|
Lahatry ny fiainana – Rangahy maty notsindromin’ny zana-drahavavim-badiny tamin’ny antsy RANGAHY IRAY ANTSOINA HOE RAZAFINDRAKOTO MARCELIN, NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-48 TAONANY, NY ZOMA 23 NOVAMBRA TEO, TETSY ANTSAHAMEVA ANDRAISORO. ILAY ZANAKY NY RAHAVAVIM-BADINY IHANY NO NANINDRONA ANTSY AZY TAMIN’IO FOTOANA IO. ITY FARANY IZAY EFA TAZOMINA ANY AMIN’NY BIRAON’NY POLISY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO HANAOVANA FANADIHADIANA. Fifamaliana teo amin’izy mianaka no nahatonga ity tovolahy ity ho namono nahafaty ny dadatoany. Samy nitantara ny zavatra hitany sy niainany tamin’io fotoana io na ny vadin’ny maty, na ny olon-tsotra nitondra azy teny amin’ny hôpitaly ary ny renin’ilay namoy ny ainy. Ny andron’ny fandevenana aho vao nahita am-badiko «Tsy fantatro mihitsy izay zavatra nitranga ka antony nifamalian’izy ireo ny harivan’io. Tany an-trano teny Antsahameva aho mantsy niandry ilay vadiko fa rehefa zoma izy no tonga mamangy anay sy ireo kamboty kely zana-drahavaviko efatra mianadahy», hoy R. Marie, vadin’i Marcellin Razafindrakoto, ilay maty voatsindrona antsy. «Raha ny resaka henoko dia toa hoe efa nifamaly tany an-toeran-kafa izy ireo talohan’io fotoana io ka nifampikasi-tanana. Ireo olona teo amin’ny manodidina no nanasaraka azy tamin’izany dia nilamina teo iny ka samy nandeha izy ireo. Tampoka teo anefa dia niverina tampoka ilay zana-drahavaviko ka namely tamin’ny antsy», hoy hatrany ilay vadin’ny maty nanjombona endrika. «Nandalo nilaza fa haka ireo antontan-taratasy tamin’ny nahafatesan’ireo ray aman-dreniny fotsiny izy no nahitako azy tamin’io fotoana io», hoy hatrany R.Marie. «Taitra tampoka aho raha vao nisy ankizy tonga teto nilaza fa hoe naratra mafy notsatohan’ilay zaza taizako tato an-trano ny antsy ny vadiko ka dia torana tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana naharitra aho ka nifamonjena nentina tany amin’ny dokotera. Noraràn’ny dokotera aho avy eo ka nolazainy fa tsy afaka niandry faty mihitsy satria mbola tsy mahazo tairina, teny Ankorondrano teny amin’ny reniny mantsy no natao ny fiandrasam-paty. Ny alatsinainy andron’ny fandevenana aho avy eo vao tonga teny handevina am-badiko», hoy hatrany ilay ramatoa. Fahatsiarovana mitoetra Ny tena hatsiarovako azy dia «izy rehefa zoma tonga mamangy ahy sy ireo kamboty eto an-trano». «Talohan’io fotoana io dia nolazaiko ireo zaza ireo ary nafarako hoe: hendry tsara fa ho avy eo izay i dadatoa hitondra bisky sy vatomamy», hoy ilay vadiny, nandefa eritreritra fotoana maharitra vao nahateny sady nisento tokana. «Efa nivady efa ela izahay saingy tsy nifampiteraka ka izany no antony nandraisako ireo zaza ireo ho taizako ato an-trano sady zana-drahavaviko rahateo. Ny ray sy ny renin’izy ireo ilay vao niara-maty vao haingana iny. Ilay rangahy narary tampoka, ilay ramatoa kosa ilay nitsoraka tao amin’ny ranon’i Mandroseza raha vao nahare fa maty ilay rangahy vadiny», hoy hatrany R. Marie. Fitondrana ho eny amin’ny hôpitaly «Ireo olona tao an-trano no nifampiresaka io zavatra io tamin’ny fotoana nitrangan’ny voina. Mba lasa koa aho nandeha nijery ny zava-nitranga. Rehefa tonga teo aho dia nanapa-kevitra haingana nisakana fiarakaretsaka hitondrana ilay naratra tany amin’ny hôpitaly», hoy indray ny fitantaran’i Vola R, mponina eo amin’ny manodidina ilay toerana nitrangan’ny loza sady nitondra azy ho eny amin’ny hôpitaly. Raha ny resaka henoko dia efa nifampitifitra totohondry izy mianaka ireo talohan’io fotoana nisehoan’ny tsindron’antsy io. Toa hoe nasian’ilay zana-drahavavin’ny vadiny tampoka i Marcelin ka izay no nahavoa azy. Tokony ho teo amin’ny fahefak’adiny teo ho eo izahay no tonga teny amin’ny hôpitaly dia namoy ny ainy izy. Toa fotoana nifanenanay mianaka farany Mbola nandalo teny Ankorondrano izy ny omalin’io fotoana nahafatesany io satria miasa eo amin’ny manodidina ihany, eny ihany koa ny reniny no mipetraka. «Nifanena izahay mianaka tamin’io fotoana io, tsy afaka niresaka ela anefa izahay fa nifampiarahaba fotsiny. Io fotoana io ihany koa no nifankahitanay mianaka farany», hoy ny fitantaran-dRazafindramiadana Christine, renin’ilay maty sady latsa-dranomaso. Sady nisento ilay reniny no nilaza fa «ny sabotsy izy ireo vao nampandrenesina fa hoe maty i Marcelin nefa ny zoma no nisehoan’ny loza. Tsy mitazona alahelo aminy intsony anefa aho satria tsy hampifoha ny maty intsony izany». «Ny tena nampihetsi-po ahy tamin’io fotoana io dia toa nanjary fifanenan’ireo namany fony fahakeliny io fotoana nahafatesany io. Misy ireo mpiara-mianatra taminy, tao amin’ny sekoly Fo Masin’i Jesoa teny Tsaramasay, tao ireo mpiaraka miservy lamesa taminy tao amin’ny Ekar, nisy iray izay aza nilaza fa zandary miasa any amin’ny faritany izy no tonga hijery ilay rahalahiny fa hoe mpiara-mianatra tsy nifakafoy izy ireo tamin’ny fahakeliny», hoy hatrany ilay reniny. Ny tantaran’ireo Ray aman-drenin’ilay nanindrona antsy Nangidy tamin’izy efatra mianadahy mpiray tampo ny andron’ny 30 oktobra 2012 lasa teo. Fomba fiteny nefa toa nitombina ny namoizan’izy ireo ny ray aman-dreniny tao anatin’ny indray mipi-maso. Lavon’ny aretina tany amin’ny hopitaly Rakotonindriana Justin, ilay raim-pianakaviana 44 taona. Namono tena ka nitsambikina avy eny ambony tetezan’i Mandroseza kosa Raharimalala Philomène, vadiny izay 44 taona ihany koa. Narary tampoka tao an-trano ilay rangahy ka nentina namonjy hôpitaly saingy tsy avotra. Teny an-dalana hody anefa no nirifatra nitsoaka tampoka ilay ramatoa vadiny ka ny ampitson’io vao fantatra fa namono tena nitsoraka tao amin’ny ranon’i Mandroseza izy. Soratra: Haja Randrianantoandro Sary: Claude Rakotobe |
|
Fara andro – Hevitr’ireo olobe ao amin’ny finoana samihafa RAHA MARINA TOKOA NY FAMINANIANA ATAON’IREO FOKO AVY ANY ATSIMON’I MEKSIKA SY ANY AVARATR’I AMERIKA ANTSOINA HOE MAYA, DIA ANDRO SISA NO ISAINA DIA HO TONGA NY FAHATAPERAN’IZAO TONTOLO IZAO. MITERAKA RESA-BE AMIN’IZAO FOTOANA IZAO NY DATIN’NY 21 DESAMBRA, IZAY VOALAZA FA FARANDRO. Iray volana latsaka sisa dia higadona ny andron’ny 21 desambra. Andro lazain’ny sasany ho fiafaran’izao tontolo izao. Miteraka resa-be any anaty tranonkalam-pifandraisana any ny momba io fara andro io amin’izao fotoana izao. Misy ireo milaza fa tsy hisy io, ao anefa ireo manizingizina ary efa miomana mafy amin’ny fahatongavan’izany. Raha jerena ny voalazan’ireo manam-pahaizana vazaha maro sahala amin’ny Nostradamus, ohatra, dia nanipika mafy tamin’ny taona 1953 fa io andro io no ahatanterahan’ny Apokalypsa. Fiovana lehibe eo amin’izao tontolo izao ny 21 desambra 2012, araka ny finoana Maya. Raha jerena anefa ny tantara dia tsy vaovao io faminaniana momba ny farandro io fa efa nisy nandritra ny Taonjato maro tany aloha tany. Misy aza ireo milaza fa mbola amin’ny taona 2100 vao ho tonga izany farandro izany. Tranga mialoha Misy ireo milaza fa efa filazana mialoha ny fahatongavan’ny farandro iny rivo-doza antsoina hoe »Sandy » izay niseho tany Amerika iny. Efa miparitaka any anaty «internet» any ihany koa ny filazalazana mikasika izay zavatra mety hiseho toy ny horohoron-tany, «tsunami», «Asteroïde» hilatsaka ety ambonin’ny tany, masoandro ho faty sy ny sisa. Toerana tsy hiharany Misy anefa ireo toerana voalaza fa tsy ho potika rehefa ho tonga tokoa io farandro io. Miisa telo izy ireo ka ireto avy izany: Pyramide de Kukulkan any Meksika, Bugarach any Frantsa, Yucatán any atsimon’i Meksika. Ireo toerana roa any Meksika ireo dia voalaza fa toerana nonenan’ireo mponina Maya taloha ka inoana fa tsy ho voakasik’izany farandro izany. Ilay toerana iray any Frantsa kosa dia voalaza fa efa nambaran’ireo mpaminany fa toerana tokana tsy ho voakasik’izany farandro izany. Ity farany izay efa voarara tsy azo hidirana intsony manomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 desambra ho avy izao. «Resak’adala io!» Père Alain Thiery Raharison, sekretera jeneralin’ny Justice et Paix eto Madagasikara «Resak’adala fotsiny io 21 desambra io fa tsy mitombina izany. Fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny. Tsy hevitry ny fiangonana io, ny fiangonana mantsy tsy manana fironana amina zava-misy fa amin’ny finoana ihany. Manoloana izao krizy ara-bola eran-tany izao dia foronina avokoa izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao mba hanafenana izany. Voly varin’Andriamanitra ny aina ka afaka alainy amin’izay fotoana rehetra tiany hakana azy. Raha jerena ny lojika dia finoanoam-poana io filazana daty io. Voalaza ao amin’ny Soratra Masina mantsy fa «na ny zanaka aza tsy ahalala izay ora sy fotoana». Fa asakasak’izay manely vaovao tsy marina. Sarotra ihany koa ny hamantatra izay tena tian’ireo mpanely vaovao tsy marina ireo hatongavana sy izay tian’izy ireo hiseho. Ny azo hamintinana azy angamba dia ny hoe: aleo ho avy dia hiaraha-mahita eo!» «Antomotra fa tsy akaiky» Pasitera Gilbert Randrianirina, Sekretera jeneralin’ny Ffkm teo aloha «Raha ny Soratra Masina no lazaina dia ataoko hoe «na ny Zanaka aza tsy mahalala». Ny hoe tsy mino aloha dia sarotra fa raha ny Baiboly no jerena dia voalaza fa ho tampoka izany dia milaza fa tsy ara-tsoratra masina io daty io. Sady raha fantatra mialoha ny daty dia tsy ho tampoka intsony. Ny fitaomana ny olona hibebaka sy hino ny Soratra Masina no tokony hatao. Tokony ho taomina ihany koa ny olona tsy hanaraka ireny filazana hoe hisy an’izao sy izao, hono. Tsy misy olona azo eritreretina ahalala io daty io. Ny azo lazaina angamba dia ny hoe atomotra fa tsy akaiky.» «Tsy ho tampoka raha fantatra ny daty» Pasitera Fenosoa Andriamitandrina, Talen’ny sampan’asa fikarohana sy fandalinam-pinoana eo anivon’ny Fjkm «Ny ao anaty Baiboly tsy milaza ny daty sy ny ora. Tsotra fotsiny ny hevitro mikasika io dia hoe: tsy tokony ho minomino foana ny olona, indrindra fa ny kristianina. Tsy noho ny daty na ny ora mantsy ny finoana. Ny tena kristianina marina ihany koa dia miomana mandrakariva satria mety ho androany, mety ho rahampitso, tsy fantatra. Raha fintinina dia hoe: «ny finoana dia fiambenana isan’andro». Izay ihany koa no voasoratra hoe «miambena isan’andro fa tsy fantatreo na ny andro na ny ora». Azo lazaina izany fa raha misy olona milaza fa izao na izao no datin’ny farandro dia lainga avokoa.» «Tsy mino saingy…» Pasitera Mailhol André Christian Dieudonné, filoha mpamorona ny fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara «Tsy farandro araka Baiboly izany ny 21 desambra. Fiafaran’ny calendrier Maya fotsiny io. Izany hoe tapitra amin’io daty io ny andron-dry zareo ary tsy misy 22, 23, 24… intsony. Tsy milaza izany mihitsy ao anaty Baiboly. Fihavian’i Kristy, izay midika ho fahataperan’izao tontolo izao no tena farandro. 1000 taona fialan-tsasatra ho an’ny voavonjy io fotoana io amin’izay. Ny maty mijanona eto ambonin’ny tany ihany. Ho an’ny Apokalypsy manokana dia tsy mino an’io daty io. Etsy ankilan’izay anefa ny siantifika milaza fa hisy «astéroïde» hilatsaka izany eto ambonin’ny tany ary mbola tsy manana porofo handavana sy hanekena izany ny fiangonana Apokalypsy satria raha misy izany dia tena farandro ho an’izay hilatsahany.» «Mbola hisy zavatra marobe hiseho» Mpitandrina ao amin’ny finoana Silamo iray «Raha ho an’ny finoana Silamo dia tsy mino izany hoe amin’ny 21 desambra izany. Tsy nisy nahafantatra izany velively na ireo mpaminany tany aloha aza. Andriamanitra ihany no mahalala izany ary afaka ataony amin’izay fotoana tiany ny hahatongavan’izany na izao dia izao aza. Efa voasotra ao anaty Korohany ihany koa fa mbola hisy zavatra marobe hiseho vao ho tonga izany farandro izany ka arakaraky ny fahotana ataon’ny olona ihany no hahatongavany na ho ela na ho haingana.» Soratra: Haja Randrianantoandro Sary: Segio Maryl |
|
Fiainana mpanakanto – Nisedra ny mafy noho ny tsy fahasalamana i Bodo Fahatoranana lava na irony antsoina hoe “spasmophile” irony no isan’ny zava-miafina tao ambadiky ny lazan’i Bodo, andriambavilanitra mpihira. Fisedrana mivaivay tsy maintsy noreseny izany aretina izany saingy tsy nahakivy azy satria tonga amin’ny toerana sy ny lazany ankehitriny izy. Tsy i Bodo eo an-tsehatra toy ny mahazatra, araka izany, no hohitantsika eto fa ny lafy miafina any ambadiky ny maha mpanakanto azy. Tahotra nitondra fahombiazana. Izany no azo amintinana ny toe-piainana sy ny lalana nolalovan’i Faliherinantenaina Bodoharisoa Razafindrazaka, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe: Bodo, renim-pianakaviana sady mpanakanto. 46 taona i Bodo ankehitriny. Teo amin’ny sehatry ny mozika dia efa ho 20 taona mahery izy no niakatra an-tsehatra, nanomboka tamin’ny fifaninanan-kira Top 16… Saingy tao ambadiky ny fahombiazany sy ny lalana nolalovany tamin’ny naha mpanakanto azy anefa dia nisedra lalan-tsarotra teo amin’ny lafiny fahasalamana i Bodo. “Hatramin’ny mbola kely no efa “spasmophile” na mifanintontsintona lava aho ary toratorana lava. Raha vao misy fihetseham-po na faly na tezitra, na taitra na reraka, raha voky loatra koa aza dia torana foana aho”, hoy izy nitantara ny androny lasa. Takona ary tsy mba hita teny an-tsehatra anefa izany aretina nandazo ity mpanakanto ity izany hatramin’ny nisehoany vahoaka. Nametraka fahatsiarovana sy tantara teo amin’ny fiainany hatramin’izy mpianatry ny Ceg ka hatramin’ny nahatongavany teo amin’ny fifaninanan-kira Top 16, izay nampalaza azy hatramin’izao, io tsy fahasalamany io. May sy toran’ny ronono Isan’ny tantara lehibe tsaroan’i Bodo ny nahamain’ny ronono azy vokatry ny tsy fahatsiarovan-tena nanjo azy. “Nahandro ronono izahay tao an-trano. Nangotraka anefa ilay ronono ary taitra tampoka i mamanay ka nihiaka hoe mihoatra ilay ronono. Taitra aho dia torana, nianjera ary mbola may ihany koa. May avokoa ny ila ankavanako rehetra iny”, hoy ny fitantarany. Tantara tsaroany ihany koa ny nahatorana azy teny am-panaovana fifaninanana tamina hazakazaka. “Taona fahafito (classe de 5ème) tany amin’ny Ceg aho tamin’izay no tafakatra hifaninana hazakazaka ny Ceg nisoloako tena. Narary nify anefa aho ary tsy maintsy nalana izany. Nolazaiko tamin’ny tao an-trano fa tsy marary intsony ilay nify nalana ka dia nanao ilay fifaninanana ihany aho no tratran’ny fahatoranana indray”, hoy hatrany i Bodo nitantara ny lasany. Tsindrona tsy mandaitra Mbola nisy tantarany ihany koa ny lalana nizorany nandritra ilay fifaninanan-kira Top 16, niaingany tamin’ny tontolon’ny mozika. Nandray anjara i Bodo ka rehefa tena lasa lavitra sy tafakatra tamin’ny dingana famaranana vao toran-kovitra sady nandraiky narary mihitsy. Na tamin’ireo dingana teo aloha aza dia efa tratran’ilay fahatoranana lava izy noho ny tahotra saingy tafita hatrany. Hoy indrindra izy nahatsiahy ny zava-nitranga tamin’izany: “Nanavy be aho vao naheno hoe tafakatra amin’ny dingana famaranana. Natahotra aho ary saika nifanintona mihitsy satria tafakatra 39° ny maripanako tamin’izany”. Herinandro mialoha ny fifaninanana no nambarany fa nitsaboana azy. “Natao hatramin’ny tsindrona kininina saingy vao mitsatoka ny fanjaitra dia torana ary tsy lasa akory ny fanafody”, hoy izy. Misy fotoana aza rehefa mitsangana avy eo am-pandriana izy dia torana, raha ny fitantarany ihany. Tsy mbola tena sitrana tsara i Bodo no tonga ny fotoana tsy maintsy hiatrehana ny fifaninanana. “Natahotra mafy aho ary tena mbola nalemy saingy nataoko tao an-tsaina hoe tsy manaiky resy tsy miady. Raha efa nanao ka tsy ambinina dia ampy izay. Izany herin-tsaina izany no nahafahako niatrika ny fifaninanana na dia mbola torana lava aza aho mialoha izay”, hoy hatrany izy. Tao anatin’izany tahotra sy aretina izany anefa no nahazoany ny fandresena ary dia nampatanjaka azy indray. “Nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny namako aho niala tany Antsahamanitra ka hatrany an-trano raha vao nahazo ny fandresena. Toy ireny olona tsy naninona ireny. Teo no nahatsapako fa tsy misy hafa tsy izaho ihany no hanampy ahy handreseko ny tahotra sy ny aretiko”, hoy izy. 20 taona vao afaka Niditra fiainam-baovao nanomboka teo i Bodo amin’ny maha mpanakanto azy. Efa nahatsapa anefa izy fa io fahatoranana lava mahazo azy io no mety ho sakana eo aminy. Nitady hevitra maro izy entiny handresena izany satria efa tsy nandaitra avokoa izay natao rehetra, hatramin’ny fihinanana fanafody. Nirotsaka an-tsehatra amin’ny filalaovana teatra indray izy. “Tao anatin’izany fianarana izany no nianarana ny fifantohan-tsaina, izay tena nanampy be ahy tamin’ny fialana amin’ny tahotra”, hoy izy. Tsy tonga dia afaka anefa izany fa mbola nahazo azy ihany raha hiatrika ny fisehoana an-tsehatra voalohany tao amin’ny Cc Esca Antanimena izy. “Telo andro mialoha io indray dia narary aho. Sady nandoa no nivalana ihany koa ary indraindray mbola hitady hiverina ilay fahatoranana. Na ny famerenana aza tsy afaka nanao tamin’izany saingy rehefa tonga ny andron’ny fampisehoana dia velona indray”, hoy izy sady nihomehy. Tao amin’ny trano fiomanana mialoha ny hiaka-tsehatra izy no nianatra fomba fiaina (respiration), izay nambarany fa nanampy be azy ihany koa.Teo amin’ny faha-20 taonany vao tena afaka tanteraka tamin’ilay “spasmophile” izy. “Misy ihany ny tahotra saingy efa voafehy tsara”, hoy ny nambarany Entin’i Bodo hijoroana vavolombelona amintsika ihany koa fa tsy sakana eo amin’ny fiainana ny maha “spasmophile” ho an’ireo olona izay mitovy aminy ary hizarany izao torohevitra izao: “Tamin’ny alalan’ny fidirana tsikelikely tao anatin’ny mozika no nanala ny tahotra sy ny rarin-tsaina (stress). Nohezahina noraisina amin’ny lafy tsarany avokoa izany ary nampiarahina amin’ny fifantohana (concentration) sy ny fomba fiaina (respiration) dia afaka ihany”. Azo lazaina ho sitrana i Bodo ankehitriny ary tsy taizam-panafody intsony. “Na reraka be aza aho tsy torana intsony. Any amin’ny fihetseham-po no mbola misy kely miseho amin’ny alalan’ny ranomaso. Tsy mahavita mitomany vetivety aho fa tsy maintsy mitomany ela vao afaka izany”, hoy izy sady nihomehy. Soratra: Faly Randria – Sary: Express de Madagascar Misy olona mitomany BODO |
|
Haintrano mahatsiravina – Mitantara ny zava-nitranga i Avotra, sisa tsy maty tamin’izy mianakavy Tsy nataotao foana ny anarana. Avotra araka ny anarany mihitsy i Randrianarison Avotra Nomenjanahary, ilay zazalahy 12 taona sisa tsy maty tamin’izy efa-mianaka niharan’ilay hain-trano mahatsiravina tetsy Ankadivato, ny alin’ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Maty tamin’ity loza ity avokoa ny renin’i Avotra antsoina hoe Koly, 30 taona, ny zandriny vavy 11 taona antsoina hoe Angela ary ny zandriny faralahy, 5 taona antsoina hoe Angelo. Mafimafy kosa ny ratra sy fahamaizana nahazo an’i Avotra ary teo ambony fandrianan’ny hopitaly izy no nitantara ny zava-nitranga tamin’io andro ratsy tamin’ny fiainan’ny fianakaviana kely nisy azy, io alarobia io. « Tsy nianatra izahay telo mianadahy ny hariva dia nipetraka tao an-trano. Sendra tao ilay vadin’i mamanay taloha tamin’izany. Nisotro labiera roa tavoahangy izy. Raha vao laniny ilay labiera dia nivoaka ny trano izy tsy fantatray hoe ho aiza », hoy ny fitantaran’i Avotra, lahimatoan’ilay vehivavy namoy ny ainy. « Nody izy avy eo ary mbola teny an-tanany ihany ireo tavoahangina labiera roa. Raha ny fofona henoko anefa dia toa lasantsy no tao anatin’ireo tavoahangy ireo, fa tsy labiera intsony »,hoy hatrany ilay tovolahy kely nieren-doza. Nanohy ny fitantarany ihany i Avotra : « Tonga tao an-trano avy niasa i mamanay ny hariva ka avy hatrany dia nobetrohany hoe : avy taiza ?, izao ve vao tonga ? Tsy namaly anefa i mamanay fa ny akanjony no nosoloiny dia nisitrika natory teo akaikin’i zandrinay izy, tao ambany tamin’irony fandriana mifanaingina irony . Ilay vadiny taloha anefa mbola nitabataba teo ihany sady niteny hoe : fafazako amin’ity lasantsy ity eo! Mbola tsy namaly ihany anefa i mamanay ka tena nofafazany tamin’ilay lasantsy tokoa ary noraisiny ilay labozia teo ambony latabatra ka natsipiny teny aminay teny ambony fandriana ka izay no nampirehitra ilay trano ». Nieren-doza Mbola tsy anjara tokoa ny nahafatesan’ity ankizilahy kely ity raha ny zava-nitranga. « Vetivety kely dia nirehitra be ilay afo ka nipaka taminay mianadahy tao ambony. Avy hatrany aho dia nitsambikina. Ilay zandriko vavy anefa tsy nanaraka ahy fa nidina tao amin-dry mamanay tao ambany », hoy ihany i Avotra nanohy ny filazalazany ny zava-nitranga taminfio alina io. Nambarany fa vantany vao nirehitra ny trano nisy azy ireo dia nitsoaka nandositra ilay raikelin’izy ireo. Raha ny filazan-dRaharimasinirina Georgette, renin’ilay vehivavy maty kosa dia tamin’ny 8 ora sy sasany alina no tonga tao an-trano ilay vinantolahiny. « Tamin’ny herinandro izy mivady no niady saingy tsy nisy intsony ny fifamaliana tamin’io andro nisehoan’ny loza io. Ilay zanak’izy ireo zokiny indrindra no nitsambikina teo amin’ny varavarankely sady niantso vonjy. Ity farany no nitantara fa nivimbina tavoahangy nisy solika ny rainy niditra ny trano. Nahodinkodiny io tavoahangy io sady nodominy ilay jiro labozia ary izay no nitarika ny firehetana. Natosiny tao anaty afo ireo vady aman-janany ary lasa izy nitsoaka sy nanidy ny trano avy aty ivelany ». « Mitady ve ianao »? izany fotsiny no nambaran-dRaharimasinirina Georgette fa henony notenenin’ilay raim-pianakaviana dia tsy hita intsony izy avy eo. Nitantara fiainana Vehivavy iray antsoina hoe Razafiarisoa Jacqueline, olona sendra nandalo teto an-drenivohitra nampifana ny zanany vao teraka izay mipetraka eo akaikin’ny tranon-dry Koly no nanakinan’ity farany ny fony, ka namborahany ny tantaram-piainany sy ny olana sedrainy. « Tonga ao amiko izy (Ndlr :ilay renim-pianakaviana maty niaraka taminfny zanany mianadahy) isan-kariva ka mitantara amiko ny zavatra iainany. Notantarainy tamin’izany fa efa nisaraka efa ela izy sy io vadiny io, satria tratrany nampirafy ilay lehilahy. Niverina tao an-trano anefa ity farany, efa fotoana elaela, satria voaroaka tany amin’ny asany. Tsy nanaiky izany izy saingy tsy nety niala ilay lehilahy sady mbola nolazainy fa nanao vava hoe : »ataovy izay ataonao fa rehefa feno ve ny kapoakako tsy hiala ihany aho » », araka ny fitantaranfi Jacqueline. Sariaka, tso-piaina Toa nialatsaham-baratra ireo tompon’andraikitra sy mpampianatra tao amina sekoly iray eto an-drenivohitra, izay niasan’i Koly raha vao nahare ny loza omaly maraina. « Nandeha nody nanatitra ilay zanany farany, mianatra ato aminay ihany izy ny antoandro. Niverina izy avy eo ny tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora namafa ireo efitrano fianarana, ka rehefa vitany izany ny hariva dia nody izy », hoy ny fitantaran-dRasamimanana, mpampianatra ao aminfity sekoly ity. Raha ny filazany momba an’i Koly dai olona sariaka be sady tso-piaina. « Tsy hitanao soritra eny amin’ny endriny eny mihitsy izay resaka adim-piainana any an-tranony any. Tsy misy tsy mahalala azy izay olona mpanatitra sy mpaka mpianatra ato aminay, noho izy tena tia mifandray aman’olona. Sahala amin’ny tsy mampino hoe maty izy », hoy ity mpampianatra ity. Voin-kava… Nanoloana ny voina nihatra tamin’ity fianakaviana ity sy ireo olona may trano teo amin’ny manodidina dia tsy niraviravy tanana ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) omaly, fa nitondra fanampiana ho azy ireo. « Na tsy eto an-toerana aza ny Pds-n’Antananarivo dia efa nanome baiko amin’ny hanampiana ny mponina tratran’ny voina tahaka izao. Adidin’ny tanàna rahateo ny mikarakara ny mponina ao aminy », hoy Raharinosy Monique, nitarika ny Cua omaly, nitondra ny fanampiana. « Hifanampy sy hifanome tanana amin’izy ireo izahay mponina amin’ny fananganana ny trano », hoy Raharinirina, isan’ny mpikambana ao anatin’ny komity manokana vao natsanganan’ny fokonolona, omaly. Fanampiana mitentina iray tapitrisa ariary no nentin’i Cua tamin’izany, ahitana bodofotsy, vary 300 kg, vovona bisikiotra 200 kg, fatana, kojakojan-dakozia samihafa isam-pianakaviana. Mbola ny Cua ihany koa no handray an-tanana ny famonosan-damba sy fanomezana ny tranoheva niandrasana ny razana satria dia teo an-tokontany izany no napetraka omaly. Haja Randrianantoandro/Lilia Rajaonah |
|
TGC, toaka, olon-tiana, fisarahana … – Mamboraka ny tantaram-piainany i D-Lain I D-LAIN ILAY MPANAKANTO TOJO FAHOMBIAZANA TAMIN’NY FIFANINANAN-KIRA KAONTINANTALY NATAO TATY AFRIKA NA NY CASTEL LIVE OPERA, KA NANANDRANTANY AMBONY NY VONINAHITR’I MADAGASIKARA. NOHO IZAY FAHATSORANY IZAY DIA TSY NITAZONA NY LELANY TANY AM-PAOSINY I D-LAIN FA NANAIKY NAMBORAKA NY FIAIM-PIAINANY TAMIN’NY GAZETY AO RAHA… Tovolahy tsotra no sady mitsiky lava izay Rakotonanahary Lalaina Josia na D-Lain. Kapakapa no hanaovany miaraka amin’ny «liquette» miloko volontsôkôlà amboniny ary pataloa mainty manara-batana ny ambany, raha nandray anay tao an-tranony namany teny amin’ny Mausolée teny Ampandrianomby afak’omaly. 25 taona ny tovolahy ankehitriny, izay nilaza fa tsy mieritreritra ny hiroso amin’ny fanambadiana aloha hatreto na dia efa manana fofompofony aza. « Mbola lavidavitra aloha izany fanambadiana izany e!», hoy izy, teo am-piandohana raha niresaka mahakasika ny olon-tiany. Nivoaka tamin’ny fianakaviana mpiasam-panjakana izy ary tany Ampanihy Andrefana no teraka. «Dokotera ny raiko ary mpampianatra ny taranja frantsay ao amin’ny oniversiten’i Toliara ny reniko. Tany Toliara aho no lehibe fa rehefa afaka bakalorea dia nanomboka niakatra taty an-drenivohitra no sady nipetra-drery», hoy izy mitantara. Tany amin’ny fahakeliny no efa tia nihira i D-Lain. «Tao amiko ilay fitiavana nihira saingy bedy foana aho. Nampirisihan’ireo ray aman-dreniko tany amin’ny fianarana bebe kokoa mantsy aho. Ny raiko aza tamin’izany, na efa taty an-drenivohitra aza aho, dia mbola nilaza fa telo taona ve dia tsy ho vitako ny miharitra amin’ny fianarana. Lalam-piofanana Fizahantany no nataoko tamin’izay, tao amin’ny Inth Ampefiloha», hoy izy. Mpanao «Jazz» Tonga teto an-drenivohitra D-Lain dia niditra mpikambana tao amin’ny Alliance française, Andavamamba. «Nisy fotoana tsy nianatra izahay dia nandeha namaky boky tao aho. Nahita «atelier» mahakasika ny hira tao dia mba nipetraka nijery. Voasarika dia mba nanandrakandrana nihira ihany koa. Nisy mpanao «jazz» tao nahita ahy dia niteny tamiko hoe miverena foana mihira. Niverina foana aho dia izy no niezaka nanorotoro ahy hatrany an-tranony mihitsy. Rado Rakotoralahy io olona io», hoy D-Lain. Nanomboka teo ny fiatombohan’ny lalana nankany amin’ny fahombiazana ho an’ity tovolahy ity. Nisy fifantenana olona valo tamin’ireo olona mpihirahira tao amin’ny Alliance française ka isan’ireo voafidy ny tenany, ny taona 2006. «Tovo J’hay sy Anyah no niahy ahy tamin’izay. Nisy fifaninanana «gospel» indray teny Ankatso ka nandray anjara aho ary isan’ireo namiratra. Teo no tena nahafantaran’ny olona ahy», hoy D-Lain. TGC sy ny resa-toaka Ny faran’ny taona 2006 no niditra tao amin’ny tarika «Tana gospel choir» na Tgc i D-Lain. «Nialoha io aho dia efa nanao mpihira mpanampy hatrany tao amin’ny Anyah. Mbola nitohy izany na efa Tgc aza aho no sady nitombo indray aza satria hatramin’i Njakatiana, Poopy, Bodo, Fanja Andriamanantena dia niantso ahy daholo. Fianarana ho ahy daholo izany no sady nofinofiko rahateo raha niala tany Toliara aho ny mba hiara-hihira amin’ireny mpihira malaza ireny. Lalaina Tgc no nahafantarana ahy tamin’izany. Ankoatra ireo ny fanaovana cabaret sy comedie musicale», hoy ihany Lalaina. Ny faran’ny taona 2011 no niala tao amin’ny Tgc ny tenany. Nandeha be ny feo tamin’izany fa noho ny rfisotroana zava-pisotro mahamamo no antony nialany tao. Tsy nihambahamba i D-Lain nilaza fa tsy izay ihany fa betsaka ny olana efa niangona foana nandritra ny fiarahana tao. «Izaho koa nanana zavatra natao manokana no sady mbola nanao cabaret nefa tena ilaina ihany ny fisiako tao amin’ny Tgc dia tsy arako daholo ka niteraka fikorontanana izany, indrindra tao amin’ny tarika. Tonga avy eo ny fotoana tsy maintsy nandraisana fepetra hoe aleo mandeha irery amin’izay», hoy izy sady nampiany tsikitsiky ny famohazana indray ity resaka ity. Teny ratsy Isan’ireo tsy mba tezitra mihitsy i Lalaina raha ny fitantarany ny fiarahana tamin’ireo namany. Toy izao ny fahatsiarovany azy: «Tsy naha Lalaina ahy ny zava-nisy tany Toamasina tamin’ny volana marsa tamin’ity taona ity angamba iny. Andeha hanao fampisehoana fanomezan-kaja an’i Michael Jackson tany izahay tamin’izay, no sady hanao fampisehoana. Tonga tany dia tsikaritra fa very ny entako. Ny nahagaga dia ny ahy irery no very. Tany anatin’io daholo anefa na ny akanjo entiko miantsehatra na ny kahie misy ny tononkira rehetra. Tezitra mafy aho tamin’izay. Nisy nanome akanjo ihany aho fa saingy tena nampihomehy be ilay izy…». «Izahay aza indray no nitenenany ratsy tamin’izany», hoy ny naman’i Lalaina iray, izay niara-dia taminy tany Toamasina, nanatrika ity resadresaka ity, nanapaka ny teniny. Nahavita ny fianarana telo taona tao amin’ny ivon-toerana fampiofanana momba ny Fizahantany iray teto an-drenivohitra i D-Lain. «Vitako ihany ny fianarana nanafatrafaran’ny ray aman-dreniko ahy foana. Tsoriko anefa aloha ny marina fa tsy dia ampy fifantohana tamin’izany mihitsy aho, saingy niezaka ny namita azy hatramin’ny farany kosa. Ny maison d’hôtes no tena nohalaliniko. Na izany aza, nahafinaritra ahy foana ny lalana nalehako. Tsy very maina anefa ny fianarana nataoko na eo aza ny mozika fa ampiasaiko amin’ny fanohizana izany ny vola azoko amin’ny mozika. Isan’izany ilay lelavola Ar 65 tapitrisa azoko tany Abidjan, izay hoentiko hanohizako ny tetikasa efa natomboka mahakasika ny fananganana maison d’hotes ho ahy manokana. Mampanantena ireo fikambanana manao asa soa ihany koa aho fa hanampy azy ireo amin’izay kely mba azoko hatao amin’ny talenta ananako ary misy ampahany amin’io vola azoko io hanampiako amin’izany», hoy ihany i Lalaina. Indroa nisaraka… Tsy fahasambarana na fahombiazana foana ny fiainana. Isan’ny nitondra olana ho an’i D-Lain ihany koa ny lafiny fitiavana, izay tsy noho ny inona fa vokatry ny fitiavana mozika diso tafahoatra, raha araka ny famaritany azy. «Nataoko ambanin-javatra iny lafiny iray iny satria tena revo be tamin’ny mozika aho. Nisy fotoana aza tsy maintsy nisafidy aho, na hikolokolo ny fiarahana tamin’ny olon-tiako na hilofo hatrany eo amin’ny sehatry ny mozika, satria tena nikorantana ny fiainana. Tamin’izay dia tsy maintsy nanohy ny mozika ihany aho fa ny olon-tiana no nafoy. Indroa no nitrangan’izay teo amin’ny fiainako ary mino aho fa tsy hiverina intsony izany», hoy izy. Tany Abidjan Fa raha tsy nisy ny fifaninanan-kira Castel Live Opera, mety tsy dia mbola fantatr’olona sy nalazabe tahaka izao Rakotonanahary Lalaina. Namintina ny andro maromaro nandalovany tany amin’ity renivohitr’ity firenena afrikanina iray ity izy : «Nisy filazana kelikely izay teny rehetra teny milaza io fifaninanana Castel Live Opera iny. Hitako ilay izy dia tsy nazoto loatra aho tany am-boalohany. Nampirisika ahy daholo anefa ireo namako rehetra dia nanao ihany aho. Nisy fifaninanana avokoa tamin’ireo renivohi-paritany teto Madagasikara miampy an’Antsirabe. Tany amin’ity farany aho no saika handray anjara saingy tsy tontosa. Teto an-drenivohitra ihany no niafarany. Voaray hisolo tena an’i Madagasikara aho ka valo mianadahy izahay no nifaninana tany Côte d’Ivoire nandritra ny iray volana. Isan’ny nampalahelo ahy kely tany ny tsy mba nahafahana nijery tanàna mihitsy fa tery be ny fandaharam-potoana. Mafy taminay valo mianadahy sy ireo ekipa rehetra nanatontsoa iny fifaninanana iny ny fisarahana iny. Izahay rahateo samy vao mpandray anjara voalohany avokoa. Na ireo mpikarakara ihany koa aza dia vao dingana voalohany iny natao iny. Isan’ny nampiraiki-po anay izany rehetra izany ka tsy nahagaga raha nalaina ny hisaraka tany amin’ny fiafarany». «Petit pois» Ankoatra ny laoka akoho sy «petits pois», dia isan’ny tena ankafizin’i D-Lain ny fialantsasatra any amoron-dranomasina. «Ny filaminan-tsaina no tena itiavako any amoron-dranomasina. Tsy mandefa finday mihitsy aho amin’izany. Isan’ny zavatra tiako ihany koa ny manampy ny tanora vao misondrotra tahaka ahy, ka manam-piniavana te hanao zavatra nefa tsy afaka noho ny tsy fisian’ny vola», hoy D-Lain. Teo am-pamaranana dia nisaotra ireo izay nanohana azy rehetra teto an-toerana, indrindra fa ireo nitondra am-bavaka nandritra iny fifaninanana tany Côte d’Ivoire iny ny tenany. «Izaho irery no tany Abidjan tamin’ireny fotoana ireny. Nionona tamin’ny vavaka nataon’ireo Malagasy taty an-toerana aho ka isaorako be dia be mihitsy izany. Ny famaranana vao mba nisy teratany Malagasy telo mianaka nanotrona ahy tany ka tena faly mihitsy aho», hoy ity tanora mpino ao amin’ny fiangonana Advantista ity, izay tsy nisaraka tamin’ny tsikitsiky mihitsy nandritra ny resadresaka nifanaovana taminy. Soratra: Faralala Sary: Zo R. |
|
Fikojakojana – Ny fomba fikolokoloana ireo fitaovana amin’ny andron’ny fahavaratra
VASOKA, MANDO, MAIMBO BONA, BOBONGOLO, … IREO MATETIKA NO ATERAKY NY FITAOVANA FAMPIASA ANDAVANANDRO REHEFA FAHAVARATRA NY ANDRO. MANAHIRAN-TSAINA NY MARO NY HIKARAKARANA AZY IRENY REHEFA TRATRAN’IREO TRANGA IREO. IRETO MISY TOROHEVITRA MAROMARO AZO ANAMPIANA ANTSIKA AMIN’IZANY. Betsaka ny fitaovana ilàna fikojakojana rehefa tratran’ny orana. Isan’ireny ny kiraro, kitapo, tafon-trano, fiara, môtô, elo, trano, ny kiraro, … Tsy voatery hanolo fitaovana vaovao anefa raha sendra tratran’ny orana izy ireny. Azo atao tsara ny mampiasa teknika madinidinika hampiverina azy ireo ho toy ny vaovao, sady hampateza azy ihany koa. Ny trano fonenana no tena ilaina fikarakarana voalohany indrindra rehefa fahavaratra toa izao. Eo ihany koa ny fiatrehana ny rivo-doza. Tsy tsara ny mamantsika Tsara ny mandray fepetra avy hatrany raha vao hita fa misy loaka ny tafo, na koa somary efa tonta sy harafesina. Tsy tsara ny mamantsika tafo satria mampitombo indray ny lavaka ny masom-pantsika, araka ny torohevitr’ ireo mpanao trano. Fomba maro nefa tsotra kosa no natoron’izy ireo fa azo anampenana ny tafo. Azo ampiasaina amin’izany ny tara, na efa misy lakaoly fampiasa manokana hanampenana tafo mihitsy eny amin’ny mpivarotra. Fomba be mpampiasa ihany koa ny fandrakofana ny tafo amin’ny alalan’ny plastika. Ankoatra ny fiarovana ny tafo tsy hitete dia tsara ihany koa ny miaro azy amin’ny rivotra. Azo atao ny mampiasa kodiarana na gony misy fasika hanindriana ny tafo mba tsy hoentin’ny rivotra. Fadiana kosa ny mametraka vato na biriky na zavatra mivaingana mety handratra eny ambony tafo satria mety hitera-doza raha sanatria latsaka tampoka avy eny ambony eny. Azo ampiharina amin’ny karazana tafo rehetra ireo afa tsy ny tafo ahitana vovonana mitongilana. Rindrina bobongolo Ratsy ho an’ny fahasalamana ary manimba endriky ny trano ny fisian’ny bobongolo amin’ny rindrina. Somary sarotsarotra ny manala azy ireny, indrindra rehefa ela nijanonana teo amin’ny rindrina. Azonao atao ny mampiasa tsaoka fotsy atao mitovy amin’ny haben’ilay faritra misy bobongolo ny isany. Asiana rano dia levonina anaty kaopy jobo ary afangaro amin’ny alalan’ny sotro vita amin’ny fingotra na »caoutchouc ». Rehefa levona tsara ilay tsaoka dia asiana feta tany kely. Afangaro ireo rehetra ireo mandra-pivaingany. Rehefa mivaingana izy dia azonao atao tsara amin’izay ny manosotra azy amin’ilay faritra misy bobongolo. Rehefa voahosotra daholo dia andrasana ho maina tsara. Ary rehefa hita fa maina tsara dia sasana amin’ny spaonjy mba hialan’ilay feta izay manome endrika ratsy ny rindrina. Ilay tsaoka kosa amin’izay fotoana dia ho hitanao fa tsy mety hiala intsony. Azo tovonana loko ihany koa avy eo. Manala karazam-pofona Tongolo be, karibonetra, sira, vinaigitra, voasary makirana, ronono … azo analana na analefahana ny fofona bobongolo tratran’ny hamandoana. Miteraka fofona manelingelina ny trano rehefa mandomando. Azo atao ny mampiasa ny tongolo be entina hanalana ny fofona, ankoatra ny fanadiovana isan’andro ny trano. Voasana ny tongolo be dia aparitaka manerana ny efitrano, ary trohany avokoa ny fofona rehetra. Azo ampiasaina ihany koa ny sira vaingany. Alaina ny sira vaingany dia atao anatin’ ny kaopy ary asiana isaky ny zoron-trano. Mifoka ny fofona sy ny hamandoana ny vongan-tsira. Tsara jerena matetika satria rehefa fohan’ilay vongan-tsira ny rano sy ny fofona dia mando ilay vongan-tsitra ary mila soloina. Ny voasary makirana sy ny ronono velona ihany koa dia azo ampiasaina mitroka fofona. Raha amin’ny hoditra kosa no voakasik’ilay fofona bona dia azo atao ny mampiasa karibonetra. Alaina ny karibonetra atao amin’ny fatrany izay tiana dia atao ao anatin’ny rano mangatsiaka tsotra. Afangaro ary avela ho levona tsara. Rehefa hita fa levona vao azo anasana tanana izany. Tsy asiana savony mihitsy fa io rano io fotsiny no hikosehana azy. Rehefa hita fa levona vao azo anasana tanana izany. Tsy asiana savony mihitsy fa io rano io fotsiny no hikosehana azy. Rehefa tsy heno intsony ny fofona vao kobanina amin’ny savony. Mandaitra io rehefa fofona rehetra amin’ny vatana. Manahirana koa ny fofo-tongotra noho ny hatsembohana. Alona rano mafana elaela ny tongotra amin’ny alina na rehefa manam-potoana mandritra ny andro. Rehefa mangatsiatsiaka ilay rano dia rarahana vinaigitra mena na fotsy indimin’ny sotro lehibe. Alona mandritra ny 15 mn dia alana ka tsy fafana fa avela ho mainan’ny rivotra fotsiny eo. Rehefa mahavatra manao izany dia afaka ho azy ny fofona sy ny hatsembohana. Fanadiovana hoditra kiraro Manahirana amin’izao andro fahavaratra izao ny mikojakoja ny kiraro hoditra. Ankoatra ny fisafidianana »crème » fanosotra amin’ny kiraro dia azo atao ihany koa ny mampiasa ronono velona na ireo ronono fanosotra amin’ny hoditra na tarehy (lait pour le corps ou lait démaquillant). Alaina ny vovon-dandihazo dia ahosotra amin’ilay ronono. Apetapetaka amin’ny hoditry ny kiraro avy eo iny vovon-dandihazo iny. Apetraka maharitra fotoana fohy mba ho maina sy hanalefaka ilay hoditra. Fafana amin’ny lamba malefaka rehefa avy eo mba hangirana. Fitaovana maro fampiasa fahavaratra ihany koa no mila fikojana araka ireto torohevitra ireto hatrany. Elo: arahana tanana, avela maina tsara,… Aza sodokan’ny mora. Mitobaka ny elo eny an-tsena saingy mila hay tsara ny manavaka ny malemy sy ny mafy. «Rehefa mividy elo dia eo amin’ny rantsany eo no fijerena ny hamafiny. Ireo karazana elo manana ratsana miforitra toy ny «U» ihany no mafy. Ireo elo lehibe no misy azy ireny amin’ny ankapobeny. Matetika indray dia vy fotsiny no mandrafitra ny rantsan’ireo elo kely. Malemy izy ireny ary matetika mora tapaka, raha tsy hoe elo ambony kalitao tsy toy ny fahita eny an-tsena amin’izao fotoana izao angaha», hoy Rakotonarivo Jean Claude, mpanamboatra elo etsy Analakely. Maro ihany koa anefa ireo fomba fikojakojana ny elo tsy hahasimba azy ao anatin’ny fotoana fohy. «Tokony harahana tanana fa tsy avela hisokatra ho azy ny elo rehefa iny hosokafana iny. Mialoha ny hanokafana azy ihany koa dia somary hahetsiketsika ilay elo hampivelatra tsara ilay lambany sy mba tsy hampisaringotra ireo rantsany. Rehefa vita izay vao sokafana ilay elo», araka ny torohevitr’i Haja Andrianarivo, mpanamboatra elo ihany. «Rehefa avy entina amin’ny orana indray ny elo dia tsy avy hatrany dia akatona fa avela ho maina tsara aloha mba tsy haharafesina ireo ratsany. Alamina tsara ihany koa iny lambany iny rehefa hidina ilay elo», hoy hatrany izy. Tsy misy tsara afa-tsy ny mividy elo tsara kalitao ihany raha ny fanamarihana avy amin’ireto mpanao elo ireto. «Azo atao na ny mividy ireny elo tonta taloha ireny aza. Ny lambany fotsiny no soloina», hoy izy ireo. Misy Ar 5 000 hatramin’ny Ar 12 000 ny vidin’ireny elo tonta ireny. Azo amboarina ihany anefa ireo rantsany raha toa ka misy fahasimbana. Ar 600 eo ho eo ny manamboatra rantsana elo iray. FIARAKODIA Mila fikojakojana sy fitandremana manokana ihany koa ny fiarakodia, rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. «Tsy tokony hatao sola ny kodiarana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hateraky ny lalana malama», hoy i William, lehibena garazy iray etsy Behoririka. «Tokony hatao mandeha tsara ihany koa ny jiro, ny «essuie glace», izay tena ilaina ho amin’ny fahitan’ny mpamily», hoy ihany izy. Toy izany ihany koa ny kojakoja madinika mahakasika ny fanambanin’ny fiarakodia dia ilàna hosorana menaka, na atao «graissage». «Mila atao «graissage» ny «rotule», ny «roulement»… sy ireo kojakoja madinika. Ilaina atao tsy ho tafiditry ny rano ihany koa ny «cache poussière» ary tsy tokony hisy vaky», raha ny nambaran’io mpanamboatra fiara io ihany. Tsy dia ahitana olana loatra kosa ny fiara mandeha amin’ny gazoala, rehefa fotoam-pahavaratra. «Ny «filtre à air» fotsiny no kendrena tsy ho azon’ny rano ho an’ny karazana fiara mandeha amin’ny gazoala», hoy ny fanamarihan’i William. Fitaizana moto Mila fitandremana ny fotoam-pahavaratra toy izao satria malama ny lalana. Mety mampianjera ny fisian’ny menaka na gazoala eny amin’ny tara. Mampidi-doza koa ny fijanonana tampoka na mandeha mora aza. Zava-dehibe ny fiarovana ny «chaîne» ka tokony hosorana menaka matetika. «Raha mampiasa ilay môtô isan’andro ianao, tokony hasianao menaka isan-kerinandro ny «chaîne» mba tsy ho makina. Isaky ny azon’ny rano mantsy io kojakoja iray io dia miala ny menaka atao aminy nefa mampateza azy ny fisiany. Tokony hapetraka mihitsy aza ny aro «chaîne», indrindra raha mandeha lalan-tany», hoy Randrianjadisoa Pierre, manam-pahaizana amin’ny fanamboarana môtô. «Tokony ho tadidy fa mety ho tafiditry ny ranon’orana eo amin’ny vavan’ny fitahirizan-tsolika koa rehefa avy ny orana, tokony hatao izay tsy mahalena azy», hoy ihany io mpanamboatra môtô simba io. «Raha sendra tafiditry ny rano ao anaty fitahirizan-tsolika ka tsy mety velona ny môtô, aza miala amin’ny «tourne à vis» hanokafana ny fanariana rano eo amin’ny «carburateur” na ny «robinet» fanokafana sy idin-tsolika. Tokony hodiovina matetika koa ny mpisivan-drivotra», hoy ihany Randrianjadisoa Pierre. Momba ny lanjan-drivotra amin’ny kodiarana kosa, tokony hahena kely rehefa mafana be ny andro. Sary: Serge, Barphil, HNA, Farah Randrianasolo |
|
Herisetra – Mitantara ireo vehivavy manana fahasembanana MARO NY VEHIVAVY IHARAN’NY HERISETRA. MAFY KOKOA NOHO NY MAHAZO NY MATANJAKA NY MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA, ATAON’NY FIARAHAMONINA, NA NY HAVANA. Tsy vitsy ny vehivavy malagasy iharan’ny herisetra, na efa maro aza ny hetsika sy ny fikambanana miady sy mandresy ny herisetra. Maro karazana ny herisetra, saingy ny herisetra ara-batana no voalaza ho mateti-pitranga. Eo ihany koa ny herisetra ara-tsaina, ny ara-toekarena, ny ara-nofo… Vao mainka mafy kokoa noho ny herisetra mahazo ny vehivavy matanjaka ny mihatra amin’ny vehivavy manana fahasembanana, raha ny fijoroana vavolombelona ataon’izy ireny. Fahita ny vehivavy ampijalian’ny vadiny, noho izay fananany fahasembanana izay. Ao ireo mahazo ompa, fanambaniana, tsy omena vola… Mbola mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina malagasy ihany koa ny fanaovana herisetra amin’izy ireny. Azo atao tsara ny mitory ny endrika herisetra ary maimaim-poana ny fanaovana izany. Vehivavy vitsivitsy manana fahasembanana no mitantara amintsika anio ny karazana herisetra mianjady amin’izy ireo izay. Manana ny anton’asany avokoa ireto vehivavy manana fahasembanana mitantara ireto, izay ahitana taratra fa tsy tokony ho vesatra ho an’ny fiarahamonina ny fananana fahasembanana. NOROTIANA, mpandidy zaitra « Natao filan-draha tsy mahita » Teo amin’ny fahaenim-bolany i Norotiana no nanomboka nalemy ny tongony ilany, vokatry ny aretina lefa-kozatra nahazo azy. 53 taona izy ankehitriny, manambady ary manan-janaka vavy iray 15 taona. Mitondra tehina solon-tongotra roa izy, noho izay fahasembanany izay. Tsy misedra olana izy eo amin’ny fiainan-tokantranony, raha ny nambarany. Nialoha ity vadiny ity kosa dia nilaza i Norotiana fa nifankatia tamina lehilahy iray, izay nanao fihetsika niteraka ratram-po ho azy, endrika herisetra ara-tsaina. « Telo taona izahay no nifankatia. Tsy nanambanimbany ahy, na nanompa ahy izy, saingy nampiseho fihetsika fangataham-pisarahana. Nikaroka toe-javatra nanao izay hahatezitra ahy ary tonga hatramin’ny fisarahanay mihitsy izany. Nataony filan-draha tsy mahita fotsiny aho satria nampirafesiny tamina vehivavy matanjaka aho ary lasa niaraka tamin’iny izy », hoy ny fitantarany. Ankoatra izany dia nilaza i Norotiana fa ny resevera amin’ireny fitateram-bahoaka ireny ihany koa no tena manao herisetra amin’ny vehivavy manana fahasembanana. « Nonina tany Mahazoarivo izahay. Fotoam-pahavaratra tsara tamin’izany. Olona roa izahay no teo amin’ny toeram-piandrasana taksibe. Rehefa tonga ilay fiara fitaterana dia ilay vehivavy matanjaka no noraisin’ilay resevera tamin’ny tanany naiditra tao anaty fiara fa izaho nailika. Nandefitra kosa ity vehivavy matanjaka ka nanaiky nandefa ahy ary nisafidy ny niandry ny fiara manaraka. Mbola voamenomenon’ilay resevera ihany aho tao anatin’ilay taksibe », hoy hatrany izy. Nilaza i Norotiana fa tsy mbola vita soratra izy sy ity vadiny hatramin’izao. « Rehefa manontany momba izany aho dia nambaran’ity vadiko fa miandry fotoana avokoa ny zavatra rehetra », hoy ity renim-pianakaviana ity. RAHOLY, mpimpasoka « Imbetsaka saika nisy nanolana » Jamba kosa indray Raholy, vehivavy nilaza fa tratran’ny areti-maso fony mbola kely. Teo amin’ny faha-29 taonany no nanomboka tsy nahita intsony izy, tohin’izany aretina izany. Tsy manambady Raholy ary mipasoka ao amina trano fanjairana iray no asany. Tsy voatery ho vono hatrany ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, fa maro ihany koa ny herisetra ara-tsaina sy ara-nofo, indrindra amin’ny vehivavy manana fahasembanana, raha ny filazan-dRaholy. « Maro ireo teny mandratra fandre eny ambony fiara fitateram-bahoaka, ataon’ny lehilahy. Ao ireo manao teny fanambanimbaniana toy ny hoe izaho aloha tsy haka vady an’io, izay faty mandehandeha », hoy ny fitantarany. Nanana olon-tiana Raholy saingy nambarany fa ny fianakavian’ity farany no tena nanao herisetra taminy, noho ireo karazana teny mandratra nataon’izy ireo azy, noho izy jamba. Imbetsaka izy no nilaza ho saika niharan’ny fanolanana, noho izay fananany fahasembanana izay. « Saika nanararaotra ahy ny zaodahiko, nitsofoka tao amin’ny efitranoko ary nikasa hanolana ahy. Toy izany ihany koa ny lehilahy iray izay nilaza ho pasitera mpanasitrana, nitondran’ny fianakaviako ahy, hitsaboana ny fahajambako. Nomamoiny aho ary niakarany teo am-pandriana rehefa noheveriny fa tena mamo. Lavabe ny akanjo nanaovako tamin’izay ka tsy afaka nanao na inona na inona ahy izy », raha ny filazan-dRaholy. Lehilahy roa hafa, ankoatra ireo, no nambarany fa efa saika nanao izany herisetra ara-nofo izany taminy. Tany amin’ny lanonana ny iray ary tao an-tranony ny iray hafa. Nambarany fa mbola akanjo lavabe hatrany ihany no nanaovany tamin’ireo tranga ireo, ka tsy nahavita ny sain-dratsiny iretsy nikasa hanolana azy. RAHOLINIRINA HERITIANA, mpanjaitra « Mahazo anaram-bositra avy amin’ny mpitatitra » 35 taona indray Raholinirina Heritiana. Renim-pianakaviana manambady ary miteraka vavy iray 12 taona. Tratran’ny fahasembanana ara-batana izy. Malemy ny ilan-tongony, vokatry ny aretina lefa-kozatra. Nianjadian’ny aretina mafy izy teo amin’ny faharoa taonany, ka nanomboka teo ihany koa ny fotoana nampahalemy izay ilan-tongony izay. Ny mpitatitra no nolazain’i Heritiana ho tena manao herisetra amin’ny vehivavy manana fahasembanana. Mahazo anaram-bositra mihitsy izy, momba izany. « Petahan’ny resevera anarana hoe kitoza mihitsy ny vehivavy manana fahasembanana. Mitsoaka na tsy mitondra tsotra izao izy ireny rehefa tojo ny toa anay », hoy izy. Voatery nifindra trano manakaiky ny toeram-piasany mihitsy i Heritiana, noho izay olana ateraky ny fiandrasana sy tsy fitondran’ny taksibe azy izay, ka miteraka fahatarana matetika any amin’ny toeram-piasany. Nanana olon-tiana ihany koa izy, nialoha ny nanambadiany. Nilaza anefa izy fa tena nanao herisetra ara-tsaina taminy ny fianakavian’ity olona notiaviny tany aloha ity. « Nanana fahasembanana ara-batana ihany koa ilay olon-tiako. Nilaza anefa ny fianakaviany fa tsy ho velona eo amin’ny fiainana izahay, raha toa ka mivady samy manana fahasembanana. Niteraka ratram-po ho ahy izany », hoy ny fitantarany. Ankoatra ireo dia nitantara i Heritiana fa somary hafahafa tsy manana fahatokisana azy loatra ny olona mampanjaitra aminy, mahita izay fahasembanany izay. « Rehefa vita soa aman-tsara ny zaitra ampanaoviny vao talanjona izy ireo mahita fa mahavita zavatra tsara aho, na manana fahasembanana aza », hoy i Heritiana. Nambarany anefa fa mahavita ireo asa rehetra ao an-tokantrano, toy ny renim-pianakaviana matanjaka izy, toy ny mipasoka, ny manasa lamba ary miezaka hanao izay maha afa-po ny ankohonany. FARATIANA, mpanjaitra « Miantraika hatrany amin’ny zanaka ny herisetra » Renim-pianakaviana iray, 53 taona i Faratiana. Nanambady izy saingy efa maty ny vadiny. Manan-janaka telo. Manjaitra no anton’asany. Manana fahasembanana ara-batana izy, malemy ny tongony ilany, noho ny aretina lefa-kozatra, nanomboka teo amin’ny fahaefa-taonany. Ny fiarahamonina ankapobeny kosa no manao ny herisetra amin’ny vehivavy manana fahasembanana, raha ny fitantaran’i Faratiana. « Manofa trano izahay. Miala maraina aho ary tsy miverina raha tsy ny hariva, nefa dia mila vaniny amiko hatrany ny mpiara-monina. Tsy menatra mivazavaza, tsy manisy vidiny sy manao teny mahery », hoy izy. Nambarany fa miantraika hatrany amin’ny zanany izany herisetra ampiharina amin’ny vehivavy manana fahasembanana izany. « Ny zanako vavy iray no manambady. Vita ara-dalàna ny raharahan’izy roa. Namanay izao ihany anefa no mitady hanodinkodina ilay vinanto lahiko. Lazain’izy ireo fa atao inona koa izay zanaka sembana ? », hoy hatrany ny fitantarany. Nilaza anefa izy fa olona tsara fototra sy tsara taiza ity vinanto lahiny ka tsy azon’iretsy nikasa hanodina azy. Endrika herisetra hafa notantarain’i Faratiana, ireo lehilahy mikitikitika azy eny an-dalana. « Misy ireo avy hatrany dia mikitika sy mikapoka ny fitombenako. Mamaly ihany aho saingy izaho indray no ambanimbaniana sy rabirabian’izy ireny. Aleoko miampita na mivily lalana rehefa sendra ny toy izany », hoy hatrany izy. Anisan’ny trangana herisetra ara-nofo notantarain’i Faratiana ny manjo ny zana-drahavaviny monina any ambanivohitra. « Tratran’ny fahasembanana ara-tsaina ity zana-drahavaviko ity. 20 taona izy no nitondra vohoka, avy amin’ny fanolanana natao azy tany am-pakana kitay. Maty tampoka, tapaka lalan-drà mihitsy ny zokiko nahita ity tranga nahazo ny zanany vavy ity. Teraka lahy ary efa roa taona izao no zanak’ity ankizivavy niharan’ny fanolanana ity. Namepetra azy tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra natao azy ilay tompon’antoka nanao ny fanolanana », hoy ny fitantaran’i Faratiana ny herisetra niainan’ny zana-drahavaviny.
Soratra sy Sary : Monica Rasoloarison
|
|
Vokatry ny dona – Miteraka fahavoazana maro ny ratra ara-tsaina
Tsy olona adala, tsy olona marary kanefa manana ratra ara-tsaina. Noho ny ferin’ny tantara nahazo ny olona iray no fantatra fa mahatonga ny ratra ara-tsaina izay mitamberina foana tsy mety afaka eo amin’ny fiainana andavanandron’ilay olona. Azo ialana tsara anefa izany ary tsy fotoana ela noho fitsaboana manokana ataon’ny manam-pahaizana mahakasika izany. Io no antsoina hoe : fialana amin’ny toeran’ny ampahoriana (victimologie). Tsy dia fantatra loatra eto Madagasikara ity tranga iray ity, saingy iainanan’ny tsirairay andavanandro. Misy ny paikady hananganana toeram-piofanana mahakasika izany atsy ho atsy, hiarahana amin’ny « Formation médicale continue sans frontière (Fmcsf) ». Manam-pahaizana profesora maromaro no mivondrona ao anatin’io fikambanana io, ka misy no mandalo eto Madagasikara. « 30 taona teo ho eo aho izay no nifandray sy nifanerasera tamin’ny manam-pahaizana manokana mahakasika ny fitsaboana ny dona sy ny ratra ara-tsaina. Nitety firenena maro tany Amerika, Eoropa, Maroc ary aty amin’ny Ranomasimbe indianina tamin’izany. Nahafahana namoaka fomba manokana fitiliana sy fitsaboana ireo olona iharan’ ny dona sy ratra ara-tsaina izany », hoy ny dokotera Marie-Claude Lénès, manam-pahaizana manokana mikasika ny ampahoriana, isan’ireo tonga eto Madagasikara, ny zoma teo. Ireo olona tratry ny ampahoriana Araka ny voalazan’ity manam-pahaizana manokana ity dia ireo olona iharan’ny herisetra isan-karazany no atao hoe ampahoriana. « Ankoatra ny loza dia eo ihany koa ireo herisetra na ara-batana, na ara-pananahana, na ara-psikolojia ; ireo herisetra nihatra tamin’olona miaraka na tsirairay ; ireo herisetra atao amin’ny ankizy. Ireo rehetra ireo dia matetika no mijanona ao an-tsain’ilay olona niharany. Hany ka mandindona azy foana izany eny amin’ny fiainany andavanandro », hoy ihany ity mpitsabo ity. Vokatry ny ampahoriana Ny olona iray tratry ny ampahoriana dia mety hahavita zavatra tsy ampoizina mihitsy. « Mety tsy vokatry ny fony na fanahy iniana no hanaovany ilay zavatra fa noho izy tratry ny ampahoriana. « Mety hahavita hamono tena mihitsy ilay olona raha toa ka tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny mpiara-monina na ny tompon’andraikitra ara-panjakana na fiarahamonim-pirenena aminy. Izay no antony maha zava-dehibe ny fianarana ny fitsaboana ny ampahoriana ho an’ny olona rehetra. Tsy azo lazaina ho marary saina ny olona voan’ny ratra ara-tsaina, nefa kosa misy zavatra tsy tomombana ao anatin’ny sainy », hoy kosa Jean Boivin, talen’ny Fmcsf any Montpellier-Frantsa, isan’ireo mandalo eto Madagasikara ihany koa. Voakasika ny polisy, zandary ary mpikirakira ny fitsarana Nitsotra ity manam-pahaizana manokana misahana ny ampahoriana ity, fa tsy ho vita ny hanome fiofanana na fampahafantarana ny olona tsirairay. « Ny zavatra ataonay amin’ireo firenena rehetra izay mangataka ny hanaovana tetikasa dia manofana ireo tompon’andraikitra na ara-panjakana izany, toy ny zandary, ny polisy, ny mpiandry fonja, ny mpahay lalàna, na ireo avy amin’ny fiaharamonim-pirenena na fikambanana tsotra sy ny maro hafa. Ireo olona avy niofana no mampihatra ny fahalalany any amin’ny andraikitra izay misy azy tsirairay. Azo tsapain-tanana avy amin’ireo fangatahana hanohizana ny fiofanana indray, avy amin’ireo firenena efa nandehananay, ny fahalinan’ny olona amin’ity ady atao amin’ny ampahoriana ity », hoy ihany ny dokotera Marie-Claude Lénès. Fomba fandraisanana an-tanana « Avy amin’ny retsika dimy no andraisan’ny saina ny ratra na ny dona mihatra aminy. Miraikitra ao izany ary mila fahaizana ny manala azy indray. Ny voalohany indrindra atao dia ny mampahafantatra sy ny faneken’ilay olona fa tratry ny ampahoriana izy. Aorian’izay dia manafaka azy amin’izay dona miteraka ratra ara-tsaina mahazo azy izay », hoy ihany ity dokotera vehivavy manam-pahaizana manokana ity. Nanisy fanamarihana ihany koa anefa izy fa tsy vitan’ny olona na fikambanana iray ny famongorana ny ampahoriana. « Tsy maintsy miara-manaiky sy mandray andraikitra daholo, indrindra ny mpitondra raha mitady vokatra tsara amin’ny fialana amin’ny ampahoriana », hoy izy. Ny vokatra andrasana « Samy hafa ny fomba firesaky ny olona iray nahazo fiofanana mahakasika ny ampahoriana sy ny olona tsy mahalala mahakasika izany mihitsy. Any amin’ireo firenena izay efa nalehanay dia, na ny zandary, na ny polisy na ny mpamonjy voina dia mandefa avy hatrany amin’ireo fikambanana na sehatra ahafahana mandray an-tanana ireo olona tratry ny ampahoriana. Na ny tsy fandriampahalemana aza araka izany dia azo sorohina tsara raha tafita any amin’ny tsirairay ny fisorohana izay omenay mandritra ny fanofanana ireo olona voakasika amin’izany », hoy kosa i Jean Boivin. Dokotera malagasy voakasika Misy dokotera malagasy iray ihany koa nandalina mahakasika ity ampahoriana ity. « Azoko lazaina fa vavolombelona nioty vokatra tsara tamin’ny fandalinanana ny ampahoriana aho tany La Réunion. Mahakasika antsika malagasy manokana raha hijery ny tantaram-pirenena dia betsaka ireo tranga nampisy ny olona tratry ny ampahoriana. Isan’ireny ny taona 1971 izay nisian’ny olona maty maro tany atsimon’ny Nosy, ny 1972 krizy teto an-drenivohitra, ny 1975 nahafaty ny kolonely Ratsimandrava, ny 1985 nisian’ny raharaha kung fu nahafaty ireo mpikatroka maromaro, ny 1991 teny Iavoloha nahafaty olona am-polony maro , ny krizy niteraka fifandonana tamin’ny 2002 izay nisy ny maty sy nitondra taikaitra ary ny 7 febroary 2009 teny Ambohitsorohitra nahafaty olona am-polony maro ihany koa. Ireo rehetra ireo dia niteraka fahatsiarovana ratsy ka manjary mahatonga ilay ratra an-tsaina na ho an’ireo fianakaviana, na ho an’ireo namana akaikin’ireo olona voakasika na ho an’ny olona tsotra fotsiny amin’izao », hoy kosa ny dokotera Alice Ranorojaona, isan’ireo nandalina mahakasika ny ampahoriana. Fiofanana ho an’ny Malagasy Ny alarobia izao dia mikarakara fanomezam-piofanana eny amin’ny Tranombokim-pirenena eny Anosy ny fikambanana Fmcsf. « Tsy manao politika no sady tsy miankina na amin’iza na amin’iza ny fikambananay. Mandalo eto Madagasikara izahay satria misy ny fikambanana tsy miankina ihany koa maniry ny hanaovana fiofanana eto, tahaka ireo firenen-kafa. Mino izahay fa hitondra voka-tsoa ho an’ny Malagasy izany fanofanana ataonay izany », hoy kosa i Jean Boivin. « Nasaina hanatrika io fiofanana io daholo ireo solontena izay heverina fa voakasika mivantana amin’ny fisorohana ny ampahoriana. Hatramin’ireo mpitsabo nentim-paharazana aza dia nantsoina ihany koa », hoy kosa ny dokotera Alice Ranorojaona izay tompon-kevitra tamin’izany fanofanana izany. « Fanasitranana ny ferin’ny tantara amin’ny fialana amin’ny toeran’ny ampahoriana ». Io kosa no lohahevitra mandritra ny fanofanana.
Soratra : Faralala Sary : Faralala, tahiry |
|
Fiainana mpanakanto – « Hadaladalana ny an-dRamora Favori, fa tsy resa-drongony na toaka » OLONA ADALA TSY MITOVY AMIN’NY OLONA ARA-DALANA NO FIERITRERETAN’NY MPITAZANA AN-DRAMORA FAVORI. IO HADALANA IO ANEFA NO VOALAZAN’ITY MPANAKANTO ITY FA HANOVOZANY AINGAM-PANAHY. NA ADALADALA AZA ANEFA, MIJORO HO RAIM-PIANAKAVIANA IZY, MPANAKANTO, TSY MENATRA MISEHO FA TIA VEHIVAVY… Nalaza tsy fidiny. Ranaivomanana Heritiana no tena anaran-dRamora Favori, mpanakanto fantatry ny maro amin’ilay hira hoe: « Foza orana ». Takona tao ambadik’io hira nivoaka tamin’ny taona 2009 io mihitsy ny anaran’ity mpanakanto ity. Ny taona 2008 anefa Ramora Favori no efa nanomboka nihira ary nanoratra tononkalo ihany koa izy nanomboka tamin’ny 2005. « Efa voajanahary ato anatiko ny famoronana tononkalo. Ny hira kosa indray nataotao fotsiny fa tsy misy feo akory. Tena feo kadradraka, bareraka mihitsy; kanefa dia lasa nalaza tampoka », hoy Ramora Favori, sady nivanitika. Noho izay laza tampoka izay no eritreretiny hirosoana amin’ny sehatry ny matihanina ho mpanakanto. Anara-petaka hatramin’ny fahakeliny ny Ramora Favori io. Toy izao ny tantarany : « Nenintoanay no nametaka an’io, satria hono midongy kilalaon’ankizy foana aho dia nolazainy fa Ramoramanana ». Misy manambany Feno tanteraka ny andron’ity mpanankanto tsy dia mipetraka an-trano ity. Vao maraina ny lehilahy dia efa miala ny tokantranony miaraka amin’ny kitapo feno kapila mangirana sy rano amin’ny tavoahangy kely. Mikotrana (mihazakazaka, manao aïkido, mibata fonjam-by,…) no ataony ny maraina. Mivarotra ny kapila mangirana izay vokariny ihany kosa izy ny antoandro. Feno azy ny tanàna amin’io fotoana ivarotany io, miainga eny Andohatapenaka, Andavamamba, Isotry, Anosy, Mahamasina, Analakely,… « Misy olona manambany mihitsy hoe artista mandeha an-tongotra mivarotra CD fa tsy hamakiako loha. Efa namoronako hira mihitsy izany », hoy Ramora Favori. Manao fanazaran-tena amin’ny taranja baolina lavalava kosa izy ny hariva. Izy tenany ihany no mamokatra sy mivarotra ny kapila mangirana. « Tsy miraharaha ny sary tsara na ratsy aho, fa rehefa misy fandraisana feo sy sary dia ampy ahy », hoy izy. Ar 1 000 no ivarotany ny iray amin’ny kapila mangirana ary hira iray no ao anatiny (single). Nambaran-dRamora Favori fa manampy betsaka azy ilay toetra kidaladala amin’ny famoronana sy amin’ny maha mpanakanto azy. « Nisy mpanakanto vehivavy izay resy lahatra ary nilaza tamiko mihitsy fa mampidi-bola ilay maha kidaladala », sady faly izy. Nodisoin-dRamora Favori kosa ireo mihevitra azy ho mandray zava-mahadomelina. « Sady tsy mifoka aho no tsy misotro. Ny toetra kidaladala no ahafahako maka aingam-panahy. 30 segondra aho dia efa mahavita manao tononkalo ary roa minitra ny hira. Miainga amin’ny zava-misy ny hira dia asiana rima fotsiny. Vazo miteny amin’ny alalan’ny fanakianana no tena manavanana ahy ny mamorona azy« , hoy izy. Tia vehivavy Ramora Favori. « Be chérie » no hamintinany an’io toetra io. « Efa tia vehivavy hatramin’izay aho. Rehefa nalaza anefa dia ny vehivavy indray no tara, indrindra ireo sipa kely. Matahotra aho amin’ireo sipakely ireo, ka aleoko nitady madama indray. Efa an’arivony izay ny vehivavy niaraka tamiko. Enina ny zanako, dimy ny reniny ary iray ny vady », hoy izy raha nitantara fohy ny fiainany. « Hitsoahana fotsiny indraindray ilay vehivavy fa sady mandany vola no mandany hery ». Navoakan-dRamora Favori tamin’ny alalan’ny horonantsary mihitsy io fiainany io ary nampitondrainy ny lohateny hoe » Ramora sy ny fatim-behivaviny ». « Horonantsary mitantara ny fiainako mihitsy izy io. Fiainako tamin’izaho be vehivavy, avy niroso tamin’ny fandalinana ny Baiboly, ary niverina indray tamin’ny fitiavam-behivavy », hoy izy sady mihomehy. Nohamafisiny fa mahafehy tsara ny Baiboly ny tenany. « Henjana sady « maître » aho raha vao resaka Baiboly. Tena nianarako tao amin’ny finoana iray io, saingy haiko daholo ny miadihevitra amin’ny karazam-pinoana ary tsy hibabeko anaram-piangonana », hoy izy. Sahin-dRamora ny milaza fa tena mahavelona ilay malaza. » CD 4 000 isaky ny rakikira no efa lafoko », hoy izy sady faly. Efa nahavokatra rakikira fito izy ary efa an-dalana ny fanimbalony. « Sipa kely mpianatry ny Ceg no tena be mpividy ny sariko », hoy izy sady nivanitika. Ny ao an-trano no ara-dalàna « Tsy maka sarotra amin’ny fanampiana ireo zanaka sy vehivavy », hoy izy manoloana ny adidy tsy maintsy ataony. « Tsy maintsy ampiana ireo zanaka mbola mianatra ary tsy atao ambanin-javatra ny ao an-trano. Ny any ivelany kosa rehefa fety vao hividianana akanjo sy karakaraina. Ireo vehivavy ireo rahateo efa manambady avokoa », hoy Ramora mitantara ny fikarakarany ny zanany sy ny vehivaviny. Miaina ao anatin’ny hadalana Ramora Favori amin’ny fiainany; saingy nomarihiny kosa fa hentitra izy amin’ny fitaizana ny zanany. « Matotra sady tsy mihanihany ary tsy maintsy mametraka foana amin’ny maha raim-pianakaviana ahy aho. Ny fiainana atao ihany fa ny zanaka kosa tsy azo atao ambanin-javatra. Tsy maintsy omanina ny ho avin’izy ireo », hoy Ramora.
Sary: Hery Rakotondrazaka Soratra: Lilia Rajaonah
|


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |