![]() |
Tenisy « Coupe Davis » – Nijanona ho Vondrona III i Madagasikara(0) Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Maraoka, teo amin’ ny dingan’ny manasa-dalana, ho an’ny Coupe Davis, faritra Afrika, ny ekipam-pirenena malagasy, ny sabotsy lasa teo, tany Ejypta. Niondrika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 isika teo anatrehan’ity lohalaharan’ny vondrona A ity, izay nitazona antsika tsy hiala ao amin’ny vondrona III, amin’ny taona ho avy. Tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 7/5) no nampiondrika an’i Jean Jacques Rakotohasy, izay nisedra ny faharesena voalohany ho azy, teo amin’ity lalao ity, teo amin’ny lalao voalohany ho an’io dingan’ny manasa-dalana io. Resy tahaka izany ihany koa isika teo amin’ny olon-droa miaraka, izay niarahan’i Tony Rajaobelina sy Antso Rakotondramanga. Ity farany no mba nahita fandresena ho antsika teo amin’ny lalaon’olon-tokana faharoa. “Tena efa niady isika saingy angamba mbola misy ny tsy ampy kely ka heveriko fa tsy maintsy harenina amin’ny taona ho avy”, hoy i Ando Rasolomalala, mpilalao malagasy avy teto Madagasikara niatrika fanindroany ny Coupe Davis. Azo heverina fa fisafidianana mpilalao no isan’ny tena nahatonga ny faharesena ho an’ireo solontena malagasy tamin’ity fifaninanana ity. Teo ihany koa anefa ny mety harerahana noho ny lalao intelo nifanesy notontosain’izy ireo, araka ny tombatomban’ ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny tenisy. R.A |
|
Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy ny Taxi Tsimbazaza(0)
Tamin’ireo lalao efatra nataony, tsy mbola nisy naharesy ny ekipan’ny Taxi Tsimbazaza, mandray anjara amin’ilay “Grand tournoi taxi-foot”, atao isaky ny sabotsy, eny amin’ny kianjam-pasika, eny Fort Duchesne, izay kitra lalaovin’olona fito. Omby no loka amin’ity fifaninanana ity. Isa 5 no ho 4 no nisarahan’i Taxi Tsimbazaza tamin’ny Taxi Anosibe ka anisan’ny lalao tena niady tamin’iny indray mitoraka iny. Azo antoka hiakatra ambonimbony hatrany amin’ity lalao ity ny avy eny Tsimbazaza. “Mbola misy ihany ny mampiasa mpikarama an’ady, na dia efa voararan’ny fitsipika nifanarahana aza. Rehefa azonay ny sarin’ireo mpilalao ka handalo sivana ny ekipa tsirairay, hisy ny fisavana ny karatra fahazoan-dalana mitondra fiarakaretsaka. Ho sahirana izay mbola mitady hanao hitsin-dalana ririnina”, hoy Randrianindrina John, mpandrindra ny fifaninanana. Barphil Andriantsiferanarivo Voka-dalao abotsy 18 mey Taxi Ambohipo (4) # Taxi Total Analamahitsy (2) |
|
Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely(0) Nitarika ny fidinan’ny AS Saint Michel Elgeco ho eo amin’ny laharana faharoa ny ady sahala samy tsy nitoko nisarahan’izy ireo tamin’ny Cosfa, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Carion. Tsy afa-nanohitra ny sakana napetraky ny miaramila tamin’io fihaonana nanamarika ny andro faha-13 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga io ny ekipan’ny Masindahy Misely avy eny Amparibe. Na izany aza anefa dia efa isan’ireo ekipa efatra hiatrika ny “Poule des AS”, izay hamaritana izay hisalotra ny anaram- boninahitra izy ireo aorian’ny andro faha-18. Ny AS Adema, izay nandresy ny Vesta Team, tamin’ny alalan’ny isa 4 no ho 2 izany no mitarika vonjimaika amin’izao. Tsy nahatana ny fandresena efa azon’izy ireo, tao anatin’ny 88 minitra, ihany koa ny ekipan’ny Iarivo Football Club, tetsy Mahamasina raha nihaona tamin’ny Tana Formation, ny andron’ io sabotsy io. Efa nitarika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 ireto avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ireto tamin’izany fe-potoana izany. Votsotra anefa izany fandresena izany noho ny tandrevaka nataon’i Jaoronono Bruno, izay vodilaharana, tamin’ ny fandraisan-tanana nataony tao anaty faritra tsy azo ivalozana. Baolina tokony nodakana no notsenainy tamin’ny loha, teny amin’ny tany ka tsy azony ary nahatonga azy handray tanana no nahatonga ny fanasahalana nataon’ny Tana Formation. “Tena niloka angamba i Jaoronono tamin’io satria tsy tamin’ity alao ity ihany no nanaovany tandrevaka tahaka izao fa efa niseho ihany koa izany teo amin’ny lalaonay sy Saint Michel”, hoy ny mpitantana avy eo anivon’ ny Iarivo Football Club. Mikasa ny hampihantona azy izy ireo ato ho ato. Roméo Andriamihaja Ireo vokatra hafa Ajesaia # Cospn (0 – 0) |
![]() |
Handball – Nanjakan’ny avy any Atsimo ny “Open Junior 2013”(0) Tsy namelan’ireo avy any amin’ny faritra atsimo raha tsy azony ny amboara niadiana teo amin’ny “open junior”, ho an’ny handball notontosaina, tamin’iny herinandro iny. Ny HBCI avy any Ihorombe no voahosotra ho tompondaka teo amin’ ny vehivavy raha nandresy ny ekipan’Atsinanana, izay isan’ireo taninketsan’ ny handball eto Mada- gasikara, tamin’ny alalan’ ny isa 48 no ho 46. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana anefa vao nahita an’io fandresena io ireto avy any Ihosy ireto rehefa nisaraka tamin’ny isa nitovy samy 40 teo amin’ny fe-potoana ara-dalana. Nitarika tamin’ ny alalan’ny isa 18 no ho 17 anefa ny solontenan’ Tsy nahatsiaro ho sahirana kosa ny ekipan’ Atsimo Andrefana nanoloana ny ASSM avy etsy Amparibe, teo amin’ ny lalao famaranana ho an’ny sokajy lehilahy. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny alalan’ny isa 32 no ho 20 ity ekipan’ny Masindahy Misely ity, teo amin’ny fe-potoana farany ho an’io lalao io. Nitarika hatrany am-piandohana ny avy any Toliara tamin’izany lalao izany ary lavitra, 16 no ho 9, ny elanelana teo amin’ny fe-potoana nialana sasatra. Natao indrindra hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny sokajy vehivavy, izay atao any RD Congo, tsy ho ela iny fifaninanana iny. Noentina ihany koa anefa nanaitra ny hafanam-pon’ireo mpilalao lehilahy tanora, araka ny nambaran’ny federasiona. R.A |
![]() |
Moto cross – Tompondakan’i Madagasikara vonjimaika I Ted Boyaval(0) Nisongadina teo amin’ ny andiany fahatelo, amin’ ny fiadiana izay ho tompon- dakan’i Madagasikara eo amin’ny fanamoriana moto cross i Tod Boyaval, natao tany Nosy-Be Hell-ville. Isan’ny mpifaninana akaiky aminy i Claudio Tida, izay niala an-daharana teo amin’ny dingana faharoa, raha vaky kodiarana. Tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, izay natao tany Toamasina no nitarika i Tida Claudio. Norombahin’ny Ted kosa ny andiany faharoa teny Iavoloha, ary dia mbola nohamafisiny izany tamin’ity andiany fahatelo tany Nosy-Be ity. Izy izany aloha hatreto no tompondaka vonjimaika eo amin’ny fifaninanana fanamoriana moto cross. RA |
![]() |
Basket ball N1B – Voahosotra ho tompondaka ny Fitsarana any Toliara(0) Norombahin’ny JBC, ekipan’ny Fitsarana ao amin’ ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, ny anaram- boninahitra tompondakan’ i Madagasikara, teo amin’ ny basket ball sokajy N1B, izay nampiantranoan’ izy ireo tamin’iny herinandro iny. Tamin’ny alalan’ny isa tery dia tery 62 no ho 61 no nandresen’izy ireo ny SBC avy any Atsimo Andrefana, teo amin’ny lalao famaranana notonto- saina ny alahady teo, tao amin’ ny kianja mitafon’i Toliara. Ireo ekipa roa niatrika ny famaranana ireo izany no hiatrika ny fifa- ninanam-pirenena ho an’ ny sokajy N1A indray amin’ ity taona ity, araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana. Ny Globe Trotters, izay nandresy ny UHF, tamin’ ny alalan’ny isa 91 no ho 83, kosa no nitana ny laharana fahatelo tamin’ ity fifaninanana nanjaka- zakan’ireo avy any amin’ ny faritany ity. Ankoatra ireo dia mbola voahosotra ho mpilalao mendrika ihany koa i Fania Estace, mpilalaon’ny JBC Atsimo Andrefana. I Jaona Ravelomanan- tsoa, Globe Trotters, kosa no nampiditra baolina betsaka indrindra izay nahatratra 149. Natolotra ny ASC 44 avy any Alaotra Mangoro kosa ny amboaran’ny “fair Play” . R.A |
![]() |
Basket ball N1B – Nihintsana avokoa ireo ekipan’Analamanga Tsy nahovoka. Ekipan’Analamanga telo no indray nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny basket sokajy N1B, tany Toliara, omaly hariva. 66 no ho 63 no nandavoan’ny SBC (Vakinankaratra) ny ekipan’ny kolejy Masindahy Misely, raha ny TTS avy eny Ambohimanarina no nanaraka ny diany taorian’izay, resin’ny USF Matsiatra Ambony 90 no ho 80 taorian’ny fanalavam-potoana. Teo amin’ny lalao fahatelo dia mbola tsy tafavoaka teo anatrehan’ny Globe Trotters ny Fandrefiala, ka niondrika tamin’ny isa 81 no ho 66. Mbola tao anatin’ny lalao kosa ny JBC sy ny JCM, izay hamaritra ny ekipa fahefatra hiatrika ny manasa-dalana anio, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. R.A Ireo ampahefa-dalana anio ASSM # SBC (63 – 66) |
|
Baolina kitra Analamanga – Hotsapain’ny IFC ny Tana Formation
Mialoha ny handehanany hiatrika ny lalao famaranana mandroso any Seychelles, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana ny talata izao, dia hotsapain’ ny Iarivo Football Club etsy Mahamasina anio ny Tana Formation FC. Lalao miverina ho an’ny fiadiana ny ho tompon- dakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra ity lalaon’ny roa tonta ity, tafiditra amin’ireo lalao hanamarika ny andro faha-13. Lalao azo heverina ho fanalana vela ihany ho an’ny ekipan’i Frank Rajaonarisamba, satria tamin’ny lalao mandroso dia niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Tana Formation. Mila mitana ny toerany faharoa eto Analamanga anefa ity farany satria taorian’ny andro faha-12 dia izy ireo no milahatra eo aorian’ ny AS Saint Michel. “Ny harerahan’ny vatana teo amin’ireo mpilalao avy tany Kaomoro no isan’ny nahatonga iny faharesena iny saingy hiezaka ny hanarina izahay amin’ity”, hoy Roméo Andriamihaja Fandaharan-dalao Sabotsy 18 mey 2013 |
![]() |
Tenisy « Coupe Davis » – Hifandona amin’ ny 1/2-dalana i Maraoka sy Madagasikara Azon-dry Jean Jacques Rakotohasy sy ny namany, izay misolo tena antsika any Egypta amin’ny fifaninanana tenisy na ny “Coupe Davis” Vondrona III, ny laharana voalohany niarahana tamin’i Namibia ary Rwanda tao amin’ny Vondrona C. I Maraoka no hifandona amin’ny ekipa Malagasy amin’ny manasa-dalana, taorian’ ny nandresen’i Mada- gasikara isa 3 no ho 0 ny Namibiana, omaly. Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Jean Jacques Rakotohasy na i Zakakely tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/0) i Jacobus Serdyn. Seta 2 no ho 0 (7/6, 6/3) ihany koa no nandavoan’i Antso Rakotondramanga an’i Tiku Jacob. Mbola seta 2 no ho 0 (6/1; 6/1) ihany koa no nandresen’i Ando Rasolomalala sy Tony Rajaobelina azy mirahalahy ireo teo amin’ ny olon-droa miaraka. Raha tafavoaka eo anatrehan’i Maraoka isika dia tafaverina indray ao anatin’ny vondrona II amin’ny taona 2014, ka hiarahantsika amin’ireo firenena eoropeana. R.A |
![]() |
Rugby « Grand defi Berthin » – Ekipa valo hifampihantsy eny Antanikatsaka Mandritra ny alatsinainin’ny Pantekosta dia hifampihantsy eny amin’ny kianjan’Antanikatsaka ireo ekipa valo avy eny amin’ny seksiona Atsimondrano, eo amin’ny taranja rugby, izay efa niatrika ny “tournoi Berthin Atsimondrano”. “Fangatahan’ireo ekipa ireo ny hifanala vela ka antony nahasarika anay hanohana azy ireo. Fanao rahateo izany lalao fihantsiana izany ho an’ny rugby. Tsy ady omby fa fitaovana hoentina manao fanatanjahantena no hatolotra ho an’izay mandresy”, hoy i Berthin Randriamihaingo, filohan’ny “Team Berthin”. R.A Fandaharam-potoana XV Trefle Ambohijafy # FTFAI Ambaniala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |