|
Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta(0)
Mifamahofaho ny fiainana. Samy manana ny anjarany tokoa ny olona. Maro amin’ny olona manan-katao no efa niandrandra sy niomana tamin’ny fetin’ ny Pantekosta. Isan’ireny ny fiatrehana ny sakafo miavaka amin’ny andavanandro, ny fanomanana ny hoenti-manana amin’ny fitsangan- tsanganana. Tsy mba toa izany kosa anefa ny fiainan’ ireo olona sahirana. Vary notsimponina manerana ny tsena no mba niandrandran’ izy ireo niatrehana izany fety izany, araka ny hita tetsy Anosibe. Vao maraina tamin’ny sabotsy teo dia efa tazana manerana ny tsenan’Anosibe ireo ankizy kely miandahy miambavy miaraka amin’ny kitapo babena sy fandraofam-pako ary kifafa kely Nahaontsa olona maro ny mahita ireto zaza ireto mamafa ny vary miparitaka, raofina amin’ny fandraofam-pako dia ampidirina anatin’ny kitapo. Fahafinaretana sady mahafinaritra ireo ankizy kosa anefa izany ary toy ny kilalao ny fanaovany azy. “Efa tamin’ny alarobia izahay no nanomboka nitsimpona mba hahafahana mahazo betsaka hiatrehana ny fety”, hoy ny sasany tamin’ireo ankizy. Nambaran’izy ireo hatrany fa nahangona hatramin’ny vary 15 kapoaka isan’andro ny iray amin’izy ireo. “Rehefa tonga any an-trano dia diovin’ny mamanay ny vary hialan’ny vovoka. Rehefa betsaka no azo dia amidy hividianana laoka”, hoy ireo ankizy nanontaniana. Hafaliana ny azy ireo satria dia mba nanao fety toy ny olona rehetra ihany koa. Nangonin’i Lilia Rajaonah |
![]() |
Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%(0) Mbola tsy nivoaka ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana ilay fampiakarana ny karaman’ireo mpiasan’ny sehatra tsy miankina. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy dia nisy antontan-taratasy nangatahan’ny teo anivon’ny Filankevitry ny governementa, tamin’iny herinandro lasa iny, ka izay no tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana iny taha fampiakarana 8% iny. “Efa noentina teo anivon’ny Filankevitry ny governemanta tamin’ny herinandro mantsy izy iny. Efa nomena ny minisitra ireo taratasy nangatahana ireo ka heverina fa anio ihany dia hoentina eo amin’ ny Filankevitra indray izany”, hoy Ramanitriniony Samuelson, tale jeneralin’ny Asa sy ny Lalàna sosialy eo anivon’ity minisitera ity. Na izany aza anefa dia efa nisy ireo orinasa nampiakatra ny karaman’ny mpiasany. Ao ihany koa ireo hiandry mihitsy ny fivoahan’io didim-panjakana io. Nanamafy ny sendikan’ireo mpiasa fa afaka mametraka fitarainana eny anivon’ny sampana AR |
|
Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana(0)
Tsy ara-dalàna. Nampitandrina ny mpanjifa ny minisitry ny Fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, manoloana ny dokam-barotra sasany momba ireo fitaovana ambara ho manasitrana aretina, miverimberina amin’ny haino aman-jery. «Voararan’ ny lalàna iray nivoaka tamin’ny taona 2001 ny fanaovana dokam-barotra momba ny fitaovana samihafa, ambara fa azo hitsaboana ny olombelona, toy izay hita tao ho ao, lazaina ho mitsabo tosi-dra na homamiadana, na mampihena ny habetsahan’ny menaka anaty ny tenan’ny olona na koa mitsabo diabeta sy ny maso ary ny «sinusite», ohatra», hoy ny minisitry ny Fahasalamana. «Tsy nanome fahazoan-dalana hivarotana ireny fitaovana ireny ny minisiteran’ny Fahasalamana satria tsy ananany porofo ara-tsiantifika. Tandremo tsy ho sodokan’ireny dokam-barotra ireny fa lahitokana ny aina», hoy ihany izy. BA |
![]() |
