Ankoatra ny aretim-pivalanana dia voalaza fa miaro ny zaza amin’ ny aretin-tratra ihany koa ny fampinonoan-dreny. Ireo aretina ireo dia isan’ny mamono zaza an-tapitrisany eran-tany isan-taona. Raha ny antontan’isa anefa dia tsy mihetsika firy ny tahan’ny fampinonoan-dreny any amin’ireo tany mahantra. 32% tamin’ny taona 1995 ary tsy niakatra firy fa manodidina ny 39% dimy taona aty aoriana. Zaza miisa 82 isan’andro no mamoy ny ainy eto Mada- gasikara mandritra ny 28 andro voalohany ahavelomany. Azo atao tsara anefa ny mampihena io taha io amin’ny alalan’ny fampinonoan-dreny, raha ny fanamarihan’ny avy ao amin’ ny sampan-draharaha iraisam-pirenena misahana ny reny sy ny zaza (Unicef). Mandrisika ny tokony hampifanarahana ny politikam-pirenena amin’ ny fanamorana ny fampinonoan-dreny ity sampan-draharaha ity amin’izao herinandro ho an’ny fampinonoan-dreny, marihina ny 01-07 aogositra izao.
MR









0 Fanehoan-kevitra