Subscribe to RSS

FANADIHADINA AO RAHA Miverena

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona(0)

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA AVOKOA REHEFA HOPITALY NITADIAVANA AZY.

Hatairana ny an’ireo vady aman-janaky Randriamananjara Heritsoa rehefa tsy nody ity farany  ny alin’ny Alahady 12 mey lasa teo, raha nilaza ny handeha hijery baolina teny Tsarahonenana no nivoahany ny trano ny antoandro. Notsilovina avokoa ireo tatatra rehetra manodidina an’Ankadindramamy iny sao nianjera tany ho any ka tsy nisy mpahita. «Nivezivezy nitady azy izahay ny alin’iny satria efa tsy dia salama loatra i Tsoa nefa mbola nivoaka ny trano. Fanaony ny mandehandeha saingy tsy lasa lavitra izy fa manodidina ety ihany no tena falehany», hoy Vololomanitrarivo Dina, vady navelan-dRatompokolahy. Nampandrenesina avokoa ireo havana aman-tsakaiza rehetra sao mba nisy nahita azy, saingy niala maina nandritra ny telo andro. Notetezina mila ho isan’andro vaky ny tranom-patin’ireo hopitaly lehibe teto Iarivo hatramin’ny alarobia lasa teo saingy tsy hita mihitsy ny nofo mangatsiakany. Ankona ireto fianakaviana raha nahita ny razana ny alakamisy maraina teo. «Tsy nahalala azy ireo fianakaviana fa izaho no tena nahalala hoe tena i Tsoa io maty io», hoy hatrany ny vady andefimandriny.

Be vazivazy…

Tomefy olona ny tanànan’Ambohidahy tamin’ny fanotronana farany ny nofo mangatsiakan’i Tsoa  ny Sabotsy maraina lasa teo. Samy nanamafy izy ireo fa tena olona mamy hoditra teo amin’ny fiarahamonina tokoa ity nodimandry ity. «Rehefa misy fahoriana eto an-tanàna dia tsy mianona fotsiny amin’ny famangiana i Tsoa fa manolo-tena hanatanteraka ny fiaretan-tory mihitsy. Vatrany mihitsy aza ny mamonjy ny fandevenana raha toa ka mbola manodidina an’Antananarivo no anaterana ilay mpiray vodirindrina nodimandry», hoy i Mosesy namana akaiky azy.

Olona be vazivazy ihany koa izy teo anivon’ny fiarahamonina. Tia firaisan-kina  ary tsy mahatanty mijery olona manana olana, ka mahavatra manolo-tanana. Mizara izay mba ananany amin’ireo akamany izy ary manao izay hampifalifaliana ireo manodidina azy rehefa faran’ny herinandro.

«Tso-po sady malala-tanana i Tsoa. Tsy mba tia zavatra an-kinafina fa milaza avy hatrany izay tena ao am-pony. Manampy ny olona ao anaty fahasahiranana ihany koa izy. Tsy nahagaga raha vory ny namana sy olom-pantatra nanotrona sy nanao veloma farany azy», hoy Ravoniarisoa Simone , anabavin’i Tsoa.

Tsiaro an’i Dada

Telo mianadahy ny zanak’i Tsoa, samy manana ny aha­tsiarovany an-drainy daholo ireo zaza ireo. «Matetika aho no tenenin’i Dadanay foana fa ny lehilahy dia natao hamelom-bady aman-janaka. Fanaony ihany koa ny manome torohevitra sy anatra ho amin’ny fahendrena. Tena tia anay izy ary mitondra ahy tsara sy mifampiresaka ny fiainako ivelan’ny trano. Ny fitendrena gitara no tena ahatsiarovako azy», hoy Randriamananjara Manohisoa Sedo, zanany lahimatoa.

«Tia manambitamby dadanay ary tena tsara fanahy. Na dia izany aza dia tsy miresaka aminy firy ireo tsiambarateloko aho.», hoy kosa i Vololomananjara Maharitsoa Nadie, zanaka vavitokan’i Tsoa.

Fahabangana ho azy efa-mianaka tanteraka ny fandaozan’i Tsoa azy ireo tao anatin’ny tampoka sady tsy natrehi-maso akory ny fialany aina.

Mampiahiahy

Mbola ankamantatra ho an’ireo fianakaviana kosa hatreto ny nahitana ny vatana mangatsiakany teny Ankorondrano. Tanàna tsy mba falehany mantsy iny toerana iny. Gaga ihany ireo fianakaviana raha nahita tamin’ny gazety fa tany Ankorondrano no hita ny nofo mangatsiakan’i Tsoa. «Tsy mazava aminay hatreto ny antony nahitana azy tany Ankorondrano Andrano­mahery. Noho izy tsy dia salama dia tsy sahy mandeha tongotra lavitra nefa any no nahitana azy», hoy hatrany Ravoniarisoa Simone, anabavin’i Tsoa. Niezaka nampionona ny tenany ireto fianakaviana ary velom-panantenana tamin’ny fahitana ny nofo mangatsiakany. Mbola eo am-panatanterahana ny fombafomba fanao amin’ny fisaonana rahateo ry zareo, ka miandry am-pitoniana izay fomba rehetra ahafahana mamantatra ny antony nahafaty an’i Tsoa.

Ny fianakavian’i Tsoa dia maneho fisaorana ireo rehetra nikarakara ny razana hatreny Ankorondrano Andranomahery sy ireo izay nanampy tamin’ny fandevenana azy.

Sary sy soratra: Maminiaina Andri.

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY.

Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany.

Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s.
Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika.

Nandeha ny resa-be

Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Na dia nanomboka nahaleo tena aza i Farah John’s ny 2009, ka namoaka ilay hira “za tsy kivy”, dia mbola mitohy ny fifandraisany tamin’i Jerry Marcoss. “Hatramin’izao rehefa misy zavatra atao, dia tsy mitsahatra ny manontany sy maka hevitra aminy aho. Izy rahateo manoro sy manome hevitra amin’ny mozika ataoko”, araka ny fanampim-panazavan’ity andriambavilanitry ny gadona mihetsiketsika ity.

Na izany aza, niezaka ny nanana ny naha izy azy hatrany i Farah John’s teo am-panohizana nitrandraka ny gadona Antôsy, raha ny salegy sy ny kawitry no tena niarahany tamin’i Jerry Marcoss.

Ny olon-tiany

Na mbola tsy manambady aza i Farah John’s, dia manana ny olon-tiany izy. Nomarihiny fa tsy ao anatin’ny tontolon’ny mozika mihitsy ny asa ataon’io lehilahy nambabo ny fony io, eny fa na dia efa nahare ny resaka miely tamin’ny hoe fiarahan’i Jerry Marcoss sy Farah John’s aza ralehilahy. “Tezitra kely ihany izy tany am-boalohany fa rehefa nohazavaina taminy dia azony ihany ny zava-misy”, hoy indray i Farah John’s, raha namaly momba izay mety ho fahasarotam-piaron’io olon-tiany io.
Nomarihiny anefa fa saro-piaro kely aminy ihany ity andrianin’ny fony ity ary misy aza ny fihetsika mitranga mahasorena an’i Farah John’s indraindray. Momba izay dia naborany fa “anisan’ny mahasorena azy ny fandefasany hafatra amin’ny finday tsy misy farany any aminy, indrindra rehefa manao seho takariva na mampandihy izahay”. Notsindriany fa “asa anie ny atao any fa tsy misy zavatra hafa atao akory”.

Vehivavy mihanta i Fara John’s amin’ny fiainana andavanandro. Noho ny olona miara-mipetraka aminy  mampihanta azy tamin’ny lafiny maro, dia tsy manao na inona na inona izy rehefa ao an-trano. Izy rahateo dia tsy tia mivoaka matetika ny trano fa rehefa tsy misy atao dia anisan’ny fialamboliny ny mijery fahitalavitra. “Ireny horonantsary fanadihadiana ireny no tena ankafiziko”, hoy i Farah John’s.

Tia lamaody

Toy ireo andriambavilanitra mpanakanto, dia manaraka ary manana ny lamaodiny ihany koa i Farah John’s. Ho an’ny fitafiana fitondra eny an-tsehatra, ohatra, dia anisan’ny ankifiziny ary tena ahafantarana azy ny fanaovana “short” fohy. “Mahazo aina kokoa aho amin’ireny fitafiana ireny, hoy izy, ary malalaka kokoa ny vatana amin’ny fihetsika sy ny dihy atao”.
Amin’ny andavanandro kosa anefa, rehefa tsy eny an-tsehatra izy dia ny pa­taloa “jean” no tena fitondrany. Noho izy tsy dia tia mivoaka loatra, satria dia anisan’ny manelingelina azy ny mason’ireo mpitazana, dia saika amin’ny fandehanany any ivelany no ividianany ireo fitafiana. “Tena efa marobe ny ankajoko ao ary efa tsy omby ny lali­moara intsony”, hoy i Farah John’s.

Ny tsy itovizany amin’ireo andriambavilanitra hafa anefa dia ny tsy fisoloana akanjo matetika mandritra ny fampisehoana. Nanazava izany ity mpanakanto ity ary nanamarika fa “tsy foiko ireo mpijery rehefa miakatra ny aingam-panahy, ka tsy te handao azy ireo matetika aho”.

Nanamarika ny fiainan’i Farah John’s ny sehatry ny mozika ary anisan’ireo tsy afaka ao an-tsainy ny fampisehoana voalohany nataony tany Vohemar, tanàna nihaviany tamin’ny 2011 ka niarahany nitsinjaka tamin’ireo mpijery nahatratra 10 500 nanoloana azy. Toy izany koa ny tany Farafangana, izay nambarany fa zara raha nihira izy nandritra ny fampisehoana fa saika ireo mpijery avokoa no niventy ny vazo rehetra.

Nandevin-joky

Tany Vohemar ihany koa anefa ny fahatsiarovana ratsy indrindra ho azy satria ny 9 janoary 2011, daty tokony hanaovany ny fam­pisehoana voalohany tany an-toerana no daty nandevenana ihany koa ny zokiny vavimatoa. Nofoanana ny fam­pisehoana na dia efa nandeha iray volana sy tapany aza ny dokam-barotra fampahafantarana izany seho izany. “Ny tena nampihetsi-po dia marobe ireo mpankafy no nanotrona anay tao anatin’ ny fahoriana”.

26 taona i Farah John’s ankehitriny ary efa ao anatin’ny eritreriny ny hiroso amin’ny fanambadiana. Anisan’ny tena tiany rehefa ao anatin’ ny tokantrano ny ho maro anaka ka niresahany fa 10 mianadahy izy ireo ary izy no faravavy. “Hitako ary tsapako ny fahamaroan’ny ao an-trano ka tiako raha enina mianadahy no isan’ny zanako, telo lahy sy telo vavy”, hoy izy.
Eo am-piandrasana izay anefa, dia raisin’ity mpanakanto ity ho toy ny fianakaviany ireo mpikambana ao amin’ny tarika. “Tsy maintsy mahita ireo mpitendry sy mpihira ary mpandihy miaraka amiko aho, intelo na inefatra isan-kerinandro farafaharatsiny”, hoy izy. Misy nefa ny fitsipi-pitondran-tena ifanarahany amin’ireo iray tarika aminy, ka anisan’ny tena mahasarotiny ary mahatezitra azy ny tsy fahamatorana sy ny fandisoana fotoana. “Ny fombako rehefa tezitra aho dia tsy miteny mihitsy. Rehefa izay no mitranga dia mahalala daholo ireo ankizy ireo fa nisy zavatra nahatezitra ahy tao”.

Anisan’ny ahafantarana an’i Farah John’s ny fahaizany manentana ireo mpijery ary matetika no mahavita kilaometatra vitsivitsy amin’ny hazakazaka madinika sy fivezivezena eny an-tsehatra izy. “Rehefa reraka aho dia malaina mihinan-kanina. Na izany aza anisan’ny tena ankafiziko ny sakafo miaraka ain’ny voasary makirana”, araka ny filazany.

Nangonin’i Faly Randriamiarantsoa

CONFIANCE

Isan’andro anao magnotany e!

Est-ce que zaho tia?

Tsy aiko izay mbola hitranga!

Fagniriako mba ho doria

Zaho koa tara mody

Anao efa tsy matoky

Aiko fitapitaka, fa zaho sy mankasitraka

 

Réf:

Eh eh, Confiance tiako

Ouh ouh confiance Cheri

Confiance tiako, confiance cheri

Matokisa zaho ô amin’ny zaka jiaby

Confiance tiako, confiance cheri

Matokisa zaho ô, zaho tsy ampirafy

 

Mahazo magnantena

Fa zaho tsy tia tegna

Anao koa falifaly

Zaho mba tsy mijaly

Tsy aiko na fantatrao

Zaho tsy tia hiala anao

Tsy volagna zaka maro

Sao atao be kabaro

 

Réf

 

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

 

NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Maty voadonan’ny taksibe 163, tamin’ ny sabotsy 11mey teo, tetsy amin’ny arabe Marais-Masay, Rabariherilala Andry Jean Bertaoud. Zazalahy faharoa amin’izy telo mianadahy zanak’i Bariherilala sy Rasoarivelo Noéline. Mpianatra taona fahenina tao amin’ny CEG Nanisana izy ary monina etsy Amboditsiry kosa ireo ray aman-dreniny. Nilalao baolina toy ny fanaony hatrany i Andry, tamin’io  sabotsy io. Tampotampoka teo anefa dia nandeha naka trondro teny amin’ny Marais-Masay niaraka tamin’ny zokiny lahimatoa izy.

«Tsy fanaon’i Andry mihitsy ny maka trondro eny Masay. Isaky ny alahady aza matetika no entiko mitaingina lakana eny izy sy ny zokiny lahy ary i Andry hatrany no mitaona anay hody fa tsy zakan’ny sainy ny mahita ireo fiara mirimorimo amin’iny arabe iny. Tsy nampoiziko mihitsy hoe ny zanako no ho fatin’ny lozam-piarakodia eo amin’io lalan’i Masay io», hoy i Bariherilala, rain’i Andry, nitantara ny nanjo an-janany.

«Niara-naka trondro teny amin’i Masay izahay. Efa tafita tety an-kavanan-dalana izahay roa lahy nefa hadinony teo amoron-drano ny trondrony. Ndeha hiverina haka ilay trondro i Andry ary efa eo amin’ilay sisin-dalana (trottoir) afovoany no nisy taksibe 163 anankiroa nifanenjika avy any andrefana hifam­pisongona ka nifaoka azy. Nipitika sahabo ho 100 metatra izy izay vao nitontona tamin’ny tany ary mbola nodiavin’ilay kodiarana  roa tamin’ny ilany havian’ilay fiara», hoy indray ilay zokiny lahy, latsa-dranomaso sy mbola nangovingovitra raha nampahatsiahy ny fitrangan’ny loza tamin’io andro io.

Tsy niverina ny sain-dreniny  

Tsy nahatsiaro saina ny reniny nandritra ny naha teo am-bohitra ny razana. «Tsy nahatsiaro saina ny vadiko ary tsy navela hijery ny nofo mangatsiakan-janakay izy nandritra ny fotoana niaretan-tory», hoy i Bariherilala vadiny. Tsy fantany na dia ny rahavaviny aza nefa efa olona mifanerasera aminy isan’andro.

Mihendratrendratra hatrany ity renim-pianakaviana ity taorian’ io loza io, na dia efa ho herinandro latsaka kely aza no namoizany ilay lahiaivony. Rehefa tsy verivery saina toy izany izy, dia mba mitony rehefa matory, raha ny fahitana azy tao an-tokantranony, omaly.

Mbola ady sy tolona ho an’i Bariherilala koa hatreto ny fitsaboana io vadiny io sy ny fanambatambazana azy hiezaka handamina ny fiainany. Miezaka manampy sy manohana ara-tsaina azy ireo fianakaviana hatramin’izao.

Ar 7 000 monja

«Nantsoin’ny rahavavin’ny vadiko aho io sabotsy io ho any amin’ny kaomisaria ao Tsaralalàna ary nasainy nitondra bokim-pianakaviana sy kara-panondro. Tsy nanana afa-tsy vola Ar 7 000 aho tamin’izay nefa nasain-dry zareo nandeha fiarakaretsaka. Tonga tao amin’ny birao aho ka ny vaovao momba ny fahafatesan’i Andry tamin’ny fahitalavitra tao amin’ny polisy ao Tsaralalàna no nitsena ahy. Ankona tsy nahateny aho fa avy dia ny ranomasoko no nirotsaka», hoy hatrany ny rainy mitantara ny olana nosedrainy tamin’io andro io.

Tsy nanam-bola ny fianakavian’i Bariherilala tamin’io fotoana io nefa ny adidy tsy maintsy hatrehina. Isan’ny nanampy azy ireo betsaka ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre, talen’ny sampana seraseran’ny Polisim-pirenena, tamin’ny fikarakarana sy famoahana ny razana avy ao amin’ny tranom-paty.

Mpanaja olona

Mampiavaka ny toetran’i Andry ny fifaneraserany tamin’ny mpiara-monina rehetra, eny fa na ireo olon-dehibe tsy fantany aza. «Zazalahikely tsotra sy tia manaja olona izy. Vatrany ny miarahaba ireo olon-dehibe eto an-tanàna  isaky ny handeha hianatra» , hoy i Soanandrasana Elisabeth, rahavavin-dreniny.

Tsy mba tia adiady i Andry na dia misy aza ireo ankizy lahy mihetraketraka aminy. Mpikambana amin’ny fikambanana skoto rahateo ny tenany ary io no namolavola azy hanana fandeferana sy tia mandray andraikitra. Tena ankafiziny ny lalao baolina kitra sy ny fanenjika.

«Niteny tamiko izy fa tsy hianatra intsony  tamin’ity taona ity raha tsy afaka taona fahenina tao amin’ny Ceg Nanisana», hoy hatrany ny rahavavin-dreniny. Hafaliana anefa ny azy tamin’ny nahitana ny valim-panadinana hidirana taona fahenina satria afaka soa aman-tsara. Zaza mpankatoa anatra i Andry saingy tsy manaiky lembenana kosa izy raha hitany fa marina ny azy na dia horesena lahatra mandra-pahariva ny andro aza.

Nangonin’i Maminiaina Andri.

Faran’ny herinandro Faran’ny herinandro

CLUB NAUTIQUE IVATO

«Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti»

Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti. Araka izany, karazana gadon-kira samihafa no hatolotra ireo mpijery sy mpitsangatsangana mandritra ny tontolo andro manomboka ka ankoatra ny vazo mitenin-dRamora Favori, dia hanana ny anjara toerany ihany koa ny salegy ho entin’i Wawa, ny kawitrin’i Vaiavy Chila, ary ireo karazana gadona mifangaro entin’i Jarifa miaraka amin’i Rojo andrimbavilanitra mpiara-mihira aminy. Hanana ny safidiny, araka izany, ireo mpijery amin’ity andro ity.

CCI IVATO

«Deux 104» ahitana ny tohin’ny tantaran’i Lenaivo sy Faniry

Masaka ny nahandro. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato ny fampisehoana ilay tantara «Deux 104», novokarin’ny Scoop Digital. Ao anatin’ity andiany faharoa ity dia mbola hisafotofoto ihany ny tantara ary hisy amin’izany ny fisehoan’ny marina sasany momba ny tantaran’i Lenaivo sy Faniry. Tamin’ny andiany voalohany dia tratra tamin’ny teti-dratsin-dRalisy ka nigadra ary nanondro an-dRainimanga avy eo, izay nahafantatra zavatra maro momba ny tantaran’i Voara sy Lenaivo an-daniny ary ny momba an-dRalisy sy Rainimanga an-kilany. Hifamahofaho ao anatin’ny tantara ny tontolon’ny fitiavana sy ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina.

RITZ ANALAKELY

«Hatraiza Andriamanitra 2»

Dimy volana taorian’ny andiany voalohany, dia haseho voalohany, etsy amin’ny sinema Rex sy Ritz etsy Analakely ny alatsinain’ny Pantekôty izao, amin’ny 2 ora sy amin’ny 4 ora tolakandro, ilay horonantsary novokarin’ny Mah-Ki Prod «Hatraiza Andriamanitra 2». Ankoatra ireo mpilalao teo aloha, toa an-dry Tsarafara (Rajao) , Gégé Rasamoely, ary Rova (Tahiry), dia hitondra ny talentany amin’ity horonantsary ity ihany koa  Rakotondrafara Jocelyn na i Pasitera, ao amin’ny Malok’ila. Handray anjara koa anefa ny mompera Pedro ka hisy ny dinika hifanaovany amin’i Tahiry (zandrin’i Tahiana) mikasika ny fiainany.

Raha fintinina, taorian’ny fahafatesan’ny reniny dia niakatra ny renivohitra i Tahina sy Tahiry mba hitady asa. Tsy noraisin’ny mpampiasa izay efa tokony handray azy anefa izy roa ka lasa nirenireny. Tao anatin’izany no nihaonan’izy ireo tamin’ireo tsy manan-kialofana ka nanoro hevitra azy ho any amin’ny akanin’ny mompera Pedro. Voaray tany i Tahiry raha nanohy nirenireny kosa i Tahiana. Ity farany izay sendra mpitarika posy iray ka nitaiza azy ka nahita asa ho azy tamin’ny trano fisakafoanana iray. Tao anatin’izany anefa dia niova indray i Tahiana ary nahita ireo rendrarendra samihafa teto an-drenivohitra.

PIMENT CAFE BEHORIRIKA

«Rock sy Folk» hiarahana amin’i Mahery, Nini Kiaka ary Nini Kolibera

Samy manana ny hanitra ho azy nefa afaka hiaraka amin’ny sehatra iray. Mpanakanto telo samy manana ny talentany no antsoin’ny Piment Café hanafana ny sehatra anio alina manomboka amin’ny 9 ora alina ao anatin’ny «Rock sy Folk». Hiara-dia ao anatin’ity seho ity, araka izany, i Mahery, Nini ao amin’ny tarika Kiaka ary Nini Kolibera. Araka ny lohatenin’ny seho dia hifandimby ao anatin’ny sehatra ny hira rock, izay hiangalian’ny feomangan’i Nini sy ny Folk hiarahana amin’i Nini sy Mahery. Azo eritreretina ihany koa anefa ny mifamadika amin’izany na ny fifamenona sy ny fampiaraham-peo eo amin’ireo mpanakanto ireo. Zava-maneno iraisan’ireo gadona roa samy hafa ireo rahateo ny gitara.

JAO’S PUB – AMBOHIPO

Kilalaka ranoray hiarahana amin’i Barikanja

Mpanakanto vao misondrotra nefa efa manomboka manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny mozika mafana. Taorian’ny fitetezam-paritra samihafa, mandalo eto an-drenivohitra ary hiakatra ny sehatry ny Jao’s Pub, eny Ambohipo i Barinjaka, izay hanolotra kilalaka ranoray anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Mpanakanto avy any Ihosy ary anisan’ny nahafantarana azy ny «bevohoka tsy manambady»… Hampiavaka an’i Barijanka amin’ny fiakarana sehatra toy izao ny talentan’ireo efa-dahy izay manana fandihy miavaka miaraka aminy miaraka amin’ireo fitafy mahazatra sy ahafantarana ny tontolon’ny kilalaka.

Hanohy izay mozika mafana etsy amin’ny Jao’s Pub izay ihany ho an’ny rahampitso hariva kosa i Mamaliza sy Eddy Lejao.

LE LOUVRE – ANTANINARENINARado Manantsoa quintet hanolotra ny «Néo Soul & Jazz»

Gadona roa samy hafa nefa tsy mifanalivitra no handravaka ny sehatry ny Hotel du Louvre, etsy Antaninarenina, anio alina manomboka amin’ny 7 ora sy sasany. «Néo soul & Jazz» no lohatenin’ny fampisehoana izay hiarahana amin’i Rado Manantsoa quintet.

Hiara-hitendry aminy amin’ny fiangaliana ireo hira malaaza amin’ny soul sy ny jazz ireo mpitendry kalaza izay ahitana an-dry Hasina Rakotoarimalala (gitara beso), Rado Rakotorahalahy (amponga maroanaka), Thüryn Mitchell  ary Philippe Blin (flûte sy saxe).

Ho vahin’ity fampisehoana ity kosa i Manoa Ralisiarimanitra.

IFM ANALAKELY

«Teboka», soradihy ho lalaovin’ny Kaompania Lovatiana sy ireo jamba

Ao anatin’ilay hetsika «Kilokolo» momba ny dihy maoderina, asehon’ny Kaompania Lovatiana sy ireo manana olana ara-pahitana, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely anio alina ilay soradihy nampitondraina ny lohateny hoe «Teboka».

Mpandihy dimy mianadahy no hiantsehatra io soradihy, izay haharitra 55 minitra io ka ny roa avy amin’ny kaompania Lovatiana ary ny telo kosa dia manana fahasembanana ara-pahitana. Soradihy izay noforonin’i Lovatiana Rakotobe ary hoentin’i  Vonjitiana Richard, Anjara Nantenaina Rasamiarison, Aina Ratsirofo, Rinah Andriamalala ary Tafita Patrick Anoharimananjara eny an-tsehatra.

TOAMASINA

«Pantekôty maresaka» hiarahan’i Nantenaina sy Shyn

Sambany hiray sehatra ao Toamasina. «Pantekôty maresaka ao Tamatave», io no lohatenin’ny fampisehoana voalohany hiarahan’i Nantenaina sy Shyn any an-drenivohitr’i Betsimisaraka, ny alahadin’ny Pantekôty, ao amin’ny kianja mitafo Soavita, Toamasina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Raha karazana gadona maro no hoentin’i Nantenaina toy ny acapella,  Reggae ary indrindra ny fitrandrahana ny basesa, izay gadona nentin-drazana avy any amin’iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny dia ny tontolon’ny r’n'b kosa no ahafantarana an’i Shyn, izay anisan’ireo sangany amin’ny fiangaliana io gadona io. Fotoana voalohany hitondran’i Nantenaina an-tsehatra ilay rakikira vaovao “zanaka ambanivolo” ho an’ny mponin’i Tomasina. Hanakoako any an-toerana ihany koa anefa ireo hiran’i Shyn raha tsy hilaza afa-tsy ny “Mahatsara za”, “Ho avy”…

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena   

«Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay. Ny fanjakagna mizaha foagna», hoy ireo mponina any an-toerana. Toa very fanahy mbola velona ny any Mananara Avaratra mahita maso ny fitrandrahana sy fanondranana tsy amin-tahotra ny andramena, na dia efa namoaka didy fandraràna izany aza ny fitondrana foibe. Efa anaty tambajotra matanjaka ireo mpanao «tantely afa-drakotra» ny harem-pirenena ka sarotra ny mamaky ady aminy, araka ny fanazavan’ireo mponina sasantsasany, izay hany sahy miresaka ity raharaha andramena ity.

«Izahay miteny izao tsy misy  »parapluie » fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no ianteherana», hoy Rabemazava Soa Jean, raha namaky bantsilana fa fanta-poko, fanta-pirenena ny tompon’ny sambo anondranana ireo andramena any Mananara Avaratra. «Na ny toerana misy ny tahiry, any amin’ny dimy kilaometatra miala eto amin’ny tanànan’i Mananara aza dia fantatry ny rehetra», hoy ihany ity filohan’ny fikambanana Maso (Mananara Solidaire) ity, nanohy ny teniny.

Efa betsaka ihany ny tompon’andraikitra sy manampahefana nidodododoan-dry Rabemazava Soa Jean sy ny namany, nanaovana fanairana saingy toa tsy nisy vokany mivaingana izany hatreto, araka ny fanombanany azy. Toa vao mainka aza manome vahana ny mpanao ratsy. «Misy mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny Tetezamita milaza fa hanampy anay dia mangataka aminay ny anaran’ireo mpanao ‘bois de rose’ tsy ara-dalàna sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Rehefa azony anefa ny anarana dia entiny ampitahorana sy hakana vola any amin’ireto farany», hoy ihany Rabemazava Soa Jean naneho ny hakiviany amin’ireo olona mba nitarainana.

Basy atifi-kavana

Ny solontenam-panjakana any an-toerana dia naneho fahavononana handray fepetra manoloana ny gaboraraka. Namory ny OMC (Organe mixte de conception) izay ahitana ny Kaomandàn’ny borigadin’ny zandarimaria sy ny Kaomiseran’ny polisy ary nitarina tamin’ny tompon’andraikitry ny ala, ny Lehiben’ny distrika Raharison Mahatombo, tamin’ny volana avrily. Tapaka tamin’izany fa hatao ny andrimasom-pokonolona any amin’ireo toerana tena anaovan’ireo mpandroba ny harem-pirenena ny asa ratsiny. Hampiasaina koa ny mpitsikilo (agent de renseignement) izay hanaitra ny mpitandro ny filaminana, arakaraka ny zava-mitranga. Atao avy hatrany ny fisamborana dia tanterahina ny fombafomba rehetra voafaritry ny lalàna ahafahana manohy ny fanenjehana.

Tsy nafenin-dRaharison Mahatombo fa mametraka olana ara-piarahamonina ny fandraisana fepetra famaizana ny raharaha maizin’ny andramena. Mitaraina mantsy ny zanak’i Mananara, hoy izy, fa rehefa tonga ny andro iray dia ireo tompon-tany no miditra am-ponja «fa ry zareo tena tompon’andraikitra avy any Sambava na Antalaha na Antananarivo lasa mitsoaka».

Antso, noho izany, no nalefan’ny Lehiben’ny distrika tamin’ny mponina mba hampitsaharan’izy ireo ny fampanofana fiara na lakana na trano na tokontany amin’ny mpanao andramena.

Voaroba i Verezantsoro

Toerana telo no tena ivoahan’ny andramena ao Mananara Avaratra, dia ny ao amin’ny fokontany Enara, kaominina Antananivo, fokontany Ivarary, ao amin’ny kaominina Sandrakatsy ary ny manodidina ny fokontany Antevialabe, ao amin’ny kaominina Antanambe. Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao amin’ny faritry ny ala arovana Verezantsoro. Misy ihany anefa ny avy any amin’ny kaominina Manambolosy.

Ny ankamaroan’ireo andramenan’i Mananara dia tsy maintsy mandalo eo amin’ny vinany antsoina hoe Agnalila, vao akarina ao anaty sambo lehibe hitondra azy any ivelany. Any Sina matetika ny seranana iantsonan’ireo andramena avy aty Madagasikara. «Tsy misy tetiandro mazava ny fahatongavan’ny sambo fa rehefa voaangona ny entana dia vonona io. Tsikaritra anefa fa mielanelana roa volana eo ho eo ny fiavian’ny sambo. Sambo mahazaka entana any amin’ny 1 500 taonina na 2 000 taonina izy io», hoy Rabemazava Soa Jean, nijoro tsy nihambahamba.

Ny tangalamena Bonsantiry dia nivaky fa «botry sy sambo kely mahazaka entana 50 hatramin’ny 100 taonina miisa am-polony isam-bolana no mivoaka ny reniranon’i Managnara, mitondra andramena aondrana any an-tsambo efa miandry eny afovoan-dranomasina tsy lavitra ny morontsirak’i Mananara».

Kononkononina ny «Dina»

Andrandrain’ny mponina ny fahazoana tamberim-bidy avy amin’ireo andramena nogiazana mba hahafahana mampandroso an’i Mananara Avaratra. Teo anivon’ny Sehatra fifampidinihana Crdm no nitsiry ny hevitra hametrahana Dina ho amin’izany. «Hatreto dia tsy hita taratra amin’ny endrika ivelan’ny tanana ny fananan’i Mananara ireo harena isan-karazany. Takianay ny hanomezana tamberim-bidy anay avy amin’ireo andramena nogiazana», hoy Rabemazava Soa Jean.

Amin’ny alalan’ny Dina no heverin’ny Crdm fa hanatanterahana izany. Saingy hatramin’izao dia mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny manampahefana io Dina io.  Nomarihin’ny Lehiben’ny distrika, Raharison Mahatombo, fa ankoatra ireo andramena nogiazana dia misy koa ireo hazo nanaovana fanambaràna. Atoby amin’ny toerana vitsivitsy ireo andramena ireo ka tsy azo ahetsika mandra-pisian’ny didy avy amin’ny Fanjakana. Ireo dia hazo tapaka talohan’ny fandraràna ny fanapahana, fitaterana ary ny fivarotana ny andramena navoakan’ny Fanjakana.

Midangana ny vidim-piainana

Lafo fiainana indrindra amin’ireo tanàn-dehibe any amin’ny faritra misy azy i Mananara Avaratra. Misondrotra ny vidim-piainana indrindra amin’ny fotoanan’ny fiotazana jirofo sy lavanila eo anelanelan’ny volana oktobra sy janoary. Mampiakatra ny vidin-javatra koa ny fananan’ny olona vola noho ny raharaham-bato kristaly. Mbola ny Sinoa ihany koa no tonga manangona vato any an-toerana.

Tafakatra hatrany amin’ny 24 000 Ariary ny iray gony amin’ny saribao rehefa miakatra ny jirofo, raha vidiana 8 000 Ariary izany andavanandro. 450 Ariary no ividianana ny kapoakan’ny vary. Iray alina ariary ny kilao amin’ny hena mifangaro ary 12 000 Ariary ny nofony. 4 500 Ariary kosa ny litatra amin’ny lasantsy.

Heritiana Rabesetra

 

 

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana.

Ekipa vitsy no tsy manofa kianja

Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be.

«Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana.

«Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo.

Sasatra ny manarina kianja 

Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mive­zivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita.

Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina.

Dobo filomanosana sivy

Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja  ny tenisy.

Ilaharana na efa andoavam-bola aza

Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafima­hatratra Dina.

Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso.

Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny  fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io.

Taranja roa na telo ihany

Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana.

«Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay.

Refin’ny kianjana kitra manara-penitra :
Kitra lalaovin’olona 11 : 110 x 68 m
Kitra lalaovin’olona 9 : 90 x 70 m
Kitra lalaovin’olona 7 : 70 x 60 na 50 m
Kitra lalaovin’olona 5 na 4 : 35 x 15 m na 45 x 30 m raha misy mpiandry tsatokazo.

Refin’ny kianjana baskety :
28 x 15 m amin’ny ankapobeny. Nampitomboin’ny FIBA kely anefa ny habeny tamin’ny 2010.

Refin’ny kianjana volley :
18 x 9 m miampy sisiny 3 m.

Refin’ny kianjana tennis :
23,77 x 8,23 m.

Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Hetraketraky ny fiainana – Nametraka taratasy mifono hafatra ho am-badiny ilay raim-pianakaviana nisy namono Hetraketraky ny fiainana – Nametraka taratasy mifono hafatra ho am-badiny ilay raim-pianakaviana nisy namono

Herintaona lasa izay! Tao anaty alina maizin-kitroka no nandaozan-dRaherimanana Dina Lalaina tampoka ny vady aman-janany, ny fianakaviany sy ny namany rehetra vokatry ny tsatok’antsy niantefa teo amin’ny tendany. Teny Vontovorona no nisehoan’ity tranga ity.

Nandritra ny fotoam-pivavahana ho faha­tsiarovana azy, tao amin’ny Lasapelin-dry masera, tetsy Amparibe, omaly alahady, no nahafantarana fa nisy taratasy miendrika hafatra napetraky ny maty. «Namaky ilay ravin-taratasy iray fijeriny isan’andro izay aho herinandro taorian’ ny nahafatesany. Tsy mbola fantatro mihitsy izay voasoratra tao anatin’io taratasy io talohan’izay. Taitra aho rehefa namaky ilay izy fa tenin’ Andriamanitra maro be no tao anatiny. Sahala amin’ny hoe navelany ho ahy mba hataoko fiononana io taratasy io. Nataoko tao anaty fitoe­ran-tsary ilay taratasy ary nasiako zoron-trano manokana hahatsiarovana azy ao aminay ka teo no nametrahako ilay soratra miaraka amin’ny sariny sy ny zavany rehetra», hoy ny nambaran-dRajaonera Herimanana Francia, vady navelan’i Dina.

«Lasa fampaherezana ho ahy ny famakiana io taratasy io isaky ny misy olana mianjady amiko na koa tena malahelo azy aho. Sahala amin’ny mahita azy izany aho rehefa mamaky ireo hafatra maharitraritra», hoy ihany ity vadiny ity.

Manaiky aho

Hipoka ny fiangonana, omaly alahady, nandritra ny fotoam-pahatsiarovana an’i Dina. Saika maso nanganohano no hita teo amin’ireo mpanatrika. Nanakoako tao am-pian­gonana ilay hira malaza an’ i Firmin mitondra ny lohateny hoe:  »Manaiky aho ».
«Mino aho fa misy ny lanitra ary efa sambatra any izy izay. Izany no itiavako ilay hira hoe  »Manaiky aho » iny. Rehefa maheno ny tonon’iny hira iny aho dia tsy hitako intsony izay antony itomaniana. Tsapako avy hatrany fa toa misy hery hafa hoentin’iny hira iny eo amin’ny fiainako», hoy ny nambaran-dRajaonera Herimanana Francia, vady navelan’i Dina.
Tao anatin’izay herintaona izay dia mbola misy ireo fahatsiarovana tsy mety maty ao an-tsaina ho an’ireo fianakaviana sy ny

namana akaikin’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny faha-23 taonany ity.

Tsy mety maty

«Mbola tsy mety maty fa vao mainka mamaivay be ny fahatsiarovana azy. Amin’ny zavatra atao rehetra sy eny an-dalana eny dia misy haha­tsiarovana azy hatrany. Sahala amin’ny hoe  »feno azy ny tontoloko »», hoy ihany ny vady navelany.
«Mbola tsa­roako foana ilay izahay tao anaty fiara handeha ho any amin’ny hôpitaly tamin’izy vao voa tamin’iny fotoana iny», hoy kosa ny nambaran-dRakotondrabe Zarasoa August, namana akaiky an’i Dina sady niaraka taminy tamin’ny fotoana vao nahavoa azy.

Tetsy an-daniny anefa Rajaonera William, rafozan’i Dina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tao am-piangonana dia niezaka nampionona raha nilaza fa «efa nivadika ny pejy mikasika iny tantara iny ka ny toetran’i Dina sy ny ohatra napetrany no tokony ho alain-tahaka».

Ny fifankatiavana kosa no notsindrian’ny pretra nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’ny torinteny nataony. «Aoka isika hifankatia, hoy izy, satria isika no sisa velona eto. Tsy fivavahana amin’ny maty no anton’izao Sorona Masina izao fa fivavahana ho an’ny fanahin’ireo olona mijaly ao amin’ny afo fandiovana».

«Handeha hamonjy fety teny Vontovorona no nialany tao an-trano tamin’io zoma io. Ny sabotsy tokony ho tamin’ ny 3 ora maraina anefa no nisy nampandre izahay fa maty ary efa eny amin’ny tranom-paty izy. Rehefa nofantarina ny antony nahafaty azy dia ra nivaingana tany amin’ny lohany», hoy Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina, tamin’ny fotoana nitrangan’ity voina ity, herintaona lasa izay.

Toetra nafindra

Vao 3 taona ny zanak’i Dina ary raha ny filazan’ny fianakaviana dia tena manahaka an-drainy tokoa ilay zaza.
«Isaky ny mijery io zanany io aho dia toa mahita azy mihitsy. Tsy misy mpanana mihitsy ny fijerin’io zaza io, tena mitovy amin’ny fijeriny. Hita amin’ny tarehin’io zaza io avokoa ny toetran-drainy rehetra izay mitory fitiavana sy fahatsorana», hoy ny nambaran’i Hery Soa, fianakavian’ny vadin’i Dina.

Mbola tsy hita

Tsy nitsahatra nikaroka ny marina mikasika iny vono olona iny hatramin’izao ny mpitandro ny filaminana sy ny fianakavian’i Dina. Mbola miriaria any anefa ilay lehilahy voatondro ho nanindrona antsy azy. «Tsy misy zavatra azo lazaina betsaka afa-tsy ny hoe mivoatra hatrany ny toe-draharaha», hoy ny nambaran-Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina.

Rehefa nanontaniana kosa ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, mandray an-tanana io raharaha vono olona io dia nilaza fa «tamin’ ny fotoana nisehoan’ny voina dia efa naparitaka any amin’ireo toerana rehetra misy mpitandro ny filaminana manerana an’i Madagasikara ny sarin’ilay voatondro ho nahavanon-doza».

Tao aorian’ilay fotoam-pivavahana, omaly, dia nanatitra voninkazo tany amin’ny fasan-dRaherimalala Dina Lalaina, tetsy Ankadikely Ilafy ny vady aman-janany sy ny fianakaviany ary ny namany rehetra.

Soratra: Haja Randrianatoandro

Sary: Mamy Maël

Fiainana mpanakanto – Akanjo sy kiraro 100 isan-taona ataon’i Dah’Mama lavanty Fiainana mpanakanto – Akanjo sy kiraro 100 isan-taona ataon’i Dah’Mama lavanty

TSY ADINON’I DAH’MAMA NY NIHAVIANY. AVY AMIN’NY FIANAKAVIANA SAHIRANA ITY MPANAKANTO ITY KA NA AZO LAZAINA HO ISAN’IREO EFA FANTA-DAZA IZY ANKEHITRINY DIA MAHAZATRA AZY NY MANAO LAVANTY IREO AKANJO SY KIRARONY ISAN-TAONA. IZAY VOLA AZO AMIN’IZANY NO ATONTONY AMIN’NY FIKAMBANANA IRAY MIAHY IREO RENY SY ZAZA SAHIRANA. MIZARA NY FIAIMPIANANY AMIN’NY ANKAPOBENY AMINTSIKA ITY MPANAKANTO ITY.

Mpanakanto niaina tao anatin’ny fahasahiranana izy tamin’ny fahazazany ka nahatonga azy hanana ireo toe-tsaina te hanampy olona, ary nitarika an’i Dah’Mama taty aoriana hivarotra ireo fitafiana sy kirarony mba hanampiana ireo ankizy sy reny sahirana. Mpikambana rahateo amin’ny Lions Club Farafangana, izay fantatra amin’ny fanaovana asa soa izy.

Nanomboka tamin’ny 2005 no niditra teo amin’ny sehatry ny mozika i Elda Narijaona, izay fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Dah’Mama.

Tsy mitahiry ary tsy manana akanjo maro ao an-tokantranony i Dah’Mama. Isaky ny volana desambra, dia ataony lavanty mandritra ny hetsika hiarahany amin’ny Lions ireo fitafiana sy akanjony entiny amin’ireo rindran-tsary sy amin’ny fampisehoana ataony mandritra ny taona. Akanjo sy kiraro manodidina ny 100 no atolony mandritra izany, ka manomboka amin’ny Ar 20 000 ka hatramin’ny Ar 100 000 ny vidin’ireo kojakoja samihafa ireo. «Ireo mpankafy an’i Dah’Mama sy ireo mpikambana ao amin’ny Lions no manjifa ireny fitafiana sy kiraro ireny», araka ny fanazavana nentin’i Dah-Mama.  «Tsy manan-karena ihany koa aho fa ny talenta nomen’Andriamanitra no entiko hanampiana ny hafa», hoy ihany izy.

Mampiavaka ireo fitafiana ireo, dia i Dah’Mama ihany no mikaroka sy mamaritra ny didin’akanjony na dia misy aza indraindray ny olona mampiakanjo azy.

Somary misetrasetra

Ny tontolon’ny dihy no nahaliana an’i Dah’Mama, tany am-piandohana. Ny olombelo Ricky no nanosika azy hiroso tamin’ny mozika, raha nahare ny feony izay hafa sy miavaka. Niatrika atrikasa mikasika ny feo niaraka tamin’ny Olombelo Rikcy rahateo izy nialoha ny nanapahany hevitra ho mpihira.

«Taorian’ny fitsapana sy ny dingana natao dia nanapa-kevitra ny namoron-kira aho», araka ny fitantarany ary taorian’ izay no nivoahan-dry «Tonton Sôla», «Olala» ary ny «Valizy mena». Nanomboka teo ihany koa no nitsahatra ny famoronany tononkalo izay efa talentany hatramin’ny fahakely. «Kahie maromaro no efa voasoratro raha ny tononkalo no resahina», araka ny fitantarany. Nomarihiny rahateo fa aminy dia tsy mitovy ny famoronana tononkalo sy ny famoronana hira.

«Somary misetrasetra kokoa eo amin’ny sehatry ny tononkira raha malefadefaka any amin’ny tononkalo. Mifandaka ny fihetsem-po amin’ireo zavakanto roa ireo», hoy hatrany izy. Raha ny resaka fitiavana sy ny zon’ny ankizy no voaresaka betsaka tany amin’ny tononkalo dia saika miainga amin’ny zava-misy hitan’ny masony sy ren’ny sofiny kosa ireo tonon-kira. Amin’ireo sehatra roa ireo anefa dia takian’i Dah’Mama amin’ny sehatry ny famoronana hatrany ny fahanginana.

Mankafy fanatanjahantena

Ankoatra ny sehatry ny mozika, izay asa mihitsy ho azy, dia anisan’ny fialam-boly tena ankafizin’ity mpanakanto andriambavilanitra ity ny fanaovana fanatanjahantena toy ny fikarakarana ireo hozatra samihafa, ny hazakazaka madinika ary ny zumba. Tsy mametraka olana ho an’i Dah’Mama eo amin’ny fiainany andavanandro  ny fanaovana mozika. Mahay mifandamina izy mivady ka tsy nisalasala izy nanamarika fa «malalaka tanteraka izy amin’ny mozika sy ny kanto atao».

Na izay aza, rehefa tsy ao anatin’ny mozika izy dia mandray ny andraikitra toy ireo renim-pianakaviana rehetra. Anisan’izany ny fanaterana sy ny fitsenana azy mianadahy zanany ary ny fanaterana sakafo ho azy ireo. «Tsy mametraka olana fa efa zatra mandray ireo andraikitra ireo Ramose rehefa mandeha any amin’ny fitetezam-paritra aho», hoy ihany ny fanamarihany.

«Tsy saro-piaro amiko izy satria fantany ny fitiavako azy ary fantatro ny fitiavany ahy», hoy kosa izy raha nanontaniana ny resaka fahasarotam-piaro. Nanamarika rahateo izy fa hita ao anatin’ny hira ataony io fifandraisana io. «Matoky valeur» dia ilazany fa raha resaka fanambadiana dia tsy ho diso toerana ny hasarotam-piaro. Na izany aza anisan’ny tsy maintsy atao kosa ny fisian’ny serasera tsy tapaka eo aminay.

Noraisina toy ny mpanjaka

Nanamarika ny fiainan’i Dah’Mama teo amin’ny sehatry ny mozika ny fampisehoana iray izay nataony tamin’ny toerana iray teto Madagasikara. «Noraisina toy ireny mpanjaka ireny aho raha vao tonga teo amin’ilay toerana. Tamin’ny fotoanan’ny fampisehoana anefa dia olona roa no tonga nijery, izay tsy mbola fantatro ny antony hatramin’izao», hoy izy nitantara.
Vokatr’izany dia nitsoaka ny fiara izay nitondra azy ireo ary tsy hita ihany koa izay nalehan’ilay mpikarakara ny fampisehoana. «Tsy hiverina any amin’io toerana io intsony aho mandrakizay», hoy izy namarana io tantara io.

Tetsy an-kilan’izay anefa, dia anisan’ny tsy nampoizin’i Dah’Mama ihany koa ny trangan-javatra tamin’ny fampisehoana iray izay niarahany tamin’ny mpanakanto efa manana ny lazany. Ny tsy nampoizina anefa dia anisan’ny tena nandrasan’ireo mpijery tonga maro i Dah’Mama. «Nankafy ny olona ary hain’ireo mpijery tsianjery ny hiran’i Dah’Mama ary nisy aza ireo tafakatra teny an-tsehatra niaraka nihira tamiko», hoy ihany izy nitantara. «Fanamby tsy nomaniko io», hoy ihany izy.

Nangonin’i Faly Randriamiarantsoa

Mangala droite

Izy tia zaho, ka raha fitiavako azy

Zahay tsy misara-bady

Ity tia zaho, ka raha fitiavako azy

anao mangala droite

 

Réf :      Mangala droite (x4)

Anao mangala droite

 

Ela zahay nitokantrano

Efa taona maro

Maro raha hita nandalo

Zaho mbola ato

 

Marobe ny sabôtazy

Zaho tsy décourage

Na ino na ino vavan’olo

Zaho tsy misolo

 

Réf

 

Marina izy fa naditra

Tsisy tsy nahita

Mamo lava, maro sipa

Zany efa vita

 

Izy izao tsy ka raha taloha

Afaka, asa aloha

Nanjary haolo ny fijery

Izaho tsy irery

 

Réf

 

Izahay tsy maintsy tafita

Jalinay efa vita.

Faran’ny herinandro Faran’ny herinandro

ANTSAHAMANITRA

Seho hisantaran’ny tarika Rebika ny faha-25 taonany

Mpanakanto maro no nifandimby sy nitondra ny anjara birikiny tao amin’ny tarika Rebika. Ao anatin’ny fankalazan’izy ireo ny faha-25 taonany, dia hisy ny fampisehoana hiarahan’ireo mpikambana rehetra mandritra ny lanonana fankalazana, etsy Antsahamanitra, ny alahady 12 mey ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hotsiahivina mandritra ny fampisehoana ireo hira rehetra nahafantarana ny tarika tao anatin’izay 25 taona izay raha tsy hitanisa afa-tsy ny «Tanora milalao», «Ilay malalany», «Cyclone», «Complet», «Ento aho», «Miredareda», «Lahatra», «Mpivahiny», «Ao ve?»…… Araka izany ankoatra an’i Rivo sy Benja, izay efa tsy miaingaly intsony ny hiran’ny tarika Rebika, dia handray anjara amin’ny fampisehoana avokoa ireo mpikambana rehetra nandalo tao amin’ny tarika  ahitana an-dry  Tonton Pa, Lôla, Heritiana, Lucien Randrianina, Rampal, Noely, Hery ary Ra-Nix. Hisy ihany koa anefa ny mpitendry matihanina hanampy ny tarika ary ahitana an-dRija (amponga maroanaka), Fortunat (vata maroafitsoka), Mbola (gitara beso) ary Odéam (gitara).

IFM ANALAKELY

“Ampahatsorana” hiarahan’i Dadah ary hotronin’ireo namany

Mpikambana iray ao amin’ny tarika Mahaleo ary nanana ireo hira nampiavaka azy i Dadah izay hanolotra seho hiarahana aminy etsy amin’ny Institut Français de Madagascar na ny IFM etsy Analakely, ny sabotsy 11 mey izao manomboka amin’ny 7 ora hariva. “Ampahatsorana” no lohatenin’ny fampisehoana. Ahafantarana ity mpanakanto ity ireo hira mifono hevi-dalina ary matetika vokatra avy amin’ny fo. Misongadina ihany koa ny lehilahy amin’ny fitendrena gitara ary hainy ny mampiresaka io zava-maneno io hifanaraka ny hiangola hanaraka tsara ny tononkira. Hoentin’ity mpanakanto ity ao anatin’ny fampisehoana ireo hira nahafantarana azy tao amin’ny tarika Mahaleo na ireo nahafantarana azy tamin’i Dadah Rabel. Mpanakanto maromaro no hanotrona an’i Dadah ao anatin’ity fampisehoana ity ka anisan’izany ilay andriambavilanitra kanto feo, Inah. Toy izany koa ry Fafah, Nônô, Charles, Nary, James, Eric ary Kanto.

LE GLACIER – ANALAKELY

Hampitsinjaka amin’ireo mozika nentin-drazana ny tarika Tinondia

Taorian’ny fitetezam-paritra samihafa, dia hiverina amin’ny fanafanana ireo hetsika eto an-tanàna indray ry Tolérant sy ny tariny. Anio alina manomboka amin’ny 8 ora, dia etsy amin’ny Le Glacier, Analakely no hifanomezany fotoana amin’ireo mpankafy ny tsinjaka avy any Atsimo. Mampalaza ny tarika Tinondia ny fahaizany nitrandraka ireo gadona nentim-paharazana avy any amin’ny faritra atsimo sy ny nampivady izany tamin’ireo zava-maneno maoderina. Vonona indray, araka izany, hanapoaka ny etsy amin’ny Le Glacier ny tarika Tinondia miaraka amin’ireo hira efa malaza toy ny “Lavitse”, “Somera”, “areten-draty”… Tsy ambakan’izany koa anefa ireo hira vaovao toyny “Iza ra iza avao”, “Mahery”… Andran-tsira omen’ny tarika Tinondia sahady ny endriky ny rakikira vaovao izay eo am-pikotrehina azy izy ireo amin’izao fotoana.

JAO’ S PUB – AMBOHIPO

Hifandimby ry Oladad sy ny Tsiaro an’i Bob Marley

Rehefa ela tsy tazana tamin’ny fampisehoana. Mandalo eto an-drenivohitra indray ny tarika Oladad ary hanolotra seho takariva miavaka, anio alina, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo. Araka izany, dia hanakoaka indray ireo hira nahafantarana ity tarika nanana ny lazany tamin’ilay “afindrafindrao” amin’ny endriny vaovao ity ireo horija Betsileo mifangaro amin’ireo gadon-kiran’ny tanàn-dehibe. Anisan’ny nahafantarana an-dry Dadalo sy ny tariny ireo hira manentana sy mampitsinjaka  miaraka amin’ny fahaizan’ny tarika nitrandraka ny zava-maneno nentim-paharazana toy ny  kabôsy, izay niangalian’i Dariry sy ny lokangan-dRaprosy. Nahafantarana ny tarika tao anatin’ilay rakikira voalohany toy ny «5 tsindrina 5», «Vola», «Voady», «Maitsokely».

Ny sabotsy 11 mey kosa, izay ahatsiarovana ny faha-32 nahafatesan’i Bob Marley, ilay mpanjakan’ny gadona reggae, dia hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho izay hiarahana amin’i Sammy Rasta sy Liva Jacks. Hitohy amin’ny seho ataon’ny Zian Family Reggae kosa izany, manomboka amin’ny 8 ora alina.

CAFE DEHORIRIKA

Hanolotra indray ny “Poezik” i Silo

Filomanosana ao anatin’ny teny sy naoty. Ankoatra ny fifehezany ny zava-maneno samihafa, izay anisan’ny hametrahana azy amin’ny andrarezin’ny mozika malagasy, dia mpamorona tononkira sy tononaklo ihany koa i Silo ary manana ny mampiavaka azy izy eo amin’io sehatra io. Avy amin’io sehatra io indrindra no hanolorany ny “Poezik”, izay hitondrany ireo hevitra sy sehatra samihafa tiana na koa tsy tiana hovoizina. Hisy, araka izany, ireo hira izay nisy fanamboarana ny tonony, nisy fanatsarana ihany koa ny fomba niangaliana azy ary ireo nahafantatra azy dia aheno indray amin’ny endrika hafa ireo hira nahafantarana azy fahiny.

Hizara telo ny fampisehoana, ka ny ampahany voalohany dia hiverenany indray amin’ireo hira taloha tao anatin’ny “rimorimo”, ny Sdf ary ny Silography. Ny fitetezam-paritra tamin’ny 2006 kosa no hiverenana indray amin’ny fizarana faharoa tao anatin’ny “Silogik”. Hiompana amin’ny seho tsy ampoizina kosa ny ampahany fahatelo.

LA REUNION

Handray anjara amin’ny hetsika momba ny fambolena i Vaiavy Chila

Hisolo tena an’i Madagasikara sy ireo mpanakanto malagasy. Handray anjara amin’ny foara momba ny fambolena, izay atao any Bras-Panon, atsy amin’ny nosy La Réunion anio alina,i Vaiavy Chila. Sehatra iray izay hanehoany indray ny hakanton’ny mozika malagasy indrindra ny gadona salegy, izay tena voafehin’ity andrimbavilanitra ity. Ankoatra ny salegy anefa izay mahafehy ny ankamaroan’ny hirany, dia mbola ankafizan’ny maro an’i Vaiavy Chila ihany koa ny fitrandrahany ireo gadona hafa toy ny malesa sy ny daoasa. Aorian’ity seho atsy La Réunion ity dia hitodi-doha an-tanindrazana avy hatrany io mpanakanto io ary hanomana ny seho ny alatsinaini’ny Pantekôty miaraka amin’i Wawa, eny amin’ny Club Nautique.

Hitohy aorian’izay ny fitetezam-paritra toy ny sabotsy 25 mey sy ny fetin’ny Reny any any Mahajanga, arahin’ireo tanàna maromaro any Mahajanga mialoha ny hanafanany indray ny Le Glacier ny 31 mey.

 

 

 

Aretim-po sy alahelo – Reny namoy ny ainy,  tsy nahazaka ny fahafatesan-janany Aretim-po sy alahelo – Reny namoy ny ainy, tsy nahazaka ny fahafatesan-janany

Nifanao roa volana katroka ny nahafatesan’ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Tsy mampandre marina Rafahafatesana. Tampoka tamin’ny fianakaviana sy ny manodidina rehetra ny nahafatesan-dRazafiarijay Claudine Léa, vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka, na dia mbola teo aza ireo tetikasa maro nokasainy niaraka tamin’ny ankohonany.

Folaka an-dantony. Nifanesy tao amin’ireto fianakaviana ireto ny fahoriana nandritra ny roa volana. Mbola tao anatin’ny hery sy ny hatanorana tanteraka no nindaosin’ny fahafatesana tampoka Razafiarijay Claudine, renim-pianakaviana 36 taona, monina etsy Ambatoroka. Nifanao roa volana ny andro nahafatesany sy ny zanany vao 20 volana monja. Ny 21 febroary teo no maty ny zanany ary nanaraka azy roa volana katroka taty aoriana ny reniny ny 21 aprily teo.

Tampoka tamin’ny olona rehetra io fahafatesany io satria na ireo vady aman-janany aza tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa taminy, talohan’izao fahoriana izao. « Mbola niresaka tsara izahay ny alina alohan’ny hatory. Tsy nisy na inona na inona mihitsy ahafantarana fa ho faty izy. Tamin’ny 21 avrily tamin’ny 1 ora sy 30 maraina izy no henoko nivadika mafibe tampoka. Nitrena mafy izy avy eo ary nojereko dia hitako fa nibontsina ny tratrany sy ny tendany. Niantso mpitsabo izahay nefa rehefa tonga ity farany dia nilaza fa efa tsy namana intsony. Nisy lalan-dra lehibe tapaka tao amin’ny fony », izany no fitadidian-dRahaingoarijaona Mamy, vadiny ny fotoana farany niarahana taminy.

Alahelo niotrika

Tsy nisy nino ny fahafatesan-dRazafiarijay Claudine ny manodidina. « Vao omaly hariva izy no niresaka sy nifananihany taminay sady nividy zavatra teto », hoy ny mpivarotra iray mpiara-monina aminy. Olona sariaka, tsotra ary tia fihavanana i Claudine, fony fahavelony, raha ny fitantaran’ny olona rehetra mahafantatra azy. Noho izay fahatsorany izay anefa no notombanan’ireo vady aman-janany fa mety nitarika ny fahafatesany, izay hitan’izy ireo taratra hatramin’ny nahafatesan’ny zanany 20 volana, tamin’ny 21 febroary teo ihany.

« Vao dimy volana io zanakay farany io dia efa narary niditra hopitaly matetika. Nisy fotoana narary mafy ilay zaza ary niditra hopitaly indray teo amin’ny faha-20 volany, kanjo maty avy eo. Hatramin’ny nafatesan’io zaza io dia lasa malahelohelo sy manomboka sempotra matetika izy. Efa nentina tany amin’ny mpitsabo ary notarafina ka hita fa mivonto ny fony. Izany rehetra izany anefa tsy hita soritra ety ivelany mihitsy amin’ny fahavitrihany manao zavatra. Tokony hiverina hanao fitsaboana izy tamin’ny 28 avrily teo kanjo maty ny 21 avrily », raha ny fitantaran’i Mamy vadiny hatrany.

Notombanan’ity raim-pianakaviana ity hatrany fa mety ho takaitra avy amin’io zaza io no nahatonga ny fahafatesany. « Telo mianadahy sisa ny zanakay velona saingy tamin’ny andro mialohan’ny nahafatesany io no narary koa ilay farany teo an-tanana. Ohatry ny niady saina tamin’io zaza marary io angamba izy saingy niezaka nanafina ka nahatonga ny fijanonan’ny fony tampoka », raha ny fiheveran’ny vadiny hatrany.

Olon’ny finoana

Tsy mitovy tokoa ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Nahagaga ny olona rehetra ny nahita ny herin-tsaina nananan’ny vady aman-janany manoloana izao fahoriana izao. « Misy ny alahelo saingy hain’ny fiarahamonina ny mitaiza ny olona nidonan-javatra. Hery lehibe ho anay ny fanohanan’ny fiangonana sy ny olona rehetra. Tsaroako tsara ny anatry ny mpampianatra sekoly alahady ahy tamin’io fotoanan’ny fahoriana io hoe « Mahareta amin’ny finoana ary tazomy izay efa nampianarina anao », hoy ity raim-pianakaviana ity.

Amin’ny maha renim-pianakaviana ity namoy ny ainy kosa anefa dia mahatsiaro fahabangana lehibe ihany ireo ankohonany. « Ny fandaminana tanteraka ny tokantrano no tena olana. Hafa ihany ny reny amin’ny fandaminana, indrindra rehefa amin’ny maraina. Noho izay fahabangana izany dia lasa mitombo hatramin’ny vola mivoaka satria tara lava amin’ny asa aho matetika dia mandeha taksibe raha vita dian-tongotra teo aloha », hoy hatrany i Mamy.

Mifanohana hatrany amin’izy efa-mianaka kosa anefa ny fianakaviany satria mbola velon-dray aman-dreny sy rafozana ary rafozambe i Mamy. « Tsy maintsy miatrika ny fiainana. Ny fikarakarana an’i Dada sy ny zandriko no tena imasoako ankoatra ny fianarana. Na izany aza tsy adinoina ny asa fanompoana ataoko eo anivon’ny fiangonana misy anay », hoy kosa Rasoahaingo Laiticia, zanaky ny maty vavimatoa, 14 taona, vonona handray andraikitra.

Sary sy soratra: Lilia Rajaonah

 

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite