Nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara. Tovovavy malagasy no nandrombaka ny laharana faharoa na « 1ère Dauphine » tamin’ny fifidianana izay tovovavy tsara bika aman’endrika ho an’ny Firaisambe Afrikanina, faritra fahenina.
Notanterahina ny 24 desambra teo tany Paris-Frantsa ny andiany faharoa tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ratsimba-Andriantavy Charlène, izay vao 19 taona no nitondra avo ny anaran’ i Madagasikara tamin’izany. Mpianatra ao amin’ny Lycée Jean-Guéhenno de Flers any Frantsa izy ary eo am-panomanana ny fanadinana Bakalorea sokajy S.
Tovovavy afrikanina teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona, 24 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana.
Leila Ndabirabe avy any Burundi ary mpianatry ny Oniversiten’i Bruxelles no nitana ny toeran’ny Miss Firaisambe afrikanina io nandritra ny taona 2012.
Nangonin’i FR










0 Fanehoan-kevitra