Subscribe to RSS

Fahasalamam-bahoaka – Mikatso tanteraka ny fitiliana ny tsimokaretin’ny Sida

Voalaza fa lany ireo ranom-panafody fanaovana fitiliana

Mbola olana. Nanomboka ny volana mey teo no efa tsy nisy intsony ny ranom-panafody fampiasa amin’ny fitiliana ny Vih, tsimokaretina mitondra ny Sida.

“Tsy afaka manatanteraka ny fitiliana aloha hatreto, ka tsy ho fantatra intsony ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina”, hoy ny Dr Rabeson Hervé, mpitsabo etsy amin’ny birao monisipaly misahana ny fahadiovana (Bmh), Isotry, raha  nanazava ny mety ho fiantraikan’io olana io eo amin’ny fahasalamam-bahoaka.

Tafiditra ao anatin’ny fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina ny tsy fisian’izany ranom-panafody izany ary miankina amin’ny fitondran-tenan’ny tsirairay kosa ny hampifindra na tsia ny aretina.

Nilaza ny avy eo anivon’ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny sida (Cnls) fa  fandaminana eo amin’ny lafiny taratasy no mahatonga ny olana.

“Efa tonga ny ranom-panafody fa mbola eo an-dalana ny fikarakarana ny taratasy famoahana azy”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Cnls, Razafindrafito Haja.

Tojo olana toy izany ihany koa ny fanafody fitsaboana ny Sida, izay nahitana fahatapahany teo amin’ny famatsiana. Nilaza ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa efa tonga ny fanafody izay heverina hahasahana ny filan’ny marary ho amin’ity taona ity.

Niisa 543 000 ireo olona natao fitiliana Vih tamin’iny taona 2011 iny. Ny 409 tamin’ireo no olona vaovao mitondra ny tsimokaretina.

 

MR

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta(0)

Mifamahofaho ny fiainana. Samy manana ny anjarany tokoa ny olona. Maro amin’ny olona manan-katao no efa niandrandra sy niomana tamin’ny fetin’ ny Pantekosta. Isan’ireny ny fiatrehana ny sakafo miavaka amin’ny andavanandro, ny fanomanana ny hoenti-manana amin’ny fitsangan- tsanganana. Tsy mba toa izany kosa anefa ny fiainan’ ireo olona sahirana. Vary notsimponina manerana ny tsena no mba niandrandran’ izy ireo niatrehana izany fety izany, araka ny hita tetsy Anosibe. Vao maraina tamin’ny sabotsy teo dia efa tazana manerana ny

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%(0)

Mbola tsy nivoaka ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana ilay fampiakarana ny karaman’ireo mpiasan’ny sehatra tsy miankina. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy dia nisy antontan-taratasy nangatahan’ny teo anivon’ny Filankevitry ny governementa, tamin’iny herinandro lasa iny, ka izay no tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana iny taha fampiakarana 8% iny.

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba  ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana(0)

Tsy ara-dalàna. Nampitandrina ny mpanjifa ny minisitry ny Fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, manoloana ny dokam-barotra sasany momba ireo fitaovana ambara ho manasitrana aretina, miverimberina amin’ny haino aman-jery. «Voararan’ ny lalàna iray nivoaka tamin’ny taona 2001 ny fanaovana dokam-barotra momba ny fitaovana samihafa, ambara fa azo hitsaboana ny olombelona, toy izay hita tao ho ao, lazaina ho mitsabo tosi-dra na homamiadana, na mampihena ny habetsahan’ny menaka anaty ny tenan’ny olona na koa mitsabo diabeta sy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra  “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy(0)

Afaka manovo fahalalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao indray ireo mpianatra ao Soavinandriana. Nahazo solosaina efatra, miaraka amin’ny “connexion internet” haingam-pandeha izy ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange no nahafahana nanao izany. Ity farany ihany koa izay nametraka “coach multimedia” any an-toerana mba hanoro sy hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ny “internet”.

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra(0)

Tsy nahasakana ny olona tamin’ny fandehanana nitsangantsangana ny fahasahiranana sy ny toetr’andro. Vao maraina mantsy dia efa zara raha nisy ny taksibe niasa tamin’ny zotra nisy azy. Lasa nanao fitaterana manokana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Vao maraina ihany koa omaly dia efa tazana sy tomefy olona mandeha an-tongotra ny arabe rehetra ho an’ireo tsy naka fiara manokana. Fotoana nampandeha ny tsenan’ ireo fiara fitaterana ny omaly. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana anefa nilaza fa vitsy dia

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite