Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana. Ekipa vitsy no tsy manofa kianja Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be. «Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana. «Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo. Sasatra ny manarina kianja Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mivezivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita. Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina. Dobo filomanosana sivy Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja ny tenisy. Ilaharana na efa andoavam-bola aza Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafimahatratra Dina. Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso. Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io. Taranja roa na telo ihany Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana. «Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay. Refin’ny kianjana kitra manara-penitra : Kitra lalaovin’olona 11 : 110 x 68 m Kitra lalaovin’olona 9 : 90 x 70 m Kitra lalaovin’olona 7 : 70 x 60 na 50 m Kitra lalaovin’olona 5 na 4 : 35 x 15 m na 45 x 30 m raha misy mpiandry tsatokazo. Refin’ny kianjana baskety : 28 x 15 m amin’ny ankapobeny. Nampitomboin’ny FIBA kely anefa ny habeny tamin’ny 2010. Refin’ny kianjana volley : 18 x 9 m miampy sisiny 3 m. Refin’ny kianjana tennis : 23,77 x 8,23 m. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo
0 Fanehoan-kevitra