
Andraikitry ny rehetra ny miambina itony fananana iombonana itony araka ny fanentanan'ny orinasa Jirama
Ripaka ny taribin-jiron’ny Jirama amina fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miaina ao anatin’ny haizina
tanteraka izy ireo noho izany.
« Efa nahatratra 33 km ny refin’ny tariby very nandritra ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ny volana mey teo », araka ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny orinasa Jirama.
Io tranga io no nanamafisan’ny avy ao amin’ ny Jirama fa antony maha- tonga ny fahatapahan’ny herinaratra matetika amin’ireo faritra ireo.
Ny eny Ambanidia, Ambatoroka, 67 Ha, Anjanahary, Antsahamamy -Ankatso ary Ankorondrano no isan’ny tena ahitana izay fangalarana tariby amin’ny andrin-jiron’ny Jirama izay matetika. Lasibatra ihany koa anefa ireo faritra manodidina ny renivohitra, raha ny voalazan’ny teny anivon’ ny orinasa Jirama hatrany.
Efa mila tsy haharaka ny fanamboarana sy ny fanoloana sahaniny mihitsy ny Jirama manoloana izany. Faritra telo na efatra isan’ andro no anatanterahan’ ny orinasa fanoloana taribin-jiro. Ny Jirama manontolo no mizaka ny fatiantoka ary manodidina ny Ar 25 tapitrisa no lany amin’izany.
Etsy andaniny dia mitaraina koa ireo mponina amin’ireo toerana isian’ ny halatra tariby noho ny voalaza fa fitarazohan’ ny famerenana amin’ny laoniny izay voasompatra. Tsy maintsy ny fokontany no manao ny taratasy fampandrenesana ny Jirama ary miankina amin’ ny fandaminana asa no hiverenan’ny herinaratra, raha ny fanazavana nomen’ny Jirama.
Lilia Rajaonah









0 Fanehoan-kevitra