|
Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0) Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taitra ny manodidina naheno ny fipoahana ka namonjy ilay zazalahy sy nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy ny harivan’io dia efa tsy tana intsony ny ainy. Raha ny tatitra azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia «saika hanaovan’ity zazalahy ity karakaram-patana io bala io kinanjo rehefa nokapohiny ilay bala dia nipoaka tampoka ka nanapaka ny ratsan-tanany sy nandrovitra ny feny». Araka ny fantatra dia ny manamboatra karakaram-patana sy mivarotra izany no asan’ny rain’ity zazalahy namoy ny ainy ity ary eritreritra ny mba hanampy an-drainy indrindra no nahatonga azy nikitikitika ilay bala. «Bala tsy fampiasa amin’ny basy fahitan’ny olona isan’andro toy ny »kalachnikov » sy ny »Mas 36 » io bala io fa fampiasa amina basy manokana. Efa ela nitoerana ilay izy satria efa arafesenina tanteraka ny vatany iray manontolo ka na olona efa nahita bala aza mety tsy hahalala azy», hoy ny loharanom-baovao azo avy amin’ny zandarimaria. Fahavakisan’ny «soute à bombe» Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria hatrany dia «mety ho vokatry ny fahavakisan’ny fitoerana fitaovam-piadiana mahery vaika fantatra amin’ny hoe: »soute à bombe » no nahatonga an’io bala io ho teo an-tokontanin’ilay niharan-doza». Isan’ny toerana saro-pady io »soute à bombe » io satria misy fitaovana maro ka efa nandray ny fepetra tandrify azy ny mpitandro ny filaminana nampahafantatra ny olona eo amin’ny manodidina ny mety ho voka-dratsy aterany. Mety tsy ho bala ihany mantsy no hita eny an-toerana fa mety hisy grenady ihany koa na fitaovana hafa, araka ny fampitandreman’ny zandary hatrany. Haja Randrianantoandro |
|
Teriterin’ny iraisam-pirenena – Tsy hiala Rajoelina, mety hihemotra indray ny datim-pifidianana(0) Raha zohina dia tsy hametra-pialana eo amin’ny toerany ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina raha tsy efa milamina sy mazava tanteraka ny fitsipi-dalao sy ny fepetra rehetra ahafahana miroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay tokony hotanterahana ny 24 jolay izao. Nahariharin’ny Filoha mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona rahateo ny «fanahiany ny mety tsy hahatanterahan’io fifidianana io ». Ny fihemoran’ny datim-pifidianana no itoeran’ny olana mahakasika ny fametraha-pialan’ny Filohan’ny tetezamita. «Raha nilaza ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hampiato ny famatsiam-bolany amin’ny fifidianana dia ho voatana tokoa ve io fe-potoana io? Raha toa anefa ka ny fanjakana malagasy indray no hamatsy vola izany dia tokony mbola hisy indray izany ny fanamboarana ny teti-bola mba hahafahana manatanteraka izany ka anjarantsika no mieritreritra», hoy ny fampieritreretana nataon’ny Filohan’ny tetezamita taorian’ny fihaonany tamin’ny solontenan’ny Foloalindahy sy ny avy amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy ary ny Komity mpanara-maso ny fifidianana, omaly, tetsy amin’ny «hotel Carlton». « Ady gasy » Tsy mbola nanary toky sy naneho fahavononana ny hitady vahaolana ahafahana mitazona io fe-potoana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana io aloha ny mpanorina i Andry Rajoelina, omaly. «Manana vahaolana ny tenako, vahaolana hiteraka fitoniana, vahaolana ahavitana ny fifidianana, vahaolana hiarahan’ireo kandidà rehetra ahafahana mamaha ny krizy», hoy hatrany ity farany. Aorian’ny fivorian’ny Foloalindahy sy ny Ffm ary ny Csc no voalaza fa hanolorany ‘io vahaolana io. Notsorin’ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny jeneraly Sylvain Rabotoarison teny Anosy fa «mbola hiankina amin’izay fifanarahana izay ny fanontana ny biletà tokana ahafahana manatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena». Nohitsian’ity farany anefa fa «ilaina ny mametraka ny hambom-pom-pirenena manoloana ny teritery hataon’ny fianakaviam-be iraisam-pirenana tamin’ny fitakiana ny fisintahan’ny Filohan’ny tetezamita sy ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana ho kandidà amin’ny fifidianana. Nisongadina tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny tetezamita rahateo ny tsy fankasitrahany an’io fanapahan-kevitry ny iraisam-pirenena io izay voalaza fa «mety hiteraka korontana eto amintsika». JR Tsy tonga Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana Io omaly io aloha dia mbola tsy nisy ny fanapaha-kevitra noraisina tao anatin’ny fivoriana niarahan’ny Foloalindahy sy ny Ffm sy ny csc tetsy Anosy omaly. Tsy nisy tonga niatrika io fihaonana io rahateo ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka sy i Lalao Ravalomanana izay samy tsy nandefa solontena ihany koa. Fihaonana izay noheverina fa «tokony ahitana ny marimaritra iraisaina eo amin’ny telo tonta hifanaraka ny hiala an-daharana na hirotsaka amin’io fifidianana io». «Nilaza ny tsy eto an-toerana fa nanana fandaharam-potoana any Mahajanga i Lalao Ravalomanana. Nilaza ny tsy mbola afaka ny hihaona aminay koa ny Filoha Didier Ratsiraka. Tsy atao aha-kivy anefa izany fa mbola hisy ny fanantonanay azy ireo», hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ffm, ny jeneraly Sylvain Rabotoarison, tetsy Anosy omaly. Hitohy eny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy eny Ampahibe anio ny dinika tanterahan’ny telo tonta.
|
![]() |
Praiminisitra Omer Beriziky – Nanameloka ireo faniratsirana amin’ny sora-baventy(0) Nampiaka-peo ny Praiminisitra Omer Beriziky, omaly hariva, teny Mahazoarivo. Nanameloka ireo olona nitondra sora-baventy tamina hetsika famoriam-bahoaka iray, teny Ankorondrano ny tenany. Nofaritan’ny lehiben’ny governemanta ho faniratsirana, fihantsiana ary fanalàm-baraka mihitsy ireo sora-baventy ireo. Nahazo fampitandremana tamin’ity farany ihany koa ireo nanao sonia ny tondrozotra milaza fa hanala ary hanatitra ny solon’ireo minisitra avy amin’izy ireo. « Manameloka tanteraka ny fihantsiana, fampiasana teny mandrangitra sy manala baraka na amin’ny alalan’ny fampiasana sora-baventy, na fampielezam-peo na soratra eny amin’ny rindrina ny tenako sy ny governemantan’ny firaisampirenena. Fandikan-dalàna izany ka azo henjehina amin’ny fehezan-dàlana famaizana », hoy ny Praiministra. Manoloana ny fikasan’ny antoko Monima hanolo ny minisitry ny Angovo, izay avy amin’izy ireo dia nampitandrina ny Praiminisitra. Nilaza anefa ny avy amin’ny antoko Monima fa « ara-dàlana ny fanateran’izy ireo minisitra omaly teny Ampandrianomby satria izay no voalazan’ny tondrozotra ». Ranaivoson Faniry |
|
Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana(0) 5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA IZY IO ANKEHITRINY. TEBOKA 800 EO AMIN’NY VATAN’NY OLONA NO AZO ITSABOANA, HATRANY AN-TAMPON-DOHA KA HATRANY AM-PALADIA. NATAO HAMERENANA AMIN’NY LAONINY NA HAMPIRINDRA TSARA NY HERIM-BATANA NY «ACUPUNCTURE». ARETINA MARO NO AZONY SITRANINA. TSY VITANY KOSA IZAY MILA FANDIDIANA NA MISY OTRIK’ARETINA MIHANAKA. Rantsana iray amin’ ireo dimy, eo amin’ ny fomba fitsaboana nentin-drazana sinoa ny «acupuncture». Misy ny fitsaboana amin’ny zava-maniry, ny fanorana sy ity tsindrona ity. Ireo no fototra telo, fa manampy azy ireo ihany koa ny fanarahana fomba fisakafoanana, izay sady mitsabo no miaro ary indrindra ny fampiasana vatana toy ny fanaovana Tai-chi na Qi gong. Afaka misafidy izay sampana tiany hofehezina amin’ireo ny mpitsabo. Ao amin’ny Inspc Befelatanana Lalam-piofanana iray ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fahasalamam-bahoaka (Inspc), ao Befelatanana, no misy ny foibe fianarana azy sy misy rantsana iray fitsaboana koa. Dokotera 30 eo, efa nahavita fianarana valo taona, tamin’ ny fomba fitsaboana mahazatra, no misafidy mianatra azy mandritra roa taona. Nisy nandeha nianatra izany mihitsy tany am-potony, tany Shina. Malagasy no mpampiofana eto amintsika. Misy ny fitaovana fitsaboana hafarana avy any Shina. Toeram-pitsaboana amin’ny alalan’ny «acupuncture» efatra no iandraiketan’ny Sinoa tahaka ny ao Ambovombe, Sambava, Vatomandry ary Mahitsy. Efa misy dokotera mahafehy ity fomba fitsaboana ity koa anefa amin’ireto hopitaly manaraka ireto: CHRR Toamasina, CRMM Antsirabe, CHD Ifanadiana, CHU Fenoarivo sy Itaosy ary ao amin’ny Hjra. 2 000 ariary fotsiny ny sara fanaovana tsindrona indray mandeha. Herim-batana miely araka ny tokony ho izy «Raha vao safotry ny loto na poizina miforona ao anatin’ny vatana ny vavony, ny aty, ny sarakaty, ny tsinay na ny taova samihafa eo amin’ny olona, dia tsy mikoriana tsara ny herim-batana ka teraka ny aretina eo amin’ilay olona. Manetsika ireny taova tra-pahasahiranana ireny ilay fanjaitra atsindrona amin’ny teboka mandalo amin’ny lalana mampifandray ireo taova samihafa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline, manam-pahaizana manokana momba ity fitsaboana ity, miasa ao Befelatanana. Misy atsindrona any amin’ny felan-tongotra kanefa aretin’andoha no sitranina. Misy aretina amin’ny tapany ambany eo amin’ny olona, nefa any amin’ny loha no ametahana ilay fanjaitra. Tsy fanjaitra volamena intsony «Nivoatra tsikelikely ny fahalalana ireo teboka ireo. Teboka vitsy ihany no fantatra tamin’ny voalohany. Izao izy, misy teboka 800. Tany aloha, fanjaitra volamena no nampiasaina. Taty aoriana, hita fa ny fanjaitra vita amin’ny vitsy sy varahina dia mety hanaovana azy ihany koa, noho izy ireo tsy atahorana hitondra loto», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Mbola misy ny mampiasa fanjaitra volamena na izany aza. «Vato na taolana noranitina no nampiasaina tany am-boalohany vao nampiasa fanjaitra volamena. Tsy misy hafa ny teboka amin’ny olona na lahy na vavy ankoatra ny faritry ny taovam-pananahany. Tsy tokony lasa diso lavitra loatra ny teboka ametahana ny fanjaitra. Toy ny fitsaboana rehetra, mety misy olona tsy andairan’ny fitsaboana atao. 80%-n’ny olona tsaboina dia andairany avokoa. Marary 30 hatramin’ny 40 isan’andro no raisinay eto ka misy ny fitsaboana fototra, misy ny efa fikolokoloana», hoy Dr Ratianarimamindramanga Andrée Evelyne, manam-pahaizana amin’ity fomba fitsaboana sinoa ity. Alentika 3,5cm Arakaraka ny nofo eo amin’ilay teboka mila ametahana fanjaitra ny halalin’ny fandentehana azy. Eo amin’ny 2 mm, amin’ny faritra manify nofo ka hatrany amin’ny 3,5 cm, raha eny amin’ny nofom-pe na nofom-pitombenana, ohatra. «Ny fidiran’ny fanjaitra fotsiny no re kely fa rehefa alentika izy, tsy re intsony», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Ireo karazan’aretina Fampiasa hanalana fanaintainana ny tsindrona amin’ny fanjaitra. Azo tsaboina amin’ity fametahana fanjaitra ity ny ankamaroan’ny aretina mpahazo ny olona: loha, fiakaran’ny tosi-dra, fahatapahan’ny lalan-dra, paralysie faciale, arthrose, lohalika, aretin-damosina, siatika, sinozita, maso, hatoka, fahavizanana, rhumatisma, goty, fampihenana menaka any anaty, diabeta, spasmophilie, palpitation, sohika, aretin’ny taovam-pisefoana, stress, névrose, fikorontanan-tsaina, fivalanana na aretin’ny retsika (nerfs), gripa, alerzia isan-karazany, tratran’ny hatsiaka tampoka, mitohana, torimaso tsy ampy, tsy mety tsemboka tsara, mamoaka nana amin’ny faritra sasany na aretin’ny taova mampipipy. «Mitsabo ireny ankizy manana fahatarana ara-tsaina ireny koa izahay ary mizaha manokana ny ankizy. Misy aretina vetivety dia voatsabo. Misy ny mila fitsaboana maharitra. Manohy ny fanafody efa nomena azy ihany koa ny marary sasany. Izay tokony homena fanafody fanampiny aza dia azonay omena ihany koa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Fitaovana fampiasa Fitaovana vitsivitsy no fampiasan’ny mpanao «acupuncture» ny fanjaitra no fitaovana lehibe voalohany. Sahabo 8cm ny halavany. Electropuncture na milina kely mandeha herinaratra, manetsiketsika mirindra ny fanjaitra amin’ny teboka iray. Mampiasa «ventouse» koa ry zareo, izay fitaovana toy ny vera, asiana hafanana avy amin’ny afo, atohaka amin’ny faritra mila tsaboina. Misy koa ny antsoina hoe «moxa», izay hafarana any Shina ka atao manakaiky ny teboka ilaina kitihina ilay lohany misy afo kely. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |