Subscribe to RSS

Baolina kitra Ranomasimbe Indianina – Azon’ny Cnaps Sport ihany ny amboaran’ny UFFOI

Hafaliana ny an’ny Cnaps Sport nibata amboara tao amin’ ny kianja Rabemananjara

Hafaliana ny an’ny Cnaps Sport nibata amboara tao amin’ ny kianja Rabemananjara

Tonga amin’ny niriany. Norom- bahin’ny Cnaps Sport ny amboaran’ny Ranomasimbe Indianina na ny Uffoi, ho an’ireo ekipa tompondaka, rehefa lavon’ izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny FC Saint Paul tao amin’ ny kianja Rabemananjara, omaly. Nihoaran-dry Michael Rabeson, kapitenin’ny Cnaps Sport, ny isa 1 no ho 2 nandresen’ny Renioney azy ireo tamin’ny lalao mandroso. Tombony ho an’ io ekipa tompon’ny amboaran’ i Madagasikara 2011 io ny fampiantranoana ny lalao miverina sy ny hatsaran’ ny kianja Rabemananjara vita amin’ny bozaka artifisialy ary ny efa fahazarana milalao amin’izany kianja izany.

Nanindry anefa ry zareo Renioney nandritra ny 20 minitra voalohany tamin’ ity lalao miverina ity, saingy nangatsiaka tampoka izy ireo taorian’ny tifi-davitra tany amin’ny 40 metatra nataon’i Jimmy Simouri teo amin’ny minitra faha-24, ka nampikobana ny harato nandrasan’i Pelops Mathieu. Isa tokana nisarahan’ny roa tonta teo am-pialan-tsasatra io.

Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa dia nampi- seho ny fahaizany tanteraka ireo mpilalaon’i Jean Marie Razafiarison sy Rafà, samy mpanazatra ny Cnaps Sport, ka nanampy ny isa teny amin’ny solaitrabe. Feno ny hafaliana teo amin’ny Cnaps Sport nandritra ny fandraisana ny amboara.

R.A

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tenisy « Coupe Davis » – Nijanona ho Vondrona III i Madagasikara

Tenisy « Coupe Davis » – Nijanona ho Vondrona III i Madagasikara(0)

Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Maraoka, teo amin’ ny dingan’ny manasa-dalana, ho an’ny Coupe Davis, faritra Afrika, ny ekipam-pirenena malagasy, ny sabotsy lasa teo, tany Ejypta. Niondrika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 isika teo anatrehan’ity lohalaharan’ny vondrona A ity, izay nitazona antsika tsy hiala ao amin’ny vondrona III, amin’ny taona ho avy. Tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 7/5) no nampiondrika an’i

Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy  ny Taxi Tsimbazaza

Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy ny Taxi Tsimbazaza(0)

Tamin’ireo lalao efatra nataony, tsy mbola nisy naharesy ny ekipan’ny Taxi Tsimbazaza, mandray anjara amin’ilay “Grand tournoi taxi-foot”, atao isaky ny sabotsy, eny amin’ny kianjam-pasika, eny Fort Duchesne, izay kitra lalaovin’olona fito. Omby no loka amin’ity fifaninanana ity. Isa 5 no ho 4 no nisarahan’i Taxi Tsimbazaza tamin’ny Taxi Anosibe ka anisan’ny lalao tena niady tamin’iny indray mitoraka iny. Azo antoka hiakatra ambonimbony hatrany amin’ity lalao

Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely

Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely(0)

Nitarika ny fidinan’ny AS Saint Michel Elgeco ho eo amin’ny laharana faharoa ny ady sahala samy tsy nitoko nisarahan’izy ireo tamin’ny Cosfa, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Carion. Tsy afa-nanohitra ny sakana napetraky ny miaramila tamin’io fihaonana nanamarika ny andro faha-13 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga io ny ekipan’ny Masindahy Misely avy

Handball – Nanjakan’ny avy any Atsimo  ny “Open Junior 2013”

Handball – Nanjakan’ny avy any Atsimo ny “Open Junior 2013”(0)

Tsy namelan’ireo avy any amin’ny faritra atsimo raha tsy azony ny amboara niadiana teo amin’ny “open junior”, ho an’ny handball notontosaina, tamin’iny herinandro iny. Ny HBCI avy any Ihorombe no voahosotra ho tompondaka teo amin’ ny vehivavy raha nandresy ny ekipan’Atsinanana, izay isan’ireo taninketsan’ ny handball eto Mada- gasikara, tamin’ny alalan’ ny isa 48 no ho 46. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana anefa vao nahita an’io fandresena io ireto avy

Moto cross – Tompondakan’i Madagasikara vonjimaika I Ted Boyaval

Moto cross – Tompondakan’i Madagasikara vonjimaika I Ted Boyaval(0)

Nisongadina teo amin’ ny andiany fahatelo, amin’ ny fiadiana izay ho tompon- dakan’i Madagasikara eo amin’ny fanamoriana moto cross i Tod Boyaval, natao tany Nosy-Be Hell-ville.  Isan’ny mpifaninana akaiky aminy i Claudio Tida, izay niala an-daharana teo amin’ny dingana faharoa, raha vaky kodiarana. Tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, izay natao tany Toamasina no nitarika i Tida Claudio. Norombahin’ny Ted kosa  ny andiany faharoa teny Iavoloha, ary dia mbola nohamafisiny izany tamin’ity andiany

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite