Saika mbola voatana ao amin’ny ekipam-pirenena latsaky ny 19 taona avokoa ireo mpilalao efa tao tamin’ny herintaona, ka hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Zimbaboe, amin’ny 23 aogositra hatramin’ny 2 septambra ho avy izao. “Nampiana ny sasany tamin’ireo mpilalao sokajy latsaky ny 18 taona niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena tatsy La Réunion, izay nahazo ny amboara, izy ireo”, hoy i Marie Eric Randrianarison na i Eric Sefo, mpana- zatra nasionaly hitondra azy ireo hiatrika izany fifanintsanana ho an’ny “World Trophy Junior” izany.
Omaly no fantatra ny anaran’ireo 24 mirahalahy notsongaina tamin’ireo 30 farany niatrika ny fampivondronana, ny zoma lasa teo. “Amin’ny alarobia ho avy izao no hiatrika lalao tsapa amin’ny Makis miangaly ny baolina lavalava lalaovin’olona fito izahay”, hoy ihany io mpanazatra ny Makis Junior io.
Nampiany fa fohy dia fohy ny fotoana noentina niomana tamin’ity, ka izany no nahatonga ny safidy hiantefa amin’ireo efa zatra lalao iraisam-pirenena. Tamin’ny 11 jolay vao niatrika fanazarantena niaraka ny Makis latsaky ny 19 taona.
R.A
Ireo Makis Junior
Andry Tahiana (FTA), Jean Marc (UASC), Lalatiana (Fitamiba), Matfine (FTM), Narly (XV Taureau Mahajanga), Anthony (USA), Cels (AMT2 Andranomanalina), Tokiniaina (TMAA), Andrianjaka na Black (3FB), Johnson Mahery (RCI), Frenel (Diégo), Matfield (USA), Rija Onjatiana (FTM), Rahery (USA), Julio (UASC), Faniriniaina (3F5), Tantely (Cosfa), Dera (FTM), Fetraniaina (TFMA), Jean Fabrice (USA), Naina (FTA), Niry Nantenaina (FTM), Lahatra (FTM), Mahandry (RCI)










0 Fanehoan-kevitra