Subscribe to RSS

MATOANTENY Miverena

Aleo ho adin’ny olom-baovao Aleo ho adin’ny olom-baovao(0)

Misafotofoto tanteraka ny raharaham-pifidianana! Manao antsojay ary sesilany mihitsy aza ny antso avo ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena ny amin’ny hoe: «hanapaka ny fanampiana ara-bola hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena raha toa ka mbola misisika hirotsaka hofidiana ireo kandidà telo, Ratsiraka Didier, Ravalomanana Lalao ary Rajoelina Andry». Mazava izany ny lalan-kombana eto fa ny fialàn’izy telo mianadahy mianaka ireo ao anatin’ny hazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena no hampilamina ny raharaha.

Na misy mahamarina azy ihany aza io hevitry ny vondrona iraisam-pirenena io, dia olana goavana ny fitsabahan’izy ireo lalina loatra amin’ny raharaha anatiny eto Madagasikara. Ny mahamarina azy dia izao: raha tiana hipetraka tokoa ny fanovàna nimatimatesana eto Madagasikara, dia tokony ho olom-baovao tanteraka, tsy mbola fantatra teo amin’ny sehatra politika mihitsy ary tanora, no tokony hitantana firenena amin’ny Repoblika fahefatra. Mampihomehy mantsy ny zava-misy ankehitriny satria raha ny filazan-dry Deba, tamin’ny fotoan’ androny ny amin’ny hoe: «ny tanora ankehitrio no
tompon’ny taona 2000», izao anefa isika efa taona 2013 nefa mbola misisika te ho tompony ihany Ingahirainy io. Raha ny fahavitana paompy 50 isan’andro tokoa ve moa ry Dadabe Ratsiraka no mbola hahafahanao mitondra firenena, tsy aleo miala moramora fa ny tanora anie mbola betsaka no mahavita lavitra noho izany fa dia aza be resaka e! Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny fa aleo hiverenena ny tena resaka.

Izao fibaikoan’ny vahiny ny familiana eto firenentsika izao dia midika fa tsy manana hazondamosina ary tsy mahaleo tena isika, ka azon-dry zareo lalaovina araka izay itiavany azy sy mifanaraka amin’ny tombontsoany, i Madagasikara. Rehefa tena tapi-dalan-kaleha ihany koa anefa, ka tsy mahita vahaolana intsony dia tokony ho tonga saina izy telo mianadahy mianaka miala moramora. Tsy maninona esory avokoa izay kandidà tsy manara-dalàna sy mampiahiahy dia aleo ho adin’ny samy olom-baovao. Tsy ilaina koa anefa ny Ces ankehitriny fa ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mihitsy no vao mainka nampidi-kizo lalina toy izao indray.

Tojo Rakotomalala

Lasa «mpioko» ny mpandraharaha Lasa «mpioko» ny mpandraharaha(0)

I Marc Ravalomanana no isan’ny nanokatra ny lalana ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena nangetaheta fahefana teto Madagasikara, raha nandrombaka ny sezan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tamin’ny fifidianana ny volana desambra 1999. Na tsy dia be mpahafantatra aza izy, dia nanomboka nahalala ity Filoha mpanorina ny orinasa Tiko ity ny Malagasy. Ireny raketin’ny tantara ireny ny diany teo amin’ny sehatra politika, ny firoboroboan’ny fandraharahany, indrindra taorian’ny nahalany azy ho Filoham-pirenena nandritra ny fifidianana niteraka krizy, tamin’ny taona 2001, nitohy hatramin’ny taona 2002. Niitatra ho lasa vondrona nivelatra tamin’ny sehatra maro ny orinasa Tiko. Mampahomby ny fandraharahana izany ny fanaovana politika, indrindra fa raha tonga amin’ny fahefana faran-tampony! Saingy niaraha-nahita ihany koa ny niafarany sy ny fanaovana sesin-tany ny tenany hatrany Afrika Atsimo…

Toa lasa fitaratra sy soa fianatra ihany anefa rangahy io. Maro no nanaraka ny diany, fa ankoatra ny naha-mpikosoka kapila manjelatra (DJ) tena nahalalana azy, dia tsy tokony hohadinoina fa tena mpandraharaha i Andry Rajoelina. Na teritery, na paika hanangoronan-karena no nanosika an-dRavalomanana hanao politika, dia isan’ny antony (ankoatra izay voalaza fa hery teto an-toerana na tany ivelany) nanosika an-dRajoelina hananika ny avo ny antsojay nanaovan’ny fitondran-dRavalomanana azy. Lasa mpioko ny mpandraharaha.

Mitombo ny filaharana ankehitriny, ho an’ireo mpandraharaha mirotsaka eo amin’ny sehatra politika. Ao ny te ho Filoham-pirenena, ny te ho Depiote, ny te ho Ben’ny tanàna, sy ny sisa. Iza anefa no mpandraharaha ara-toekarena, tafiditra lalina amin’ny tontolo politika, ka tsy hampiasa ny fahefana ananany mba hitadiavany tombontsoa ho an’ny orinasany? Mora lazaina eo imolotra, saingy sarotra inoana ny fahadiovan-tanan’ireo «mpandraharaha politika» na koa hoe «mpanao politika ara-toekarena», rehefa azony ny fahefana.

Tsy misy foronina ireo tranga ireo fa samy niaiky niara-nahita isika. Fa ankoatra ireo te hangoron-karena, dia misy ny voatery noho ny fahalotoan’ny fandraharahana sy ny fitsipi-dalao. Raha tsy nisy izany, mety mba samy haka ny tena toerany sy hanohy ny tena asany ny tsirairay, fa tsy hilingilingy hikendry avo kanefa raha voa eo dia mianjera fanina mitsirepirepy mihitsy. Anontanio anie rangahy iny na dia mbola tsy fay aza e!

Rina Rasoava

Ny aza voany Ny aza voany

Na resaka tiana haely, na tsahobe ampihorohoroana, tsy azo terena hilamin-tsaina fotsiny ny isan-tokantrano manoloana ny tsy fandriampahalemana ankehitriny. Tahaka ny ody varatry mompera ihany io, ny aza voany. Ny tsy manam-basy kalach sy P.A ary langilangy sy ny sisa ve moa dia hanozona fa toa mba nanindrona ny mponina tany amin’ireo tanàna tsy milamina ihany ilay filazan’ny Emmo/Far fa tsaho fotsiny ny resaka fampilazan’ny jiolahy mialoha fa hanafika izy ireo.

Tsara tsindriana eto kosa fa «ny valala misy, saingy ny mpilaza ihany koa mahay». Mirarakompana ny vaky trano, asa fanendahana, fanafihana amin’ny endriny samihafa, fandrobàna tsy tambo isaina… tao anatin’ny taona vitsy izao. Tsy ny sakana ataon’ny polisy na zandary eny amin’ny arabe isak’alina akory no hampandry fahalemana ny tokantrano any anaty elankelan-trano maro any, raha ho an’ny eto an-drenivohitra. Mainka fa ny mponina any ambanivohitra!

Tsy vitan’ny fanerena ny olona hino fa tsaho ihany izany, ireny fampitahoran’ny olon-dratsy ireny, dia hilamina ny tanàna. Ny tsirairay ve moa tsy efa mba miezaka manao izay fomba hahafahana misoroka ny fandrobàna ataon’ny jiolahy, saingy tsy vitany irery izany. Raha efa nanao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana, izay «MPIARO NY VAHOAKA SY NY FANANANY», dia adala ny olona mbola ho feno fahatahorana.

Ka ianareo mpitandro filaminana ve tena akaiky ny fokonolona, izay mitaintain-dava amin’ny fanafihana mety hihatra amin’ny tokantranony, na tsaho na tsia? Tsy hisy handreraka na hampijaly tena hatory any an-tsaha ny olona, raha toa ianareo antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina. Fomba fitenenana io, fa ny zava-misy dia tsy matetika no handrenesana hoe nisy tokantrano notafihin’ny jiolahy ka vantany vao niantso ireo fianakaviana lasibatra dia tonga vetivety ireo mpitandro ny filaminana ary nifanehitra dia nahasambotra olon-dratsy. Ny vetivety dia samy manana ny azy, fa angamba kosa tsy ho 30 minitra na adiny iray izany ho anareo mpitandro filaminana…

Rina Rasoava

Namana tampoka Namana tampoka

Mba hafa indray ity resaka ity, tsy dia malaza kanefa mivandravandra mafy ery amin’izao vanim-potoana iainana ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana izao. Mivandravandra amin’ireo tambazotra sosialy, indrindra fa ny « facebook » no tena tiana asongadina eto. Tsy iza fa ry zalahy, ry zareo nanjary te ho  « namana » tampoka fa misy ilàny anao !

Ho an’ny « mpihinana », na andeha atao hoe « mpanjifa » ny tambazotra « facebook », dia mahita an’irony fangatahana ho namana, na soson-kevitry ny namana hafa mba haka namana an’ireo efa ao anatin’ ny lisitry ny « firahalahiany ». Asa aloha ireo raha ilay « tena namana » na « namanamana ». Mitolagaga ianao fa mangataka anao daholo ny ankamaroan’ireo kandidà, izay tsy hita tabilao taloha, kanjo tampotampoka eo dia mahay « facebook » daholo.

Manaporofo ny « namana raha misy patsa » ny fihetsika asehon’izy ireo. Rehefa mangetaheta sy mirangorango fahefana izany moa, tsy misy henatra na tahotra izany intsony. Tsy mangataka « voan-tehamaina » tsinona, na ianao manaiky na ianao « minia tsy mahalala »! Ankehitriny mantsy, tsy vitan’ny an-taratasy na peta-drindrina, na fitetezam-paritra, na « tee-shirt » sy hirahira any amin’ny onjam-peo irery intsony ny fambaboana ny fo adaladalan’ny mpifidy. Jono iray mety ahitàna fahombiazana, raha tena mahay mihatsaravelatsihy sy manarato ary sahy mitsoraka ho kankana mihitsy ireo kandidà. Ao anaty « facebook » indray izao no anaovana tsianjery sy famerenana sahady, amin’ny fideran-tena miampy fanasohasoana ny « izaho » … Zanaky ny tena henjana angaha no fetra !

Mba andramo idirana anie ny « pejin »’izy ireo, fa moa va tsy toy irony virijiny tsy misy pentina irony, na raha tsy nahavita be tamin’ny firenena, dia ireo misora-tena ho mpamonjy sy mpitondra fanantenana tsy manam-paharoa ho an’ny Malagasy. Inona akory anefa fa namana tsy menatra ny hamadika akory. Tsy vao ianareo anie no niseho ho namanay hatramin’
izay e!

Arira

Telekaomandy Telekaomandy

Inona moa no tena anisan’ny nampaharitra ny krizy teto Madagasikara, fa tsy baiko lavitra sy ny hena-mason’ny Sadc tamin’ireo mpifanandrina politika roa, nanomboka ny taona 2009? Ny mahagaga dia ny tsy mety hahatsapan’iretsy farany izany toe-javatra izany, na ihany koa inian-dry zareo hodian-tsy hita io tranga io mba hilalaovana fotoana sy ny fiainam-pirenena.

Iza no tsy nandadilady na nandeha an-tsokosoko tany amin’ny Sadc, na nanoloana ireo lohany telo mahefa (Troïka) izany na tany amin’ireo firenena heverina ho goavana, mpandresy lahatra ao anatin’ity vondrona ara-barotra aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ity. Iza ihany koa no tsy mbola nanompa, nanozona mihitsy aza, an-dry zareo vazaha mainty ireto rehefa tsy nifanaraka tamin’ ny eritreritry ny « movansa » ny fanapahan- kevitra noraisina!

Fa mihodinkodina eto isika sy ny vahaolan’ny krizy ary ny firosoana amin’ny fifidianana. Efa sady fanimpanin’ny fahasahiranana no mbola badenin’ny fandraikiraikena ihany koa. Tonga eto ny iraky ny Sadc, manana izay avoaky ny vavany. Andehanana any aminy ny filohan’ny Troïka, mahay mampandry adrisa amin’ny fitenenana manaraka diplaomasia.
Jereo ny zava-nisy farany teo : naninona no tsy tany an-dapany tany Ingahy Kikwete, Filoha tanzanianina dia namelively an-dRajoelina amin’ity filatsahan-kofidian’ity farany tampoka teo. Ary i Chissano ve tsy naharesy lahatra sa ninia nidify ka tsy mba nanery an’i Lalao Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka mba hihemotra amin’ireo fanapahan-keviny avy ny ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ihany koa ? Izao ilay tonga amin’ny fitenenana hoe « mpitsabo aorian’ny fahafatesana » foana ny an’ireto Sadc ireto.

Ny mahasorena dia any lavitra any izy ireo no mivovo tahaka ny inona! Raha tena manam-piniavana (sy mikatsaka fahombiazana) amin’ny famahana ny krizy malagasy izy ireo dia manaraka akaiky, mijanona eto sady tena mametraka solontena mahatapaka ahitra (fa tsy variana manao mpizaha tany mipataloha fohy eny Ambohijatovo, nefa ny tany miady) mandra-pilamin’ny firenena tanteraka.

Raha tsy izany, na mipika tahaka ny inona sy impiry aza ny « telekaomandin’» ny Sadc, izay «sarimihetsika» tian’ny mpanao politika malagasy ihany no mandeha eto…

Arira

Mila hazavana i Gasikara Mila hazavana i Gasikara

Maizina ny tany aman-danitra! Toa manaraka ny haizin’ ny raharaham-pirenena ny fahazavana na fanazavana ny tanàna sasany manerana ny Nosy. Izany ka tena hoe maizina am-pototry ny mazava, ara-bakiteny, tahaka an’ i Talatanampano ao Fianarantsoa. Ny otrikarena tokony hahazoana angovo azo havaozina: na ny avy amin’ny masoandro, na ny avy amin’ny rivotra dia samy ananantsika maro sy tsy lany, nefa toa iniana tsy raharahaina sy asiana fiheverana loatra.

Ankehitriny saika manerana ny faritra rehetra ny olana eo amin’ny jiro. Ny an’ny sasany tsy an-kijanona ny delestazy noho ny fahasimbana amin’ ny gropy ampiasain’ ny orinasa Jirama. Ny tena mahagaga mantsy dia nitombo tato ho ato ny olana amin’ny  gropy manome herinaratra amin’ny faritra maro, ka mahatonga ny fahatapatapahana lava amin’ny jiro. Ny vahoaka ihany anefa no lasibatra noho izany satria tsy mihodina ny fandraharana miankina amin’ny jiro, ny tsy fandriampahalemana mihamahazo vahana… Na izany aza toa tsy rototra akory indraindray ny tompon’ andraikitra amin’ny famahana ireny olana ireny, toa zara aza tsy mandeha izy ireny mba hampitombo  ny « bizina », ka hahafahan’ny orinasa sasany mampanofa ny gropiny amin’ny fanjakana. Dia somary gaga ihany ny tena indraindray satria ireny tamin’ny fitondrana teo aloha ireny toa tsy sarotra akory dia nahazo ilay gropy goavam-be etsy Mandroseza ny Jirama. Ankehitriny anefa dia toa malaza sy fahita amin’ny gazety sasany ny hoe manofa gropy etsy ny Jirama hampiasain’ny tanàna atsy sy aroa… Zatra sy mahay ho azy ilay voambolana vahiny nohagasiana hoe delestazy na ny zazakely aza, any amin’ny faritra.

Ny tena zava-doza dia niitatra toa sima misioka ny olana avy amin’ny jiro tatsy Mananara Avaratra, nisy mihitsy aza ny aina nafoy, re koa ny atsy Tsiroanomandidy fa dia aleo ny vahoaka no miaina anaty haizina fa ny gropy vaovao, hono, «tsy maintsy hotokanana alohan’ny hampiasana azy». Aiza ho aiza amin’izay fisehosehoana izay ilay tena fitiavana ny tanindrazana? Dia maizina tanteraka sy hamaizinina miaraka amin’i Madagasikara ny sain’ny Malagasy. Mahaiza mifidy izay tena ho fanilon’ny Firenena amin’izy 41 mianadahy mianaka ireo.

B Radavidra

Tokana hono! Tokana hono!

Iza moa no nanampo! Raha ny fanirian’ireo tsirairay ve tsy naleony navoaka ny antsapaka voalohany? Saingy tsy sitrapo io fa kinangananga! Tsy misy ala sirika ihany koa fa tsy maintsy miaraka sintomina ao anatin’ny antsapaka avokoa ny anaran’ireo kandidà. Voarara ny «mazia-mazia». Dikany, mba misy ny kandidà mora hita, ary misy ny vodilaharana. Vita ny alarobia lasa teo ny antsapaka nandaharana ireo kandidà 41, hofidiana ho filohampirenena amin’ny 24 jolay ho avy izao, ao anatin’ny biletà tokana harotsak’ireo mpifidy.

Betsaka ny zavatra tsy noheverina nefa mety hiseho, ateraky ny fampiasana io biletà tokana io eto Mada­gasikara. Mora loatra ka tsy niteraka fanakianana firy ny fizotran’ilay fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 17 novambra 2010, izay nampiasana sy nisantarana ny biletà tokana teto amintsika, satria «Eny» na «Tsia» ihany no nisafidianana notsipihina. Amin’ity indray mitoraka ity, efajoro 41, anatina lisitra lava dia lava, no andeha hamakiana ny lohan’ireo mpifidy mbola miasa sy miroaroa saina.

Ny azo antoka aloha, ny ankamaroan’ny mpifidy dia efa manana izay kandidà andrian’ny fony. Ho sasa-poana ihany ny fiheverana handresy lahatra azy ireo amin’ny sehosehon’ny mpanakanto, fizarana «tee-shirt»… sy ny kabary ambony vavahady. Fa na biletà 41 na biletà tokana, hatramin’izay, ny Malagasy dia tsy mba nifidy «hevitra» fa nifidy «olona». Tsy hivaona amin’izay efa niainana ny amin’ny 24 jolay ho avy izao, matoa tao ny nandroso ny andefimandriny, ny hafa koa nitsambiki-mikipy, ny sasany indray niroboka an-jambany, ary ilay iny mihevitra mbola handeha an-tongotra eny ambony rano indray angamba…

Ny itambaran’izy rehetra kandidà ireo, dia izy ireo samy milaza ho tsy misy toa azy avokoa. Samy te ho tokana e! Raha ny hevitra mantsy, dia araka izay efa natsi­dika tery ambony, fa «mpampanantena poak’aty» toy ireo efa teo hatrizay daholo. Aza mihatsara ivelan-tsihy e! Dia mihevitra ve ianareo fa tena ilay tokana hanavotra ity firenena ity tokoa, indrindra amin’izao fahavoazana tsy roa aman-tany namelan’ireo mpitantana nifandimby teto azy izao?

Arira

« Revy » hafa « Revy » hafa

Tsy resaka dinôzôro intsony izy ity, na akohovavy maneno, na « clown »… « Espèce rare », hoy ny vahiny, na azontsika adika mahitsy hoe « kazan-javatra tsy fahita firy ». Nalaza i Madagasikara noho ny fananany ireo zavaboahary tsy hita raha tsy ao aminy, toy ireo gidrokely, ny « baobab », ny ravinala… Efa niavaka hatramin’izay ihany koa ny mpanao politika malagasy, saingy ireto farany dia diso fanta-daza loatra tamin’ny fitiavan-tenany sy ny maha tompondaka eran-tany azy ireo amin’ny fitaka sy lainga! Dia vao farany teo ny fananan’i Madagasikara kandidà ho Filoham-pirenena mihoatra ny 40.

Fa hafa mbola tena hafa ny fisian’ny antoko iray nifidy sy nanolotra ny kandidàny nandritra ny kaongresy nasionaliny, avy eo nihanahana tampoka nandre ny firotsahan-kofidian’ny mpanorina azy ho amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena… tsy amin’ny anaran’ilay antoko akory! «Revy» inona ity? «Tanora mitovy fomba fijery, tanora mitovy eritreritra, tanora mitovy revy aminareo», hoy ingahy Andry Rajoelina tany Mahanoro tamin’ny sabotsy lasa teo. Sao ho «Revy» tena ho lasa nofy ara-bakiteny tokoa àry izany, manoloana an’ity «fiovaovana» matetitetika ity. Sa izany ilay tena «fanovàna», satria lasa fanontaniana hoe «Revy» matotra ve izany?

Tahaka ny vao mainka mampanahy ihany ve ka ho lasan-ko nofy tokoa ny hahita vahaolana haingana amin’ity krizy malagasy ity, amin’izao hazakazaka izorany izao. Asa raha hamoaka ny «Revy» hafany ihany koa ny Fiombonan’ ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (Ffkm). Asa raha hamerimberina hatrany ilay « Revy » adalany sy tsy namokatra hatramin’izay ny Sadc, ilay manao hoe « midera ny ezaka efa vita (ezaka inona koa, fa tsy hoe midera ny fizaran-tseza efa vita ve?) ; mankahery hatrany an’ireo mpanao politika malagasy mba hanohy ny fitadiavana ny marimaritra iraisana hamahana ny krizy malagasy… ».

Fa manana ny « Reviny » i dadabe Deba, dia mba manana ny azy ihany koa i zandrikely. Isika mianakavy anefa no tena miesona!

Arira

Fitapitaka mahafanina  Fitapitaka mahafanina 

Sanganehana ny olom-pirenena rehetra, omaly. Tsy mena-mivadika marina ny mpanao politika! Mahavàka ny sain’ny mpanara-baovao ny fitapitaka madinidinika ka tsy araka intsony izay tena marina momba ny fizotran’ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Ny mahava-riana ity kilalao maloto hamadibadihana ny marina eto amin’ny firenena ity. Miharihary ary hitam-poko hitam-pirenena fa  maro no tsy manara-dalàna saingy dia navadika no marina sy ara-dalàna tsotra izao rehefa izay no tian’izy ireo hapetraka.

Marina fa mitombina tokoa ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny korontana raha toa ka nosakanana tsy navela nirotsaka ireo kandidà tsy ara-dalàna rehetra ireo nefa na izany aza tokony hijoro amin’ny rariny sy ny hitsiny ny fitondrana ka hampihatra ny fahamarinana amin’ny fomba rehetra. Tsy izany anefa no zava-nisy fa ny mpitondra natao ho fitaratra indray no vao mainka nanao tery vaimanta amin’ny tsy fanarahan-dalàna.

Porofo mitohoka amin’ny tenda ihany koa izao, fa tsy mahaleo tena ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ary tsy mijoro tamin’ny heviny. Kobaka am-bava ny fianianana hampandala ny marina teo anatrehan’Andriamanitra sy ny lalàna. Raha izay no fandehany, dia tsy azo antoka intsony, na rahoviana na rahoviana, ny hisian’ny voka-pifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra havoakan’io andrimpanjakana io!

Porofo tsy azo ihodivirana ary efa niainana teto hatramin’izay nisian’ny Fanjakana Replobikana teto Madagasikara, dia tsy misy mitana ny teny nomeny ireo mpitondra. Tsy fitiavan-tanindrazana no mibaiko fa fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra, indrindra fitiavana hampisavorovoro saim-bahoaka mba hahafahana manao taingim-bozona ny madinika.

Miharihary amin’ny vahoaka malagasy izany izao ny fitapitaka mahafanina ataon’ny mpanao politika, izay tsy hahalalana ny zava-misy marina tian’izy ireo hapetraka eto anivon’ny firenena. Anjarantsika sisa no mitsara, anjarantsika ihany koa no misafidy. Ekena fa samy manana ny fironany sy ny kandidà lanilanin’ny vavoniny ny olom-pirenena tsirairay saingy aoka isika ho tonga saina satria isika ihany no hanoratra ny tantarantsika ka hotsarain’ny taranaka fara aman-dimby, any aoriana ihany, raha sendra diso safidy.

Tojo Rakotomalala

Mandry fahalemana Mandry fahalemana

Ny fanontaniana goavana mipetraka, ho anay mpitazana sy mpisanasana vava, manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny dia tsotra ihany: hilamina ve ny firenena raha horaikitra sy ho vita hatramin’ny farany ireo fifidianana efa voafaritry ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita (Ceni-T) ; hisy fitoniana ihany koa ve raha tsy tanteraka izany (noho ny antony samihafa, tsy mbola hay haza­vaina). Fa mbola mandry tsy lavo loha ireo kely tsy mba mamindro. Mihotakotaka ny saina, tsy mety mitombina fa asavorovoron’ny sangodim-panina politika. Iza no tena kandidà? Iza no sarintsarin-kandidà? Iza no kandidàn’ny fanakorontanana…

Andeha atao hoe tsara fitontona ilay soson-kevitry ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, teny am-pahatongavana avy nitafa tamin’ny Papa Ray Masina François tany Vatican omaly, mangataka ny tokony hisian’ny fifanarahana mametraka fandriampahalemana (convention de la paix) eo amin’ireo kandidà. Azo adika tsotsotra, mba tsy hampifangaroana an’ilay filazana « fandriampahalemana » mahazatra ireo saina mihorohoro lava, fa tsy hiantoka ny tsy fisian’ny jiolahy sy mpandroba akory ireo mpanao politika sy kandidà, fa hifanao velirano tsy hanao toetran’olon-dratsy sy mpangalatra !

Karazana « fair-play » na fon’ny mpanao fanatanjahantena hafa kely io, izay tsy mba nananan’ny politisianina malagasy hatramin’izay ka matetika no nampiteraka korontana sy savorovoro aorian’ny fahavitan’ny fifidianana. Ny mpandresy tsy hobiana ary ny resy tsy hakoraina no fehin’izany velirano izany. Toa mifono ahiahy tsy ihavanana tokoa mantsy ny tenin’i Andry Rajoelina, manoloana ireto kandidà mivonona handany volabe, kanefa toa tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana akory.

Nampitandrina sy nilaza hitandrina sahady aza omaly ny Emmo/Reg eto Antananarivo, eo am-piandrasana izay ateraky ny famoahana ny lisitr’ireo « lany kandidà » anio. Izahay « mpisanasana vava », hoy aho, tsy vitan’ny mitanintanin-kanina fa sanganehana amin’ny fivoaran’ity raharaha politika ity. Ny tsy mahita mantsy nahiratra tampoka; ilay reny toa nivadika akohovavy maneno; Aiza ho aiza amin’izany rehetra izany no hisian’ny mandry fahalemana eto?

Arira

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite