Subscribe to RSS

Asan-dahalo – Miaramila an-jatony hafa nalefa nikaroka an-dRemenabila

Ny 14 jolay 2012 lasa teo no nandefa andiana zandary sy miaramila vaovao avy ao amin’ny faritra Anosy, niampy miaramila avy ao Tolagnaro sy Toliara ny eo anivon’ny Foloalin-dahy. Efa tapitra ny 11 jolay teo ny iraka nampanaovina ireo zandary sy miaramila efa ho 300 mahery nalefa tany an-toerana nanomboka ny 11 jona.

Mbola tsy nahitam-bokany ihany aloha ny fikarohana hatreto.

Tsy manaiky lazaina ho « resy » na « tsy mahomby » anefa ireo miaramila sy zandary amin’ny fanenjehana ity dahalo ity.

« Na dia mbola tsy azo aza izy dia efa milamina tsy toy ny teo aloha ny any an-toerana rehefa nalefa tany ireo miaramila sy zandary nampandry tany », hoy ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, kaomandin’ny Zandarima-riam-pirenena.

Tsikaritra mantsy fa somary nangingina ny asan-dahalo ao anatin’ny faritra Anosy, raha nisesy sy nahery vaika ireo asan-dahalo nandrobana omby maherin’ny 2 000 tao anatin’ ny distrikan’Amboasary Atsimo tao anatin’iny enim-bolana voalohan’ny taona 2012 iny.

Mahakasika ireo anarana tompon’andraiki-paritra, manamboninahitra ambony, mpanao politika voatonona ho miray tsikom- bakomba amin’ireo dahalo dia nilaza ny jeneraly Razafindrakoto Bruno fa efa mizotra ny fanamarinana ireny vaovao voaray ireny amin’izao fotoana izao.

Hanitry Ny Aina

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fampitandreman’ny zandarimaria – Hotifirina izay jiolahy enjehina ka tsy mijanona

Fampitandreman’ny zandarimaria – Hotifirina izay jiolahy enjehina ka tsy mijanona(0)

« Mampitandrina ireo jiolahy enjehina ka tsy mety mijanona ny zandary fa handray fepetra hitifitra avy hatrany mba hahafahana manajanona azy », hoy ny nambaran’ny kolo-nely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny vondron- tobim-paritry ny zandarimaria eto Antananarivo, omaly. Lehilahy efatra voatondro ho jiolahy nanafika tranon’olona, tetsy Sabotsy Namehana, no voasambotry ny zandarimariam-pirenena, omaly. Ny telo tamin’ ireo no voatery notifirina tamin’ny tongony. « Nahazo vaovao ny zandary fa mikononkonona teti-dratsy indray ireo jiolahy ireo ka nidina teny an-toerana nizaha ny tena zava-misy marina. Telo lahy izy ireo no tratra teo ary saika mbola hitsoaka ihany, ka avy hatrany dia notifirina ny tongony mba hahafahana manajanona azy ireo. Tamin’ ny famotorana natao azy ireo dia fantatra fa mbola misy namany iray hafa niara-nanao ny fanafihana taminy. Nankany amin’ilay toerana voatondro ireo zandary avy eo ka voasambotra ihany koa io namany io », hoy ny tatitra azo avy eo anivon’ny zandarimaria. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa amin’izao fotoana izao ireo entana rehetra nangalarin’ireo jiolahy ireo ary efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. H.R.

Fakana tahaka sarimihetsika – Mody nanokatra kaonty kanjo namoaka basy ireo mpanafika banky

Fakana tahaka sarimihetsika – Mody nanokatra kaonty kanjo namoaka basy ireo mpanafika banky(0)

Tsy matahotra intsony ireo jiolahy mpandroba manafika amin’ny andro antoandro. Banky iray tetsy Talatamaty, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora no notafihina jiolahy dimy nitam-basy. « Niditra ny sasany tamin’izy ireo ka sahala amin’ ny olona rehetra hanokatra kaonty ao amin’ilay banky. Namoaka basy tampoka anefa izy ireo ka nampatory tamin’ny tany ireo olona rehetra tao amin’ilay banky, toy ireny fahita amin’ny sarimihetsika ireny », hoy ny fitantaran’ny olona iray mpivarotra teo akaikin’ilay banky. « Basy poleta telo sy  »kalachnikov » roa no nentin’ireo jiolahy ireo tamin’ ity fanafihana ity. Nalainy tamin’ny sakaosy avy eo ny vola tao amin’ilay banky ary lasa izy ireo nandositra », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. « Nitondra fiara  »Peugeot 305 » ireo jiolahy ireo ka teo amin’ny toerana tsy lavitra an’io banky io no namelan’ izy ireo ilay fiara fa lasa izy ireo nandeha an-tongotra nandositra », hoy indray ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidiam-paritanin’ny zanda-rimaria eto Antananarivo. Ity tompon’andraikitry ny zandarimaria ity ihany no nanambara fa « io fiara io sy ny fakan-tsary tao amin’ ilay banky no iaingan’ny famotorana amin’izao fotoana izao». « Raha ny hita tamin’ilay fakan-tsary dia teo amin’ny manodidina ny Ar 40 tapitrisa teo ny vola lasan’ireo olon-dratsy », hoy ihany ny kolonely Rakotomahanina Florens, . Haja Randrianantoandro 

Halatr’omby – Dahalo efatra maty voafitra  tany Manandona

Halatr’omby – Dahalo efatra maty voafitra  tany Manandona(0)

Malaso efatra indray no lavon’ny balan’ny zandary tany Sahanivotry Antsirabe, afak’omaly tolakandro. « Dahalo maromaro izy ireo no niaraka ka omby 13 saika handeha hamidy eo an-tsenan’i Sahanivotry no nangalarin’izy ireo. Nampandre ny zandary avy eo ny tompon’omby ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny foko-nolona », hoy ny tatitra azo avy any an-toerana. « Tsy misy zandary ao Sahanivotry ka ireo zandary avy ao Manandona no nanara-dia. Tsy lavitra ny toerana nahaverezan’ny omby no naharaikitra ny fifandonana ka lavo tamin’ izany ny dahalo efatra ary nitsoaka avokoa ireo namany. Tafaverina avokoa araka izany ireo omby rehetra ary efa natolotra ny tompony », hoy ihany ny tatitry ny mpitandro ny fila-minana. Mbola mitohy amin’ izao fotoana izao ny fanenjehana ireo dahalo lasa nandositra. H.R.

Tapatapany

Tapatapany(0)

Fatin-jazakely narian-dreniny > Zaza menavava iray no hita narian-dreniny teny amin’ny dabam-pako etsy Tsarafaritra Tsimbazaza, omaly maraina. Efa tsy nisy aina intsony io zaza io. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia zaza efa nateraka soa aman-tsara mihitsy ity nariana ity. Ireo mpitsindroka fako teo amin’ity toerana ity no nahita izany voalohany. Zazakely nianjeran’ny vy > Zazalahikely enim-bolana no nianjeran’ny trano vy fiva- rotana hani-masaka tetsy Analakely, omaly antoandro. Nisakafo antoandro teo amin’ ilay mpivarotra izy sy ny reniny kinanjo nianjera tampoka teny amin’izy ireo ny vy mitana ny tafon’ilay tranokely fivarotana. Mbola tsaboina eny amin’ny Hjra ity zaza ity hatramin’izao. Dahalo matin’ny fokonolona > Dahalo iray no matin’ny fokonolona tao Alatsinainikely-Miarinarivo ny 16 jona teo. Nanararaotra ny fisian’ny alim-pandihizana tao an-tanàna ireto dahalo ireto ka saika hamoaka ny omby tao am-bala. Niezaka nanohitra anefa ny fokono-lona ka maty ny iray tamin’ ireo olon-dratsy raha nentin’ ny namany nitsoaka kosa ireo naratra.

Tsy fanarahan-dalana – Ho hentitra ny fisavana ny fivezivezen’ireo teratany vahiny

Tsy fanarahan-dalana – Ho hentitra ny fisavana ny fivezivezen’ireo teratany vahiny(0)

Hohamafisina ny fisavana ny fivezivezen’ireo teratany vahiny eto amin-tsika noho ny fahamaroan’ ireo tsy manana taratasy ara-dalàna. « Maro amin’ ireo teratany vahiny no maka fahazoan-dalana hizaha tany saingy rehefa tonga eto dia misy ny mija- nona ka mikarama sy manao asa manokana ho azy », hoy ny kaomisera divizionera Rakotondraini-vonona Panoël Macaire, tale iraisam-paritry ny Polisim-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, nandritra ny tafa nifanaovan’ny tompon’andraikitry ny Emmo-reg, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ankadilalana. Ho fiarovana indrindra ireo vahiny ireo no voa- laza fa antony handraisana fepetra fanaraha-maso ny fivezivezeny, araka ny voalaza. « Manahirana ny fitan-droana ny ain’ireo teratany vahiny eto amintsika ary nisesisesy tato ho ato ny faha- fatesan’izy ireny amin’ny fomba mampiahiahy, ka izay no mahasarotiny ny mpitandro filaminana », hoy hatrany ny  kaomisera divizionera Rakotondraini-vonona Panoël Macaire. Maminiaina Andri.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite