
“Samy manana ny fahitany azy iny lalao iny. Ao ireo mijery mitongilana, ao ihany koa anefa ireo manana fijery hafa ka mba nitsinjo an’ireo mpilalao namono tena ho fakana izany. Heveriko fa nitovy tamin’izany ihany koa ny fomba fijery teo amin’ireo Malagasy fahiny tamin’ny ady nataon’ny Menalamba ho an’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy i Berthin Rafalimanana na i Berthin Zoto, mpanazatra nasionaly. Nanterin’izy ireo kosa ny fisaorana ho an’ireo rehetra “nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka” izany fandresena izany. Isan’izany ny Fiadidiana ny tetezamita sy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary ireo mpanohana hafa. “Ny irariana dia ny hitohizan’izany hatramin’izay tanjona faran’izay tratra. HItohy amin’ny lalao hotontosaina any Maraoka amin’ny volana septambra eo amin’ny rugby lalaovin’olona fito ny fifaninanana kaontinantaly ho an’i Madagasikara. I Berthin Zoto ihany no hitantana izany.
Roméo Andriamihaja









0 Fanehoan-kevitra