« Azo antoka fa nisy nandoro no nitarika ny fahamaizan’ny efitrano fianarana roa ao amin’ny Lycée Vavatenina fa tsy may fotsiny tamin’izao », raha ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria. Ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany no nisehoan’ity tranga ity.
« Fiaraha-mientana teo amin’ireo fokonolona no nahafahana nifehy ny afo. 20 minitra taty aorian’ny firehetana dia voafehy tanteraka izany», araka ny voa-lazan’ny mpitandro ny filaminana hatrany.
Voalaza aloha fa efa tafavoaka tany ivelany avokoa ireo dabilio sy entana rehetra tao anaty trano.
Haja R.








0 Fanehoan-kevitra