Nanao ny tsy nambinina. Rehefa avy nanohitra hatrany ny daka totoafo nataon-dry Cristiano Ronaldo sy Nani ary Raul Meireles ingahy Petr Cech, izay mpiandry tsatokazon’ny Repoblikan’i Tchèques, dia folaka ihany izy ireo teo amin’ny minitra faha-78.
Ny lohan’ny CR7, tompon’ny baolina volamenan’ ny Fifa tamin’ny taona 2008, no nampikobana ny harato nandrasan’i Cech, teo amin’io fotoana io ka nahatonga ny fodian’ireto farany tsy hanohy intsony ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na ny Euro 2012, atao any Pologne sy Ukraine.
Somary nampiseho hery ireo lalao nataon’ireo ekipan’ny Repoblikan’i Tchèques tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany. Nihareraka sy tsy nahavita lalao firy intsony anefa izy ireo tamin’ny 45 minitra faharoa. Nisesisesy araka izany ny fanafihana ho an’i Portugal. Efa indroa saika nahatafiditra baolina i CR7 saingy nidona tamin’ny tsato-by hatrany izany.
Miandry fotsiny izay mandresy amin’i Espagne sy France, ampahefa-dalana atao rahampitso, izany i Portugal eo amin’ny lalao manasa-dalana voalohany.
Hitohy anio alina ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’io fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa io ka ny fihaonana eo amin’i Alemana sy Grika no harahintsika. Ho azy ireo dia manantombo eo amin’ny tanjaka ny Rainiboto saingy manam-bintana kokoa ny grika, izay efa notsotsofina vao tafita teo amin’io dingana io. Isan’ny nahatafakatra azy ireo ny fihaonana mivantana teo aminy sy Rosia nandritra ny andro farany ho an’ny dingan’ny fifanintsanana teo amin’ny vondrona A.
Ireo izay tafavoaka ho mpandresy anio kosa no hihaona amin’izay mibata ny fandresena eo amin’i Italia sy Angletera, izay hamarana ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ny 28 jona ho avy izao.
RA
Lalao anio
Allemagne # Grèce (9 ora sy 45 m)









0 Fanehoan-kevitra