Subscribe to RSS

FARITRA Miverena

Atsimo Andrefana – Omby 360 nataon’ny dahalo fahirano Atsimo Andrefana – Omby 360 nataon’ny dahalo fahirano

Dahalo 3 mirongo basim-borona no indray nangalatra omby 360 tany Sakamasay any amin’ny Faritra Atsimo Andre-fana ny 7 febroary tolak’andro teo. « Raha vao nahazo antso  ny zandary teo an-toerana dia raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia, ka zandary 6 nampiana miaramila 6 no niandry ny kizo tao Soamanonga. Niankan-drefana anefa ny dian’omby ary nihazo ny kizon’Isalo », hoy ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria tany an-toerana.

« Zandary efatra niampy miaramila 6 avy ao Bezaha no avy hatrany dia nampandrene-sina hanao fiambenana ny kizo ao Soamidriso. Zandary 4 tao Salobe kosa no nanao ny fiam-benana ny kizo tao Behavoa », hoy hatrany ny tatitra.

« Ny 8 febroary tokony ho tamin’ny 1 ora maraina dia nifanehatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana teo amin’ny kizon’i Miary tao Behavoa distrikan’i Betioky atsimo ireo dahalo ka lasa nandositra. Ireo omby kosa navelan’izy ireo avokoa ka efa naverina any amin’ny tompony », hoy ihany ny tatitra.

Haja R.

Miaramila roa nogadraina – Velona ny ady mangatsiaka eo amin’ny zandary sy miaramila ao Betsiboka Miaramila roa nogadraina – Velona ny ady mangatsiaka eo amin’ny zandary sy miaramila ao Betsiboka

Miteraka ady mangatsiaka eo amin’ny miaramila sy zandary any Betsiboka amin’izao fotoana izao ny fampidirana am-ponja vonjimaika miaramila roa lahy voalaza fa nikasa hamono olona sy naka vola an-keriny tao Antanambao Bevilany ao anatin’ny Faritra Betsiboka, ny 06 febroary lasa teo.

Raha ny vaovao azo teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nidina tany an-toerana ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Betsiboka vao nahare ireo tranga ireo. Voalazan’ny tatitry ny zandary avy any an-toerana tamin’izany fa « nisy miaramila iray mitondra ny laharam-boninahitra kaporaly avy ao amin’ny Rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra (1er RFI), etsy Ivato nitifitra lehilahy iray tao an-toerana. Nanery vehivavy iray hafa izy sy ny miaramila iray namany avy eo handoa Ar 6 tapitrisa ho takalon’ny ainy. Efa voaloa ny Ar 2 tapitrisa tamin’io vola io ka ny 05 febroary no nandoavana ny ambiny ».

Hanaisotra miaramila!

Natao fanadihadiana ireto miaramila roa lahy ireto vokatr’izany. Natolotra ny Fampanoavana sy naiditra am-ponja vonjimaika avy eo. « Niantso ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena tao Betsiboka ny lehiben’ireo miaramila etsy amin’ny 1er RFI io tao anatin’izay ary nilaza fa hanaisotra ireo miaramilany rehetra any Betsiboka raha vao migadra ireo miaramila ireo… Mbola niantso an-tariby izy avy eo ary nanampy fa ho alainy any Betsiboka ireo miaramilany nigadra ireo », hoy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Milaza ny any Betsiboka ny lehiben’ireo miaramila eo anivon’ny 1er RFI etsy Ivato raha azo an-tariby, omaly. « Mbola aty mihitsy aho izao mijery io raharaha io. Izaho aza aty ka hisy miaramila hiala ahoana? », hoy izy.

Raha ny filazan’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovana dia tsy mbola nisy fifanantonana teo amin’ny roa tonta mikasika io raharaha io. « Mbola any am-ponja ireo miaramila ireo. Ary tsy mivoaka ny fonja izany ireo satria nandika lalàna », hoy izy.

Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Hanitry Ny Aina/Haja R.

Tsiroanomandidy – Olona roa maty voatifitry  ny dahalo Tsiroanomandidy – Olona roa maty voatifitry  ny dahalo

Mpanara-dia roa lahy no maty voatifitry ny dahalo tany Marintampona Tsiroanomandidy, ny alin’ny alarobia 6 febroary teo. «Dahalo maromaro nirongo basim-borona izy ireo no niaraka nangalatra omby 40 ka raikitra ny fana- rahan-dia ka tamin’izany no nahavoatifitra ireo mpanara-dia roa ireo», hoy ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria tany an-toerana. «Ny marainan’ny 7 febroary vao tonga nampandre ny zandary tany an-toerana ireo very omby ka raikitra indray ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo zandary», hoy hatrany ny tatitra azo teo anivon’ny zandary tany an-toerana.

Nilaza tamin’ireo olona rehetra nanara-dia ny lehiben’ ny vondron-tobim-paritry ny zandary tany an-toerana mba hahafahana mandamina ny zavatra tokony hatao. Voalaza fa efa matipaika ny fomba rehetra atao amin’izao fotoana izao, ka efa miomankomana ireo mpanara-dia handeha hanenjika ireo dahalo.

Haja R.

Ambatolampy Tsimahafotsy – Mpianaka naratra voatifitr’ireo jiolahy nitety trano Ambatolampy Tsimahafotsy – Mpianaka naratra voatifitr’ireo jiolahy nitety trano

Raim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy no naratra vokatry ny fitifirana nataon’ireo jiolahy mpandroba, nanafika trano roa tany Ambatolampy Tsimahafotsy, omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 1 ora.

«Niisa folo ireo jiolahy nanafika tamin’izany ary  »pistolet mitrailleur » no nentin’izy ireo. Samy teo amin’ny varavarankely avokoa no nidiran’izy ireo na tao amin’ilay trano voalohany na tao amin’ilay trano faharoa», hoy ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny zandarimaria, tany an-toerana.

«Vantany vao tafiditra tao amin’ilay trano voalohany izy ireo, avy hatrany dia nitifitra,  voa teo amin’ny kibony noho izany ilay raim-pianakaviana ka io bala nahavoa azy io ihany no nivoaka tany aoriana dia nahavoa ilay zanany vavy indray», hoy hatrany ilay loharanom-baovao.

«Nitsoaka avy hatrany namonjy hôpitaly izy telo mianaka ka mbola tsy fantatra izay zavatra lasan’ ireo olon-dratsy tao amin’ilay trano», hoy ilay loharanom-baovao.

«Lasa indray ireo olon-dratsy avy eo nifindra tao amina trano iray teo anilany, ka vola roa hetsy ariary, solosaina finday, finday telo, firavaka volamena ary fakan-tsary no lasan’ireo olon-dratsy tao amin’ilay trano», hoy ihany ilay loharanom-baovao.

Haja R.

Antsirabe – Teratany vahiny fito nosamborin’ny Dst Antsirabe – Teratany vahiny fito nosamborin’ny Dst

Teratany vahiny fito no indray noraofin’ireo mpitandro ny filaminana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ny Lafitany (DTS), tao Antsirabe, omaly maraina.

Fifanarahana amina orinasa iray manao serasera no antony nahatongavan’ireto vahiny ireto tao an-toerana. «Matihanina manokana momba ny famo-karana horonantsary fanadihadiana ireo teratany vahiny ireo, ka hanatontosa dokambarotra ho ana orinasa lehibe iray misahana famokarana vokatra avy amin’ny ronono ao an-toerana, no anton-dian’izy ireo eto Antsirabe», raha ny fanazavan’ny loharanom- baovao. Teo am-panaovana izany asany izany indrindra ireto vahiny ireto no nosamborina.

Nisy enina izy ireo no voasambotra ka ny fahafito dia ny tompon’andraikitra misahana ny lafiny ara-barotra eo anivon’io orinasa hamokarana ny dokambarotra io, raha ny vaovao azo avy any an-toerana ihany.

Minisitera iray no tompomarika tamin’ny fisam-borana raha ny vaovao azo ihany.

Nentina niakatra aty an-drenivohitra hatao fanadihadiana ireto teratany vahiny ireto. Tsy nety nanome vaovao kosa ny teo anivon’ilay orinasa mpanodina ronono rehefa nanontaniana

Angola Ny Avo

Betroka – Mangataka ragiragy noho ny afitso-dRemenabila ny tantsaha Betroka – Mangataka ragiragy noho ny afitso-dRemenabila ny tantsaha

Miantraika amin’ny fiveloman’ireo tantsaha any amin’iny faritra Atsimo iny ny asan-dahalo nirongatra tany an-toerana. Mangataka ireo tompon’andraiki-panjakana mba hanampy azy ireo amin’ny famatsiana fihogon-tany hamotehana ny bainga ireo tantsaha hihoarana ny halatr’omby misesy.

« Isan’ireo faritra notafihin’ireo andian-dahalo an-jatony ireo voalohany ny kaominin’i Tsaraitsoa misy ahy aty Betroka. Omby 370 no voaroba tamin’izany », hoy Andriamampianina Alfred, Ben’ny tanànan’i Tsaraitsoa.

Nomarihiny anefa fa iankinan’ny fambolena ataon’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina misy azy ireo omby. « Mamboly vary, tongolo, ovy… izahay. Ireo omby no miasa ny tany, kanefa robain’ny dahalo. Nangingina tokoa ny dahalo rehefa nisy fampandrian-tany natao taty an-toerana. Vao nisy omby 80 voaroba indray anefa taty aminay avy eo. Vao tamin’iny herinandro lasa iny ihany koa no nisy omby 170 lasan’ny dahalo », hoy izy.

Raha ny vaovao ren’ity tompon’andraikitra ity ihany dia ao amin’ny alan’i Kalambatritra izay efa ao anatin’ny kaominin’i Tsaraitsoa, Ivahona sy Mahabo no anafenan’ireo dahalo ireo omby.

HNA

 

Vaky trano any Betafo – Vao nivoaka ny fonja dia tratra  indray ilay mpandray halatra Vaky trano any Betafo – Vao nivoaka ny fonja dia tratra  indray ilay mpandray halatra

Vao nivoaka ny fonja dia namerina ny asa ratsy fanaony ny lehilahy iray mpividy entana halatra any Betafo sy ny manodidina. Ny 24 janoary teo no tapitra ny fe-potoana nitazonana azy vonjimaika tao amin’ny fonjan’Andohatany Antsi-rabe. Ny 25 janoary ihany ny polisim-pirenena dia efa nanomboka naharay fitara-inana mahakasika vaky trano tao Betafo. Mbola mitohy izany hatramin’izao.

Tamin’ny 5 ora maraina, ny alahady teo, no nahatrarana ity lehilahy ity tao anaty fiara mpitatitra mam-pitohy an’i Betafo sy Antsirabe. Entana mampiahiahy maro be toy ny vilany efa niasa miisa 13 sy lamba maro tao anaty sobika no tratra teny aminy. Resin-tory izy tamin’io fotoana io.

Narahina hatrany Antsirabe ilay fiara nitondra azy ka nohadihadiana teo amin’ny toby fiantsonana. Noentina niverina tany Betafo ireo entana ka olona maro vaky trano no nilaza ho tompony. Efa fanaony ny manangona ireo entana angalarin’ireo mpiara-dia aminy any Betafo ka miva-rotra izany ao Antsirabe. Raharaha dimy no efa naha- voampanga ity lehilahy ity ka nitanana azy vonjimaika tany am-ponja ny volana oktobra 2012.

Hatolotra ny Fampano-avana ao Antsirabe indray izy ny alarobia 6 febroary. Mbola karohina ireo namany izay tena mpanao ny vaky trano.

Angola Ny Avo/ B.A

Amboasary Atsimo – Nandefasana helikoptera sy mpitandro ny filaminana indray Amboasary Atsimo – Nandefasana helikoptera sy mpitandro ny filaminana indray

Taorian’ny halatr’omby nisesi-sesy nahaverezana omby an-jatony tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy,dia nandefasana helikoptera sy mpitandro ny filaminana indray any an-toerana, hampandry tany.

Omby 378 no very tamin’ireo trangana halatr’omby 10 niseho teto amin’ny Nosy, ny 29 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, ka ny telo tamin’ireo halatr’omby ireo dia nitranga tany Amboasary Atsimo avokoa, izay nahaverezana omby 200 niampy fandoroana tanàna”, hoy ny tatitra voaray.

Dahalo iray no maty, iray naratra ary olona iray kosa no notazonina am-ponja, vokatry ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo tao anatin’ny herinandro”, araka ny voalazan’ny mpitandro ny filaminana ihany.

Raha ny voalazan’ny tompon’ andraikitra aloha dia efa nahitam-bokatra sahady ny fandefasana heli-koptera sy mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ny kaomandin’ny fari-piadidiam-paritanin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana, ny jeneraly Iama Radafy no mitarika ny fampandrian-tany, raha ny nohamafisin’ny manam-boninahitra iray eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

“Efa vonona kosa ireo mpitandro ny filaminana aty an-drenivohitra raha toa ka misy ilàna fanam-piana”, hoy hatrany ny tatitra.

 

Haja R.

Betroka – Latsa-nenina ireo voatondro ho nanafika ny pasitera Rasendrahasina Betroka – Latsa-nenina ireo voatondro ho nanafika ny pasitera Rasendrahasina

Namboraka tamin’ny mpanao famotorana ny zava-nitranga teny Ambatoroka, ny marainan’ny 16 janoary ireo efa-dahy voalaza fa nanafika ny mpitandrina Rasendrahasina Lala. Toa latsa-nenina ihany izy ireo rehefa nahalala tamin’ ny gazety ny ampitson’ilay fanafihana fa pasitera ilay voatafika. « Fanafihana toy ny fanafihana rehetra no nisy fa tsy nisy naniraka izahay », hoy izy ireo, omaly.
« Tsy nahalala mihitsy izahay hoe pasitera ilay notafihinay. Ny iray taminay efa-dahy ihany no atidoha nikotrika an’ilay fanafihana. Io atidoha io no nikasi-tanana ny vadin’ilay pasitera. Niseho anefa ny olana teo aminay rehefa nivoaka an-gazety ny raharaha ny ampitson’io, satria tamin’ izany no nahafantaranay fa nisy lelavola maherin’ny 2 tapitrisa ariary very. Nanom-boka teo ny disadisa teo aminay samy mpanafika satria samy nilaza ho tsy nisy nahita an’io vola io », hoy izy ireo tamin’ny mpanao famotorana.

Teny Itaosy, ny fiandohan’ ny herinandro teo no nahatrarana ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika ny mpitandrina Lala Rasendrahasina. « Nikasa hanao fanafihana teny Itaosy ny iray tamin’ireo jiolahy no voa- sambotra. Izy avy eo no nanondro ireo namany nanafika teny Ambatoroka, ka nahafahana nisambotra ireo telo hafa.

Mbola misy iray miriaria karohinay amin’izao fotoana izao », hoy ireo polisy misahana ny heloka bevava izay manao ny famotorana. Efa noentina teny amin’ny Fitsa-rana izy ireo omaly, saingy mbola haverina hohenoina eny indray anio.

Faralala 

Alakamisy Ambano – Namono olona iray ny jiolahy Alakamisy Ambano – Namono olona iray ny jiolahy

Tao Alakamisy Ambano-Antsirabe II indray ireo jiolahy no nanafika, ny alin’ny alahady tokony tamin’ny 11 ora sy fahefany. Vao tafiditra ny tanàna ireo andian-jiolahy dia nanapoaka basy.

« Dimy minitra taorian’io dia injao nisy basy nirefotra intelo nifanesy indray », hoy ny fitantaran-dRazafimahatratra Henri Pascal, mpifanila vodirindrina amin’ny fianakaviana voatafika.

Ankoatra ireo jiolahy niditra nanafika tao amin’ity tokatrano ity dia nilaza ireo mponina mano- didina fa notampenan’ ireo jiolahy hafa tany ivelany avokoa ny vara-varan’izy ireo ka izany, no tsy nahafahany nivoaka namonjy. Toerana tsy mifanalavitra amin’ity trano fonenana sady fivarotana voatafika ity, izay voalaza fa tsy nahe-noan’ireo manodidina korontana mihitsy, no nahitana fatin-dehilahy iray voatifitra teo amin’ ny lohany sy ny kibony, izay mponina ao an-tanàna ihany.

« Rehefa tsy naheno basy nipoaka intsony izahay vao nivoaka ary nahita io lehilahy io nitsi- rara tamin’ny tany. Teo am-pitondrana azy hotsa- boina ao amin-drasazy izahay vao nahalala fa hay tao amin’itsy farany no nitrangan’ilay fanafihana », hoy ny fitantaran’ny mponina iray.

Faralala/Angola Ny Avo

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite