Taorian’ny fampirantiana tetsy amin’ny Chéminot Antanimena sy ny seho tany Antsirabe ary tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, dia hitohy any amin’ny faritra ny fampisehoan’ny tarika Mahaleo ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonany.
Tsy ho latsa-danja tamin’izay naseho teto an-drenivohitra ny hatolotra any amin’ny faritra. «Mbola holazaina manaraka eo ihany ireo daty sy faritra handalovan’ny tarika», araka ny fanazavan’ny Média Consulting, izay mpikarakara ny fankalazana.
Tsiahivina fa nandritra ny fampisehoana ny alatsinain’ny Paska teo no nanolorana ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo ny mari-boninahitry ny «Commandeur de l丹rdre des Lettres, de Arts, de la Cultureサ noho ny zava-bitan’ny tarika teo amin’ny tontolon’ny kanto.
Faly Ran.









0 Fanehoan-kevitra