Subscribe to RSS

FARITRA Miverena

Antalaha – Efa fantapantatra ny tompon’ ireo andramena tratra Antalaha – Efa fantapantatra ny tompon’ ireo andramena tratra

Mihamazava ny lalana mizotra mankany amin’ny tompon’ireo andramena miisa 2 294, tratra tao Ranotsara, tany amin’ny moron-dranomasina, tao Antalaha, ny zoma lasa teo. Voalaza fa mpandraharaha ao an-toerana ihany izy io.

“Isan’ireo mpandraharaha nanao fanambarana tamin’ireny fotoana nangatahana ny fanaovana fanambaràna ny tahirina andramena eo an-tanany ireny ireo mpandraharaha ireo. Herinandro vitsivitsy izay, raha ny vaovao azonay, no nanao fangatahana ny hamindrana toerana ireo hazo ireo izy ireo. Fangatahana izay nokasain’izy ireo halefa eny anivon’ ny fiadidiana ny Praiminisitra, eny Mahazoarivo ary efa voasoratra sy nampandalovina tamin’ireo tompon’ andraiki-panjakana tao Antalaha. Tokony ho avy eo amin’ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny ala eto anivon’ny minisiteran’ny Ala sy ny tontolo iainana io taratasy io ary halefa eny amin’ny Primatiora avy eo. Mbola tsy nahazo ny taratasy anefa ny teo anivon’io foibem-pitondrana io dia nakisaka ireo hazo”, hoy ny loharanom-baovao teo anivon’ny minisitera.

Raha ny filazany dia tsy maintsy ampanantsoina ireo mpandraharaha hohadihadiana mahakasika ireo hazo ireo. Manahy mafy mantsy ireo mpanao famotorana fa tsy fifanandrifian-javatra ny namindrana ireo hazo ireo ho eo amoron-dranomasina fa saika hisy fanondranana hatao mihitsy.

AR

Fanafihan-jiolahy tao Betroka – Fifampitifirana adiny telo nahafatesana dahalo dimy sy olon-tsotra telo Fanafihan-jiolahy tao Betroka – Fifampitifirana adiny telo nahafatesana dahalo dimy sy olon-tsotra telo

Naharitra adiny telo ny fifampitifirana tamin’ny dahalo sy ny zandary tany Befotaka ny alarobia 8 mey teo. Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva dia tsy nahenoana afa-tsy feom-basy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambiatoka. Dahalo dimy sy olona telo avy amin’ny fokonolona no maty tamin’izany.

Raha ny fantatra dia dahalo avy nanafika tokan­trano telo tao Betaingisy ao amin’ny fokontany Anakoty, kaominina ambanivohitr’i Beharena ireo dahalo ireo, ka omby an-jatony no lasan’ izy ireo tamin’izany.
« Dahalo an-jatony nirongo basim-borona 60 mahery teo ho eo sy fitaovam-piadiana hafa no nanafika », hoy ny tatitra azo avy eo anivon’ ny zandary any an-toerana.

« Raha vao nahazo fampandrenesana mikasika io fanafihana io ny zandary tao Befotaka dia nandefa zan­dary nanampy ny foko­no­lona hiambina ny kizo tao Ambiatoka, toerana nitrangan’ny fifampitifirana. Tokony ho tamin’ny 2 ora hariva ireo dahalo no nandalo teo amin’io kizo io, ka raha vao nahita ireo mpiam­bina izy ireo dia nanao tifitra variraraka. Tamin’izany no nahafaty ny telo tamin’ireo fokonolona. Namaly koa tetsy ankilan’izay ny zandary ka lavo ny dimy tamin’ireo dahalo », hoy ihany ny tatitra avy tany an-toerana.

« Omby 25 no latsaka nandritra ny fifampitifirana nandritra ny adiny telo ka tao aorian’izay dia afaka nitsoaka ihany ireo dahalo tsy maty niaraka tamin’ny omby marobe. Mbola nitohy nanara-dia ihany anefa ny fokonolona sy ny zandary », raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany.

Nandray andraikitra ny zandary avy ao Vangain­drano ka nandefa zandary dimy miampy manam-boninahitra iray any Midongy, toerana mety handalovan’ ireo dahalo.

Haja Randrianantoandro

Asan-dahalo – Polisy iray sy olon-tsotra voatifitra, omby 30 najifa Asan-dahalo – Polisy iray sy olon-tsotra voatifitra, omby 30 najifa

Polisy iray sy olon-tsotra iray mpanara-dia no naratra mafy voatifitry ny dahalo, tao Ambongabe any amin’ny Kaominina Tsiroanomandidy, ny 8 mey teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

Dahalo maromaro izy ireo no niaraka nangalatra omby 30 izay fananana kaomisera miso­tro ronono. « Nirongo basim-borona izy ireo sady nitondra fitaovam-piadiana hafa », hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria.

« Raha vao nahita ireo mpanara-dia ireo dahalo dia nitifitra avy hatrany ka nahavoa ny iray tamin’ireo fokonolona. Ilay polisy kosa indray dia nanao sakana teo amin’ny arabe ary sendra ireo dahalo nandalo teo ka notifirin’izy ireo ihany koa », hoy ihany ny zandary avy ao Tsiroanomandidy.

« Nisy jiro nirehitra teo amin’ny toerana nisy ireo polisy ireo ka avy hatrany dia hitan’ireo dahalo. Miala 20 metatra amin’ny toerana itobiany no nitrangan’io voina io », araka ny voalaza hatrany.

Rehefa nahazo antso ny zandary tany Tsiroanomandidy dia nandefa zandary roa hanampy ireo foko­nolona. Mbola mitohy ny fanarahan-dia an’ ireo olon-dratsy amin’ izao fotoana izao.

H.R

Antanifotsy – Olona iray ahiana ho mpa­nakan-dalana voasambotra Antanifotsy – Olona iray ahiana ho mpa­nakan-dalana voasambotra

Nivadika ny rasa! Ireo olona saika hanakana taksiborosy avy any Toliara ho aty an-drenivohitra teo Antanifotsy indray no nitsoaka rehefa nivoaka tao anaty fiara ireo mpandeha omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 4 ora.

« Nitondra fiara tsy mataho-dalana marika Nissan Hardbody ireo jiolahy tamin’izany. Nentin’ireo namany nitsoaka ilay fiara raha vao nivoaka ireo tao anaty fiara mpitatitra, ka ny mpamily indray no tavela teo ary noraisim-potsiny », hoy ny tatitra voaray avy eo anivon’ny zandary any an-toerana.

« Noraisina avy hatrany ny fepetra ka niantso ny teo anivon’ny « centre immatriculateur » taty Antananarivo ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana mba hahafantarana ny tompon’io fiara io », hoy ihany ny tatitra.

Ny zandary sy ny polisy avy ao amin’ny borigadin’Antanifotsy no mandray an-tanana ity raharaha ity.

H.R

Korontana any Mananara – Olona dimy voasambotra,  nahantona ny kaomisarian’ny polisy Korontana any Mananara – Olona dimy voasambotra,  nahantona ny kaomisarian’ny polisy

Milamindamin-dratsy ny faritr’i Mananara Avaratra, omaly taorian’ilay fitokonana nahafaty olona tany an-toerana ny sabotsy hariva teo. Olona dimy no voasambotry ny polisy omaly raha nanakorontana tao amin’ny seranam-piaramanidina.

Nisy fiaramanidina tonga tany an-toerana nitondra ireo mpiasan’ny Jirama voatondro hanamboatra ireo fitaovana nisy nandoro. « Raha vao saika hipetraka teo amin’ny seranana anefa ilay fiaramanidina dia nisy andian’olona nanakana tamin’ny alalan’ny fandoroana kodiarana ka voatery nitodi-doha niverina. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka olona dimy no tra-tehaka tamin’izany », hoy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police  Rakotondratsima Désiré Johnson. .

Etsy andanin’izay dia nahantona aloha ny asan’ny kaomisarian’ny polisy any an-toerana. « Mbola ho hita eo na hosoloina na tsia ireo polisy miasa ao amin’io kaomisaria io », hoy ihany ny tale jeneralin’ny polisy.

Efa tonga any an-toerana aloha ireo polisy avy ao Fenoarivo atsinanana, Toa­masina ary Maroantsetra. Miisa eo amin’ny 25 eo izy ireo, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

Nandray fepetra manokana tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ihany koa ny lehiben’ny distrika any an-toerana omaly ary nihatra omaly hariva ihany izany.

H.R

Misavorovoro i Mananara Avaratra – Namono olona roa ny resaka delestazy Misavorovoro i Mananara Avaratra – Namono olona roa ny resaka delestazy

Zazalahy 13 taona, isan’ireo nitokona naneho ny tsy fahafaliana noho ny delestazy mateti-pitranga any Mananara no maty voatifitra tsy lavitra ny biraon’ny Jirama any an-toerana, ny sabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 5 ora.

Ny fahafatesana marary iray tao amin’ny hôpitaly no nitarika ny tsy fahafalian’ireo olona marobe , voalaza fa an-jatony ireo nirohotra an-katezerana nihazo ny foiben’ny Jirama ao Mananara.

« Nilàna fameloman’aina haingana ilay narary tao amin’ny hôpitaly. ary voalaza fa efa nampilaza mialoha ny teo anivon’ny Jirama ny hôpitaly mba tsy hanapaka ny jiro, kinanjo mbola maty ihany izany. Nitarika tamin’ny fahafatesan’ilay marary io tranga io ka nampirohotra ny olona haneho ny fahatezerany amin’ny Jirama. 50 metatra miala ny foiben’ny herinaratry ny Jirama no misy ny polisy ka rehefa nirohotra ireo andian’olona dia niezaka nanakana ny polisy. Tsy fantatra na nahavoakitika tsy nahy an’ilay basiny ilay polisy nahatifitra tamin’io fotoana io ka nahavoa ny iray tamin’ireo olona nanao fihetsiketsehana », hoy ny tatitra nataon’ny contrôleur général de police Rakotondratsima Désiré Johnson, tale jeneralin’ny polisim-pirenena.

Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa efa nisy tamin’ny ampahan’ny biraon’ny Jirama mihitsy no nisy nandoro noho ny fahatezerana ary niharan’ny fanimbana ihany koa ny fonenan’ny talen’ny Jirama any an-toerana.

Ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena indray no nampahafantatra fa rehefa avy nanampatra ny hatezeran’izy ireo tamin’ireo fananan’ny Jirama ny olona dia nandeha nandoro tranona polisy miisa dimy indray. « Tsy fantatra mazava hatreto na ireo trano mihitsy no may tanteraka na ireo fitaovana sy entana tao anatiny no navoaka ka nodorana fa tsy trano fananan’ny polisy aloha ireo fa fa tranon’olon-tsotra hofaina polisy avokoa », hoy ihany ny contrôleur général de police Rakotondratsima Désiré Johnson.

Ity farany ihany no nilaza fa efa nisy andiana polisy avy aty Antananarivo nalefa nanatevin-daharana any Mananara mba hanamafisana ny fitandroana ny filaminana.

Ny jeneraly Ratsironkavana Violet Clement, kaomandin’ny fari-piadidiam-paritanin’ny zandarimaria ao Toamasina dia namafy ihany koa fa nalefa nanampy tosika amin’ny fitandroana ny filaminana any an-toerana ny avy eo anivon’ny Emmo-Far.

Ity tompon’andraikitra ity ihany no nampita fa « efa mandeha ny dinika ataon’ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny raiamandreny sy ny tangalamena any an-toerana ».

Milamin-damin-dratsy ihany aloha no azo ilazana ny toe-draharaha ao Mananara hatramin’izao.

Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray any ifotony dia mbola nisy poa-basy nitsitaitaika  nanerana ny tanàna, omaly.

Haja R.

 

Mahajanga – Nanafika hatrany anaty hôtely ireo jiolahy Mahajanga – Nanafika hatrany anaty hôtely ireo jiolahy

Lehilahy telo nisaron-tava no saika hanafika trano fandraisam-bahiny iray tany Ampasika Mahajanga, ny 2 mey teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy fahefany maraina.

«Nitondra basy sy sabatra ireo jiolahy tamin’izany ka tamin’ny fahatongavan’izy ireo tao amin’ilay hôtely dia nambanan’izy ireo tamin’ny basy sady nofatorany rojo vy ny mpiambina», hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria.

«Ny roa kosa niditra tao anatin’ilay hôtely ka nandrahona ireo tovovavy mpandray olona tao an-trano. Afaka nitsoaka ihany ilay mpiambina na dia mbola nifatotra aza ny tanany ka izy no niantso vonjy teo amin’ny manodidina. Raha vao nandre izany ireo jiolahy dia nitsoaka nandositra», hoy hatrany ny tatitra azo avy amin’ny zandarimaria any an-toerana.

«Nisy lehilahy iray nampiahiahy teo amin’ny manodidina ity hôtely ity ka avy hatrany dia noentina nanaovana famotorana», hoy ihany ny zandary.

H.R.

Fanakanan-dalana- Taksiborosy voatafika, mpandeha 14 naratra Fanakanan-dalana- Taksiborosy voatafika, mpandeha 14 naratra

Andro antoandro be nanahary no nanakana tany amin’ny lalam-pirenena faha-13 iny ny jiolahy efatra. Fiara taksiborosy iray no notafihan’izy ireo, tao Befangitra, ao amin’ny fokontanin’i Kilivaho any Betroka, ny 1 may lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Toerana 40 km any avaratr’i Betroka no nisian’ity fanakanan-dalana ity. Naratra avokoa ny ankamaroan’ireo tao anatin’ilay fiara satria dia novakian’ireo jiolahy ny fitaratra rehetra.

«Nobahanan’ireo jiolahy ny arabe ka raha vao nahita izany ny mpamily dia nanajanona ny fiarany. Raha vantany vao nijanona anefa ilay fiara dia avy hatrany dia novakian’ireo olon-dratsy tamin’ny vodibasy avokoa ny fitaratr’ilay fiara rehetra», hoy ny tatitra azo avy amin’ ny zandarimaria ao Betroka.

Noteren’izy ireo hamoaka ny vola sy ny firavaka rehetra tany aminy avy eo ireo mpandeha rehetra. «Nahatratra Ar 18 tapitrisa mahery ny vola lasan’izy ireo niampy finday 13 ary firavaka volamena sy volafotsy marobe», hoy ihany ny tatitra voaray avy any an-toerana.

Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao Betroka ka ireo naratra aloha no novonjena voalohany nentina namonjy tao amin’ ny hôpitalin’Ihosy.

Haja Randrianantoandro

Tsiroanomandidy – Tsy vitan’ny nandroba fa namono olona sy nandoro trano ireo jiolahy Tsiroanomandidy – Tsy vitan’ny nandroba fa namono olona sy nandoro trano ireo jiolahy

Trano maromaro no nasesin’ny jiolahy notafihina ary avy eo nodorana tany Morafeno Tsiroanomandidy, ny alin’ny 30 avrily teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Lehilahy iray 25 taona no maty notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny kibony tamin’ity fanafihana ity.

« Rojo volamena iray no notakian’izy ireo tao amin’ilay trano notafihiny voalohany. Rehefa tsy nahazo ilay rojo izy ireo dia nofenoin’izy ireo bozaka ilay trano ary nodorany. Vetivety ihany anefa dia vory ny olona teo an-tanàna ka voafehy ny afo », hoy ny tatitry ny zandarimaria any an-toerana.

Tsy afa-po tamin’izay anefa izy ireo ka nivadika tao amina trano iray tsy miala lavitra io trano notafihiny voalohany io. « Tsy nahita na inona na inona tao amin’io trano io afa-tsy basim-borona iray izy ireo. Saika hamaly ilay tompon-trano ka avy hatrany dia novelesin’izy ireo tamin’ny vodibasy ka naratra teo amin’ny faritra havanana amin’ny lohany. Mbola nodoran’izy ireo sahala amin’ilay trano voalohany ihany koa ity trano faharoa notafihiny ity », hoy ihany ny zandarimaria.

Leon’ ny nandoro dia nitifitra

Tsy tapitra teo anefa ny habibiana nataon’ireo olon-dratsy ireo fa vao mainka nitombo ary niafara tany amin’ny fitifirana olona. « Rehefa avy nandroba io trano faharoa io izy ireo dia niditra tao amina tranon’olona iray hafa indray. Mbola nijanona teo an-tokontany anefa ny iray tamin’izy ireo, ka nosamborina lehilahy iray. Raha vao hitan’ireo namany izany dia nitifitra izy ireo ka voa teo amin’ny tratrany ilay lehilahy nisambotra», raha ny fanazavana noentin’ny zandary avy any Tsiroanomandidy hatrany.

Tsy niditra tao amin’io trano io izy ireo fa nifindra trano iray hafa. « Raha vantany vao tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy dia saika hamaly ny lehilahy iray 25 taona ka nitifitra ireo jiolahy ary voa teo amin’ny kibony indray io lehilahy iray io », hoy ihany ny mpitandro ny filaminana.

Nitsoaka avy eo ireo olon-dratsy ka ny zandary tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana no nitondra ireo naratra ho any amin’ny hôpitaly tany Tsiroanomandidy. Vao tonga kely tany amin’ny hôpitaly anefa dia namoy ny ainy ilay lehilahy iray voatifitra teo amin’ny kibony.

Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary any an-toerana.

Haja Randrianantoandro

 

Vavaranon’ny Soanierana-Ivongo – Sambo rendrika namono olona roa Vavaranon’ny Soanierana-Ivongo – Sambo rendrika namono olona roa

Rano mahery. Sambo iray nitondra olona 20 indray no rendrika tany amin’ny vavaranon’i Lapasy any Soanierana-Ivongo, omaly antoandro tokony tamin’ny 12 ora latsaka. Olona roa no maty ary avotra soa aman-tsara kosa ireo ambiny. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary any an-toerana dia fahasimban’ny familiana ilay sambo no anton’ny loza.

« Sambo mpitatitra olona mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Sainte Marie ity niharan-doza ity. Rosina II no anarany, ary olona 20 no tao anatiny izay zazakely ny roa. Lahy antitra roa tamin’ireo mpandeha no namoy ny ainy. Mbola nahavita niantso vonjy taty an-tanety ny mpanamory ka izay no nahatonga ny famonjena haingana », hoy ny adjidà-sefo Isaia Michel, kaomandin’ny tobim-paritry ny Zandary ao Soanierana-Ivongo tamin’ny antso an-tariby, omaly.

Nandeha namonjy avy hatrany ilay sambo ny vedety haingam-pandeha Melisa II raha vao naheno ny zava-nitranga. « Noezahina nosintonina ilay sambo saingy noho ny ranomasina mahery dia tsy voasintona mihitsy. Novonjena haingana ireo mpandeha noho izany. Sarotra ihany koa anefa no nisintona ireo lahy antitra roa tao anatin’ilay sambo rendrika. Noho izay no mety nahafaty azy ireo. Mbola tsaboina any amin’ny hopitaly kosa ilay mpanamory », hoy ihany ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary.

Tsy dia lavitra loatra ilay toerana nahafaty ny minisitra Ramaroson Nadine no nitragan’ity loza ity. Manodidina ny 1 kilaometatra eo no elanelany araka ny fantatra, ao avaratry Soanierana-Ivongo.

Ranaivoson Faniry

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite