|
Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0) Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taitra ny manodidina naheno ny fipoahana ka namonjy ilay zazalahy sy nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy ny harivan’io dia efa tsy tana intsony ny ainy. Raha ny tatitra azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia «saika hanaovan’ity zazalahy ity karakaram-patana io bala io kinanjo rehefa nokapohiny ilay bala dia nipoaka tampoka ka nanapaka ny ratsan-tanany sy nandrovitra ny feny». Araka ny fantatra dia ny manamboatra karakaram-patana sy mivarotra izany no asan’ny rain’ity zazalahy namoy ny ainy ity ary eritreritra ny mba hanampy an-drainy indrindra no nahatonga azy nikitikitika ilay bala. «Bala tsy fampiasa amin’ny basy fahitan’ny olona isan’andro toy ny »kalachnikov » sy ny »Mas 36 » io bala io fa fampiasa amina basy manokana. Efa ela nitoerana ilay izy satria efa arafesenina tanteraka ny vatany iray manontolo ka na olona efa nahita bala aza mety tsy hahalala azy», hoy ny loharanom-baovao azo avy amin’ny zandarimaria. Fahavakisan’ny «soute à bombe» Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria hatrany dia «mety ho vokatry ny fahavakisan’ny fitoerana fitaovam-piadiana mahery vaika fantatra amin’ny hoe: »soute à bombe » no nahatonga an’io bala io ho teo an-tokontanin’ilay niharan-doza». Isan’ny toerana saro-pady io »soute à bombe » io satria misy fitaovana maro ka efa nandray ny fepetra tandrify azy ny mpitandro ny filaminana nampahafantatra ny olona eo amin’ny manodidina ny mety ho voka-dratsy aterany. Mety tsy ho bala ihany mantsy no hita eny an-toerana fa mety hisy grenady ihany koa na fitaovana hafa, araka ny fampitandreman’ny zandary hatrany. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Tapatapany(0) Didim-pitsarana. 20 taona an-tranomaizina no sazin’ilay lehilahy teratany Malagasy voampanga ho nangalatra sady nanolana tany Belzika, teo anelanelan’ny volana marsa sy septambra 2012. Omaly no nivoaka io didim-pitsarana io, tao amin’ny tribonalin’i Mons, any Belzika. Fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray voatondro ho mpamaky trano no niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Ilanivato, omaly, vao maraim-be tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Tsy niandry ny mpitandro ny filaminana ireo olona teny an-toerana fa avy hatrany dia nanamparan’izy ireo ny fony ilay olona voasambotra. Harom-paosy. Mpangarom-paosy iray no saron’ny polisy, tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Raha ny voalazan’ny teo anivon’ny polisy dia mpangarom-paosy efa nikoizana tao amin’ny tsenan’Ambodin’Isotry ity voasambotra ity. |
![]() |
Ambovombe Androy – Tokantrano roa sy kamiao iray notafihan’ny dahalo(0) Fiara iray sy tokantrano roa indray no niharan’ny fanafihan-dahalo tany Ambovombe Androy, ny 20 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora tolak’andro. Tao amin’ny fokotanin’Ambondro no nitrangan’ity fandrobana ity. «Dahalo niisa 12 izy ireo no niaraka nanafika ary nitondra basy lava AKM iray sy basim-borona roa. Tsy mbola fantatra mazava izay zavatra very tao amin’ireo trano roa ireo fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana izahay amin’izao fotoana izao», hoy ny zandarimaria. Rehefa avy nanafika ireo trano roa ireo ireto olon-dratsy ireto dia nanafika fiara kamiao iray avy any Tsihombe hihazo an’Ambovombe indray. «Lasan’ireo jiolahy ny findain’ireo mpandeha tao anatin’io fiara io niaraka tamin’ny solosaina finday iray sy firavaka volamena ary vola Ar 640 000 teo ho eo», hoy ihany ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimaria. «Tsy nisy nitifitra na nandratra olona aloha ireo dahalo ireo na dia efa nandrahona ihany aza», hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nidina tany an-toerana ny zandary saingy efa tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy. Mbola mitohy ny fanarahan-dia. H.R. |
![]() |
67HA – Trano roa voatafika tao anatin’ny adiny iray(0) Nanesy nanafika trano roa indray ny jiolahy, teny amin’ny faritra 67 ha ny alin’ny talata hifoha alarobia tokony ho tamin’ny misasak’alina. « Lehilahy efatra nisaron-tava sy nitondra basy kalachnikov ary fitaovana famakiana trano ireo nanao ny asa ratsiny », hoy ny tatitra avy amin’ny polisy any an-toerana. « Vola 1 tapitrisa ariary mahery sy finday ary fitaovana fakana sary no lasan’ireo jiolahy tao amin’ilay trano voalohany nidirany. Vola 5 alina sy finday kosa no lasan’izy ireo tao amin’ilay trano faharoa norobainy », hoy ihany tatitra voaray. Adiny iray tao aorian’ny fanafihana no tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ka efa tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy. Nandeha ny fanarahan-dia ka narian’ireo mpandroba teny an-dalana ireo entana tsy zakan’izy ireo.
H.R. |
|
Betroka – Olon-tsotra roa maty voatifitra, dahalo roa nodoran’ny fokonolona(0) Manova paikady ny dahalo any amin’ny faritr’i Betroka amin’izao fotoana izao. Tsy mangalatr’omby intsony izy ireo fa mandroba sy mandoro trano indray. Olon-tsotra roa no maty ary dahalo roa kosa no nodoran’ny fokonolona nandritra ny fanafihana tanàna efatra nataon’ny malaso maromaro, tany an-toerana, ny 18 mey teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Lasibatra voalohany tamin’izany ny tanànan’i Manitsy. Tsy afa-po tamin’ izany ireo dahalo ka mbola nanohy ny diany tany Tanambao. «Olona iray no voatifitra tamin’izany ary trano iray no voatafika. Vola Ar 50 000 sy kavina volamena no lasan’ireo olon-dratsy», hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Lasibatra ny zava-pisotro Nifindra nihazo an’i Tanambao indray ireo mpandroba taorian’izay. Raha ny voalazan’ny teo anivon’ny zandarimaria ihany dia «olona nandeha an-tongotra no maty voa-tifitra tamin’izany ary nitsoaka ireo dahalo». «Tao Mahazoarivo no nisehoan’ny fanafihana fahefatra ka olona iray no maty ary vola Ar 3 tapitrisa mahery sy zava-pisotro maromaro no lasan’ireo dahalo tamin’izany», hoy ny tatitry ny zandary. Natao ny fanarahan-dia ka tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no raikitra ny fifandonana teo amin’ireo zandary sy ireo olon-dratsy. «Dahalo roa no voasambotra tamin’ izany, ny iray azo nandritra ny fifandonana ary ny iray kosa voasambotry ny foko-nolona. Tsy nanaiky anefa ireo fokonolona mpanara-dia ka nodoran’izy ireo velona ireo malaso voa-sambotra», hoy ihany ny tatitra avy any an-toerana. Mbola mitohy ny fana-rahan-dia an’ireo dahalo nandositra. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Maevatanana – Kalachnikov iray sy bala 39 nentina tany anaty kitapo (0) Olona telo nitondra basy no nifanenjehan’ny zandary tany Antanim-bary Maevatanàna ny 19 mey teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. «Olona tsara sitrapo no nampandre ny zandary amin’ny fisian’ ireo olona ireo ka nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Rehefa tonga tany an-toe-rana ireo zandary dia nifanehatra tamina lehilahy telo nitondra kitapo, teo anoloan’ny hôpitaly ao Antanimbary. Nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifanenjehana», hoy ny tatitra voaray avy any an-toerana. Raha ny fantatra dia noho ny hamaroan’ny olona nifamezivezy no tsy nahafahan’ireo zandary niti- fitra ka afaka nitsoaka ireo olona telo nampiahiahy. «Latsaka anefa ilay sakaosy nentin’ireo olona ireo ka rehefa natao ny fisavana dia basy kalachnikov iray niaraka tamin’ ny bala 39no tao», hoy ihany ny tatitry ny mpitandro ny filaminana avy any an-toerana. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka nosakanana avokoa ireo fiara rehetra nandalo, hitadiavana ireo olona telo ireo. H.R. |
![]() |
Tapatapany(0) Niverin-dalana > Niverina ireo fokonolona nanara-dia omby 60 nalain’ny dahalo tany Bevoay Betroka ny 19 mey teo, tokony ho tamin’ ny 10 ora alina, rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Angiry. Voa-laza fa tanànan-dRemena-bila io tanàna io ka izay no nampiverina ireo mpanara-dia. Niantso heli-koptera ireo mpanara-dia saingy tsy afaka mihetsika io raha tsy amin’ny alakamisy ho avy izao. Fetin’ny Pentekosta > Lozam-pifamoivoizana fito no fantatra fa niseho teto Antananarivo sy ny manodidina nandritra iny fetin’ny Pentekosta iny, raha ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria-pirenena. Teny amin’ny lalam-pirenena fahafito no nisehoan’ny dimy tamin’ ireo ka ny telo dia teto amin’ ny faritra Analamanga avokoa ary ny roa tany amin’ny faritra Vakinanka- ratra, ny iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ary ny iray teny amin’ny lalam-pirenena faha-54. Fitaovam-piadiana nafenina > Fitaovam-piadiana mahery vaika maro-maro nilevina tao anaty tany no saron’ny zandary tany Mangarano Toamasina, ny 17 mey teo. Basy AKM 2 niaraka tamin’ny bala 42, ary grenady efatra no sarona tamin’ izany. Fakàna vola an-tsoko-soko > Tafakatra 24 amin’ izao fotoana izao ireo olona voarohirohy saika haka vola tao amin’ny Banky Foibe ka voasambotry ny polisy. Misy mpiasa ao amin’ny banky ny sasany amin’ireo olona ireo. Voafaokan’ny fiara > Zandary iray miasa ao Ambohimangakely no naratra mafy nofaohin’ny fiara ny 20 mey teo, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Nanosika fiara nisy fahasimbana no naha- voadona azy. Nentina avy hatrany namonjy hôpitaly izy taorian’izany. Hita faty > Lehilahy iray no hifa faty tao anaty alan- kininina tany Ambalavao-kely ,any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny 18 mey teo, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolak’andro. Niala tamin’ny tendany ny lohan’io lehilahy io tamin’ ny fotoana nahitana azy. Zava-mahadomelina > Menaka rongony 5 litatra sy rongony 2 kilao no saron’ ny zandary tany Tolagnaro, ny alahady teo. Ramatoa iray no nahatrarana ireo zava-mahadomelina ireo. Nanondro namana hafa izy tamin’izany ka olona roa no nosamborina niaraka taminy. |
|
Faran’ny herinandron’ny Pentekosta – Olona telo maty, 264 naiditra hôpitaly, enina toran’ny toaka
Ankizilahikely iray no maty an-drano, tetsy Ankadikely Ilafy, ny alahadin’ny Pentekosta teo. Tonga teny an-toerana mpamonjy voina saingy efa tafavoakan’ ny fokonolona ilay vatana mangatsiaka. Ramatoa iray ihany koa no fantatra fa maty no-faohin’ny kamiao, tany Ambohidratrimo, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Ankoatra ireo dia razana tovolahy iray 23 taona ihany koa no nisy nanatitra teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Tsy mbola voafa-ritra izay antony nitarika ny fahafatesany. Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ity hôpitaly ity ihany dia nisy olona telo nodimandry tao, ny sabotsy teo. Raha nahatratra 380 ireo voatery nomena fitsaboana teo anivon’ity hôpitaly lehibe indrindra eto Madagasikara ity tamin’ny fetin’ny Paska dia 264 kosa izy ireo tamin’ity fetin’ny Pentekosta ity. Tarehimarika voaangona nanomboka ny sabotsy 18 mey teo io. Nandritra ny tontolo andron’ny fetin’ny Pentekosta kosa dia 56 no isan’ireo marary naiditra tao amin’ity hôpitaly ity ihany. « Ratra vokatry ny adiady no tena maro tamin’ ireo olona niditra tato aminay. Manaraka azy eo kosa ny lozam-pifamoivoizana izay azo lazaina ho nihena tamin’ity fety ity », hoy ny nambaran’ny mpitsabo iray eo anivon’ity hôpitaly ity. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Fisolokiana Banky foibe – 13 lahy saika haka vola 20 miliara Ar saron’ny polisy Olona 13 voarohirohy ho nikasa haka vola 20 miliara Ar tao amin’ny Banky Foibe, etsy Antaninarenina, no saron’ny polisy ny zoma tolakandro teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. « Nitondra fiara 4×4 dimy izy ireo ka niditra tsiroaroa sy tsitelotelo tao amin’ny Banky foibe. Rehefa haka volabe sahala amin’izany mantsy ao amin’ ny banky dia tsy maintsy miaraka tsiroaroa na tsitelotelo satria tsy maintsy misy mibata ireo vola rehefa avoaka », hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity banky ity. « Rehefa tafiditra tao amin’ny banky izy ireo dia nizara dimy ary samy nitondra taratasim-bola 4 miliara ariary avy. Taratasim-bola sandoka avy ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana no saika nampiasain’ireo olona ireo tamin’ity fikasan-dratsiny ity. Vao tonga teo amin’ny toerana fakam-bola dia fantatra fa sandoka ireo taratasy nokasaina hakana izany ka nampanenoana ny fanairana. Ny tena nahavariana tamin’ireo taratasim-bola sandoka ireo dia sonia ara-dalàna avy eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana no nangalarin’izy ireo », hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Tonga teny an-toerana nisambotra ireo olona ireo ny avy amin’ny polisy ara-toekarena ka tratra avokoa izy ireo niaraka tamin’ireo dimy lahy mpamilin’ireo fiara 4×4. Mbola tazomina etsy amin’ny biraon’ny polisy mi-sahana ny ady heloka bevava ireo voarohirohy rehetra amin’izao fotoana izao. H.R |
![]() |
Ambatomanoina – Rangahy 43 taona kilan’ny afo irery tao an-tranony Namoizana ain’ olona ny hain-trano nitranga tao amin’ny fokontany Ambatomanoina, kaominina Ambatomanoina, distrikan’Avaradrano, ny alakamisy lasa teo. Rangahy iray 43 taona no maty kilan’ny afo tanteraka. Voalazan’ny tatitry ny zandarimaria fa nihidy aman-trano irery ity niharam-boina ity. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana ihany koa no nahafantarana fa avy nisotrosotro ilay rangahy. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony nahatonga ny loza fa anisan’ny tombatombana ny hoe afon-tsigara niitatra. Efa nananika ny tafo ny afo vao hitan’ny teo amin’ ny manodidina. Levona tsy nisy noraisina ireo entana rehetra tao an-trano. Ny fokonolona tao an-toerana no nanampy tamin’ny famonoana ny afo. Maminiaina Andri |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |