
Vita ny fampifandraisana tamin’ny alalan’ny hosona ny oniversiten’Antananarivo amin’ny any ivelany sy ireo ireo oniversite hafa eto an-toerana. Mitoetra ho ambany hatrany anefa ny fahafaha-mandray ireo mpianatra, raha tsy hilaza afa-tsy ilay ivon-toerana informatika. « 25 000 ireo mpianatra ety saingy 150 ihany no zakan’ny efitra handraisana ireo mpianatra hikirakira tranonkala amin’ny alalan’ilay teknolojia »wi-fi » », hoy Rakotoarisoa Jean Eric, Filoha lfeitry ny oniversiten’Antananarivo.
Tsy nisy fanitarana
Resy lahatra anefa ireo tompon’andraikitr’ity oniversite ity fa manampy na amin’ny fahazoam-baovao na eo amin’ny fampihenana ny fandaniam-bola ny fanatsarana ny lafiny informatika eo anivony. « Tsy mila mandany vola manafatra ireo mpitsara ny fanohanam-pikarohana ataony intsony ohatra ireo mpianatra, satria azo atao amin’ny alalan’ilay teknolojian’ny fahitalavitra ifankahitan’ny roa tonta na ny »visio-conférence » ny fanohanana fikarohana atao », hoy Andriatsimahavandy Abel, filohan’ny oniversiten’Antananarivo, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ireo ivon-toerana ireo omaly. « Azo omanina dieny izao ihany koa ny fahafahana manaparitaka ireo lesona any amin’ny tranonkala hahafahana mandray mpianatra mihoatra ireo 8 000 isan-taona azo noraisina hatrizay », hoy indray Rakotoarisoa Eric.
Hanitry Ny Aina









0 Fanehoan-kevitra