![]() |
Be midina(0) Nampiseho fahavonona ny hamongotra ny kolikoly ary hanatevina ny fifehezana ny lalàna ireo tompon’ andraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena. Nanao fisafoana tamina fokontany maro teto an-dreni-vohitra mihitsy ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny alakamisy alina teo. Miova amin’ny mahazatra dia ny fibaikoana avy eny ambony latabatra aloha ilay hetsika. Asa anefa raha hahitana izay isan’ny tena maharary ny vahoaka dia ny ny tsy fandriampahalemana izany fidinana ifotony ao anatin’ny indray alina izany. Enga anie ka tsy ho fisehosehoana fotsiny ihany koa izany. Raha ireo olon-dratsy mantsy tsy mba mila miantso mpampahalala vaovao fa dia mazoto hatrany manao «fisafoana» ny tokantranon’ireo valalabemandry… |
![]() |
Dodona Lasa nankato sy nanaiky tampoka an’ilay Lalàm-panorenana nolaniana tamin’ny taona 2010 ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Ny tenany mihitsy no voalaza fa nidrikina nitaky ny hampiharana ny andininy faha-166 ao anatin’ny Lalàm-panorenana manoloana ny adihevitra mahakasika ny fitantanana ny firenena aorianan’ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny tetezamita. Hatreto anefa dia toa tsy nitompo afa-tsy tamin’ilay sori-dalana naroson’ny vondrona Sadc ity mpanao politika akaiky ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ity. Impiry impiry moa no tsy nanambaran’izy ireo fa tsy misy Lalàm-panorenana manan-kery izany eto? Izao anefa dia nitsimbadika indray ny rasa. Fikatsahana tombontsoa miharo faniriana fahefana avokoa no ao ambadik’izany. Izany hoe hitantana firenena (na dia tsy nisy nifidy aza) izany kosa ve moa tsy hahadodona? Tanteraka ihany ny faminanian’ny pasitera Mailhol fa olon-kafa fotsiny ireo hapetraka ho Filoha fa tsy ny tenany. |
![]() |
Kajikajy Samy te hifikitra mafy eo amin’ny sezany ireo tompon’ andraikitry ny tetezamita nirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy misy mihevitra ny hiala mora foana izany fa dia mitady izay fomba rehetra hanemorana ilay fotoana fametraham-pialana foana aloha. Na koa mitady fomba mba hanamoramorana kokoa ny aorian’ilay fametraham-pialana. Tsy manao ilay dingana lehibe ny hafa dia mitankemotra ihany koa ny sasany. Na miara-mirona na miara-mihenahena no toa tarigetran’izy rehetra. Matoa anefa samy mifampiahiahy ohatr’izay dia samy manan-kevitra ny hanararaotra ny fahefana maha mpitondra mba hahazoana tombony amin’ny maha kandidà. Tsy misy afa-tsy kajy ny tontolon’ ny politika saingy misy ireo efa tena nahay io taranja io hatrany am-pianarana, misy ireo efa teo amin’ny toerany vao tena nanabevoho ny fahaizany. |
![]() |
Vono olona Olona roa no namoy ny ainy tany Ankirihiry-Mampikony rehefa nalain’ny andian’olona teo am-pelantanan’ny zandary. Teny Ambolokandrina indray dia lehilahy iray voatondro ho nangalatra no nodoran’ ny olona efa « maimbo rà » velona. « Fitsaram-bahoaka », hono no anaran’izany. Olona efa leom-boanana na koa tsy mahatoky ny rafitra mifanaraka amin’ny lalàna velona misy koa angamba. |
![]() |
Lalan-dririnina Na ny fomba hahatongavana amin’ilay tetezamita vaovao, araka ilay fehin-kevitra nivoaka tamin’ilay fihaonambe notarihin’ny Ffkm, aza dia efa tsy itovizan’ireo mpomba an’izany hevitra. Efa misy ankolafy sahady koa eo anivon’io mpankasitraka ny tetezamita vaovao io. Hahagaga ve moa izany fa mbola ny fitadiavan-tseza hatrany no tena ifotoran’ny resaka. Manoatra noho ireny olona mifarombaka sakafo, araka ny |
![]() |
Tsy voahozongozona Tsy nahavita nanapa-kevitra mahakasika ny fandrosoana tolo-kevitra ho amin’ny fanoloana an’ireo mpikambana eo anivon’ilay Fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidiana (Ces) ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (Smm) omaly. Nirava maina ny dinik’izy ireo ary samy niaiky tsy fidiny fa sarotra ny hanova an’ireo mpikambana eo anivon’ity rafitra ity. Toa samy resy lahatra ihany koa anefa etsy andanin’izay fa mivaona amin’ny lalàna ny fanapahan-kevitra noraisin’ity rafitra ity izay nanaiky ny filatsahan-kofidian’ ny Filohan’ny tetezamita na dia efa tara fotoana aza. Nofidiana avy eo anivon’ireo rafi-pitsarana telo karazana misy ireo mpikambana eo anivon’ny Ces. Mazava ho azy fa raha hitsipaka an’ireo olona nofidiany ireo mpitsara dia karazany mitonon-tena ho tsy nahay nisafidy ihany. Tsy dia voatery ho izay koa anefa fa mahery loatra ilay « politika » ary azo anazavana an’izay sarotra hazavaina rehetra… |
![]() |
Manahirana Mbola ho raharaha be ny hampianatra ny mpifidy ny fomba fifidianana amin’ny alalan’ilay biletà tokana, indrindra fa mahatratra 41 be izao ireo mpilatsaka hofidiana. Na ny halavan’ny biletà hampiasana fotsiny aza dia mety efa hahakivy ny maro. Efa vita antsapaka aloha izany iny ny filaharan’ireo kandidà. Ireo nahazo laharana voalohandohany no efa mihoraka, tahaka ny avy ao anivon’ny ankolafy Ravalomanana. Nitsotra mihitsy aza ny lohandohan’ny mpisorona iray avy amin’izy ireo fa mety amin’izy ireo kokoa io filaharana io satria dia mety tsy hahajery izay aty ambany intsony ny mpifidy. Mety misy fahamarinany tokoa izay ary midika fa dia efa « manan-kilema » sahady ireo kandidà « ratsy vintana » nahazo ny laharana aty afara. Aiza ho aiza amin’izany anefa ilay fitovian-danjan’ireo kandidà antom-pisian’ny biletà tokana? Hita mihitsy hoe avy amina tany efa mandroso, manana antoko vitsivitsy miavaka sy matanjaka tsara ka tsy atahorana ho maro kandidà « be tsy andraofana » no niavian’ilay hevitra biletà tokana. |
![]() |
Jamba Tsy mankato afa-tsy ny tondrozotra ary tsy te hahalala izay lalàm-pifidianana ny Praiminisitra. Lalàna tsotra anefa iry voalohany raha lalàna fehizoro ny faharoa. Izany Lehiben’ny governemanta izany ve moa dia tsy hahalala ny filaharan’ireo karazan-dalàna ireo eo anivon’ilay antanantohatry ny lalàna fa izany hoe rehefa zavatra tsy tiana ho hita, amin’izao vanim-potoanan’ny tetezamita izao dia hanampena-maso tsotr’izao fotsiny. Samy manao ny ataony avokoa ka na ny tena mpampihatra lalàna aza mbola mahita hevitra, tsy dia mandresy lahatra akory, hanazavana an’izay fanapahan-kevitra noraisiny. Raha tena misy ny jamba ary ao ihany koa ireo pahina dia tsy vitsy koa ireo minia mamily ny fijeriny sy « mody fanina » ara-bakiteny. Aleo anefa aloha mba hialana nenina hanaovana hetsika fandidiana katarakta na fizahana maso faobe tahaka ireny fahita amina fokontany maro ireny ireo mpitarika politika sao mba hisy masoandro hihiratra. |
![]() |
Vato mafana Tsy vitsy ireo manakiana ny fehin-kevitra navoakan’ny Ffkm, ny alahady teo, ny amin’ny hananganana fitondrana tetezamita vaovao sy hanemorana ny fifidianana filoham-pirenena. Ho an’ny mpitarika ny fanelanelanana amin’ny krizy malagasy avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Joaquim Chissano aloha dia efa mazava ny azy fa ny fifidianana ihany na ho inon-kidona na ho inon-kihatra. Niezaka nanampi-maso mihitsy aza ny Sadc na milaza ho nahatsikaritra tsy fanarahan-dalana tamin’ny famoahana ny lisitr’ireo kandidà ofisialy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Raha tena tsy fanarahan-dalana tokoa no nisy dia mpiray tsikombakomba tsotr’izao izany ny iraisam-pirenena. Asa na mba efa mivonona ny hizaka izay vokatr’izany izy ireo na tsia. Ny miharihary aloha dia maika ny hanilika ny eo an-tokonany fotsiny ihany ny iraisam-pirenena. Manesika ny hamitana ny fifidianana izy ireo fa toa tsy mandraharaha izay mety hiseho ao aoriana. Anjaran’ny Malagasy no mifandamina rehefa avy eo, raha ny voalazan’izy ireo. Raha adika amin’ny teny tsy miolaka dia tahaka ny milaza hoe: «mifanaritaha eo rehefa tsy hahay hifanaraka fa ny adidinay aloha no efanay». Moa va tsy fanomezana miaro poizina ? |
![]() |
Jiro tsy mandeha Olona roa no namoy ny ainy noho ny resaka delestazy tany Mananara. Ny iray voalohany izay efa narary tao amin’ny hôpitaly dia maty noho ny tsy fahazoana ny fitsaboana sahaza azy, vokatry ny fahatapahan’ny herinaratra. Ny faharoa kosa izay zazalahy vao 13 taona dia maty voatifitra rehefa nanatanteraka fihetsiketsehana fanehoana tsy fahafaliana manoloana ny zava-misy. Mbola tsy milamina tanteraka ny any an-toerana matoa nandefasana mpitandro ny filaminana maro hanatevin-daharana ireo efa any. Raha hatrany amin’ny hôpitaly kosa moa ve no misy ny fahatapahan-jiro, tsy ara-drariny ihany ny fahatezerana? Tsy any Mananara ihany no misy an’izany fa na dia eto an-drenivohitra koa aza. Mba hanontanio izay efa nitsabo marary tao amin’ny Hjra ohatra. Saingy tsy mbola ny havan’ireo lehibe sy ireo tompon’andraikitra moa no tojo ny sampona ka toa tsy tsapan’izy ireo ny hirifirin’izany mamoy havana noho ny…fahatapahan-jiro izany. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |