CGM – ANALAKELY

Rakikira vaovao novokarina tamin’ity taona ity. Hampiaina ireo mpankafy ny «Hevero» ry Rôla Gamana sy ny tariny, etsy amin’ny Cgm Analakel,y anio hariva amin’ny 7 ora. Amin’ny ankapobeny, dia tsy mivaona tamin’ny gadona nahafantarana azy hatramin’izay i Rôla Gamana amin’ity vokatra vaovao ity, dia ny nentin-drazana izay avoitrany amin’ny fitendrena gitara. Ankoatra ireo hira ao anatin’ny «Hevero», dia hiverenan’i Rôla Gamana mandritra ny fampisehoana ihany koa ireo hira tao anatin’ny rakikira voalohany, «Ravity», nivoaka tamin’ny taona 2006. Mpitendry avy ao amin’ny Zanaray percussion no hanampy an’i Rôla Gamana amin’ity fampisehoana hanehoany ihany koa ireo zava-maneno noforoniny ity.
SARIMIHETSIKA

Vita ny famokarana. Hosantarina any Fianarantsoa ny alahady 22 jolay izao ny famoahana anaty efitrano ilay horonantsary «Rafozan-tsarotiny 7», novokarin’ny Meva production. Andrarezina roa eo amin’ny sehatry ny fampihomehezana no tafaraka ao anatin’ity tantara ity, dia i Pasitera tao amin’ny “Malok’ila” sy i Nirina, izay efa mpilalao fototra tamin’ireo andiany tamin’ny “Rafozan-tsarotiny” teo aloha rehetra. Mbola hisongadina hatrany ao anatin’ny tantara ny fifandraisana eo amn’ny rafozana sy ny vinanto. Hitety faritra maro hafa ihany koa ny «Rafozan-tsarotiny 7».
• 22 jolay – Grande Salle Fo Masin’i Jesoa Talatamaty Fianarantsoa (2 ora sy 4 ora)
• 22 jolay – Tranompokonolona Ambalavao (2 ora – 4 ora – 6 ora)
• 29 jolay – Cinéma Tropique Toliara (3 ora – 5 ora)
• 28 jolay – Salle d’oeuvre Catholique Mahabibo (6 ora – 8 ora)
• 29 jolay – Salle d’oeuvre Catholique Mahabibo (2 ora – 4 ora – 8 ora)
• 05 aogositra – Tranobe Andafiatsimo Ambatolampy (2 ora – 4 ora)
JAO’S PUB AMBOHIPO

Taorian’ny seho ankalamanjana, dia hiavaka kely indray ny fiakarana an-tsehatra hataon’i Lôla anio alina, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo, miaraka amin’ny gadona batrelaka. Sambany no ho tazana etsy Ambohipo i Lôla. Ankoatra ny batrelaka, dia hanolotra fampisehoana amin’ny karazana gadona hafa ahafantarana azy ihany koa izy, toy ireo mozika milamindamina. Amin’ny seho takariva toy itony, tsy ferana ny hisian’ny tolotra tsy ampoizina entin’ny mpanakanto.
Hanohy ny seho ao amin’ny Jao’s Pub kosa ny sabotsy izao ny tarika Saramba.
CARLTON ANOSY

Ho tafaraka ny samy andrarezin’ny vazo miteny. Hiaraka amin’ny «Samy hafa fijery fa iray lalana» i Mamy Bastah sy Princio. Fampisehoana atolotry ny Gig Anchor, etsy amin’ny Carlton Anosy anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Karazana gadona maro toy ny nahazatra azy sy ny gitarany hatramin’izao no entin’i Princio amin’ity seho ity, raha hampianoka ireo mpijery amin’ny tandonaka, gadona avy any amin’iny faritr’i Vakinankaratra iny kosa i Mamy Bastah. Sambany no tarafa-dia izy roa lahy ireo ka tsy maintsy hisy ny fampiaraham-peo amin’ny hira vitsivitsy. Hanakoako etsy Anosy ny hafatra sy ny lesona ary anatra samihafa entin’ny tononkiran’izy mirahalahy.
IN SQUARE AMBATOBE

Fihaonana isaky ny zoma fahatelo amin’ny volana. Raikitra indray ny «Funky Spirit» hiarahana amin’i Bim sy Tommy eny amin’ny In Sqaure Ambatobe. Fampisehoana hotanterahina anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Seho hitondran’i Bim ny talentany amin’ny fahaizany mikapoka ireo ampongalava, ary Tommy kosa eo amin’ny fitendrena ny vata maroafitsoka. Hanampy izany dia haneho ny fahaizany mihira ihany koa izy mirahalahy ho an’ireo efa mpanatrika ny «Funky spirit». Toy ny mahazatra, mirona hatrany amin’ireo gadona funk, ny soul, r’n'b ary ny latino ny sanganasa hoentin’izy mirahalahy amin’ity takariva ity.








0 Fanehoan-kevitra