|
Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana(0) 5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA IZY IO ANKEHITRINY. TEBOKA 800 EO AMIN’NY VATAN’NY OLONA NO AZO ITSABOANA, HATRANY AN-TAMPON-DOHA KA HATRANY AM-PALADIA. NATAO HAMERENANA AMIN’NY LAONINY NA HAMPIRINDRA TSARA NY HERIM-BATANA NY «ACUPUNCTURE». ARETINA MARO NO AZONY SITRANINA. TSY VITANY KOSA IZAY MILA FANDIDIANA NA MISY OTRIK’ARETINA MIHANAKA. Rantsana iray amin’ ireo dimy, eo amin’ ny fomba fitsaboana nentin-drazana sinoa ny «acupuncture». Misy ny fitsaboana amin’ny zava-maniry, ny fanorana sy ity tsindrona ity. Ireo no fototra telo, fa manampy azy ireo ihany koa ny fanarahana fomba fisakafoanana, izay sady mitsabo no miaro ary indrindra ny fampiasana vatana toy ny fanaovana Tai-chi na Qi gong. Afaka misafidy izay sampana tiany hofehezina amin’ireo ny mpitsabo. Ao amin’ny Inspc Befelatanana Lalam-piofanana iray ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fahasalamam-bahoaka (Inspc), ao Befelatanana, no misy ny foibe fianarana azy sy misy rantsana iray fitsaboana koa. Dokotera 30 eo, efa nahavita fianarana valo taona, tamin’ ny fomba fitsaboana mahazatra, no misafidy mianatra azy mandritra roa taona. Nisy nandeha nianatra izany mihitsy tany am-potony, tany Shina. Malagasy no mpampiofana eto amintsika. Misy ny fitaovana fitsaboana hafarana avy any Shina. Toeram-pitsaboana amin’ny alalan’ny «acupuncture» efatra no iandraiketan’ny Sinoa tahaka ny ao Ambovombe, Sambava, Vatomandry ary Mahitsy. Efa misy dokotera mahafehy ity fomba fitsaboana ity koa anefa amin’ireto hopitaly manaraka ireto: CHRR Toamasina, CRMM Antsirabe, CHD Ifanadiana, CHU Fenoarivo sy Itaosy ary ao amin’ny Hjra. 2 000 ariary fotsiny ny sara fanaovana tsindrona indray mandeha. Herim-batana miely araka ny tokony ho izy «Raha vao safotry ny loto na poizina miforona ao anatin’ny vatana ny vavony, ny aty, ny sarakaty, ny tsinay na ny taova samihafa eo amin’ny olona, dia tsy mikoriana tsara ny herim-batana ka teraka ny aretina eo amin’ilay olona. Manetsika ireny taova tra-pahasahiranana ireny ilay fanjaitra atsindrona amin’ny teboka mandalo amin’ny lalana mampifandray ireo taova samihafa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline, manam-pahaizana manokana momba ity fitsaboana ity, miasa ao Befelatanana. Misy atsindrona any amin’ny felan-tongotra kanefa aretin’andoha no sitranina. Misy aretina amin’ny tapany ambany eo amin’ny olona, nefa any amin’ny loha no ametahana ilay fanjaitra. Tsy fanjaitra volamena intsony «Nivoatra tsikelikely ny fahalalana ireo teboka ireo. Teboka vitsy ihany no fantatra tamin’ny voalohany. Izao izy, misy teboka 800. Tany aloha, fanjaitra volamena no nampiasaina. Taty aoriana, hita fa ny fanjaitra vita amin’ny vitsy sy varahina dia mety hanaovana azy ihany koa, noho izy ireo tsy atahorana hitondra loto», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Mbola misy ny mampiasa fanjaitra volamena na izany aza. «Vato na taolana noranitina no nampiasaina tany am-boalohany vao nampiasa fanjaitra volamena. Tsy misy hafa ny teboka amin’ny olona na lahy na vavy ankoatra ny faritry ny taovam-pananahany. Tsy tokony lasa diso lavitra loatra ny teboka ametahana ny fanjaitra. Toy ny fitsaboana rehetra, mety misy olona tsy andairan’ny fitsaboana atao. 80%-n’ny olona tsaboina dia andairany avokoa. Marary 30 hatramin’ny 40 isan’andro no raisinay eto ka misy ny fitsaboana fototra, misy ny efa fikolokoloana», hoy Dr Ratianarimamindramanga Andrée Evelyne, manam-pahaizana amin’ity fomba fitsaboana sinoa ity. Alentika 3,5cm Arakaraka ny nofo eo amin’ilay teboka mila ametahana fanjaitra ny halalin’ny fandentehana azy. Eo amin’ny 2 mm, amin’ny faritra manify nofo ka hatrany amin’ny 3,5 cm, raha eny amin’ny nofom-pe na nofom-pitombenana, ohatra. «Ny fidiran’ny fanjaitra fotsiny no re kely fa rehefa alentika izy, tsy re intsony», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Ireo karazan’aretina Fampiasa hanalana fanaintainana ny tsindrona amin’ny fanjaitra. Azo tsaboina amin’ity fametahana fanjaitra ity ny ankamaroan’ny aretina mpahazo ny olona: loha, fiakaran’ny tosi-dra, fahatapahan’ny lalan-dra, paralysie faciale, arthrose, lohalika, aretin-damosina, siatika, sinozita, maso, hatoka, fahavizanana, rhumatisma, goty, fampihenana menaka any anaty, diabeta, spasmophilie, palpitation, sohika, aretin’ny taovam-pisefoana, stress, névrose, fikorontanan-tsaina, fivalanana na aretin’ny retsika (nerfs), gripa, alerzia isan-karazany, tratran’ny hatsiaka tampoka, mitohana, torimaso tsy ampy, tsy mety tsemboka tsara, mamoaka nana amin’ny faritra sasany na aretin’ny taova mampipipy. «Mitsabo ireny ankizy manana fahatarana ara-tsaina ireny koa izahay ary mizaha manokana ny ankizy. Misy aretina vetivety dia voatsabo. Misy ny mila fitsaboana maharitra. Manohy ny fanafody efa nomena azy ihany koa ny marary sasany. Izay tokony homena fanafody fanampiny aza dia azonay omena ihany koa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Fitaovana fampiasa Fitaovana vitsivitsy no fampiasan’ny mpanao «acupuncture» ny fanjaitra no fitaovana lehibe voalohany. Sahabo 8cm ny halavany. Electropuncture na milina kely mandeha herinaratra, manetsiketsika mirindra ny fanjaitra amin’ny teboka iray. Mampiasa «ventouse» koa ry zareo, izay fitaovana toy ny vera, asiana hafanana avy amin’ny afo, atohaka amin’ny faritra mila tsaboina. Misy koa ny antsoina hoe «moxa», izay hafarana any Shina ka atao manakaiky ny teboka ilaina kitihina ilay lohany misy afo kely. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy(0) SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA. Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany. Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka. Hazo gasy nanamboarana tempoly Fampahatsiahivana fohy ny tantara ao amin’ny Baiboly no nambaran’ny fikambanana ny fiandohan’ny tantara. “Babo tany Asyria ny Israely avaratra ka tsy tafody intsony fa nampielezina manerana izao tontolo izao. Nisy no tonga taty Madagasikara, tamin’ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Solomona. Porofo mbola hita amin’izany ny fisian’ny hazo sy volamena avy aty Madagasikara ao amin’ny tempoly lehibe iray any Israely. Notaterina avy aty amintsika ireo mba hananganana fiangonana. Mifamatotra amin’ny fananganana ny tempoly Madagasikara sy Israely”, araka ny nambaran’Andrianarisoa Ashrey Dayves, filohan’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Tehin’i Mosesy sy didy folo Foko malagasy maromaro no voalazan’ireo mpikaroka fa mbola nahitana ihany koa ny zavatra avy any Israely. Isan’ireny ny foko Antemoro Anakara ao amin’ny faritra Vohipeno sy Manakara. Nambaran’ny tantara fa nisy izany Ralitavaratra izany, noroahina avy any Lameka, ary niafina tao ambadiky ny Arabo. Mpisorona (Cohen) anefa izy io ary Jiosy avy any Israely. Ali Towarah no tena anarany saingy lasa io Ralitavaratra io rehefa tafatsoaka tany Vohipeno. “Io mpisorona io no nitondra ny zava-boatokana avy amin’ny tempoly tao Jerosalema tamin’ny Taonjato faha-15. Mbola hita ao amin’io toerana io ny potiky ny didy folo, ny ampahan’ny tehin’i Mosesy rehefa nentin’io mpisorona io taty amintsika”, hoy hatrany ny tantara. Taom-baovao Nambaran’ny mpahay tantara hatrany fa ny ankamaroan’ny faritra nisy andriana teto amin’ny Nosy dia taranaka Jiosy avokoa. Ohatra nohazavain’ny mpandinika ny taom-baovao Malagasy ankalazaina eny Ambohitrabiby. “Jiosy ny Mpanjaka Rabiby nanjaka teny. Io teny io izay avy amin’ny teny hebreo hoe “aviv”, anarana volana (Eksodosy 12) dia volana voalohany amin’ny taona araka ny Baiboly. Io volana io ilay ankalazaintsika hoe taom-baovao Malagasy ary mifanandrify amin’ny any Israely hatrany ny fankalazana azy”, hoy hatrany ny mpahay tantara. Matetika io taom-baovao io no eo anelanelan’ny volana marsa sy avrily. Mitovy avokoa ny fombafomba atao any Israely sy eto Madagasikara amin’io fankalazana io. “Samy nanomboka tamin’ny 11 marsa maty masoandro avokoa tamin’ ity taona ity”, raha ny filazan’ny fikambanana hatrany. Tany tondra-dronono sy tantely Ireo fombafomba rehetra tanterahina amin’ny taom-baovao Malagasy no nitarafan’ireo mpahay tantara fa Jiosy ny Malagasy, satria tantara voasoratra ao amin’ny Baiboly avokoa ireo fombafomba ireo ary mbola hita any Israely ihany koa. Ireo teny itovizana Ireo mpanao fikarohana sy mpahay teny Hebreo hatrany no nilaza sy nahita fa maro ny teny hitovian’ny teny Jiosy sy teny Malagasy. Santionany amin’ireny ireto aseho amintsika ireto: Sary sy soratra: Lilia Rajaonah |
|
Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA AVOKOA REHEFA HOPITALY NITADIAVANA AZY. Hatairana ny an’ireo vady aman-janaky Randriamananjara Heritsoa rehefa tsy nody ity farany ny alin’ny Alahady 12 mey lasa teo, raha nilaza ny handeha hijery baolina teny Tsarahonenana no nivoahany ny trano ny antoandro. Notsilovina avokoa ireo tatatra rehetra manodidina an’Ankadindramamy iny sao nianjera tany ho any ka tsy nisy mpahita. «Nivezivezy nitady azy izahay ny alin’iny satria efa tsy dia salama loatra i Tsoa nefa mbola nivoaka ny trano. Fanaony ny mandehandeha saingy tsy lasa lavitra izy fa manodidina ety ihany no tena falehany», hoy Vololomanitrarivo Dina, vady navelan-dRatompokolahy. Nampandrenesina avokoa ireo havana aman-tsakaiza rehetra sao mba nisy nahita azy, saingy niala maina nandritra ny telo andro. Notetezina mila ho isan’andro vaky ny tranom-patin’ireo hopitaly lehibe teto Iarivo hatramin’ny alarobia lasa teo saingy tsy hita mihitsy ny nofo mangatsiakany. Ankona ireto fianakaviana raha nahita ny razana ny alakamisy maraina teo. «Tsy nahalala azy ireo fianakaviana fa izaho no tena nahalala hoe tena i Tsoa io maty io», hoy hatrany ny vady andefimandriny. Be vazivazy… Tomefy olona ny tanànan’Ambohidahy tamin’ny fanotronana farany ny nofo mangatsiakan’i Tsoa ny Sabotsy maraina lasa teo. Samy nanamafy izy ireo fa tena olona mamy hoditra teo amin’ny fiarahamonina tokoa ity nodimandry ity. «Rehefa misy fahoriana eto an-tanàna dia tsy mianona fotsiny amin’ny famangiana i Tsoa fa manolo-tena hanatanteraka ny fiaretan-tory mihitsy. Vatrany mihitsy aza ny mamonjy ny fandevenana raha toa ka mbola manodidina an’Antananarivo no anaterana ilay mpiray vodirindrina nodimandry», hoy i Mosesy namana akaiky azy. Olona be vazivazy ihany koa izy teo anivon’ny fiarahamonina. Tia firaisan-kina ary tsy mahatanty mijery olona manana olana, ka mahavatra manolo-tanana. Mizara izay mba ananany amin’ireo akamany izy ary manao izay hampifalifaliana ireo manodidina azy rehefa faran’ny herinandro. «Tso-po sady malala-tanana i Tsoa. Tsy mba tia zavatra an-kinafina fa milaza avy hatrany izay tena ao am-pony. Manampy ny olona ao anaty fahasahiranana ihany koa izy. Tsy nahagaga raha vory ny namana sy olom-pantatra nanotrona sy nanao veloma farany azy», hoy Ravoniarisoa Simone , anabavin’i Tsoa. Tsiaro an’i Dada Telo mianadahy ny zanak’i Tsoa, samy manana ny ahatsiarovany an-drainy daholo ireo zaza ireo. «Matetika aho no tenenin’i Dadanay foana fa ny lehilahy dia natao hamelom-bady aman-janaka. Fanaony ihany koa ny manome torohevitra sy anatra ho amin’ny fahendrena. Tena tia anay izy ary mitondra ahy tsara sy mifampiresaka ny fiainako ivelan’ny trano. Ny fitendrena gitara no tena ahatsiarovako azy», hoy Randriamananjara Manohisoa Sedo, zanany lahimatoa. «Tia manambitamby dadanay ary tena tsara fanahy. Na dia izany aza dia tsy miresaka aminy firy ireo tsiambarateloko aho.», hoy kosa i Vololomananjara Maharitsoa Nadie, zanaka vavitokan’i Tsoa. Fahabangana ho azy efa-mianaka tanteraka ny fandaozan’i Tsoa azy ireo tao anatin’ny tampoka sady tsy natrehi-maso akory ny fialany aina. Mampiahiahy Mbola ankamantatra ho an’ireo fianakaviana kosa hatreto ny nahitana ny vatana mangatsiakany teny Ankorondrano. Tanàna tsy mba falehany mantsy iny toerana iny. Gaga ihany ireo fianakaviana raha nahita tamin’ny gazety fa tany Ankorondrano no hita ny nofo mangatsiakan’i Tsoa. «Tsy mazava aminay hatreto ny antony nahitana azy tany Ankorondrano Andranomahery. Noho izy tsy dia salama dia tsy sahy mandeha tongotra lavitra nefa any no nahitana azy», hoy hatrany Ravoniarisoa Simone, anabavin’i Tsoa. Niezaka nampionona ny tenany ireto fianakaviana ary velom-panantenana tamin’ny fahitana ny nofo mangatsiakany. Mbola eo am-panatanterahana ny fombafomba fanao amin’ny fisaonana rahateo ry zareo, ka miandry am-pitoniana izay fomba rehetra ahafahana mamantatra ny antony nahafaty an’i Tsoa. Ny fianakavian’i Tsoa dia maneho fisaorana ireo rehetra nikarakara ny razana hatreny Ankorondrano Andranomahery sy ireo izay nanampy tamin’ny fandevenana azy. Sary sy soratra: Maminiaina Andri. |
|
Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany. Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy. Na dia nanomboka nahaleo tena aza i Farah John’s ny 2009, ka namoaka ilay hira “za tsy kivy”, dia mbola mitohy ny fifandraisany tamin’i Jerry Marcoss. “Hatramin’izao rehefa misy zavatra atao, dia tsy mitsahatra ny manontany sy maka hevitra aminy aho. Izy rahateo manoro sy manome hevitra amin’ny mozika ataoko”, araka ny fanampim-panazavan’ity andriambavilanitry ny gadona mihetsiketsika ity. Na izany aza, niezaka ny nanana ny naha izy azy hatrany i Farah John’s teo am-panohizana nitrandraka ny gadona Antôsy, raha ny salegy sy ny kawitry no tena niarahany tamin’i Jerry Marcoss. Ny olon-tiany Na mbola tsy manambady aza i Farah John’s, dia manana ny olon-tiany izy. Nomarihiny fa tsy ao anatin’ny tontolon’ny mozika mihitsy ny asa ataon’io lehilahy nambabo ny fony io, eny fa na dia efa nahare ny resaka miely tamin’ny hoe fiarahan’i Jerry Marcoss sy Farah John’s aza ralehilahy. “Tezitra kely ihany izy tany am-boalohany fa rehefa nohazavaina taminy dia azony ihany ny zava-misy”, hoy indray i Farah John’s, raha namaly momba izay mety ho fahasarotam-piaron’io olon-tiany io. Vehivavy mihanta i Fara John’s amin’ny fiainana andavanandro. Noho ny olona miara-mipetraka aminy mampihanta azy tamin’ny lafiny maro, dia tsy manao na inona na inona izy rehefa ao an-trano. Izy rahateo dia tsy tia mivoaka matetika ny trano fa rehefa tsy misy atao dia anisan’ny fialamboliny ny mijery fahitalavitra. “Ireny horonantsary fanadihadiana ireny no tena ankafiziko”, hoy i Farah John’s. Tia lamaody Toy ireo andriambavilanitra mpanakanto, dia manaraka ary manana ny lamaodiny ihany koa i Farah John’s. Ho an’ny fitafiana fitondra eny an-tsehatra, ohatra, dia anisan’ny ankifiziny ary tena ahafantarana azy ny fanaovana “short” fohy. “Mahazo aina kokoa aho amin’ireny fitafiana ireny, hoy izy, ary malalaka kokoa ny vatana amin’ny fihetsika sy ny dihy atao”. Ny tsy itovizany amin’ireo andriambavilanitra hafa anefa dia ny tsy fisoloana akanjo matetika mandritra ny fampisehoana. Nanazava izany ity mpanakanto ity ary nanamarika fa “tsy foiko ireo mpijery rehefa miakatra ny aingam-panahy, ka tsy te handao azy ireo matetika aho”. Nanamarika ny fiainan’i Farah John’s ny sehatry ny mozika ary anisan’ireo tsy afaka ao an-tsainy ny fampisehoana voalohany nataony tany Vohemar, tanàna nihaviany tamin’ny 2011 ka niarahany nitsinjaka tamin’ireo mpijery nahatratra 10 500 nanoloana azy. Toy izany koa ny tany Farafangana, izay nambarany fa zara raha nihira izy nandritra ny fampisehoana fa saika ireo mpijery avokoa no niventy ny vazo rehetra. Nandevin-joky Tany Vohemar ihany koa anefa ny fahatsiarovana ratsy indrindra ho azy satria ny 9 janoary 2011, daty tokony hanaovany ny fampisehoana voalohany tany an-toerana no daty nandevenana ihany koa ny zokiny vavimatoa. Nofoanana ny fampisehoana na dia efa nandeha iray volana sy tapany aza ny dokam-barotra fampahafantarana izany seho izany. “Ny tena nampihetsi-po dia marobe ireo mpankafy no nanotrona anay tao anatin’ ny fahoriana”. 26 taona i Farah John’s ankehitriny ary efa ao anatin’ny eritreriny ny hiroso amin’ny fanambadiana. Anisan’ny tena tiany rehefa ao anatin’ ny tokantrano ny ho maro anaka ka niresahany fa 10 mianadahy izy ireo ary izy no faravavy. “Hitako ary tsapako ny fahamaroan’ny ao an-trano ka tiako raha enina mianadahy no isan’ny zanako, telo lahy sy telo vavy”, hoy izy. Anisan’ny ahafantarana an’i Farah John’s ny fahaizany manentana ireo mpijery ary matetika no mahavita kilaometatra vitsivitsy amin’ny hazakazaka madinika sy fivezivezena eny an-tsehatra izy. “Rehefa reraka aho dia malaina mihinan-kanina. Na izany aza anisan’ny tena ankafiziko ny sakafo miaraka ain’ny voasary makirana”, araka ny filazany. Nangonin’i Faly Randriamiarantsoa CONFIANCE Est-ce que zaho tia? Tsy aiko izay mbola hitranga! Fagniriako mba ho doria Zaho koa tara mody Anao efa tsy matoky Aiko fitapitaka, fa zaho sy mankasitraka
Réf: Eh eh, Confiance tiako Ouh ouh confiance Cheri Confiance tiako, confiance cheri Matokisa zaho ô amin’ny zaka jiaby Confiance tiako, confiance cheri Matokisa zaho ô, zaho tsy ampirafy
Mahazo magnantena Fa zaho tsy tia tegna Anao koa falifaly Zaho mba tsy mijaly Tsy aiko na fantatrao Zaho tsy tia hiala anao Tsy volagna zaka maro Sao atao be kabaro
Réf
|
|
Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay
NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY. Maty voadonan’ny taksibe 163, tamin’ ny sabotsy 11mey teo, tetsy amin’ny arabe Marais-Masay, Rabariherilala Andry Jean Bertaoud. Zazalahy faharoa amin’izy telo mianadahy zanak’i Bariherilala sy Rasoarivelo Noéline. Mpianatra taona fahenina tao amin’ny CEG Nanisana izy ary monina etsy Amboditsiry kosa ireo ray aman-dreniny. Nilalao baolina toy ny fanaony hatrany i Andry, tamin’io sabotsy io. Tampotampoka teo anefa dia nandeha naka trondro teny amin’ny Marais-Masay niaraka tamin’ny zokiny lahimatoa izy. «Tsy fanaon’i Andry mihitsy ny maka trondro eny Masay. Isaky ny alahady aza matetika no entiko mitaingina lakana eny izy sy ny zokiny lahy ary i Andry hatrany no mitaona anay hody fa tsy zakan’ny sainy ny mahita ireo fiara mirimorimo amin’iny arabe iny. Tsy nampoiziko mihitsy hoe ny zanako no ho fatin’ny lozam-piarakodia eo amin’io lalan’i Masay io», hoy i Bariherilala, rain’i Andry, nitantara ny nanjo an-janany. «Niara-naka trondro teny amin’i Masay izahay. Efa tafita tety an-kavanan-dalana izahay roa lahy nefa hadinony teo amoron-drano ny trondrony. Ndeha hiverina haka ilay trondro i Andry ary efa eo amin’ilay sisin-dalana (trottoir) afovoany no nisy taksibe 163 anankiroa nifanenjika avy any andrefana hifampisongona ka nifaoka azy. Nipitika sahabo ho 100 metatra izy izay vao nitontona tamin’ny tany ary mbola nodiavin’ilay kodiarana roa tamin’ny ilany havian’ilay fiara», hoy indray ilay zokiny lahy, latsa-dranomaso sy mbola nangovingovitra raha nampahatsiahy ny fitrangan’ny loza tamin’io andro io. Tsy niverina ny sain-dreniny Tsy nahatsiaro saina ny reniny nandritra ny naha teo am-bohitra ny razana. «Tsy nahatsiaro saina ny vadiko ary tsy navela hijery ny nofo mangatsiakan-janakay izy nandritra ny fotoana niaretan-tory», hoy i Bariherilala vadiny. Tsy fantany na dia ny rahavaviny aza nefa efa olona mifanerasera aminy isan’andro. Mihendratrendratra hatrany ity renim-pianakaviana ity taorian’ io loza io, na dia efa ho herinandro latsaka kely aza no namoizany ilay lahiaivony. Rehefa tsy verivery saina toy izany izy, dia mba mitony rehefa matory, raha ny fahitana azy tao an-tokantranony, omaly. Mbola ady sy tolona ho an’i Bariherilala koa hatreto ny fitsaboana io vadiny io sy ny fanambatambazana azy hiezaka handamina ny fiainany. Miezaka manampy sy manohana ara-tsaina azy ireo fianakaviana hatramin’izao. Ar 7 000 monja «Nantsoin’ny rahavavin’ny vadiko aho io sabotsy io ho any amin’ny kaomisaria ao Tsaralalàna ary nasainy nitondra bokim-pianakaviana sy kara-panondro. Tsy nanana afa-tsy vola Ar 7 000 aho tamin’izay nefa nasain-dry zareo nandeha fiarakaretsaka. Tonga tao amin’ny birao aho ka ny vaovao momba ny fahafatesan’i Andry tamin’ny fahitalavitra tao amin’ny polisy ao Tsaralalàna no nitsena ahy. Ankona tsy nahateny aho fa avy dia ny ranomasoko no nirotsaka», hoy hatrany ny rainy mitantara ny olana nosedrainy tamin’io andro io. Tsy nanam-bola ny fianakavian’i Bariherilala tamin’io fotoana io nefa ny adidy tsy maintsy hatrehina. Isan’ny nanampy azy ireo betsaka ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre, talen’ny sampana seraseran’ny Polisim-pirenena, tamin’ny fikarakarana sy famoahana ny razana avy ao amin’ny tranom-paty. Mpanaja olona Mampiavaka ny toetran’i Andry ny fifaneraserany tamin’ny mpiara-monina rehetra, eny fa na ireo olon-dehibe tsy fantany aza. «Zazalahikely tsotra sy tia manaja olona izy. Vatrany ny miarahaba ireo olon-dehibe eto an-tanàna isaky ny handeha hianatra» , hoy i Soanandrasana Elisabeth, rahavavin-dreniny. Tsy mba tia adiady i Andry na dia misy aza ireo ankizy lahy mihetraketraka aminy. Mpikambana amin’ny fikambanana skoto rahateo ny tenany ary io no namolavola azy hanana fandeferana sy tia mandray andraikitra. Tena ankafiziny ny lalao baolina kitra sy ny fanenjika. «Niteny tamiko izy fa tsy hianatra intsony tamin’ity taona ity raha tsy afaka taona fahenina tao amin’ny Ceg Nanisana», hoy hatrany ny rahavavin-dreniny. Hafaliana anefa ny azy tamin’ny nahitana ny valim-panadinana hidirana taona fahenina satria afaka soa aman-tsara. Zaza mpankatoa anatra i Andry saingy tsy manaiky lembenana kosa izy raha hitany fa marina ny azy na dia horesena lahatra mandra-pahariva ny andro aza. Nangonin’i Maminiaina Andri. |
|
Faran’ny herinandro CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti. Araka izany, karazana gadon-kira samihafa no hatolotra ireo mpijery sy mpitsangatsangana mandritra ny tontolo andro manomboka ka ankoatra ny vazo mitenin-dRamora Favori, dia hanana ny anjara toerany ihany koa ny salegy ho entin’i Wawa, ny kawitrin’i Vaiavy Chila, ary ireo karazana gadona mifangaro entin’i Jarifa miaraka amin’i Rojo andrimbavilanitra mpiara-mihira aminy. Hanana ny safidiny, araka izany, ireo mpijery amin’ity andro ity. CCI IVATO «Deux 104» ahitana ny tohin’ny tantaran’i Lenaivo sy Faniry Masaka ny nahandro. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato ny fampisehoana ilay tantara «Deux 104», novokarin’ny Scoop Digital. Ao anatin’ity andiany faharoa ity dia mbola hisafotofoto ihany ny tantara ary hisy amin’izany ny fisehoan’ny marina sasany momba ny tantaran’i Lenaivo sy Faniry. Tamin’ny andiany voalohany dia tratra tamin’ny teti-dratsin-dRalisy ka nigadra ary nanondro an-dRainimanga avy eo, izay nahafantatra zavatra maro momba ny tantaran’i Voara sy Lenaivo an-daniny ary ny momba an-dRalisy sy Rainimanga an-kilany. Hifamahofaho ao anatin’ny tantara ny tontolon’ny fitiavana sy ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina. RITZ ANALAKELY «Hatraiza Andriamanitra 2» Dimy volana taorian’ny andiany voalohany, dia haseho voalohany, etsy amin’ny sinema Rex sy Ritz etsy Analakely ny alatsinain’ny Pantekôty izao, amin’ny 2 ora sy amin’ny 4 ora tolakandro, ilay horonantsary novokarin’ny Mah-Ki Prod «Hatraiza Andriamanitra 2». Ankoatra ireo mpilalao teo aloha, toa an-dry Tsarafara (Rajao) , Gégé Rasamoely, ary Rova (Tahiry), dia hitondra ny talentany amin’ity horonantsary ity ihany koa Rakotondrafara Jocelyn na i Pasitera, ao amin’ny Malok’ila. Handray anjara koa anefa ny mompera Pedro ka hisy ny dinika hifanaovany amin’i Tahiry (zandrin’i Tahiana) mikasika ny fiainany. Raha fintinina, taorian’ny fahafatesan’ny reniny dia niakatra ny renivohitra i Tahina sy Tahiry mba hitady asa. Tsy noraisin’ny mpampiasa izay efa tokony handray azy anefa izy roa ka lasa nirenireny. Tao anatin’izany no nihaonan’izy ireo tamin’ireo tsy manan-kialofana ka nanoro hevitra azy ho any amin’ny akanin’ny mompera Pedro. Voaray tany i Tahiry raha nanohy nirenireny kosa i Tahiana. Ity farany izay sendra mpitarika posy iray ka nitaiza azy ka nahita asa ho azy tamin’ny trano fisakafoanana iray. Tao anatin’izany anefa dia niova indray i Tahiana ary nahita ireo rendrarendra samihafa teto an-drenivohitra. PIMENT CAFE BEHORIRIKA «Rock sy Folk» hiarahana amin’i Mahery, Nini Kiaka ary Nini Kolibera Samy manana ny hanitra ho azy nefa afaka hiaraka amin’ny sehatra iray. Mpanakanto telo samy manana ny talentany no antsoin’ny Piment Café hanafana ny sehatra anio alina manomboka amin’ny 9 ora alina ao anatin’ny «Rock sy Folk». Hiara-dia ao anatin’ity seho ity, araka izany, i Mahery, Nini ao amin’ny tarika Kiaka ary Nini Kolibera. Araka ny lohatenin’ny seho dia hifandimby ao anatin’ny sehatra ny hira rock, izay hiangalian’ny feomangan’i Nini sy ny Folk hiarahana amin’i Nini sy Mahery. Azo eritreretina ihany koa anefa ny mifamadika amin’izany na ny fifamenona sy ny fampiaraham-peo eo amin’ireo mpanakanto ireo. Zava-maneno iraisan’ireo gadona roa samy hafa ireo rahateo ny gitara. JAO’S PUB – AMBOHIPO Kilalaka ranoray hiarahana amin’i Barikanja Mpanakanto vao misondrotra nefa efa manomboka manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny mozika mafana. Taorian’ny fitetezam-paritra samihafa, mandalo eto an-drenivohitra ary hiakatra ny sehatry ny Jao’s Pub, eny Ambohipo i Barinjaka, izay hanolotra kilalaka ranoray anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Mpanakanto avy any Ihosy ary anisan’ny nahafantarana azy ny «bevohoka tsy manambady»… Hampiavaka an’i Barijanka amin’ny fiakarana sehatra toy izao ny talentan’ireo efa-dahy izay manana fandihy miavaka miaraka aminy miaraka amin’ireo fitafy mahazatra sy ahafantarana ny tontolon’ny kilalaka. Hanohy izay mozika mafana etsy amin’ny Jao’s Pub izay ihany ho an’ny rahampitso hariva kosa i Mamaliza sy Eddy Lejao. LE LOUVRE – ANTANINARENINARado Manantsoa quintet hanolotra ny «Néo Soul & Jazz» Gadona roa samy hafa nefa tsy mifanalivitra no handravaka ny sehatry ny Hotel du Louvre, etsy Antaninarenina, anio alina manomboka amin’ny 7 ora sy sasany. «Néo soul & Jazz» no lohatenin’ny fampisehoana izay hiarahana amin’i Rado Manantsoa quintet. Hiara-hitendry aminy amin’ny fiangaliana ireo hira malaaza amin’ny soul sy ny jazz ireo mpitendry kalaza izay ahitana an-dry Hasina Rakotoarimalala (gitara beso), Rado Rakotorahalahy (amponga maroanaka), Thüryn Mitchell ary Philippe Blin (flûte sy saxe). Ho vahin’ity fampisehoana ity kosa i Manoa Ralisiarimanitra. IFM ANALAKELY «Teboka», soradihy ho lalaovin’ny Kaompania Lovatiana sy ireo jamba Ao anatin’ilay hetsika «Kilokolo» momba ny dihy maoderina, asehon’ny Kaompania Lovatiana sy ireo manana olana ara-pahitana, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely anio alina ilay soradihy nampitondraina ny lohateny hoe «Teboka». Mpandihy dimy mianadahy no hiantsehatra io soradihy, izay haharitra 55 minitra io ka ny roa avy amin’ny kaompania Lovatiana ary ny telo kosa dia manana fahasembanana ara-pahitana. Soradihy izay noforonin’i Lovatiana Rakotobe ary hoentin’i Vonjitiana Richard, Anjara Nantenaina Rasamiarison, Aina Ratsirofo, Rinah Andriamalala ary Tafita Patrick Anoharimananjara eny an-tsehatra. TOAMASINA «Pantekôty maresaka» hiarahan’i Nantenaina sy Shyn Sambany hiray sehatra ao Toamasina. «Pantekôty maresaka ao Tamatave», io no lohatenin’ny fampisehoana voalohany hiarahan’i Nantenaina sy Shyn any an-drenivohitr’i Betsimisaraka, ny alahadin’ny Pantekôty, ao amin’ny kianja mitafo Soavita, Toamasina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Raha karazana gadona maro no hoentin’i Nantenaina toy ny acapella, Reggae ary indrindra ny fitrandrahana ny basesa, izay gadona nentin-drazana avy any amin’iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny dia ny tontolon’ny r’n'b kosa no ahafantarana an’i Shyn, izay anisan’ireo sangany amin’ny fiangaliana io gadona io. Fotoana voalohany hitondran’i Nantenaina an-tsehatra ilay rakikira vaovao “zanaka ambanivolo” ho an’ny mponin’i Tomasina. Hanakoako any an-toerana ihany koa anefa ireo hiran’i Shyn raha tsy hilaza afa-tsy ny “Mahatsara za”, “Ho avy”… |
|
Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena «Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay. Ny fanjakagna mizaha foagna», hoy ireo mponina any an-toerana. Toa very fanahy mbola velona ny any Mananara Avaratra mahita maso ny fitrandrahana sy fanondranana tsy amin-tahotra ny andramena, na dia efa namoaka didy fandraràna izany aza ny fitondrana foibe. Efa anaty tambajotra matanjaka ireo mpanao «tantely afa-drakotra» ny harem-pirenena ka sarotra ny mamaky ady aminy, araka ny fanazavan’ireo mponina sasantsasany, izay hany sahy miresaka ity raharaha andramena ity. «Izahay miteny izao tsy misy »parapluie » fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no ianteherana», hoy Rabemazava Soa Jean, raha namaky bantsilana fa fanta-poko, fanta-pirenena ny tompon’ny sambo anondranana ireo andramena any Mananara Avaratra. «Na ny toerana misy ny tahiry, any amin’ny dimy kilaometatra miala eto amin’ny tanànan’i Mananara aza dia fantatry ny rehetra», hoy ihany ity filohan’ny fikambanana Maso (Mananara Solidaire) ity, nanohy ny teniny. Efa betsaka ihany ny tompon’andraikitra sy manampahefana nidodododoan-dry Rabemazava Soa Jean sy ny namany, nanaovana fanairana saingy toa tsy nisy vokany mivaingana izany hatreto, araka ny fanombanany azy. Toa vao mainka aza manome vahana ny mpanao ratsy. «Misy mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny Tetezamita milaza fa hanampy anay dia mangataka aminay ny anaran’ireo mpanao ‘bois de rose’ tsy ara-dalàna sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Rehefa azony anefa ny anarana dia entiny ampitahorana sy hakana vola any amin’ireto farany», hoy ihany Rabemazava Soa Jean naneho ny hakiviany amin’ireo olona mba nitarainana. Basy atifi-kavana Ny solontenam-panjakana any an-toerana dia naneho fahavononana handray fepetra manoloana ny gaboraraka. Namory ny OMC (Organe mixte de conception) izay ahitana ny Kaomandàn’ny borigadin’ny zandarimaria sy ny Kaomiseran’ny polisy ary nitarina tamin’ny tompon’andraikitry ny ala, ny Lehiben’ny distrika Raharison Mahatombo, tamin’ny volana avrily. Tapaka tamin’izany fa hatao ny andrimasom-pokonolona any amin’ireo toerana tena anaovan’ireo mpandroba ny harem-pirenena ny asa ratsiny. Hampiasaina koa ny mpitsikilo (agent de renseignement) izay hanaitra ny mpitandro ny filaminana, arakaraka ny zava-mitranga. Atao avy hatrany ny fisamborana dia tanterahina ny fombafomba rehetra voafaritry ny lalàna ahafahana manohy ny fanenjehana. Tsy nafenin-dRaharison Mahatombo fa mametraka olana ara-piarahamonina ny fandraisana fepetra famaizana ny raharaha maizin’ny andramena. Mitaraina mantsy ny zanak’i Mananara, hoy izy, fa rehefa tonga ny andro iray dia ireo tompon-tany no miditra am-ponja «fa ry zareo tena tompon’andraikitra avy any Sambava na Antalaha na Antananarivo lasa mitsoaka». Antso, noho izany, no nalefan’ny Lehiben’ny distrika tamin’ny mponina mba hampitsaharan’izy ireo ny fampanofana fiara na lakana na trano na tokontany amin’ny mpanao andramena. Voaroba i Verezantsoro Toerana telo no tena ivoahan’ny andramena ao Mananara Avaratra, dia ny ao amin’ny fokontany Enara, kaominina Antananivo, fokontany Ivarary, ao amin’ny kaominina Sandrakatsy ary ny manodidina ny fokontany Antevialabe, ao amin’ny kaominina Antanambe. Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao amin’ny faritry ny ala arovana Verezantsoro. Misy ihany anefa ny avy any amin’ny kaominina Manambolosy. Ny ankamaroan’ireo andramenan’i Mananara dia tsy maintsy mandalo eo amin’ny vinany antsoina hoe Agnalila, vao akarina ao anaty sambo lehibe hitondra azy any ivelany. Any Sina matetika ny seranana iantsonan’ireo andramena avy aty Madagasikara. «Tsy misy tetiandro mazava ny fahatongavan’ny sambo fa rehefa voaangona ny entana dia vonona io. Tsikaritra anefa fa mielanelana roa volana eo ho eo ny fiavian’ny sambo. Sambo mahazaka entana any amin’ny 1 500 taonina na 2 000 taonina izy io», hoy Rabemazava Soa Jean, nijoro tsy nihambahamba. Ny tangalamena Bonsantiry dia nivaky fa «botry sy sambo kely mahazaka entana 50 hatramin’ny 100 taonina miisa am-polony isam-bolana no mivoaka ny reniranon’i Managnara, mitondra andramena aondrana any an-tsambo efa miandry eny afovoan-dranomasina tsy lavitra ny morontsirak’i Mananara». Kononkononina ny «Dina» Andrandrain’ny mponina ny fahazoana tamberim-bidy avy amin’ireo andramena nogiazana mba hahafahana mampandroso an’i Mananara Avaratra. Teo anivon’ny Sehatra fifampidinihana Crdm no nitsiry ny hevitra hametrahana Dina ho amin’izany. «Hatreto dia tsy hita taratra amin’ny endrika ivelan’ny tanana ny fananan’i Mananara ireo harena isan-karazany. Takianay ny hanomezana tamberim-bidy anay avy amin’ireo andramena nogiazana», hoy Rabemazava Soa Jean. Amin’ny alalan’ny Dina no heverin’ny Crdm fa hanatanterahana izany. Saingy hatramin’izao dia mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny manampahefana io Dina io. Nomarihin’ny Lehiben’ny distrika, Raharison Mahatombo, fa ankoatra ireo andramena nogiazana dia misy koa ireo hazo nanaovana fanambaràna. Atoby amin’ny toerana vitsivitsy ireo andramena ireo ka tsy azo ahetsika mandra-pisian’ny didy avy amin’ny Fanjakana. Ireo dia hazo tapaka talohan’ny fandraràna ny fanapahana, fitaterana ary ny fivarotana ny andramena navoakan’ny Fanjakana. Midangana ny vidim-piainana Lafo fiainana indrindra amin’ireo tanàn-dehibe any amin’ny faritra misy azy i Mananara Avaratra. Misondrotra ny vidim-piainana indrindra amin’ny fotoanan’ny fiotazana jirofo sy lavanila eo anelanelan’ny volana oktobra sy janoary. Mampiakatra ny vidin-javatra koa ny fananan’ny olona vola noho ny raharaham-bato kristaly. Mbola ny Sinoa ihany koa no tonga manangona vato any an-toerana. Tafakatra hatrany amin’ny 24 000 Ariary ny iray gony amin’ny saribao rehefa miakatra ny jirofo, raha vidiana 8 000 Ariary izany andavanandro. 450 Ariary no ividianana ny kapoakan’ny vary. Iray alina ariary ny kilao amin’ny hena mifangaro ary 12 000 Ariary ny nofony. 4 500 Ariary kosa ny litatra amin’ny lasantsy. Heritiana Rabesetra
|
|
Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy fahampiana kianja ireo mpanao fanatanjahantena Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana. Ekipa vitsy no tsy manofa kianja Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be. «Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana. «Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo. Sasatra ny manarina kianja Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mivezivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita. Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina. Dobo filomanosana sivy Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja ny tenisy. Ilaharana na efa andoavam-bola aza Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafimahatratra Dina. Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso. Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io. Taranja roa na telo ihany Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana. «Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay. Refin’ny kianjana kitra manara-penitra : Refin’ny kianjana baskety : Refin’ny kianjana volley : Refin’ny kianjana tennis : Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Hetraketraky ny fiainana – Nametraka taratasy mifono hafatra ho am-badiny ilay raim-pianakaviana nisy namono Herintaona lasa izay! Tao anaty alina maizin-kitroka no nandaozan-dRaherimanana Dina Lalaina tampoka ny vady aman-janany, ny fianakaviany sy ny namany rehetra vokatry ny tsatok’antsy niantefa teo amin’ny tendany. Teny Vontovorona no nisehoan’ity tranga ity. Nandritra ny fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana azy, tao amin’ny Lasapelin-dry masera, tetsy Amparibe, omaly alahady, no nahafantarana fa nisy taratasy miendrika hafatra napetraky ny maty. «Namaky ilay ravin-taratasy iray fijeriny isan’andro izay aho herinandro taorian’ ny nahafatesany. Tsy mbola fantatro mihitsy izay voasoratra tao anatin’io taratasy io talohan’izay. Taitra aho rehefa namaky ilay izy fa tenin’ Andriamanitra maro be no tao anatiny. Sahala amin’ny hoe navelany ho ahy mba hataoko fiononana io taratasy io. Nataoko tao anaty fitoeran-tsary ilay taratasy ary nasiako zoron-trano manokana hahatsiarovana azy ao aminay ka teo no nametrahako ilay soratra miaraka amin’ny sariny sy ny zavany rehetra», hoy ny nambaran-dRajaonera Herimanana Francia, vady navelan’i Dina. «Lasa fampaherezana ho ahy ny famakiana io taratasy io isaky ny misy olana mianjady amiko na koa tena malahelo azy aho. Sahala amin’ny mahita azy izany aho rehefa mamaky ireo hafatra maharitraritra», hoy ihany ity vadiny ity. Manaiky aho Hipoka ny fiangonana, omaly alahady, nandritra ny fotoam-pahatsiarovana an’i Dina. Saika maso nanganohano no hita teo amin’ireo mpanatrika. Nanakoako tao am-piangonana ilay hira malaza an’ i Firmin mitondra ny lohateny hoe: »Manaiky aho ». namana akaikin’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny faha-23 taonany ity. Tsy mety maty «Mbola tsy mety maty fa vao mainka mamaivay be ny fahatsiarovana azy. Amin’ny zavatra atao rehetra sy eny an-dalana eny dia misy hahatsiarovana azy hatrany. Sahala amin’ny hoe »feno azy ny tontoloko »», hoy ihany ny vady navelany. Tetsy an-daniny anefa Rajaonera William, rafozan’i Dina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tao am-piangonana dia niezaka nampionona raha nilaza fa «efa nivadika ny pejy mikasika iny tantara iny ka ny toetran’i Dina sy ny ohatra napetrany no tokony ho alain-tahaka». Ny fifankatiavana kosa no notsindrian’ny pretra nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’ny torinteny nataony. «Aoka isika hifankatia, hoy izy, satria isika no sisa velona eto. Tsy fivavahana amin’ny maty no anton’izao Sorona Masina izao fa fivavahana ho an’ny fanahin’ireo olona mijaly ao amin’ny afo fandiovana». «Handeha hamonjy fety teny Vontovorona no nialany tao an-trano tamin’io zoma io. Ny sabotsy tokony ho tamin’ ny 3 ora maraina anefa no nisy nampandre izahay fa maty ary efa eny amin’ny tranom-paty izy. Rehefa nofantarina ny antony nahafaty azy dia ra nivaingana tany amin’ny lohany», hoy Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina, tamin’ny fotoana nitrangan’ity voina ity, herintaona lasa izay. Toetra nafindra Vao 3 taona ny zanak’i Dina ary raha ny filazan’ny fianakaviana dia tena manahaka an-drainy tokoa ilay zaza. Mbola tsy hita Tsy nitsahatra nikaroka ny marina mikasika iny vono olona iny hatramin’izao ny mpitandro ny filaminana sy ny fianakavian’i Dina. Mbola miriaria any anefa ilay lehilahy voatondro ho nanindrona antsy azy. «Tsy misy zavatra azo lazaina betsaka afa-tsy ny hoe mivoatra hatrany ny toe-draharaha», hoy ny nambaran-Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina. Rehefa nanontaniana kosa ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, mandray an-tanana io raharaha vono olona io dia nilaza fa «tamin’ ny fotoana nisehoan’ny voina dia efa naparitaka any amin’ireo toerana rehetra misy mpitandro ny filaminana manerana an’i Madagasikara ny sarin’ilay voatondro ho nahavanon-doza». Tao aorian’ilay fotoam-pivavahana, omaly, dia nanatitra voninkazo tany amin’ny fasan-dRaherimalala Dina Lalaina, tetsy Ankadikely Ilafy ny vady aman-janany sy ny fianakaviany ary ny namany rehetra. Soratra: Haja Randrianatoandro Sary: Mamy Maël |
|
Fiainana mpanakanto – Akanjo sy kiraro 100 isan-taona ataon’i Dah’Mama lavanty TSY ADINON’I DAH’MAMA NY NIHAVIANY. AVY AMIN’NY FIANAKAVIANA SAHIRANA ITY MPANAKANTO ITY KA NA AZO LAZAINA HO ISAN’IREO EFA FANTA-DAZA IZY ANKEHITRINY DIA MAHAZATRA AZY NY MANAO LAVANTY IREO AKANJO SY KIRARONY ISAN-TAONA. IZAY VOLA AZO AMIN’IZANY NO ATONTONY AMIN’NY FIKAMBANANA IRAY MIAHY IREO RENY SY ZAZA SAHIRANA. MIZARA NY FIAIMPIANANY AMIN’NY ANKAPOBENY AMINTSIKA ITY MPANAKANTO ITY. Mpanakanto niaina tao anatin’ny fahasahiranana izy tamin’ny fahazazany ka nahatonga azy hanana ireo toe-tsaina te hanampy olona, ary nitarika an’i Dah’Mama taty aoriana hivarotra ireo fitafiana sy kirarony mba hanampiana ireo ankizy sy reny sahirana. Mpikambana rahateo amin’ny Lions Club Farafangana, izay fantatra amin’ny fanaovana asa soa izy. Nanomboka tamin’ny 2005 no niditra teo amin’ny sehatry ny mozika i Elda Narijaona, izay fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Dah’Mama. Tsy mitahiry ary tsy manana akanjo maro ao an-tokantranony i Dah’Mama. Isaky ny volana desambra, dia ataony lavanty mandritra ny hetsika hiarahany amin’ny Lions ireo fitafiana sy akanjony entiny amin’ireo rindran-tsary sy amin’ny fampisehoana ataony mandritra ny taona. Akanjo sy kiraro manodidina ny 100 no atolony mandritra izany, ka manomboka amin’ny Ar 20 000 ka hatramin’ny Ar 100 000 ny vidin’ireo kojakoja samihafa ireo. «Ireo mpankafy an’i Dah’Mama sy ireo mpikambana ao amin’ny Lions no manjifa ireny fitafiana sy kiraro ireny», araka ny fanazavana nentin’i Dah-Mama. «Tsy manan-karena ihany koa aho fa ny talenta nomen’Andriamanitra no entiko hanampiana ny hafa», hoy ihany izy. Mampiavaka ireo fitafiana ireo, dia i Dah’Mama ihany no mikaroka sy mamaritra ny didin’akanjony na dia misy aza indraindray ny olona mampiakanjo azy. Somary misetrasetra Ny tontolon’ny dihy no nahaliana an’i Dah’Mama, tany am-piandohana. Ny olombelo Ricky no nanosika azy hiroso tamin’ny mozika, raha nahare ny feony izay hafa sy miavaka. Niatrika atrikasa mikasika ny feo niaraka tamin’ny Olombelo Rikcy rahateo izy nialoha ny nanapahany hevitra ho mpihira. «Taorian’ny fitsapana sy ny dingana natao dia nanapa-kevitra ny namoron-kira aho», araka ny fitantarany ary taorian’ izay no nivoahan-dry «Tonton Sôla», «Olala» ary ny «Valizy mena». Nanomboka teo ihany koa no nitsahatra ny famoronany tononkalo izay efa talentany hatramin’ny fahakely. «Kahie maromaro no efa voasoratro raha ny tononkalo no resahina», araka ny fitantarany. Nomarihiny rahateo fa aminy dia tsy mitovy ny famoronana tononkalo sy ny famoronana hira. «Somary misetrasetra kokoa eo amin’ny sehatry ny tononkira raha malefadefaka any amin’ny tononkalo. Mifandaka ny fihetsem-po amin’ireo zavakanto roa ireo», hoy hatrany izy. Raha ny resaka fitiavana sy ny zon’ny ankizy no voaresaka betsaka tany amin’ny tononkalo dia saika miainga amin’ny zava-misy hitan’ny masony sy ren’ny sofiny kosa ireo tonon-kira. Amin’ireo sehatra roa ireo anefa dia takian’i Dah’Mama amin’ny sehatry ny famoronana hatrany ny fahanginana. Mankafy fanatanjahantena Ankoatra ny sehatry ny mozika, izay asa mihitsy ho azy, dia anisan’ny fialam-boly tena ankafizin’ity mpanakanto andriambavilanitra ity ny fanaovana fanatanjahantena toy ny fikarakarana ireo hozatra samihafa, ny hazakazaka madinika ary ny zumba. Tsy mametraka olana ho an’i Dah’Mama eo amin’ny fiainany andavanandro ny fanaovana mozika. Mahay mifandamina izy mivady ka tsy nisalasala izy nanamarika fa «malalaka tanteraka izy amin’ny mozika sy ny kanto atao». Na izay aza, rehefa tsy ao anatin’ny mozika izy dia mandray ny andraikitra toy ireo renim-pianakaviana rehetra. Anisan’izany ny fanaterana sy ny fitsenana azy mianadahy zanany ary ny fanaterana sakafo ho azy ireo. «Tsy mametraka olana fa efa zatra mandray ireo andraikitra ireo Ramose rehefa mandeha any amin’ny fitetezam-paritra aho», hoy ihany ny fanamarihany. «Tsy saro-piaro amiko izy satria fantany ny fitiavako azy ary fantatro ny fitiavany ahy», hoy kosa izy raha nanontaniana ny resaka fahasarotam-piaro. Nanamarika rahateo izy fa hita ao anatin’ny hira ataony io fifandraisana io. «Matoky valeur» dia ilazany fa raha resaka fanambadiana dia tsy ho diso toerana ny hasarotam-piaro. Na izany aza anisan’ny tsy maintsy atao kosa ny fisian’ny serasera tsy tapaka eo aminay. Noraisina toy ny mpanjaka Nanamarika ny fiainan’i Dah’Mama teo amin’ny sehatry ny mozika ny fampisehoana iray izay nataony tamin’ny toerana iray teto Madagasikara. «Noraisina toy ireny mpanjaka ireny aho raha vao tonga teo amin’ilay toerana. Tamin’ny fotoanan’ny fampisehoana anefa dia olona roa no tonga nijery, izay tsy mbola fantatro ny antony hatramin’izao», hoy izy nitantara. Tetsy an-kilan’izay anefa, dia anisan’ny tsy nampoizin’i Dah’Mama ihany koa ny trangan-javatra tamin’ny fampisehoana iray izay niarahany tamin’ny mpanakanto efa manana ny lazany. Ny tsy nampoizina anefa dia anisan’ny tena nandrasan’ireo mpijery tonga maro i Dah’Mama. «Nankafy ny olona ary hain’ireo mpijery tsianjery ny hiran’i Dah’Mama ary nisy aza ireo tafakatra teny an-tsehatra niaraka nihira tamiko», hoy ihany izy nitantara. «Fanamby tsy nomaniko io», hoy ihany izy. Nangonin’i Faly Randriamiarantsoa Mangala droite Izy tia zaho, ka raha fitiavako azy Zahay tsy misara-bady Ity tia zaho, ka raha fitiavako azy anao mangala droite
Réf : Mangala droite (x4) Anao mangala droite
Ela zahay nitokantrano Efa taona maro Maro raha hita nandalo Zaho mbola ato
Marobe ny sabôtazy Zaho tsy décourage Na ino na ino vavan’olo Zaho tsy misolo
Réf
Marina izy fa naditra Tsisy tsy nahita Mamo lava, maro sipa Zany efa vita
Izy izao tsy ka raha taloha Afaka, asa aloha Nanjary haolo ny fijery Izaho tsy irery
Réf
Izahay tsy maintsy tafita Jalinay efa vita. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |