Hain’ny Saint Paul, tompondakan’i La Réunion ny namadika ny rasa, nanoloana ny fitarihan’ny Cnaps Sport. Niondrika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 ity farany nandritra ny lalao famaranana mandroso ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (Uffoi), izay natao ny alarobia alina teo, tao La Réunion.
Nitarika 1 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany isika Malagasy, izay baolina nampidirin’i Jimmy Simouri teo amin’ny minitra faha-17. Baolina naverin’i Elysé Randriamanantena tany amin’ny mpiandry tsatokazo, Jean de Dieudonné Randrianasolo na i Leda, no noraisin’ity farany, ka nahatonga ny “Coup franc” teo amin’ny 5 m, ka nana- sahalan’i Siala Alexis ny isa teo amin’ny minitra faha-49 fizaram-potoana faharoa. I Antoine Rasolofo, izay teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena mahorey miara-milalao amin’i Sedera ao amin’ ny Saint Paul kosa no namono ny baolina faharoa ho an’ireto Renioney ireto teo amin’ny minitra faha-60. Ny 10 jona ho avy izao, any Mahajanga, ny lalao miverina
R.A










0 Fanehoan-kevitra