miroso amin’ireo seho samihafa ho fampahafantarana izany ny tarika Anay. Hanohy ny seho ary hiantsehatra indray etsy amin’ny Alliance française (Aft) Andavamamba ry Anthony sy ny tariny, ny tolakandron’ny alahady  16 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay dia ny gadona Pop Rock no voizin’ny tarika Anay ary anisan’ireo efa ahafantarana ny tarika amin’ireo haino aman-jery samihafa ny «Ratram-po», «hiara-hilalao» izay lohatenin’ny rakikira voalohany rahateo. Raha tsiahivina, fitambaran’ny tarika Groum’s sy Anthony (Pazzapa) ny niteraka ny «Revolution» izay niova anarana ho Anay, tamin’ny 2011. Ankoatra an’i Anthony (hira sy gitara), dia mandrafitra ny tarika Anay ry Tam’s (Amponga maroanaka), Khelly (Beso), Hasina (Gitara) ary Navalona (vata maroafitsoka). ANTANINARENINA Roa andro ho an’ny Jazz @ tohatoha-bato Hetsika fanao isan-taona izay hiarahana amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Anisan’ny zava-baovao amin’ny “Jazz eny @ tohatohabato” ny fanaovana ny hetsika ao anatin’ny roa andro etsy amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina ny sabotsy sy ny alahady izao. Ho fisantarana ny hetsika dia hisy anio ny seho ho an’ireo olona nasaina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna. Hanomboka rahampitso kosa ny roa andro ho an’ny etsy amin’ny tohatohabato Antaninarenina. Toy ny mahazatra, mpanakanto maro amin’ny gadona samihafa sy sokajin-taona isan-karazany no handray anjara amin’ity andiany fahatelo izy. Vahiny nasaina manokana kosa anefa ny big Band Mo’Zar avy atsy amin’ny nosy Maorisy. Hifandimby haneho ny talentany kosa ry Full Vao Band, Datita Rabeson, Samy Andriamanoro, Joël Rabesolo, Tana Jazz Band, TGC,  Issik, Anaa Quatuor, Iz’avy, jazz club du CGM sy ny an’ny Alliance française. Hanokatra ny seho ny alahady kosa ny Tambours gasy sy Volahasiniaina Linda izay haneho sy hitondra lokon’ny ireo mozika nentin-drazana ao anatin’ny hetsika. IFM ANALAKELY “Dialogue”, seho jazz hiarahana amin’i Laurent Coq Rakikira voalohany hiarahan’ny feo, ny piano ary ny gitara. Hitondra sy hampahafantatra ny “dialogue”, etsy amin’i Institut français de Madagascar (IFM) anio amin’ny 7 ora sy sasany hariva i Laurent Coq telo mirahalahy. Mpamorona sy mpitendry piano frantsay, izay efa nitondra ny talentany tany Paris sy New York, toe­rana nipetrahany teo anelanelan’ny 2000 sy ny 2005. Nandritra ny fampianarana mozika nataony no nifanenany tamin’i Ralph Lavital, izay hitondra ny gitara amin’ny rakikira sy amin’ny fampisehoana. Efa nitondra endrika vaovao teo amin’ny tontolon’ny jazz io fiarahana io fa niampy sy nanome tsiro hafa ny mozika ny feo nentin’i Nicolas Pélage. JAO’S PUB – AMBOHIPO Mozika mafana hiarahana amin’i Mam’Be Mpanakanto efa niara-niriaria tamin-dry Jaojoby. Hitondra mozika mafana eny amin’ny Jao’s Pub eny Ambohipo anio alina i Mam’be. Mpitendry gitara no nahafantarana azy tany am-piandohana ary efa ho 5 taona izao no nametrahany ny anarana Mam’Be. Hanolotra mozika mafana izy amin’io takariva io ary efa nahafantarana azy rahateo ilay hira «Simba». Tsy mifantoka amin’ny gadona tokana fa mivoy sy miangaly karazana gadona maro i Mam’be, ka ankoatra ny «Simba» dia anisan’ny hoentiny sy hanakoako eny Ambohipo ihany koa ny «Vadiako tia zaho», Zaza gasy misôma»… Hanohy ny hetsika any amin’ny Jao’s pub kosa ny sabotsy sy ny alahady ny fanasongadinana ireo fitrandrahana ny gadona nentin-drazana sy ny fampiarahana izany amin’ireo zava-maneno maoderina.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite