Subscribe to RSS

RAHARAHAM-PIRENENA Miverena

« Fetim-pirevena » « Fetim-pirevena »(0)

Mampahonena, ary tena mitaratra ny endriky ny firenena ankehitriny, raha toa ka tarafina amin’ny filanonana sisa ny tsingerintaona hamarihana ny andron’ny 26 jona, niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Lasa kolontsain’ny « Podium » sy afomanga sisa. Lotoin’ny fivalanan-drano, fivazavazan’ny mamo toaka, redirediren’ny mamon-drongony, fahasahian’ireo mpanao firaisana an-dalam-be… Tadidio ny zava-nitranga tetsy Anosy sy ny manodidina tamin’ny taon-dasa !

Sanatria « soavaly tapa-kofehy » no teny filamatra nentina nankalazana iny faha 52 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara iny. Satria angamba, hoy ny sasany, matoa mahaleo tena dia manao izay danin’ny kibony sy ny tiany hatao izay no dikany.

Vitsy no manao jery todika ny fiainam-pirenena tao anatin’izay 53 taona niendrikendrika fahafahana teo ambany “ziogan’ny frantsay izay, eny fa na ho an’ireo mpitondra nifanesy teto aza. Ny hany tena hain’izy ireo dia ny nifanilika andraikitra, nifampitory sy nifandaza tahaka ny adin’ankizy. Notonontononina fotsiny izany “fahafahana”, “fiandrianam-pirenena”… fa tsy nisy ny niasa na nanao fihetsika nifanaraka tamin’izany. 53 taona aty aoriana, mbola ny eritreritra no betsaka, ny finiavana bitika dia bitika.

Jereo fa mikarakara fifidianana, ambetin-teny ho hany vahaolan’ny krizy, isika ankehitriny, kanefa ny vahiny indray no mandidy manapaka sy toa tompon’ny teny farany eo amin’ny toeran’ny Malagasy. Dia sahy miteny ve isika fa mahaleo tena i Madagasikara? Ekena fa mbola gadrain’ny fifandraisana ara-toekarena amin’ireo firenen-kafa isika, saingy tsy mba azo atao angaha no manao antsojay amin’ny alalan’ireo harena tsy hita pesipesenina eto amin’ity Nosy ity!

Santionany ihany ireo mba hanasongadinana ny tokony hiovan’ny toe-tsaina tena hibanjina ny tanindrazana, amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao. Ala sorisory sady fanambatambazana fotsiny izany “Podium” sy ny fety aman-danonana samihafa izany. Mifangarika ny fireharehana noho ny fitsingerenan’ny faha-53 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena sy ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny.

Arira

Voalobo-jaza Voalobo-jaza(0)

Milaza ny hitarika olona an-dalambe ny 19 amin’ireo kandidà ho Filoham-pirenena, izay nanao fanambarana niaraka teny Antaninarenina omaly, mitaky ny hitazonana ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fifidianana Filoha. Asa anefa mba firy amin’ireo kandidà miseho ho dodona mafy amin’ny fifidianana ireo no tena manana herijika hahalany azy ireo amin’ny fomba madio.

Na inona aloha no lazaina na inona dia  efa ny lafiny teknika mihitsy no nambaran’ny Cenit fa voatery tsy maintsy hanemorana an’ity fifidianana ity. Marina dia marina tokoa fa efa tokony hofaranana ny tetezamita, ary tsy maintsy faranana izany, kanefa toa teren-ko masaka indray izy ity, tsy hijerena akory izay toe-javatra mety hiseho ao aoriana, raha toa ka miharihary ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana. Sa kosa ao anatin’ny hamehana sy ny tandrametaka mihitsy no mba hany itoeran’ny fanantenan’ny sasany fa hahalany azy eo amin’ny toeran’ny Filoham-pirenena ?

Sao hanao lalan-dririnina koa anefa ireo mpanemotra ny fifidianana ka ho zary fampanantenana fotsiny ihany ilay fifidianana efa nodradraina hatramin’ny taona 2009.

Sombiny Sombiny(0)

HANENIKA IREO FARITRA > Araka ny tapaka teo anivon’ ny filankevitry ny governemanta omaly dia hizara sy hipari- taka hiatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena manerana ireo faritra samihafa manerana ny Nosy ireo minisitra eo anivon’ ny governemantan’ny tetezamita. Voalaza fa nampifanarahana amin’ireo faritra nihaviany avy ny fitsinjarana azy ireo.

FANEHOAN-KEVITRA > Niantso ireo olom-pirenena hidina an-dalambe ka haneho ny tsy fankatoavana ny fanemorana lava ny fifidianana Filoham-pirenena ny kandidà Rabearison Roland Dieu Donné, Vahombey. Ity farany izay mbola nana- mafy ny amin’ny tokony hampiharana ara-bakiteny ny lalàna manan-kery mahakasika ny fifidianana raha naneho hevitra tao amin’ny tranon-kalan’ny gazety  »Franc-jeu » omaly.

Filankevitra ambonin’ny tetezamita – Tsy mety miala ireo Cst voailika na efa  voatendry aza ny solony Filankevitra ambonin’ny tetezamita – Tsy mety miala ireo Cst voailika na efa  voatendry aza ny solony(0)

« Tsy hiala izahay ». Io indray no teny malaza ankehitriny, tsy afaka am-bavan’ireo mpitondra fanjakana. Omaly dia mbola nanamafy tamin’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny fiarovana ny lapan’Anosikely ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita voailika fa « tsy hiala izy ireo mandra-pivalin’ny fitoriana napetrany eny amin’ ny Filankevi-panjakana, hampiatoana an’ilay didim-panjakana laharana faha 2013-421 tamin’ny 12 jona, manaisotra azy ireo tsy ho Cst intsony ».

Na teo aza ny fanahiana ny amin’ny hisian’ny korontana teny amin’ny lapan’Anosikely dia nila-mina ary voafehy ihany ny toe-draharaha omaly. Tsy vitsy rahateo ireo mpitandro ny filaminana efa tonga nanamafy ireo namany. Afaka niditra tao amin’ity lapa ity ireo Cst efa voailika. Toy izay ihany koa ireo vaovao izay notendrena hisolo azy ireo. Mbola nahavita nivory tao amin’ny trano fivorian’ny lehiben’ny vaomiera ireo mpikambana Cst voailika.

Tsy nisy anefa ny zavatra tapaka taorian’io fivoriana io, ka nampitaina ampahibemaso. Tsilian-tsofina no naha-fantarana fa nisy tamin’ ireo Cst no nikasa ny hidina an-dalambe avy hatrany, saingy nosakanan’ireo namany. Aorianan’ny 26 jona no nifanarahan’ny maro tamin’izy ireo fa hitarihan’izy ireo ny mpomba azy ireo eny an-dalambe.

Ranaivoson Faniry 

Fanaovan-gazety – Nodimandry Rakotondrasoava Georges, mpanorina ny Telonohorefy Fanaovan-gazety – Nodimandry Rakotondrasoava Georges, mpanorina ny Telonohorefy(0)

Tsy nahatohitra ny aretina efa nandazo azy ny mpanorina ny gazety Telonohorefy Rakotondrasoava Georges. Nindaosin’ny fahafatesana omaly teo amin’ny faha-72 taonany ity andrarezin’ny asa fanaovan-gazety ity. Vao 15 taona monja izy dia efa niroso teo amin’ny asa fanaovan-gazety. Nikoriana tao anatiny ny tsy fanekena ny tsy rariny. Isan’ny antony namonjan’ny Frantsay azy ny 31 oktobra 1959 izany, fony izy tao amin’ny gazety « La nation malgache ».

50 taona katroka taorian’io, ny 31 oktobra 2009 dia nosalorana mari-boninahitra izy sy ny vadiny. « Grand croix de deuxieme classe de l’ordre national » ny an’ity zokiolon’ ny mpanao gazety ity raha « chevalier de l’ordre national » kosa ny an’ny andefimandriny. Isan’ireo mpitarika ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona Rakotondra-soava Georges.

Ranaivoson Faniry   

Faritry ny CES – Nampitomboina ho 15 ny isan’ireo mpitsara mpanampy  Faritry ny CES – Nampitomboina ho 15 ny isan’ireo mpitsara mpanampy (0)

Nasian’ny governemanta fanitsiana ny volavolan-dalàna  mamaritra ny isan’ireo mpitsara mpanampy izay tokony hiara-hiasa amin’ireo mpikambana eo anivon’ny fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces). Araka ny fantatra dia nampitomboina ho 15 ny isan’ izy ireo, raha noheverina ho valo izany teo aloha.

«Isan’ny olana noresahina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny hoe tsy tokony ireo kandidà hiatrika ny fifidianana ihany no hanana solontena ao anatin’ny Ces, fa tokony hanana izany koa ireo antoko politika izay hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka ka izay no anton’io fanampiana isa an’ireo mpitsara mpanampy io», araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Kolontsaina sy ny vakoka, Elia Ravelo-manantsoa, omaly. Isan’ny fanitsiana noentin’ny governemanta ihany koa ny fomba hisafidianana azy ireo.

«Mety hatao antsapaka ny fifidianana azy ireo», hoy hatrany i Elia Ravelomanantsoa. Tsy mbola mihatra anefa fa miandry ny fankatoavana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra anio ity volavolan-dalàna mialoha ny handefasana azy any amin’ny parlemantan’ny tetezamita.

JR

Fihemoran’ny datim-pifidianana – Kandidà 19 mandrahona ny handrodana ny fitondrana tetezamita   Fihemoran’ny datim-pifidianana – Kandidà 19 mandrahona ny handrodana ny fitondrana tetezamita  (0)

Fanambarana feno fampitandremana sy fihantsiana ireo mpitantana ny tetezamita mihitsy no nataon’ireo kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena miisa 19  tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina, omaly maraina. Ireto farany izay mivondrona ao anatin’ilay fiombonamben’ireo kandidà miady fo mafy ny amin’ny tokony hitazonana ny datin’ny 24 jolay, mba hanatontosana an’io fifidianana Filoham-pirenena io. Nilaza ny handray ny fepetra rehetra hahafahana manatanteraka izany fifidianana izany izy ireo.

«Mitsipaka amin’ny herinay rehetra ny fampikatsoana ny fiainam-pirenena izahay ary vonona ny hanohitra marindrano sy handrodana ireo sakana rehetra mety tsy hahatanteraka ny fifidianana . Noho izany dia miantso ireo kandidà namana sy ny Foloalindahy, ny mpia-sam-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpanao politika rehetra izahay mba handray ny andraikiny manoloana ny toe-java-misy», araka ny fanambarana novakian’ny kandidà Julien Razafi-manazato izay efa nitana ny toeran’ny mini- sitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha.

Fe-potoana hatramin’ny alahady 

Nahitsy ny filazan’ ireto kandidà ireto tao anatin’ity fanambarana ity fa «hiafara amin’ny fandrodanana ny fitondrana tetezamita mihitsy ny hetsika hotanterahan’izy ireo, raha toa ka mbola minia mikiry ny hampikatso ny fanatontosana ny fifidianana Filoham-pirenena ireo lehibena andrim-panjakana mpitantana ny tetezamita ankehitriny».

Nosinganin’izy ireo manokana amin’izany ny Filohan’ny teteza-mita, Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ary ireo mpitsara eo anivon’ilay fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces). «Tokony haongana rehefa tsy mahavita raha», hoy ny teny mahery nataon’ny kandidà Voni-nahitsy Jean Eugène, izay isan’ny nitondra ny tenin’ity fiombonamben’ ny kandidà, ity omaly.

Ho fanamafisana izay fepetra horaisin’izy ireo izay dia nanome fe-potoana ny Filohan’ny tetezamita sy ny Ces ary ny governemanta hatra-min’ny alahady izy ireo mba hitady vahaolana haingana hahafahana miroso amin’ny fifidianana izay voalazan’izy ireo fa tokony hangarahara sy marina ary eken’ ny rehetra. «Mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe ny hetsika raha toa ka tsy mbola mivaha ny olana aorian’io fe-potoana io ary mety ho mbola maro no hanohana anay amin’ izany», hoy hatrany i Voninahitsy Jean Eugène nanamafy.

Juliano Randrianja 

Efa ho antsasa-manila 

Kandidà miisa 19 no nanasonia an’ity fanambarana omaly ity. Ankoatra ny  mpitarika ny vondrona politika «Les As», Voninahitsy Jean Eugène sy ny  mini-sitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Julien Razafimanazato dia  isan’ny nanasonia ity fanambarana ity ihany koa ireo Praimini-sitra teo  aloha mirahalahy dia ny jeneraly Camille Vital sy i Monja Roindefo, ny  Praimini-sitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny  tany, Hajo Andrianainarivelo, ny minisitry ny Rahara-hambahiny, Pierrot  Rajaonarivelo, ny mini-sitry ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy,  Tabera Randriamanan-tsoa, ny Filohan’ny antoko Psdum, Jean Lahiniriko,  ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy teo aloha, Noe-lson  William, ny mpano- rina ny antoko Mts, Roland Ratsiraka, ny filoha nasio- nalin’ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara, Saraha Georget  Rabe-harisoa, ny kandidan’ny antoko Fff, Benjamin Andriamparany  Radavidson,
Eo ihany koa ireo kandidà mahaleo tena toa an-dry Kolo  Roger, Alain Tehindrazanari-velo, Joseph Martin Randriamampionona, ireo  mpandraharaha toa an-dry Patrick Rajao-nary, Ny Rado Rafalima-nana,  Lezava Fleury ary ny Lehiben’ny faritr’i Menabe, Faharo Ratsimbalison.

J.R

Jeneraly Ndriarijaona André – « Milamina ny ato amin’ny Tafika » Jeneraly Ndriarijaona André – « Milamina ny ato amin’ny Tafika »(0)

Nanamafy ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika  omaly fa « milamina ny eo anivon’ny Tafika ». Na eo aza ny resabe mahakasika ny miaramila etsy sy eroa ny amin’ny mety hisian’ny fakana ny toeran’ity manamboninahitra jeneraly ity ary mety hiafara amin’ny fandraisan’ny miaramila fitondrana mihitsy dia tony tanteraka izy omaly nilaza fa « sarotra ny hanao izany ». Hita ho gaga aza ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika ity raha nanontaniana mahakasika ny fanozongozonana ny toerany ataona miaramila eo ambany fifehezany.

« Tsy misy ny olana ato aminay. Milamina tsara ny eny anivon’ny fibaikoana ny miaramila rehetra. Mbola averiko hatrany ny hoe:  »ho zakantsika Malagasy ve izany fitondrana miaramila izany ? ». Basy no miteny amin’izany koa ho tiantsika ve izany?», hoy ny jeneraly Ndriarijaona André, toa efa nampitandrina sahady.

R.F

Manan-tsaina…tsisy saina! Manan-tsaina…tsisy saina!(0)

Indreo ry mpanao politika, samy miseho ho dadany, samy miseho ho mafy amin’ity fifidianana indray mitoraka ity. Mahavariana fa ny daty handatsaham-bato aza mbola any an-kibon’ny omby, dia efa mifamely ambony ihany ireo mpifanandrina. Samy avo vava sy tsy mifankatahotra nefa  iaraha-mahalala fa samy gisa lahy homan-ketsa daholo ihany fa mody manamarin-tena! Izay tokoa ilay politika e! Mampiova olona rahateo ny seza sy voninahitra. Omaly mpinamana tsy mifankafoy, nifanohantohan-tsy ho lavo, androany nanjary mpifahavalo mifampitsikera sy samy te ho zavatra eo imasom-bahoaka. Ireo akama maherihery fihetsika, nanohana taloha, aza moa natsipy tsotra izao any ivelan’ilay sambo niarahana nidola satria mitady hanoha-riana.

Vokatr’izay fifandranitana eo amin’ireo mpanao politika izay, dia maro ihany koa ireo olom-pirenena no manaraka ny hadalan-dry zalahy ireo. Amin’izao, tsy roniny tsy ventiny, dia hoe: «tsy hanangan-tsaina». Sao dia tsisy saina?! Aiza kosa e, mpivarotra sainam-pirenena mameno ny arabe ireo ve dia hoe: «tsisy saina», fa ianareo mihitsy no efa tsisy saina!
Ny Tanindrazana angaha ijerena tsangan’olona na tsangan-kevitra? Tsy an’ny mpanao politika i Madagasikara fa an’ ny vahoaka malagasy na mpomba ny atsy na aroa, na kristiana na mpino fomban-drazana, na manana na ory, na andriana na… tsy andriana. Mahagaga anefa fa noho ny fankahalana an-dRanona sy fankamamiana an-dRanona, dia tsy hanangan-tsaina nefa fetim-pirenena! Efa fomba fanaon’ny zanak’i Dada ireo, raha vao niforona ny tetezamita. Saingy rehefa niitatra ilay tetezana, ka nahazo avara-patana ny sasany, dia iny fa mody tonga saina niverin-dalana, na nanangan-tsaina indray. Ankehitriny, ny hafa indray no nifindran’ny hadalany. Dia mihevera tena ianareo tsy mbola manan-tsaina. Atsangano ny saina, raha tsy te ho voatondro molotra ao anaty fiarahamonina hoe: Ireo fa tsisy saina!

Ho aiza moa no hiafaran’ity firenena malalantsika ity raha samy hanao hambom-po diso toerana tahaka izao daholo ny valalabemandry. Izao no tadidio ry vahoaka tonga saina: androany ianao no andrian’ireo mpanao politika hilika, fa rahampitso ihany anefa dia ho voahilika… Samia tonga saina e!

Tojo Rakotomalala

Vinavina Vinavina(0)

Mahatratra ny 60 ka hatramin’ny 70 %-n’ny mpifidy ny fitambaran’ireo heverina fa handatsa-bato ho an’i Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana ary i Andry Rajoelina, raha ny tohan-kevitr’ity farany tany Toliara, ny sabotsy teo. Tarehi-marika tsy voaporofo mazava io. Fifidianana Ben’ny tanànan’ Antananarivo izay nandreseny ny kandidàn’ny Tim ihany no hany nandraisan’i Andry Rajoelina anjara kanefa efa maro ny fiovan-javatra taorian’izay. Efa tsy tahaka ireo olona nitsena azy teny Ivato tamin’ny 1997 intsony koa no nitsena an’i Didier Ratsiraka farany teo. Ary i Lalao Ravalomanana indray na mahazo ny fanohanan’ireo mpomba ny vadiny aza dia mbola tsy niatrika fifidianana ka tsy afaka hitompo teny fantatra ihany koa. Ny hany azo antoka dia ireo «be tsy miteny» no tena maro an’isa indrindra ary ireo dia tsy mitady afa-tsy ny filaminana sy ny fitoniana. Saingy rehefa tsy miteny izay moa  ka dia izay mahay vava sy manangam-bovona ihany no toa zary manana ny marina.

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite