
Fiaraha-miasan’ny polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena. Nanomboka ny alakamisy 02 janoary teo ny asa fampanarahan-dalàna amin’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, ka fiara 12 no efa nogiazina hatramin’ny omaly. « Nahitana taksibe, fiara mitatitra tany mena hanotofana tsy nahazoana alalana, fiaran’olon-tsotra ireo », hoy ny kapiteny Razafimahefa Jocelyn, lefitry ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. Ny fanokafana varavarana eny am-pandehanana,izay mety hitera-doza ho an’ny mpandeha sy ny fijanonana amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany kosa no anisan’ny antony nanagiazana ireo taksibe. Ny fanasana fiara eny amin’ny arabe, toerana voararan’ny lalàna hanaovana izany indray ho an’ireo fiaran’olon-tsotra.
Fantatra fa ao anatin’ny fanaovana fanentanana ho amin’ny fampanarahan-dalàna hatrany ny tompon’andraikitra, ho an’ireo tranga azo leferina. Notsipihin’ny kapiteny Razafimahefa Jocelyn kosa fa mitarika ho amin’ny fanagiazana toy izao ny trangana tsy fanarahan-dalàna tratra ambodiomby, izay mety hitohy ho amin’ny fakàna ny taratasy fahazoan-dalana hamily.
MR
0 Fanehoan-kevitra