Subscribe to RSS

Beko’n'Blues – Efa miketrika ny «Hazolahy» ny tarika Mikea

Taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny «Gilitabe» ka niarahany nikalo tamin’i Dama,dia mitety faritra any La Réunion i Théo Rakotovao, ankehitriny. Fitetezam-paritra izay hitohy any Eorôpa amin’ny volana septambra ka hatramin’ny novambra.

tsy ankilan’izay anefa, eo am-pikotrehana ny «Hazolahy», rakikira vaovao heveriny fa hatolotra ny mpankafy amin’ny volana septambra ihany koa ity mpanakanto fantatra amin’ny fiangaliana ny «beko’n'blues» ity. Hiarahan’i Théo Rakotovao sy ny tarika Mikea amin’ ny trano mpamokatra avy any Hollande Music and World, tarihin’i Hans Peter, io vokatra vaovao io.

iavaka amin’ireo rakikira teo aloha (Longo sy Taholy) ity rakikira ity noho ny gadon’ny mozika izay somary ho haingana kokoa. Na izany aza, ho hita amin’ireo hira ao anatin’ny rakikira ny fototra sy ny gadona nentin-drazana ary indrindra ny Kabôsa, izay nandravaka ny hiran’ny tarika Mikea. Eo am-pieritreretana ny famo- karana rindran-tsary vaovao ihany  koa i Théo Rakotovao, amin’izao fotoana izao.

Faly Ran.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana  eto Madagasikara i Elmotho

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana eto Madagasikara i Elmotho(0)

Tafiditra ao anatin’ny fitetezana firenena maro. Hanolotra seho tokana eto amintsika i Elmotho, mpanakanto avy any Namibie, izay nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninanana «Découvertes Rfi-France 24», tamin’ny 2012. Efa hatramin’ny ela no nitondra ny zava-kantony ivelan’ny firenena niaviany i Elmotho ary ny nahazoany io loka io dia efa sehatra iray hitondrany ny zavakanto ho an’i Afrika, izay voaresany matetika ao anatin’ny

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana  isam-paritra sy ny firenena

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana isam-paritra sy ny firenena(0)

Tafiditra tao anatin’ ilay hetsika, «Herinandro ho an’ny kolontsaina». Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena  ho an’ny kolontsaina maro lafy. Nankalazaina tamin’ny alalan’ny seho sy fampirantiana samihafa tetsy amin’ny La City, Ankorondrano io andro io, ka nanehoana ny fahasamihafana eo amin’ ireo kolontsain’ny faritra eto Madagasikara an-daniny ary ny fahasamihafana avy amin’ireo firenen-tsamihafa an-kilany. Nasehon’ireo tranoheva maromaro ny mampiavaka ny kolontsaina isam-paritra eto Madagasikara, ka nisongadina tamin’izany ireo fomba fitafy sy ny taovolo isaky ny faritra na isaky ny foko. Masoivoho vahiny maromaro ihany koa

Tapatapany

Tapatapany(0)

FISARIHANA Finday avo lenta no ho azon’izay tsara vintana mandritra ny fisarihana hotanterahin’ny banky Bni, mandritra ny foara iraisam-pirenena tanterahina, etsy amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato, ny alakamisy 23 ka hatramin’ny alahady 26 mey ho avy izao. Ny alahady hariva amin’ny 4 ora sy sasany no hanaovana ny fisarihana ka ireo telo voalohany tsara vintana no hahazo amin’izany.

Fifaninanana BMOI – Sary 65 voafantina hiatrika  famaranana etsy Soarano

Fifaninanana BMOI – Sary 65 voafantina hiatrika famaranana etsy Soarano(0)

Efa nanomboka tamin’ ny 27 marsa ny fampirantiana voalohany isaky ny faritra. Sary 65 no voafantina hiatrika ny famaranana tamin’ny fifa- ninanana saripika niarahana tamin’ny BMOI. Nanom- boka 17 mey teo ary hitohy hatramin’ny 27 mey ny fampirantiana ireo sary ireo, etsy amin’ny Café de la Gare, Soarano. Ny fanehoana ny «rano» amin’ny alalan’ ny sary no notakiana tamin’ireo mpifaninana ary samy niezaka nampivoitra izany ny tsirairay. Naha- tratra 200 ireo namaly ny

Toamasina – Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy

Toamasina – Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy(0)

Efa ela tsy nifankahitana. Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy nandritra ny seho voalohany niarahany tamin’ny mponin’i Toamasina, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita, tao anatin’ilay hetsika «Pentecôte maresaka à Tamatave». Porofon’izany, dia saika niarahan’ity mpanakanto ity nikalo tamin’ireo mpijery ny ankamaroan’ireo hira nokaloina ka tao anatin’izany ireo hira efa voarakitra tamin’ny rakikira roa efa navoakany toy ny «Tambitamby», «Zanaka amba­nivolo», «Fahanginana», «Saribamanga»… Anisan’ny tena nahoraka kosa ary nangatahin’ny mpijery ny namerenana azy ny «Sentosento», izay niarahany nikalo tamin’i Frances J, izay sambany niaka-tsehatra tamin’ny fampisehoana. Nialoha an’i Nantenaina, dia nisantatra ity seho ity i Shyn,  izay anisan’ireo mpanakanto sangany sy manana ny lazany koa amin’izao fotoana, any amin’iny faritra Atsinanana iny. FR

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite