Fomba fiady hafa indray no entin’ireo miaramila mikaroka an-dReme-nabila sy ny tariny any amin’ny faritra atsimon’ ny Nosy amin’izao foto-ana izao.
« Efa miditra amin’ ny dingana faharoa ny paik’ady, ka izay no tsy ahafahan’ny any an-toe-rana mampita vaovao noho ny hasarobidin’ny ain’ireo olona manatanteraka ny iraka. Avoaka ho fanta-bahoaka tsy ho ela anefa ireo vokatra azo tany an-toerana », hoy ireo mpampita vaovao avy amin’ny Tafika sy ny Zandarimaria izay nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava.
Noresahina nandritra ity fotoana ity ihany koa ny momba ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra voaaro any Ididy Ambatondra-zaka sy ny asan-dahalo tany Bongolava, izay efa nahasamborana olona dimy. Ny roa tamin’ireo no efa any am-ponja.
Haja R.









0 Fanehoan-kevitra