Sahirana ireo polisy sy zandary misahana ny heloka bevava mikaroka ilay Karàna nisy naka an-keriny teny Androhibe, ny alatsinainy teo. Mbola mitoetra amin’ireo roa lahy naman’i Djaffar, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao ny ahiahin’ny polisy. Na dia efa voaheloka aza i Djaffar izay migadra eny Tsiafahy dia mety hofotorana indray amin’izay mahakasika ity fakàna an-keriny vaovao ity, araka ny fantatra.
Ny zandary indray anefa etsy an-daniny mihevitra fa andian-jiolahy hafa no mety ho tompon’antoka tamin’ity tranga farany ity.« An-dian-jiolahy naman’ireo efa tratra ihany no ipetrahan’ny ahiahy hatreto. Efa nisy mihitsy ny fidinana teny amin’ny trano ahiahiana misy azy ireo, saingy tsy mbola nahitam-bokany izany », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.
Ny avy amin’ny polisy aloha dia nilaza ho tsy manilika izay petra-kevitra rehetra mahakasika ity raharaha ity, miainga avy amin’ireo loharanom-baovao marobe ananan’izy ireo.
Faralala









0 Fanehoan-kevitra