Subscribe to RSS

Fahasalamana ara-pananahana – Miha mahazo vahana ny firaisana ara-nofo eo amin’ireo tanora tsy ampy taona

Nampahafantarina omaly ny hetsika hatao ao anatin'ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an' ny tanora any Antsiranana.

Mampanahy ny tarehimarika. Tanora vavy latsaky ny 18 taona, miisa iray ao anatin’ny telo no efa nitondra vohoka indray mandeha raha kely indrindra, raha ny antontan’isa farany tamin’ny taona 2009. Mitombo hatrany anefa io isa io. Manaitra ihany koa ny fahafantarana fa ny 17,6%-n’ny tanora vavy sy ny 9,1%-n’ny tanora lahy latsaky ny 15 taona, no efa nanao firaisana ara-nofo avokoa.

«Ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny tanora no antony tena mahatonga ireo tranga ireo», hoy ny Dr Tifana Marie Ange, talen’ny fampivoarana ny tanora eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny ala voly. Isan’ireo mijoro vavolombelona amin’izany i Tiana, tovovavy 14 taona voatery nanambady tovolahy 21 taona, noho ny fitondrana vohoka tsy niriana. « Tany an-tsekoly no nihaonanay. Samy mianatra ao amin’ny kilasy 5ème ao amina sekoly iray. Bevohoka aho ary tsy nanaiky ny ray aman-dreniko, ka voatery natao ny raharaha. Izahay anefa tsy manana antom-pivelomana fa mbola eo ambany fiahian’ny ray aman-dreniny ary tena sahirana tokoa », hoy ny fitantarany.

Fahafatesana

Maro ny voka-dratsy ateraky ny fitondrana vohoka aloha loatra. Vehivavy 10 no mamoy ny ainy isan’andro, ateraky ny fahasarotana eo am-piterahana. Ny telo amin’ireo anefa dia tovovavy latsaky ny 18 taona avokoa. Mahakasika ireo trangana sida indray dia fantatra fa ireo tanora 20-29 taona no ahitana ny maro an’isa indrindra amin’ireo tranga vaovao mitondra ny Vih, ary ireo tovovavy ny ankamaroany. Noho ny fahasahiranan’ny tanora ihany koa dia tanora latsaky ny 19 taona avokoa ny 18,6%-n’ireo mivaro-tena. Ny fahatsapana ireo olana iainan’ny tanora ireo indrindra no nahatonga ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana manokana tetikasa maro mahakasika ny fampivoarana ny tanora sy manohana ny minisitera tompomarika.

Monica Rasoloarison

 

 Mifanome tanana hanamarika ny Andro eran-tany ho an’ny tanora, any Antsiranana ny 11 sy 12 aogositra izao ny minisiteran’ny Tanora sy ny ala voly, miaraka amin’ireo sampan-draharaharan’ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara (Unicef, Pnud, Unfpa, Bit). Tanora 100 no hampiofanina momba ny fahaiza-mitarika sy ny fitantanan-draharaha ao anatin’izany. Hisy ihany koa ny fihaonamben’ny tanora, hamosahany hevitra hikendrena ny fomba hampivelarana azy ireo, ho amin’ny fampandrosoana.

 

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta(0)

Mifamahofaho ny fiainana. Samy manana ny anjarany tokoa ny olona. Maro amin’ny olona manan-katao no efa niandrandra sy niomana tamin’ny fetin’ ny Pantekosta. Isan’ireny ny fiatrehana ny sakafo miavaka amin’ny andavanandro, ny fanomanana ny hoenti-manana amin’ny fitsangan- tsanganana. Tsy mba toa izany kosa anefa ny fiainan’ ireo olona sahirana. Vary notsimponina manerana ny tsena no mba niandrandran’ izy ireo niatrehana izany fety izany, araka ny hita tetsy Anosibe. Vao maraina tamin’ny sabotsy teo dia efa tazana manerana ny

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%(0)

Mbola tsy nivoaka ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana ilay fampiakarana ny karaman’ireo mpiasan’ny sehatra tsy miankina. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy dia nisy antontan-taratasy nangatahan’ny teo anivon’ny Filankevitry ny governementa, tamin’iny herinandro lasa iny, ka izay no tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana iny taha fampiakarana 8% iny.

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba  ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana(0)

Tsy ara-dalàna. Nampitandrina ny mpanjifa ny minisitry ny Fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, manoloana ny dokam-barotra sasany momba ireo fitaovana ambara ho manasitrana aretina, miverimberina amin’ny haino aman-jery. «Voararan’ ny lalàna iray nivoaka tamin’ny taona 2001 ny fanaovana dokam-barotra momba ny fitaovana samihafa, ambara fa azo hitsaboana ny olombelona, toy izay hita tao ho ao, lazaina ho mitsabo tosi-dra na homamiadana, na mampihena ny habetsahan’ny menaka anaty ny tenan’ny olona na koa mitsabo diabeta sy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra  “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy(0)

Afaka manovo fahalalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao indray ireo mpianatra ao Soavinandriana. Nahazo solosaina efatra, miaraka amin’ny “connexion internet” haingam-pandeha izy ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange no nahafahana nanao izany. Ity farany ihany koa izay nametraka “coach multimedia” any an-toerana mba hanoro sy hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ny “internet”.

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra(0)

Tsy nahasakana ny olona tamin’ny fandehanana nitsangantsangana ny fahasahiranana sy ny toetr’andro. Vao maraina mantsy dia efa zara raha nisy ny taksibe niasa tamin’ny zotra nisy azy. Lasa nanao fitaterana manokana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Vao maraina ihany koa omaly dia efa tazana sy tomefy olona mandeha an-tongotra ny arabe rehetra ho an’ireo tsy naka fiara manokana. Fotoana nampandeha ny tsenan’ ireo fiara fitaterana ny omaly. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana anefa nilaza fa vitsy dia

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite