Araka ny fantatra dia ny talata 22 janoary izao no hivoaka ny anaran’ireo mpi-kambana miisa 44 handrafitra ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (Ffm) izay hisokajy ireo olona tokony hisitraka ny famotsoran-keloka.
«Fara fahatarany dia amin’ ny faran’ny volana janoary izao no hatolotra ny gover-nemanta ny lisitr’ireo mpikam- bana eo anivon’ny Ffm ireo. Aorian’izay dia tokony hiroso amin’ny fifidianana izay ho Filoha hitantana io rafitra io izy ireo», araka ny fanazavan’ny Filohan’ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana, Dr Péri Rasolondraibe, omaly.
Isan’ny olana lehibe tsy maintsy hatrehin’ireo mpi-kamban’ny Ffm anefa ny fahateren’ny fotoana. Amin’ ny 8 febroary izao no tokony hanomboka handray ireo antontan-taratasin’ireo kandidà mikasa ny hirotsaka amin’ny fifidianana ireo mpi- kambana eo anivon’ny fitsa-rana manokana misahana ny fifidianana. Maro amin’ ireo maniry ny ho kandidà ireo anefa no mbola miandry ny fahazoana ny famotsoran-keloka vao afaka manao izany.
Omaly dia mbola nana-tanteraka fivoriana mano-kana nandinihana ny fomba fanendrena ireo mpikambana handrafitra ny Ffm ireo ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana sy ireo toko telo eo anivon’ ny fiarahamonim-pirenena izay nanankinana ny fananganana ity rafitra ity. Mbola hitohy anio ny fivoriana.
JR









0 Fanehoan-kevitra