Fanabeazana – Nahazo tambajotra “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy(0) Afaka manovo fahalalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao indray ireo mpianatra ao Soavinandriana. Nahazo solosaina efatra, miaraka amin’ny “connexion internet” haingam-pandeha izy ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange no nahafahana nanao izany. Ity farany ihany koa izay nametraka “coach multimedia” any an-toerana mba hanoro sy hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ny “internet”. “Ianareo tanora no ho avin’ny firenena ka rariny raha ampiana. Iray minitra monja dia afaka mifanerasera eran’izao tontolo izao ianareo. Mampivelatra ny mpianatra io “internet” io. Raiso an-tanana ny ho avinareo satria isika miaraka no fampandrosoana”, araka ny fampaherezana nampitondrain’i Mialy Rajoelina, filohan’ny fikambanana Fitia, ireo mpiara-miasa aminy. Faritra faha-19 nahazo ny “internet” i Soavinandriana. LR |
![]() |
Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra(0) Tsy nahasakana ny olona tamin’ny fandehanana nitsangantsangana ny fahasahiranana sy ny toetr’andro. Vao maraina mantsy dia efa zara raha nisy ny taksibe niasa tamin’ny zotra nisy azy. Lasa nanao fitaterana manokana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Vao maraina ihany koa omaly dia efa tazana sy tomefy olona mandeha an-tongotra ny arabe rehetra ho an’ireo tsy naka fiara manokana. Fotoana nampandeha ny tsenan’ ireo fiara fitaterana ny omaly. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana anefa nilaza fa vitsy dia vitsy no naka taratasy fahazoan-dalana raha mitaha ny tamin’ny isan-taona. “Nihena hatramin’ny 25 % izany raha miohatra amin’ ny hatramin’izay”, raha ny antontanisa avy amin’ io minisitera io. “Ar 10 000 no maka ny fahazoan-dalana nefa toerana akaiky no alehanay. Mbola somary mandany fotoana koa anefa ny maka azy io fa tsy vita eo no ho eo. Izahay ihany koa tsy mijanona any amin’ilay toerana fa manatitra sy maka fotsiny dia miverina manao ny asa andavanandro ihany”, hoy ireo mpitatitra. LR |
|
Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify Tsy tokony hatao tsinontsinona. Matetika no sokajian’ny olona ho toy ny aretina madinika ny aretin’ny ati-vava sy ny areti-nify. Isan’ny aretina mety hahafaty haingana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika anefa ity aretina ity. Nivoitra izany omaly nandritra ny fankalazana ny herinandrom-pirenena momba ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify, natao tany Imerin’Imady, distrikan’Ambositra. “Betsaka sady maro karazana ny areti-nify ary misy mahafaty mihitsy. Ilay karazana areti-nify atao hoe “noma”, izay aretin’ny ati-vava tena mpahazo ny ankizy no mety mahafaty”, araka ny nambaran’ny Dr Ranivoharilanto Eva, lehiben’ ny sampan-draharahan’ ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava, eo anivon’ ny minisiteran’ny Faha- salamam-bahoaka. Antony maro no fantatra fa ahazoana io aretina io saingy mampivoatra azy kosa ny aretin’ny ankajo- nify sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary indrindra ny aretina mandoaka nify (carie). Ity aretina farany ity no tokony hosorohina satria nahitana fiakarany ny olona voany. “80%-n’ ny ankizy no efa manana nify loaka. Miakatra 90% izany eo amin’ny faha-5 taonany ary tafakatra hatramin’ny 98% izany any amin’ireo olon-dehibe 35 taona ka hatramin’ny 44 taona”, araka ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamana. Nivoitra tamin’ny fanentanana omaly ny tokony hiborosiana ny nifin’ny ankizy raha vao mihinana karazan-tsakafo. Tsara ihany koa ny mitsabo nify indray mandeha isam-bolana. Lilia Rajaonah |
|
Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena
Tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo mpiadina Bepc. Hanomboka amin’ny alatsinainy 27 mey ka hatramin’ny 30 mey ny anjaran’izy ireo. Hitohy ny alatsinainy 3 jona izany ka hatramin’ny 7 jona. Hitsinjara amina kianja telo ireo mpiadina manodidina ny 27 000 araka ny vaovao avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo reni- vohitra, dia ny kianjan’i Mahamasina sy Nanisana ary Alarobia. “Iangaviana mba hijery tsara izay voasoratra amin’ ny taratasy fiantsoana, milaza ny daty sy ny toerana hanaovana ny fanadinana, ireo mpianatra mba tsy ho diso fotoana. Tokony ho tonga 30 minitra mialohan’ny fanombohan’ny adina ireo mpianatra. Ny taranja lomano no hamaranana ny fanadinana ny 22 jona etsy Ampefiloha”, hoy i Voahanginirainy Jeanne, avy amin’ny Cisco Antananarivo. Efa samy naka ny taratasy fiantsoany avokoa ny anka- maroan’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Azon’ny mpianatra atao tsara araka izany ny manantona avy hatrany ny ivon-toeram-pianarana mba ahafahany miomana. LR |
|
Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500 nogiazana tao anatin’ny 45 andro Tsy manara-dalàna daholo. Ahitana tsy fanarahan-dalàna hatrany eo amin’ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra. Tsy ny taksibe sy ny fiarakaretsaka ihany no manao izany fa eo ihany koa ny fiaran’olon-tsotra. « Nahatratra 500 ny taratasina fiara notanana nanomboka tamin’ny volana avrily ka hatramin’izao. Tsy fijanonan’ny taksibe amin’ny toeram-piantsonana no tena betsaka amin’ireo. Eo ihany koa ny hadisoan’ny fiaran’olon-tsotra, mijanona amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany », araka ny tatitra avy amin-dRandrianavalona Harivelo, lehiben’ny polisy monisipaly. Hita tamin’ireo fiara 500 ireo avokoa ny karazana tsy fanarahan-dalàna rehetra. Taksibe 40 no tsy nanana «carte grise», ary enina no tsy nanana taratasy fahazoan- dalana hamily fiara ny mpamily. Nisy tamin’ ireo fiarakaretsaka ihany koa no mbola niasa, izay miisa 40, nefa efa lany daty ny taratasy fizahana. Fiaran’olon-tsotra 45 indray no tratran’ilay fiketohana vy amin’ny kodiarana. Nahitana ireny kamiao madinika ireny miisa 10 indray nogiazana, tetsy Mahamasina, ka tao ireo tratra nitatitra vovo-tany sy potika biriky tsy nisy fahazoan-dalana. «Tafiditra ao anatin’ireo taratasy nogiazana ireo ihany koa ny an’ny môtô nanao hadisoana, ka 15 tsy nanao aro loha sady mandeha amin’ny lalan-tokana tsy azo ifanenana», raha ny tatitra hatrany. Lilia Rajaonah |
![]() |
Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro Tsara andro. Hilamina indray ireo manana fikasana hitsangantsangana mandritra ny fetin’ny Pantekosta. Hanomboka hafana indray mantsy ny andro ary hisinda ihany koa ny erika, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. “Hiova hiakatra kely indray ny mari-pana manomboka rahampitso. Mety haharitra eo amin’ny efatra andro eo izany hafanana izany ka hiverina amin’ny volon’ andro mangatsiaka kely avy eo. Tsy hisy ihany koa ny erika noho ny fisindan’ny rivotra Amin’ny maha tombana sy vinavina azy anefa dia nampitandrina hatrany ny teknisiana fa tokony hivonona hatrany ny rehetra satria mety hisy fiovaovana ny toetr’andro. LR |
|
Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena
Mila vonjy maika. Marary mafy ka mila fanafody mitentina Ar 460 000 isan’ andro ny zazavavi-kely iray vao 13 taona, Razafi- mahefa Mendrika Nirinasoa, avy eny Imerimanjaka, Ambohijanaka, izay tsaboina eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra. Tratran’ny aretina sarotra sitranina amin’ny havokavoka izy. Very 10 kilao ity zazavavy ity, hatramin’ny naharariany. Fitiliana tamin’ny scanner no nahitana fa simban’ny otrikaretina ireo “alvéoles” amin’ny ilan-tratrany havanana. “18 andro no efa notsaboina ety amin’ny hopitaly Ambohimiandra izy ka nambaran’ny dokotera fa tokony hotohizana 30 andro ny fanafody. Efa lany namidy ny fanananay tao an-trano nanavotana azy. Kely fidiram-bola anefa izahay mivady fa samy mpiasa madinika. Raisinay am-pitiavana izay foin’ny tsara sitra-po sao mbola azo avotana ihany ny ainy, izay voalohan-janakay amin’ny zaza roa”, hoy Randriambololona Marie Odette, reniny. “Tsy fantatra izay nahazoany io aretina io. Tsy mifindra aloha ilay izy saingy mahery vaika. Vao voalohany no nahitako aretina toy izao tao anatin’ny 15 taona niasako”, hoy Dr Rakotonandrasana David Harimbola, mpitsabo ankizy manara-maso ny fahasalamany eny Ambohimiandra. Barphil Andriantsiferanarivo |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |