Subscribe to RSS

Baolina kitra Euro 2012 – Tombanan’ny gazety eoropeanina ny famaranana: Espana-Alemana

Nampiondrika an’i Croatie i Espagne, omaly

Nampiondrika an’i Croatie i Espagne, omaly

Lalao telo, fandresena telo. Ny ekipam-pirenena alemana irery no nahafeno isa, 9/9, izany hoe naharesy intelo tamin’ireo lalaom-bondrona telo nataony tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa eo amin’ny taranja baolina kitra na ny Euro 2012 atao any Ukraine sy Pologne. Tafavoaka velona tao amin’ilay vondron’ny fahafatesana ny Rainiboto, rehefa nanilika 1 no ho 0 ny Portogey, 2 no ho 1 ny Holandey sy ny Danoa. Voasokajy ho isan’ireo andrarezina sy andrandrain’ ny mpanara-baovao ny Euro amin’izao fotoana izao, indrindra fa tombanana ho tsy hampa- nano sarotra azy ireo ny hanilika ny Grika eo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana.

Efa mieritreritra ny fiverenan’ny lalaon’i Alemana sy Portugal eo amin’ny manasa-dalana sahady ny gazety vahiny any Eoropa any. Ny Portogey izay hifandona amin’ny Repoblika Tchèque amin’ny ampahefa-dalana.

Henjana kosa ny miandry ny Frantsay satria ny Espanôla tompon- dakan’i Eoropa sy tompon- daka eran-tany farany ho hiandry azy ireo amin’ny ampahefa-dalana. Na tsy nandresy lahatra loatra aza ny dian’ny Roja, dia mbola voafantina ho isan’ ireo andrarezina izy. Misy manombantombana ny famaranana Alemana sy Espana mihitsy aza ny any ivelany any. Ny Frantsay, izay lavon’i Suède 2 no ho 0 nandritra ny andro farany tamin’ ny lalom-bondrona nisy azy ireo.

Ny lalaon’i Italia sy Angletera kosa no sarotsarotra ny tombantombana, na dia mitongilana kely amin’ny Squadra Azzura aza ny hevitry ny mpanao gazety vahiny. Nangovitra ihany ny Anglisy tamin’ny lalaom-bondrona farany nihaonany tamin’ny tompon- trano, ka nandreseny 1 no 0 ny Okranianina.

Samy tsy nisy tafakatra dingana manaraka kosa izany ireo firenena mpampiantrano ny Euro 2012, dia i Pologne sy Ukraine.

R.A

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

« Airtel jeunes talent » – Hifantina ankizy 16 ho any Nizeria  ny Airtel sy ny Génération

« Airtel jeunes talent » – Hifantina ankizy 16 ho any Nizeria ny Airtel sy ny Génération(0)

Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady ny fifantenana ireo mpilalao hisolo tena ny Airtel Madagascar ho any Lagos (Nizeria) amin’ny volana septambra 2013 ho avy izao. Hotontosaina amin’ny 8 jona hatramin’ny 22 jona ho avy izao izany fifaninana handraisan’ireo ekipana ankizy latsaky ny 17 taona, eny amin’ireo sekoly eto Antananarivo sy ny manodidina izany. Ny 8

Taxi foot – Ireo lalao enina ho hita rahampitso sabotsy

Taxi foot – Ireo lalao enina ho hita rahampitso sabotsy(0)

Hitohy rahampitso sabotsy ny « Grand Tournoi Taxi Foot », karakarain’ny Fiteramana, eny Fort Duchesne. Lalao enina no ho hita ka manomboka amin’ny 11 ora ny lalao voalohany. Kitra lalaovin’olona fito ity hihaonana ity. Omby no iadiana amin’izany. Toy izao manaraka izao ny fandaharan-dalao: 11ora : Taxi Gara Ampasampito # Taxi FC3A Cora 12ora : Taxi Ambodivona # Taxi

«Champions league» – Hihaona amin’ny Bayern ny Dortmund  tsy misy an’i Mario Götze

«Champions league» – Hihaona amin’ny Bayern ny Dortmund tsy misy an’i Mario Götze(0)

Tsy isan’ireo hiatrika ny lalao famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, izay hotontosaina amin’ny sabotsy izao any amin’ny kianjan’i Wembley (Angletera), i Mario Götze, isan’ireo andrin’ny Borussia Dortmund. Na izany aza anefa dia mbola henjana ho an’ny Bayern Munich ny hitady fandresena eo anoloan’ny Dortmund. Tamin’ireo lalao mandroso sy miverina ho an’ny fiadiana

«Defi froid» – Hitsapa ny hatsiakan’ny rano ireo mpilomano eny Betongolo

«Defi froid» – Hitsapa ny hatsiakan’ny rano ireo mpilomano eny Betongolo(0)

Hifanandrina amin’ny hatsiaka eny amin’ny dobo filomanosan’i Betongolo amin’ny sabotsy izao ireo mpilomano hanoina ny antson’ny klioba Cosfa lomano. “Natao indrindra hitsapana ireo mpilomano te hiditra ho ao anatin’ny klioba izy ity ary ihany koa hanamafisana sy hitsapana ny toe-tsain’ireo mpilomano”, hoy i Tojohanitra Andriamanjatoarimanana, mpilomano kalaza fahiny, mpikarakara ity “Challenge Defi-Froid” ity. Saika ireo

Basket ball N1A – Hanandran-tsira any Mahajanga  ny ekipan’ny Zandary

Basket ball N1A – Hanandran-tsira any Mahajanga ny ekipan’ny Zandary(0)

Henjankenjana ny lalana miandry ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena (GNBC), izay sambany no hiatrika fifaninanana goavana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny basket ball sokajy N1A. $Tafara-bondrona amin’ny Sebam sy ny Ascum, izay samy ekipa avy any amin’iny faritr’i Boeny iny izy ireo, amin’ny fifaninanam-pirenena mandroso hotontosaina, any Mahajanga amin’ny 1 – 9 jona

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite