Omby 210 tao amin’ny tanànan’ Androngony any amin’ny distrikan’i Belo-Tsiribi-hina no norobain’ny dahalo 22 lahy, nitondra basim-borona 16, ny 7 jona lasa teo. Tany amin’ ny tanànan’Amboloando no hita ny dian’omby. Miaramila dimy avy ao amin’ny kaompania faha-510 no nanao ny fanarahan-dia, taorian’ny fitarainan’ny tompon’omby. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo miaramila sy ny dahalo, ka ny14 tamin’ireto farany no lavon’ny bala, ny valo lahy niporitsaka, vakitady nandositra. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby nangalarina.
Roa andro taorian’ izay, ny sabotsy 9 jona no nitranga ilay fanafihan- dahalo mahery vaika tany Befotaka, any Amboasary Atsimo, ka ny dahalo indray no namerina ny basin’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny Ben’ny tanàna.
B.A








0 Fanehoan-kevitra