Subscribe to RSS

Befotaka – Raikitra omaly ny tena fanafihana an-dry Remenabila

Tahirin-tsarin’ireo mpitandro filaminana sy fokonolona nanara-dia tao Befotaka

Tapa-kevitra. Omaly vao maraina no niala tao Esira ao Befotaka ireo andiana mpitandro ny filaminana hisambotra an’i Remenabila sy ny tariny. Nisedra olana sahady izy ireo noho ny antony tsy fahafahan’ilay helikoptera sy fiaramanidina madinika manampy tanteraka amin’ny fanafihana ny tanànan’Iabohazo sy Bekolintsa.

« Ao Tolagnaro no miainga ilay helikoptera sy ilay fiaramanidina madinika. Ny olana anefa dia tsy afaka mitondra miaramila na fitaovam-piadiana maro ilay helikoptera Alouette II. Raha tsorina dia tsy natao entina hanafika ilay izy. Ankoatra izay, dia tsy fantatra ihany koa izay tena fitaovam-piadiana hananan’ireo dahalo ka atahorana ihany ny manidina eo ambonin’ilay toerana misy azy ireo », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Miezaka mandeha an-tongotra araka izany ireo mpitandro ny filaminana mifehy ny toerana izay misy ireo dahalo.

« Sarotra ny zava-misy aty noho ilay toerana tena any anaty ala ary ifandimbiasana lemaka sy toerana avo. Dia an-tongotra roa andro vao tonga any Iabohazo sy Bekolintsa. Manana olana eo amin’ny fifandraisan-davitra ihany koa izahay aty. Misy ny ezaka hikarohana vahaolana amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny satelita. Mampiasa Radio Vhf ihany izahay, saingy tapatapaka ilay izy, arakaraka ny toerana », hoy ihany ny loharanom-baovao.

Nitondrana « mortier »

Mpitandro ny filaminana roa kamiao indray no niainga teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly nihazo an’Iabohazo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny « mortier » izay ahafahana mitifi-davitra hatrany amin’ny kilaometra maromaro. Misy amin’ireo zandary ihany koa no manam-pahaizana amin’ny informatika nalefa any an-toerana. Hampita ny zava-misy mandritra ny fanafihana no anton’izany, araka ny fantatra. Jeneraly roa no mibaiko  ireo mpampandry tany any an-toerana dia ny jeneraly Rasolofonjatovo Julson Frank Iavizara, tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny jeneraly Manankay Augustin, lefitra voalohany ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.
 

Faralala

1 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Antalaha – Efa fantapantatra ny tompon’ ireo andramena tratra

Antalaha – Efa fantapantatra ny tompon’ ireo andramena tratra

Mihamazava ny lalana mizotra mankany amin’ny tompon’ireo andramena miisa 2 294, tratra tao Ranotsara, tany amin’ny moron-dranomasina, tao Antalaha, ny zoma lasa teo. Voalaza fa mpandraharaha ao an-toerana ihany izy io. “Isan’ireo mpandraharaha nanao fanambarana tamin’ireny fotoana nangatahana ny fanaovana fanambaràna ny tahirina andramena eo an-tanany ireny ireo mpandraharaha ireo. Herinandro vitsivitsy izay, raha ny vaovao azonay, no nanao fangatahana ny hamindrana toerana ireo hazo ireo izy ireo. Fangatahana izay nokasain’izy ireo halefa eny anivon’ ny fiadidiana ny Praiminisitra, eny

Fanafihan-jiolahy tao Betroka – Fifampitifirana adiny telo nahafatesana dahalo dimy sy olon-tsotra telo

Fanafihan-jiolahy tao Betroka – Fifampitifirana adiny telo nahafatesana dahalo dimy sy olon-tsotra telo

Naharitra adiny telo ny fifampitifirana tamin’ny dahalo sy ny zandary tany Befotaka ny alarobia 8 mey teo. Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva dia tsy nahenoana afa-tsy feom-basy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambiatoka. Dahalo dimy sy olona telo avy amin’ny fokonolona no maty tamin’izany. Raha ny fantatra dia dahalo avy nanafika tokan­trano telo tao Betaingisy ao amin’ny fokontany Anakoty, kaominina ambanivohitr’i Beharena ireo dahalo ireo, ka omby an-jatony no lasan’ izy ireo tamin’izany. « Dahalo an-jatony nirongo basim-borona 60 mahery teo ho eo sy fitaovam-piadiana hafa no nanafika », hoy ny tatitra azo avy eo anivon’ ny zandary any an-toerana. « Raha vao nahazo fampandrenesana mikasika io fanafihana io ny zandary tao Befotaka dia nandefa zan­dary nanampy ny foko­no­lona hiambina ny kizo tao Ambiatoka, toerana nitrangan’ny fifampitifirana. Tokony ho tamin’ny 2 ora hariva ireo dahalo no nandalo teo amin’io kizo io, ka raha vao nahita ireo mpiam­bina izy ireo dia nanao tifitra variraraka. Tamin’izany no nahafaty ny telo tamin’ireo fokonolona. Namaly koa tetsy ankilan’izay ny zandary ka lavo ny dimy tamin’ireo dahalo », hoy ihany ny tatitra avy tany an-toerana.

Asan-dahalo – Polisy iray sy olon-tsotra voatifitra, omby 30 najifa

Asan-dahalo – Polisy iray sy olon-tsotra voatifitra, omby 30 najifa

Polisy iray sy olon-tsotra iray mpanara-dia no naratra mafy voatifitry ny dahalo, tao Ambongabe any amin’ny Kaominina Tsiroanomandidy, ny 8 mey teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Dahalo maromaro izy ireo no niaraka nangalatra omby 30 izay fananana kaomisera miso­tro ronono. « Nirongo basim-borona izy ireo sady nitondra fitaovam-piadiana hafa », hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria. « Raha vao nahita ireo mpanara-dia ireo dahalo dia nitifitra avy hatrany ka nahavoa ny iray tamin’ireo fokonolona. Ilay polisy kosa indray dia nanao sakana teo amin’ny arabe ary sendra ireo dahalo nandalo teo ka notifirin’izy ireo ihany koa », hoy ihany ny zandary avy ao Tsiroanomandidy. « Nisy jiro nirehitra teo amin’ny toerana nisy ireo polisy ireo ka avy hatrany dia hitan’ireo dahalo. Miala 20 metatra amin’ny toerana itobiany no nitrangan’io voina io », araka ny voalaza hatrany. Rehefa nahazo antso ny zandary tany Tsiroanomandidy dia nandefa zandary roa hanampy ireo foko­nolona. Mbola mitohy ny fanarahan-dia an’ ireo olon-dratsy amin’ izao fotoana izao. H.R

Antanifotsy – Olona iray ahiana ho mpa­nakan-dalana voasambotra

Antanifotsy – Olona iray ahiana ho mpa­nakan-dalana voasambotra

Nivadika ny rasa! Ireo olona saika hanakana taksiborosy avy any Toliara ho aty an-drenivohitra teo Antanifotsy indray no nitsoaka rehefa nivoaka tao anaty fiara ireo mpandeha omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 4 ora. « Nitondra fiara tsy mataho-dalana marika Nissan Hardbody ireo jiolahy tamin’izany. Nentin’ireo namany nitsoaka ilay fiara raha vao nivoaka ireo tao anaty fiara mpitatitra, ka ny mpamily indray no tavela teo ary noraisim-potsiny », hoy ny tatitra voaray avy eo anivon’ny zandary any an-toerana. « Noraisina avy hatrany ny fepetra ka niantso ny teo anivon’ny « centre immatriculateur » taty Antananarivo ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana mba hahafantarana ny tompon’io fiara io », hoy ihany ny tatitra. Ny zandary sy ny polisy avy ao amin’ny borigadin’Antanifotsy no mandray an-tanana ity raharaha ity. H.R

Korontana any Mananara – Olona dimy voasambotra,  nahantona ny kaomisarian’ny polisy

Korontana any Mananara – Olona dimy voasambotra,  nahantona ny kaomisarian’ny polisy

Milamindamin-dratsy ny faritr’i Mananara Avaratra, omaly taorian’ilay fitokonana nahafaty olona tany an-toerana ny sabotsy hariva teo. Olona dimy no voasambotry ny polisy omaly raha nanakorontana tao amin’ny seranam-piaramanidina. Nisy fiaramanidina tonga tany an-toerana nitondra ireo mpiasan’ny Jirama voatondro hanamboatra ireo fitaovana nisy nandoro. « Raha vao saika hipetraka teo amin’ny seranana anefa ilay fiaramanidina dia nisy andian’olona nanakana tamin’ny alalan’ny fandoroana kodiarana ka voatery nitodi-doha niverina. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka olona dimy no tra-tehaka tamin’izany », hoy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police  Rakotondratsima Désiré Johnson. . Etsy andanin’izay dia nahantona aloha ny asan’ny kaomisarian’ny polisy any an-toerana. « Mbola ho hita eo na hosoloina na tsia ireo polisy miasa ao amin’io kaomisaria io », hoy ihany ny tale jeneralin’ny polisy. Efa tonga any an-toerana aloha ireo polisy avy ao Fenoarivo atsinanana, Toa­masina ary Maroantsetra. Miisa eo amin’ny 25 eo izy ireo, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nandray fepetra manokana tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina ihany koa ny lehiben’ny distrika any an-toerana omaly ary nihatra omaly hariva ihany izany. H.R

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite